devoli'izao sy izao ...

1. ari.malala ( 18/06/2008 06:41)
Nisy fotoana hoa za zany nentin'izay tantine ko izay nivavaka tany maina fiangoanana evanjelika iray (tsy ho tononiko ny anarany ho fanajana) d ny tena moa tamin'izany mbola kely tsy mahalala ny tena fiorenan'ny finoana (efa vita confirmation za fa zany hoe ts mbona nandray activité tao ampiangonana d misavilvol e hihihi) de hoe ametrahana tanana hono izany... tsy mahalala izay havia sy havanan'ilay ametrahana tanana akory fa mandeha ny olona d mba nandeha fa hoe izay no naleha tany, fa gaga b za fa za zany manana toetra kizintina izay, d niteny tmain'ilay hoe mpiandry hoe za masika b d mandratra refa miteny, kizintina sns, d aveo amizay nitrerona b le olona hoe miala tao ry devolin'ny fahakizintinana sy devolin'ny fahasiahana,fa tena raiki-tahotra ny tena! nandraiky nanavy mintsy aho ny tontolo andron'iny vokatry ny tahotra satria nampiseho endrika farak'izay masika ilay olona nitrerona ana teo (enfin ts haiko alou na za no notreroniny na izay lazainy fa devoly tato amiko e) fa tsy niverina tany intsony ah kle! ka ny fanazvani'lay tantine dia hoe toy ny mikonfesy iany hono no atao amin'ilay ametrahana tanana fa ry zareo tena mandroaka fa ny mopera miteny ftsn hoe afaka ny fahotana sns... fa hay v mampitahotra be toy izany ity ametrahana tanana e! d ny tena tiako atongavana d ity, fomba manao ahoana no ahalalan'ireo hoe mpiandry ireo fa misy devoly ilay olona? d ny zavatra voamariko iany koa d refa mitory teny ny any amindry zareo d mifandrombka mamaly aleloia sns ny ao ampiangonana, d ts concentrée mitns mou zany za fa d nande ka nande... d ny tiko anontaniana faharoa d hoe ts maints mitabataba b otranizany foana v vao atao hoe tena mivavaka sy mifantoka? (sanatria tsy enjika no anaovako ity dinika ity fa mba fitia te hahalala satria izaho hoy aho tsy initiative ko ny nandeha tany fa voatarika ary azoko atao hoe curiosité no tena nandehanako tany)
2. Lek ( 18/06/2008 08:47)
Manahoana i Harimalala
Lay hoe devoly maro de marina any anaty baiboly misy izany tsy tadidiko tsara ny toko sy andininy fa any @ ilay olona noroahin'Jesosy devoly de lasa any @ilay kisoa andiany maro ireo devoly no niditra 'Legiona na legion no fiantso azy zany hoe maro' misy devoly maro izany ao antin'ny olona iray voalaza ao amin'ny matio koa zany ra miala aminao hoy izy ny devoly iray dia lasa izy de mijery indray izy avy eo ka ra madio ny trano izay nivoahany de miverina indray izy mitondra fanahy foto hafa ratsy noho izy de hoy ny soratra masina hoe lasa ratsy kokoa noho ny teo aloha ny efaran'izany olona izany vakio any @ "Matio" any. Ilay mitrerona indray de satria ny mpiandry miaramila de refa mamoaka devoly de tsy manao teny malefaka.Maro ny fomba ahafantaran'ny mpiandry ny devoly ao anatin'ny olona efa nampianarina azy izany ka tsy ho takatry ny tsy mpiandry mihintsy, fa raha tsy hiditra lalina de ilay fanontaniana napetrany taminao ihany ka nahafantarany hoe kizitina na mpiteny ratsy na mahita devoly enao ohatra de zay no roahany
Ilay hoe miteny aleloia de samy manana ny fombany ny foangonana tsirairay ka tsy hita hoe ahoana fa izay ny an-dry zareo. ilay hoe ts maints mitabataba b otranizany foana v vao atao hoe tena mivavaka tsy voatery ho izany e! zay ny andry zareo samy manana ny azy ny fiangonana fa ny tanjona iray ihany. Misy koa ny sasany mivavaka de samy mitabataba de efa mahazatra azy izany de cocentré fona izy fa enao tsy zatra no sahirana. Fa angamba refa tena mivavaka enao de mety tsy ho renao tsony ny hafa
:P
3. ikaretsaka ( 18/06/2008 15:18)
raha legionaire ve ianao na legion etrangere deia atao heo tsy ao amin'ny tafika intsony?
4. fijo ( 18/06/2008 21:13)
efa naika hampiditra ity resaka mametratananaity aho fa i ari no tonga aloha.
nisy zavatra hitako mantsy tamin'ny fandaharana tamin'ny arte,momba ity fandroahan adevoly ity,fa taty frantsa indray ilay izy.dia tena io voalaza eto io.apetrak'ilay olona eo amin'ny lohan'ilay tanora vavy ny tannay ,di amitrerona to aireny mibedy alika nikaka tao an trano ireny lery sady mandroak asy mibaradaka eo.dia torana izay ilay sipa.le mitrerona itako tamin'io tena ,na liona aza teo maty ngamba.
asa iza marina no treromina eo,fa za moa tsy mino devoly izany ka asa
5. ikaretsaka ( 18/06/2008 21:54)
fa tsy maintsy treromina ve?
raha tena olona manana pouvoir sy haja tokoa manko ianao (sy ilay zavatra na olona representer-nao) amiko dia miteny tsotra dia lasa manaiky anao ny zavatra rehetra fa tsy mila mitrerona izany.
6. belakely ( 19/06/2008 03:57)
ny saina ihany no devoly e!!!!! ilay fatsy hoy JC
ilay teny hoe devoly koa aloha no samy manana ny ampiasainy azy e: rehefa manohana ny tombotsoanao dia antsoinao hoe devoly!
Za koa aloha tsy mino devoly toa an'i fijo izany e!!!!!!!!!
7. fahamarinana ( 19/06/2008 06:33)
ikaretsaka:

fa tsy maintsy treromina ve?
raha tena olona manana pouvoir sy haja tokoa manko ianao (sy ilay zavatra na olona representer-nao) amiko dia miteny tsotra dia lasa manaiky anao ny zavatra rehetra fa tsy mila mitrerona izany.



:arrow: amiko manokana aloha tsy voatery hitrerona.Isan'ny olana tato aminay zany tam 1er nahatongavan'ny Mpiandry hanao asa sy Fampaherezana.Izany hoe ilay facon de faire mihintsy no tena nahatonga tantara satria olona efa 10 ry zareo no manao azy eo.Nangataka ny Fiangonana mba ho olona 1 no manao azy dia tsy be tabataba fa hatreto aloha dia tsy nisy fiovana.Za manokana aloha tsy olana amiko na firy izy no eo hitatata fa ho an'ireo tsy dia a l'aise no tena nilaiko fanamboarana nefa moa efa ohatr'izay ny fomba fiasa ka tsy misy azo hovaina selon ny envie-tsika (zay aloha no valiteny voarainay tamin'izay...)Par contre ny am 1er manala ny devoly no miteny mafy izy fa rehefa mametra-tanana kosa dia miteny malefaka sy mivavaka.
Io resahan'ny Fijo io ndray ilay olona iasàna mihintsy angamba no fandraisako azy.Mbola tsy nahita aho aloha olona niasana taty fa any dago hono tena ahitana azy.(l)
8. ari.malala ( 19/06/2008 06:50)
:-D :-D :-D :-D ilay fitantaran'i fijo azy koa an :-D :-D :-D :-D :-D

za koa aloha miombon-kevitra @ ika hoe tsy ilaina ilay mitrerona e! nanahoana ny nandroahan'i Jesoa ny dmony tao @ ireo olona nisy zany? teny hentitra in1 ftsn d vita, tsy nila trerona, sa v hoe refa olona no manao ilay asa d ts maints mitrerona? asa alou...;
9. ikaretsaka ( 19/06/2008 11:41)
sady le kapokapohiny @ iny baiboly iny koa le lohan'ny olona..
tsy haiko heo lasa tokoa ve na tsia .. fa nisy namako izay tena nivontovonto ohatran'ny avy nanao boxe mihitsy ny lohany voakapokapoky ny baiboly
10. ari.malala ( 19/06/2008 14:36)
za alou zan ts voakapoky ny baiboly fa na izany aza tena nandraiky narary mits ny andohako tamizay vokatry ny tahotra satria votrerona, ny tabataba etsy an-daniny... tena fay ah ary tsy niverina tany intsony!
11. fahamarinana ( 19/06/2008 14:41)
:arrow: ari :na za tamin'ny 1er aza dia nivarahotsana koa,teo koa moa ny tsy fahalalana,za tsy nisy nanazava hoe ahoana ny fandehany.Ankehitriny dia miezaka manazava mialoha ny olona vahiny tonga ao am-piangonana aho alohan'ny hanatrehany satria sarotra kosa ho an'ny rehetra kah.Zany aza aty mbola tsy hoe misy Asa be atao toa ny any Dago anie nefa efa manahirana be. (l)
12. prime ( 20/06/2008 10:19)
Ny fanazavan'i fahamarinana io no mitombina... ny mpiandry dia miaramila, miady rehefa ilaina izany manoloana ny devoly nefa mitondra ny tenim-pitiavana ihany koa rehefa mametra-tanana...
13. Lek ( 20/06/2008 13:24)
Marina ilay hoe miaramila ny mpiandry misy fotoana hitreromana misy fotoana itenenana malefaka, tsy tokony hadinontsika fa asan'ny Fanahy ange reny atao reny refa miasa ny mpiandry e! ka misy tsy topon'ny tenany fa ny fanahy no miasa amin'iny fotoana iny, ra Demoniaka no esana de entanin'ny fanahy enao hiteny mafy, misy koa angamba reo hitan'Andriamanitra fa mafy loha de omeny teny mahery.Ny tiko tenenina de tsy misy mahay ny asan'Andriamanitra fa zay anentanan'ny fanahy anao amin'iny fotoana iny no vita na de tsy noeritreretin'ny sainao aza. Zay ny maharatsy ny olona esana ra tsy manolon-tena hiasana izy.Zay tena mbola tsy vonona esana aza manantona esana fa manjary manome tsiny ilay asan'Andriamanitra. Ny mpiandry ko na izany aza aoka ho tena feno vavaka tanteraka vao hiasa fa manjary manaonao fona satria ny devoly ko tsy faly. :D
14. Lek ( 20/06/2008 13:30)
Ny devoly anie ry reto voalaza ao anatin'ny Baiboly e! ra tsy mino ny fisian'ny devoly nareo de tsy mino zay lazain'ny tenin'Andriamanitra ra tsy hoe angaha olona tsy mino ny ao @ baiboly.
15. ari.malala ( 20/06/2008 14:49)
fa ny tsy azoko e, manin no mitrerona, nefa i Jesoa raha nandroaka demony d teny hentitra in 1 ftsn d vita fa ts mila blabla bedabe?
16. ikaretsaka ( 20/06/2008 15:12)
prime:

Ny fanazavan'i fahamarinana io no mitombina... ny mpiandry dia miaramila, miady rehefa ilaina izany manoloana ny devoly nefa mitondra ny tenim-pitiavana ihany koa rehefa mametra-tanana...


rehefa heo miady ange tsy voatery mivazavaza foana ry prime e

misy fitenina marines "sniper" (tireur d'elites) niady tany Viet nam fahiny izay manao heo tsy voatery ny mitraillette sy ny baomba akory no mipaoka be vao mahazo fandresena, fa ny zana tsipika sy ny basy misy silencieux aza nahafaty betsaka sy nandresena ny ady
17. belakely ( 21/06/2008 02:00)
ka ny baiboly koa anie efa niova imbetsaka ny dikan-teniny e!
misy toko sy andininy resahina nefa misy iniana tsy vakiana mihitsy na ovana hoe "a" kely e "a" lehibe sns......arakaraka izay itiavana azy!
18. fahamarinana ( 21/06/2008 15:33)
:arrow: ika :hoy ny fanazavana azonay tamin'izany andro hoe na mandroaka alika aza dia miteny mafy hoe allez!!mivoaka!!! ka maika devoly ndray ve ho tambatambazana. Za moa tsy Mpiandry tsy afaka hanazava plus n'izay.
Marina koa ny voalazanao hoe afaka mandresy ihany koa na tsy mitabataba fa mikasika ny Devoly manokana tsy haiko raha handaitra na ahoana satria mbola ady mafy izay.. (l)
19. ari.malala ( 23/06/2008 08:29)
belakely:

ka ny baiboly koa anie efa niova imbetsaka ny dikan-teniny e!
misy toko sy andininy resahina nefa misy iniana tsy vakiana mihitsy na ovana hoe "a" kely e "a" lehibe sns......arakaraka izay itiavana azy!




tsy azoko, in no idiran'ny resaka baiboly eto?
20. ikaretsaka ( 23/06/2008 12:43)
fahamarinana:

:arrow: ika :hoy ny fanazavana azonay tamin'izany andro hoe na mandroaka alika aza dia miteny mafy hoe allez!!mivoaka!!! ka maika devoly ndray ve ho tambatambazana. Za moa tsy Mpiandry tsy afaka hanazava plus n'izay.
Marina koa ny voalazanao hoe afaka mandresy ihany koa na tsy mitabataba fa mikasika ny Devoly manokana tsy haiko raha handaitra na ahoana satria mbola ady mafy izay.. (l)


za 20 taona mahery niompiana alika ary saika le alika de race sy molosses ireny fa arakaraky ny power sy ny authorite andraisanao azy ihany io.. tsy voatery mi aller ianao vao mandeha ny alika fa indraindray aza ianao rambasany !
za manokana tsy manao allez alika izany fa resaka fanadihadiana ny comportement an'ilay biby aloha no ataoko voalohany dia indraindray geste dia efa fantatr'ilay biby
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0612