devoli'izao sy izao ...

41. Mandefitra ( 03/07/2008 08:04)
Misy lafiny roa :
- Ny tsirairay dia afaka mibebaka ny fahotany any antranony mangingiana, henon'Andriamanitra izany.
- any ampiangonana koa, dia eo foana ny litorjia ny famelank-keloka : "raha miaky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra ka mamela ny helontsika ary manadio antsika ho afaka @ tsy fahamarinana rehetra". Koa noho izany ary dia aoka ifona @ Andriamanitra isika ...
Ary dia manonona tokoa ny Pasitera avy eo hoe :"Matokia anaka, voavela ny helokao, ....". Tenin'Andriamanitra no ampiasainy eto.

Fa rehefa mikonfesy ianao, voatanisa ao daholo ve ny heloka rehetra vita?
Izao no voasoratra :
Jeremia 17 :”9 Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?
10 Izaho Jehovah no mpandinika ny fo Sy mpamantatra ny voa, Mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, Dia araka ny vokatry ny asany.

Salamo 19 : 12 Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin'izay ota tsy fantatra.(Iza moa no mahalala ny faniasiavany?Mamelà ahy amin'izay tsy fantatro. )(Katolika)

Ka tsy afaka ny hihambo mihitsy i ari-malala fa hoe rehefa nikonfesy tany @ Mopera dia voatonona tao avokoa ny ota rehetra vitanao ...
Ny hira FFPM manao hoe :
Raha alina mangina ka hatory
Tsarovy eo ny ota izay natao,
Ka dia ifony mafy sy itsory
Fa ndrao maningotra anao.

Farany, Ny Pere fahiny aza nilaza hoe :
Père Chrysostome s'exprime ainsi (Distinct. I De Poeunitentia) : « Je ne dis pas que tu doives révéler tes secrets publiquement, ou t'accuser et plaider coupable devant telle personne ; mais suis l'exhortation du prophète qui dit : Révèle à l'Éternel ton chemin, Psaume 37, 5. C'est pourquoi porte ta confession, jointe à ta prière, devant Dieu le Seigneur, qui est le vrai juge ; ce n'est pas par la bouche, mais dans ta conscience, que tu dois déclarer tes péchés »


42. ari.malala ( 03/07/2008 12:55)
Mandefitra:
Fa rehefa mikonfesy ianao, voatanisa ao daholo ve ny heloka rehetra vita?
ie!! ny fahotana tsy ambara fa afenina d ts ahazoana famelana noho izany d ilaina ambara refa mikonfesy!
43. ikaretsaka ( 03/07/2008 22:30)
Fa rehefa mikonfesy ianao, voatanisa ao daholo ve ny heloka rehetra vita
?
eny... ezahina arak'izay tratra..
izay no antony hanaovana ilay fandinihin-tena aloha vao mikonfesy
marina io lazain'i ari io hoe raha heloka hay nefa afenina dia tsy mety mihitsy
44. ari.malala ( 04/07/2008 05:58)
ka enao nge ra hiteny fts we mifona ah Andriamanitra fa mpanota, nefa ts teneninao akory we in le fahotanao d in aza no hovoavela eo, ekena hoe mpamindra fo sy mahita ny miafina rehetra Izy, fa na izany aza nareo mahay tsara ilay toko sy andinin'ilay hoe raha miaky ny fahotantsika isika d matoky sy marina Andriamanitra ka hamela ny fahotantsika rehetra, d le miaiky zany tenenina we z ananao anizao sy zao sy zao fa manenina amizay za d ts hanao tsony!
45. Mandefitra ( 04/07/2008 08:44)
Nahoana mo no tsy holazaina ny ota natao?
tsy vakianao tsara ange zay nosoratako ... ny hira ffpm aza hoy aho manao hoe :
Raha alina mangina ka hatory
Tsarovy eo ny ota izay natao,
Ka dia ifony mafy sy itsory

Fa ndrao maningotra anao.

* Ary tsy miandry alahady fa isaky ny nahatsiaro tena fa nanota dia eo no hoe eo no mibebaka.
* Ary alohan ny hatory dia mbola mibebaka sy mifona t@ ota zay natao.
* Ary rehefa alahady dia toy izany koa ... manasa ny Pasitora hibebaka, dia mifona eo ianao ... avy eo misy vavaka iraisana
"Ry Andriamanitra be famindrampo Izay nanolotra ny Zanakao Lahitokana ho faty hisolo anay mamindra fo aminay, ary noho ny anarany dia mamela ny fahotanay rehetra ...."
Ary manonona ny famelan-keloka avy eo ny pasitora
*Ary indrindra, rehefa mandray ny fanasan ny Tompo, @ fo manetry tena sy marina, dia tokony hahatsapa fa voavela heloka "Sotroinareo rehetra ity, fanekena vaovao @ Rako izay alatsaka ho anareo ho famelan-keloka"

Ka tsy hoe tsy mibebaka ny protestanta refa tsy mikonfesy ... fa tsisy mandrara koa ny fankanesana any @ pasitora, raha tena misy heloka manavesatra ny ati fanahinao, ka ilanao fizarana @ ray amandreny ara-panahy.

46. ari.malala ( 04/07/2008 08:55)
nga mou nis niteny teo ry Mandefitra hoe ts mibebaka ny protestanta refa ts mikonfesy a! hihihi!
47. Mandefitra ( 04/07/2008 09:06)
hehehe hay ve ... eny e fa sady mitondra fanazavana ihany za
48. ikaretsaka ( 04/07/2008 12:47)
samihafa ny mikonfesy sy ny mibebaka an.. na samy hoe manala fahotana aza...
ohatran'ny maha samihafa ny mihoso-davenona sy ny mifona ihany
49. fijo ( 04/07/2008 20:14)
"hoy ika:"Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 03-07-2008 04:31:51
Lohateny : Re : devoli'izao sy izao ...
matetika rehefa manohina ny tombotsoa tokoa, indrindra ho an'ny mpivavaka dia heo "devoly"
dia rehefa jerena au fond ny maha "devoly" ilay zavatra lazaina fa "devoly" anefa tsy misy raisonement mitombina"

io moa dia tena mampifanditra matetika amiko amin'ireo mpino mihintsy.

za koa aloha tsy manaiky le konfesy e,toa ny faametrahan tanana io samy laviko satria raha mpino aho dia tsy mila olona hafa hamela sy hanafaka ahy izany,fa za sy izay hinoako ihany.
50. ikaretsaka ( 04/07/2008 21:48)
ka nen'la le mbola maha olona ilay mompera no jeren'ialahy...

fa misy ohatran'ialahy kao ka.. le olona mandeha le confessional ireny dia tsy mifankahita mihitsy izy sy i mopre... izy tsy kopy hoe mompera iza no nikonfeseko teo moa le mopre koa tsy kopy hoe olona iza no nampikofensena teo fa le nilaza fahotana no zava dehibe!
51. fijo ( 05/07/2008 19:26)
ka raha izay anie azoko resahina amin'ny namana atokisako izay e,
ny zavadehibe amiko dia ny fihaikena hoe nanao diso ny tena "ARY TE HIOVA"ary manao hezaka hisian'io fihovana io.izay no lehibe.
52. ikaretsaka ( 06/07/2008 03:18)
fijo:

ka raha izay anie azoko resahina amin'ny namana atokisako izay e,
ny zavadehibe amiko dia ny fihaikena hoe nanao diso ny tena "ARY TE HIOVA"ary manao hezaka hisian'io fihovana io.izay no lehibe.


ka le namana atokisana sao kapotsaka koa
fa marina ny an'ialahy hoe le manaiky diso sy te hiova no zava dehibe... dia matetika io anefa tsy vita irery
53. prime ( 08/07/2008 09:11)
Efa miova moa ny lohahevitra ka dia tohizana arak'izay izany...

Ny mahasaro-pady (fa tsy hoe tsy mety tsy akory) ny konfesy dia ilay fizarana ny fiainana momba ny tena aman'olona toa ny tena mba ahazoana famelan-keloka... tsy dia ilay fahefana hamela heloka raha ny tena izy no olana fa ilay olona samy olona, ka ny iray tsy maintsy manambara ny fahalemeny hatramin'ny antsipiriany, ary ny iray afaka tsy manambara ny momba azy fa mihaino sy mananatra tsy araka ny ambaran'ny tenin'Andriamanitra fa araka izay anjarany nefa izy olona ihany koa ary tonga manam-pahefana mihitsy aza amin'ilay olona mikonfesy...

ari.malala> ekena fa mamela heloka ihany koa ny Mpiandry rehefa mametra-tanana saingy tsy izy no mamela heloka fa Andriamanitra araka ny tenin'Andriamanitra omeny amin'iny fotoana iny...
54. Rasiligaoma ( 09/07/2008 03:20)
prime> ka ilay fisainana hoe "olona tahaka ny tena, olona samy olona " mihitsy no mila tsy eritreretina aloha rehefa hoe hi-confesse ka. Toy ny hoe boky hafa nohon'ny boky rehetra ny baiboly
55. prime ( 09/07/2008 10:04)
Rasily> ekeko izany ka... ilay olona iresahana anie tsy mba mizara ny azy e, izay no tena olana...
56. ari.malala ( 14/07/2008 07:49)
prime:

ari.malala> ekena fa mamela heloka ihany koa ny Mpiandry rehefa mametra-tanana saingy tsy izy no mamela heloka fa Andriamanitra araka ny tenin'Andriamanitra omeny amin'iny fotoana iny...



fa iza no miteny am prime fa ny mopera manome famotsoran-keloka d manome izany amin'ny anaran'ny tenany?

momba ilay hoe ts mitantara ny fiainany, ireny mompera ireny anie nisy voady nataony hoe tsy hizara izay tantaraina azy na rahoviana na rahoviana e! sady tsy olona 1 no hikonfesy aminy ao, ka hoe ho tadidiny foana hoe i ranona niteny izao tamiko... mitantara ny fiainany mintsy kou ireny pretra ireny @ pretra namany refa mikonfesy izy! oui, mikonfesy ny pretra :) olona toy ny olona rehetra iany izy manana ny fahalemeny sy ny fahosany d mikonfesy:)
57. prime ( 14/07/2008 12:19)
ari.malala> Mety tsy haiko tsara angamba ny manazava azy fa ny tiako ambara dia izao : ny fibebahana ara-tsoratra masina dia mety miseho amin'ny tranga roa,

  1. olona mibebaka amin'Andriamanitra, eo dia Andriamanitra irery ihany no ibebahany sy manome famelan-keloka azy, ary ny manolotra ilay famelan-keloka dia na Izy Andriamanitra (toy ny nataon'i Jesosy tamin'ilay vehivavy nijangajanga tratran'ny olona) na ny mpanompon'Andriamanitra saingy etoana dia tsy voatery ambarany ilay mpanompon'Andriamanitra ny heloka nataony fa azy sy Andriamanitra irery ihany fa ilay fiverenany amin'Andriamanitra ka manetry tena mifona no zavadehibe fa tsy ny fanambarany intsony ny heloka vitany, vao mahazo famelan-keloka (izay fahita rehefa mikonfesy)
  2. olona mibebaka aman'olona noho ny ratsy natao na vita taman'olona, eo dia mazava ny baikon'Andriamanitra fa izy roroa dia tsy maintsy mifampizara sy mifamela heloka ary mifamerina amin'ny fitiavana araka an'Andriamanitra sy ny didin'Andriamanitra...


Ka eo no mampisy fisalasalana hoy aho, tsy hoe tsy mety na diso, marihiko tsara... fa ny Mpiandry anie tsy anambaràna heloka na anaovana konfesy fa iraka fotsiny e... izay no tsy mampitovy azy amin'ny Pretra izay tena solotenan'Andriamanitra velona ka "tsy maintsy" anambarana ny heloka vita "toa an'Andriamanitra"...
58. ari.malala ( 14/07/2008 14:49)
prime:
fa ny Mpiandry anie tsy anambaràna heloka na anaovana konfesy fa iraka fotsiny e


cf ny zavatra notantaraiko ery ambony b ery!! fa refa hametrahan-tanana v enao ts anontaniany alou we fa manin na nanin na ts haiko e! zany no natao ana mants tamizay fotoana nandehanako we hametrahana tanana izay... nanontany le mpiandry we fa ahoana ny anao izay, endrika malefaka b klou no nandraisany ana, fa refa avy niteny anilay we kizintina s masika d le lasa nasika b ny endriny sns ah, k aiza no ts mampitovy amizany? samy ilazana heloka iany, satria ny anaovako anao anizany, vavan'ilay mpitory teny (mpiandry hon izy) no niteny we nanao asa fampaherezana t@ olona milaza tena ho mpangalatra gaigilahy izahay sns, fa ny maha samy hafa azy d ny an'ny pretra voatanan'ny voady sy ny lalàna tsy hamoaka izay ambara aminy izy! ary refa mikonfesy anie ny katolika d toa anareo iany we tsy ilay olona am mahaolona azy no ilazana ny natao fa Andriamanitra e! ny pretra iany koa iraka ftsn :°) misy tokoa ny fotoana fibebahana iraisan'ny be sy ny maro ao am-piangonana rehefa am lamesa, anomezan'ny pretra famotsoran-keloka fahobe, fa misy dia misy ny fotoana ilàna anatonana pretra, ilàna fampaherezana, @ alalan'ny konfesy! raiso am fiainana andavanandro ftsn re ry prime a! misy manjo anao tena mavesatra aminao, manana confident enao, d ts hizara izany amle confident v enao? (wana klou d tena mahatsiaro soulagement lehibe rehefa avy mikonfesy e!) otranao iany kou ngamba we mahatsiaro fiadanam-po lehibe enao refa avy ametrahan-tanana sa ts zany? :°) le mikonfesy ts vitan'ny we mitantara fahotana sns ftsn enao d manome famotsoran-kevitra ny pretra fa mananatra izy alou, manome fampaherezana, izay vao manome ny asa fivalozana raha ilaina izany ary avy eo mampanao ny fanenenana ary farany d manome ny famotsoran-keloka amizay izy.
59. prime ( 15/07/2008 07:12)
Tsy ilay fomba loatra no tiako ahatongavana nefa moa raha izay no fahitanao azy tsy maninona...

Fa mikasika ny lazainao aloha dia mahagaga ihany fa ny Mpiandry tsy dia manam-pahefana loatra hampikonfesy olona... nefa raha izay tokoa no nitranga dia azoko ambara hoe mety mba tranga nisy ihany izany fa saingy tsy izany loatra no "missions" andrasana amin'ny Mpiandry...

Ny Mpiandry dia voafatotry ny voadin'ny tsiambaratelo ihany koa raha mandre, na mahita, na mahafantatra ny fiainan'ny olona... ary ny Mpiandry tsy manam-pahefana loatra tsy maintsy mamantatra amin'ny antsipiriany ny heloka vitan'ny olona iasàna na hametrahan-tanana... (io ilay lazaiko hoe tsy itoviany mihitsy amin'ny Pretra) ary ny olona koa tsy voatery hanambara ny heloka vitany amin'ilay Mpiandry...
60. ari.malala ( 16/07/2008 06:08)
na handà tahaka ny in aza enao ry prime d misy itovizany a! afaka hanome fampaherezana am fomba ahoana moa ny mpiandry raha tsy manatona azy ilay olona milaza izay manjo anazy? toy izany koa ny pretra. ilay teny hoe konfesy mintsy angamba no manelingelina anao raha ny fahitako azy... misy itovizany fa misy maha samy hafa azy! ny an'ny katolika mitokana, tsy misy mahazo mandre izay ambara eo fa entre ny mpampikonfesy sy ny mpikonfesy, ary rehefa manome fampaherezana sy anatra ary famotsoran-keloka d an'izy roa irery iany izay, fa ny hitako tamin'ireny hoe fampaherezana sy fandroahana devoly sns ireny d tapitra mahalala dool ny mpanatrika eo we zao zany ny manjo io olona io sy ny olany satria d tabatabain'ilay mpiandry eo we miala ry devolin'izao sy devolin'izao.. ohatra hoe miala ry devolin'ny fahasiahana, fiatsarambelatsihy snsns, zavatra efa hitako matoa ah sahy milaza mants!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084