devoli'izao sy izao ...

21. fahamarinana ( 23/06/2008 13:31)
:arrow: ika: :) ka tsy za anie no nilaza izay fa io no fanazavana nomena anay tamin'io fotoana io satria ilay fanontaniana napetrakao io mihintsy no tao.....Andraso fa ho avy eo ireo namana Mpiandry raha misy ato hanome fanampiny fa za tsy mahay kouh.....isan'ny mbola mampisy fanontaniana ombieny na hatramizao aza eo anivon'ny Fiangonana mandray Asa sy Fampaherezana indridnra moa ireo olona tsy voataiza tamin'izany rahateo fa taty aoriana vao ni-decouvrir.. (l)
22. bor2lais ( 24/06/2008 08:01)
Raha ny fahazoako ny resaka dia tsy mandà ny fandroahana devoly akory i \"ari.malala\" fa ny fomba anaovana izany no tsy dia azoazony loatra : \"maninona no mitrerona fa tsy miteny hentitra fotsiny ...\"

Izay tokoa araka ny fahafantarako azy (hevitro manokana no lazaiko eto) no tokony ho izy, saingy misy tsy mahay manavaka angamba ireo teny ireo matoa mitranga izany : \"hentitra\" fa tsy \"mitrerona\" na \"mikiakiaka\".

Tsiahivina fa :
- devoly no roahina ka tsy azo hanaovana \"compromis\" (toy ny miaramila manoloana ny fahavalo) : izay no ilàna ny fihetsika hentitra

- tsy nofo aman-drà no iadiana (tsy hita maso ny devoly) fa fanahy ratsy (mety eny @ rivotra na ao anaty). Noho izany dia tsy mety ihany koa ny mikasi-tànana rehefa manao ireny asa fandroahana ireny : ilay olona no lasa mangana raha kapohinao (na Baiboly izany na tsia) fa tsy ny devoly akory !

- tsy ny marary no tsy tiana fa ny aretina (tsy ilay olona akory no devoly)

Fanamarihana kely : ilay fandroahana devoly araka ny fandraisako azy dia toy ny asa fanadiovana mialoha ny fampaherezana avy amin\'ny alàlan\'ny FM. Koa raha efa nadio aho dia tsy ho lasa maloto akory (fa raha naloto kosa dia inoako lasa madio).
H.S Sarotiny kosa aho raha toa ka ny FM ao amiko no roahina ...

Ny tiako lazaina dia tsy misy tokony atahorana ny fandroahana devoly.
23. prime ( 24/06/2008 08:28)
Ika> Tsy fombafomba araka ny mety amintsika io ra-Ika fa asan'Andriamanitra... ireo fanazavàna nentin'i Lek ireo koa izao mahazava azy tsara... ireo koa misy vao nentin'i bor2lais mazava tsara...

Ilay hoe miaramila tsy voatery hivazavaza fa arakarak'ilay ady atrehina io... rehefa tena miatrika ady amin'ny devoly matetika tsy misy ady psykolojika hoe fantariko mialoha dia avy eo ataoko an'izao sy izao...

Ny tena olana anankiray eto dia ilay finoana mihitsy... fa raha tsy mino ny fisian'i Satàna sy ny devoly sy ny forongony dia resabe fotsiny ity lohahevitra ity... avy eo indray raha mbola tsy niatrika asan-devoly dia tsy hahatakatra mihitsy ny herin'ny asan'ny asan'ny maizina fa lasa angano sy arira izany (efa imbetsaka no naverin'ny namana teto).

ari.malala> Kristy tsy indray mandeha no niatrika an'i Satàna... efa hatrany an-danitra ka hatraty an-tany, nanombohany ny asany dia niatrika azy hatrany Izy... ary imbetsaka raha ny voasoratra fotsiny aza no niady taminy... amin'ny fahefàna sy ny hery tokoa Izy rehefa miady amin'izany, ary tena miady fa tsy misangy na manana fomba manokana fanaovana ady fa arakaraky ny devoly miatrika Azy no anehoany ny heriny...

Efa nisy fotoana ny mpianatra 12 lahy tsy nahavoaka devoly nefa niasa tamin'ny anaran'i Jesosy... tsy nino ve izy ireo sa Kristy no kely hery ka tsy mivoaka ny devoly rehefa roahana amin'ny anarany? nanana fomba hafa Kristy teo nampianarina ny mpianatra... ny ady amin'ny devoly tsy resaka trerona sy tsy trerona fa ady ara-panahy ary tsy misy fomba raikitra fa mety ady amin'ny lafiny rehetra...

Nenilava tamin'ny fotoan'androny rehefa niady tamin'i Satàna dia tsy resaka trerona sy fombafomba fa sady ady ara-panahy (hery sy fahefàn'i Kristy, sy vavaka sy finoana) no ady ara-nofo satria tena nifampitolona vatana izao mihitsy ary rehefa vita ny ady isanandro (nandritra ny fotoana ela mihitsy nihoatra ny iray volana) dia rotika mihitsy ny tenany sy ny fitafiany ary nisy ratra ny vatany...

Satàna sy ny devoly tsy mila tambatambazana na mila takatra ny sainy sy ny eritreriny fa mila tonga dia miady avy hatrany ary izany tsy misy fomba manokana fa arakaraka ny hamafin'ny ady no mahamafy koa ny fisehony... Satàna anie ka fanahy fetsy e, tsy ny olombelona mihitsy no ahatohitra azy ka hihevitra ho fetsy na maranitra noho izy... ary Kristy efa nanome baiko fa ady io ary tsy misy olona afaka mandresy azy afatsy izay manana an'i Kristy ihany satria Kristy irery no efa nandresy ary handresy hatrany... ary na ny manana an'i Kristy aza dia imbetsaka no mahazo fananarana amin'i Kristy hiambina satria Satàna tsy maka aina izany na miala sasatra fa eo foana na mandry ny olona na mifoha, na aiza na aiza...

ari.malala> ny nampalahelo tamin'ny nitranga taminao ka itoviako hevitra amin'ny maro dia ilay hoe tsy mba nisy nanoro na nampianatra mialoha fa tonga dia kapo-batana dia izay miseho eo miseho... fa rehefa manatona an'i Kristy ka manaiky iasàna dia mila mibebaka sy miaiky heloka mialoha ary resy lahatra fa vonona ny iasàn'i Kristy... manokatra ny fo ka manaiky ny hanongotany izay rehetra tsy Azy ao... mivavaka eo am-piasàna sy eo am-panalàna devoly ka miara-mandroaka amin'ilay mpiandry na izay mpanompon'Andriamanitra mandroaka eo... ary manaiky feno ny asan'ny Fanahy Masina ka manetry tena feno mandray an'i Kristy...

Ilay litorjian'ny asa mihitsy no mila ifantohana hatrany am-boalohany ka hatrany am-parany fa tsy ilay fotoanan'ny asa ihany... manomboka any amin'ny dinika manokana, ka miainga any amin'ny fotoana fideràna voalohany (vavaka sy hira), mandalo ny tenin'Andriamanitra toriana, ka hatrany amin'ny fiantsoana ny Fanahy Masina sy ny famakiana ny tenim-pahefàna ary fanaovana ny asa, sy ny fametrahan-tanana ka hatrany amin'ny tsodrano farany dia mila ifantohana feno saria mifampitohy ireo... ary io mety tsy hijanona eo fa mitohy hatrany an-trano sy any amin'ny ankohonana ary mety hiafara amin'ny asa maro hafa, fanalàna ody, fandravàna doany, fanjeràna sampy sy fandoroana sns...
24. fahamarinana ( 24/06/2008 09:49)
:arrow: Misaotra ny Tompo fa nahazo fanazavana be dia be natolotry bor2lais sy prime...Na ho ahy manokana aza dia nisy tsy fahampiana ny fanazavana azoko hatramizay nefa tsy nanakana ahy nanatona Asa sy Fampaherezana.Ny cas-ko manokana no tantaraiko anareo hoe isan'ireny mafiloha ireny tam fotoana 1er nanatrehako azy,nihomehy akory aza,nandà...sns...sns..Tsy haiko moa ny hanazava azy fa resy lahatra ihany aho ny farany dia nanatona fontsiny ary tsapako fa mitondra Soa,Filaminan-tsaina,tsapako fa olom-baovao aho avy eo,madio,mahazo hery .Angamba hoe experience personnelle angamba satria tsy hay azavaina amin'ny akapobeny...
prime:
Ny tena olana anankiray eto dia ilay finoana mihitsy... fa raha tsy mino ny fisian'i Satàna sy ny devoly sy ny forongony dia resabe fotsiny ity lohahevitra ity... avy eo indray raha mbola tsy niatrika asan-devoly dia tsy hahatakatra mihitsy ny herin'ny asan'ny asan'ny maizina fa lasa angano sy arira izany (efa imbetsaka no naverin'ny namana teto).

:arrow: Ka zay koa no fahatsapako azy ry prime. (l)

25. prime ( 24/06/2008 10:25)
fahamarinana> arahabaina ianao izany... "arrivée à bon port"... Deraina anie Kristy...
26. ari.malala ( 24/06/2008 11:05)
prime, misaotra nitondra fanazavana.
27. prime ( 24/06/2008 11:25)
ari.malala> Tsy misy fisaorana... hotahian'Andriamanitra anie ianao...
28. diamondra27 ( 24/06/2008 19:21)
ka zay no nahatonga ny tenin ' Atra we tsika tsy miady amin olona fa ny fanahy ratsy miely eny amin ny rivotra

de ny fahafatesana no fahavalo farany horesena


armalala: misy ny olona choke am le fombafomba misy koa ny sasany tena arnaka fa kosa tsara ho fantatra de tsy afaka amin ny hery mahaolombelona mihitsy ny devoly na de hikikika eo aza le mpino, na mpiandry raha tsy Jesosy no miasa ao anatiny

izany no mahatonga azy ireny miteny we : didiko amin ny anaran'i Jesosy , miala amin ty olona ty ny .....( ze zavamiseho eo:devoly) tsy hanakery intsony
raha mi resiste le devoly de tsy maintsy toerina, ary tsy mila mime fa mifindra any aminao iny ra mime eo,
ny asa izay nampanaovin i Tompo antsika dia samy hafa , eny fa na dia ny kely indrindra izay tsy takatrao aza na tsy misy dikany aminao de zava-dehibe eo imason 'Atra iny satria vita ny asany

29. ari.malala ( 25/06/2008 06:05)
diamondra27:
ary tsy mila mime fa mifindra any aminao iny ra mime eo,


ah bon!! izay za vo naheno anizany!
30. prime ( 25/06/2008 09:19)
Misaotra diams... marina tokoa izany...

Ny devoly dia mora mifindra any amin'izay tsy miorina rehetra... ka rehefa manatrika asa sy fankaharezana tokoa dia ny olona hafa "mety" tsy iasàna dia mila miombom-bavaka sy miady ihany koa miaraka amin'ny mpanompon'Andriamanitra mandroaka ny devoly fa raha tsy miorina tsara manatrika ireny fotoana ireny dia ifindran'ny devoly mivoaka amin'ny hafa mora foana...
31. diamondra27 ( 25/06/2008 09:47)
arimalala: tsy fampitahorana io fa tena conseille sy tena marina an

hitandry ny devoly de tena tsy misangy ary satriny hitoetra ao aminao ao foana , ka raha roahina izy ireny de miady mafy nefa hainy tsara fa tsy mahatoitra izy raha vao didina amin' ny anaran'i Jesosy , mety hi lutter kely ihany na be ihany koa fa hainy fa tsy maintsy mandresy izay miaraka amin'i Jesosy
Ny tiako lazaina dia mety ho vetivety ny fanalana ny devoly na mety haingana arakaraka izay tafiditra ao amin'ilay olona, raha toa ka devoly mazamazana ny mamoaka azy dia mitady lalana iantefana izyrefa fantany ka mitady tsy hahatohitra an'i Jesosy intsony dia raha ianao sendra mihomehy iny na hoe tsy miambina, tsy miorina tsara araka ny voalazan'i prime io izany e de any no miantefa

za wa efa nahita sences famoahana devoly fa tena manao izay mampime anao mihinty izy nefa le devoly masiaka be an , manao katrate , voadakany daholo le olona nametra tanana taminy teo, de nisy karazana devoly anakiray hafa koa nandimby fa manaikitra ndray iny sns nifandimby maro teo le izy , tao amin'ny olona iray ihany ireo de farany nanontaniana izy we fa aiza no tena itoeranao no tsy mety hande ianao, de namaly we ato amin'ny peratra
de hay le peratra nanaovan'ilay olona iny izany no itoeran'ny devoly , de nanontaniana izy we tsy maintsy mialaany aminao izany iny peratra iny fa raha tsy zany de tsy afaka io devoly io , ka manaiky ve ianao , de we ye manaiky fa vao nalaina taminy le peratra de nalemy ilay olona nitoeran ny devoly

fa mandritra ny famoahana ilay devoly de tokony hiara mivavaka ny mpino na 'tsy mpino izay manatrika eo manamafy ilay ataon'ny mpametra-tanana

ireo voalzako ireo zany no niseho dia tsy tany ampiangonana fa tany amin'ny toby tamatave tanambao V ho an'izay liana
32. fahamarinana ( 25/06/2008 11:25)
prime:
Ny devoly dia mora mifindra any amin'izay tsy miorina rehetra... ka rehefa manatrika asa sy fankaharezana tokoa dia ny olona hafa "mety" tsy iasàna dia mila miombom-bavaka sy miady ihany koa miaraka amin'ny mpanompon'Andriamanitra mandroaka ny devoly fa raha tsy miorina tsara manatrika ireny fotoana ireny dia ifindran'ny devoly mivoaka amin'ny hafa mora foana...

:arrow: :marina tanteraka,Andraikitry ny Fiangonana,Mpiandry ao amin'ilay Fiangonana sns..sns...... no manazava, mampahafantatra tsara ny tena dikany sy ny fomba fanantanterahana azy aloha amin'ny olona alohan'ny hampidirana ny Asa sy Fampaherezana ao amin'ny Fiangonana iray.
Dia ekeko tanteraka hoe mila miombom-bavaka ihany koa fa raha tsy azo na tsy vonona dia aleo manatrika amin'ny fotoana hafa.Ny but dia ahazoana hery ,ahazoana aim-baovaoa ka raha fahasorenana na tahotra;,etc....dia tsy misy varanay ihany koa fa tsy tafita ny Asa.
diam':
Tsara ho fantatra de tsy afaka amin ny hery mahaolombelona mihitsy ny devoly na de hikikika eo aza le mpino, na mpiandry raha tsy Jesosy no miasa ao anatiny

:arrow: Tena marina tanteraka.Misy koa manko tsy dia voany ilay olona Mpiandry dia tsy mety mankeo koa izy oh....mifangaro ilay zvtr,lasa ilay olombelona no hita fa tsy Jesoa (l)
33. niryna ( 26/06/2008 04:03)
Lek:

Marina ilay hoe miaramila ny mpiandry misy fotoana hitreromana misy fotoana itenenana malefaka, tsy tokony hadinontsika fa asan'ny Fanahy ange reny atao reny refa miasa ny mpiandry e! ka misy tsy topon'ny tenany fa ny fanahy no miasa amin'iny fotoana iny, ra Demoniaka no esana de entanin'ny fanahy enao hiteny mafy, misy koa angamba reo hitan'Andriamanitra fa mafy loha de omeny teny mahery.Ny tiko tenenina de tsy misy mahay ny asan'Andriamanitra fa zay anentanan'ny fanahy anao amin'iny fotoana iny no vita na de tsy noeritreretin'ny sainao aza. Zay ny maharatsy ny olona esana ra tsy manolon-tena hiasana izy.Zay tena mbola tsy vonona esana aza manantona esana fa manjary manome tsiny ilay asan'Andriamanitra. Ny mpiandry ko na izany aza aoka ho tena feno vavaka tanteraka vao hiasa fa manjary manaonao fona satria ny devoly ko tsy faly. :D


io voalazan'i lek io no mahafoaka ny fanontanian'i ari-malala

Lek a >ao amin'ny Lioka 8:28-30 no mitantara an'ilay "Legion"na fanahy marobe izy no tafiditra ao amin'ilay olona

28 Fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izay sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? Masina Hianao, aza mampijaly ahy.
29 Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin'ny gadra, na ny tànany na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin'ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.
30 Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny.

Eto dia hita taratra fa niteny tamin'ny feo mahery ilay fanahy ratsy tao anatin'ilay olona.
:arrow: manana miaramila,mandratra,mamono,miteny toy ny olona na biby,mandidy ny tenany ary mampiakarapodrapoka izay tratrany ny miaramilan'i satana. :arrow: raha androaka azy ireo hiala ao anatin'ny olona iray izany ny mpiandry dia tsy maintsy miantso amin'ny feo mafy, feo mahery,mampiasa ny tenin'Atra ary mamerimberina ny anaran'i Jesosy avy any Nazareta,satria raha vao ny Anarany fotsiny no antsoina dia efa mandositra izy ( ireo dia miaramilan'Atra,fitaovana nampiasan'Atra ,ary olona efa nofidian'Atra sy efa notokanana anao ny asa mba hanala sy andresy ilay fahavalo efa resy ao anatin'ny olona .

Ny baiboly no ampinga hiadina ny asan'i satana sy ny firongony ka noho izany ny tanana iray mitondra ilay ampinga, ny tanana iray mikapakapa mamoaka ,mandroaka ilay demonia.,miantsoantso ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta.

Ho an'ny tsy mbola nahita dia ho sarotra tokoa no eritreritra an'izany hoe fanahy tsy hita maso kanefa dia mandrongitra volo,mandidy ny tenany amin'ny antsy ary rehefa tena maro izy ka tsy hiasana na mahery no tafiditra ao dia mety hiteraka fahadalana an'ilay olona mihitsy aza,izany no mahatonga an'ireny olona misy miteniteny eny amin'ny arabe ireny.

Afaka mandeha mivavaka kely na raha te ahita na hanao fanandramana dia mandalova ao amin'ny 67 ha tobin'ny loteriana angamba no filaza azy io
Mivoha isan'andro sady mampianatra soratra masina ihany koa.
Tsy ho voatery hoe alana devoly hiany fa hametrahana tanana mba ahazo hery ihany koa .

Tsy maintsy roahina amin'ny feo mahery miaraka amin'ny tenin'Atra ny herin'ny ratsy :arrow: io no antony ilazako foana hoe vakio ny baiboly dia hianareo tsianjery ny verses na dia kely fotsiny aza mba ahafahantsika mampiasa azy,misy aza tsy afaka mamaky baiboly fa doran'ilay firenena ny baiboly.Isika mbola afaka dia vakio
.
Tsy mora velively ny manasitrana ,mandroaka ny asan'ny satana,tsemboka mipatrapatraka mihitsy ilay mpiandry satria fanahy roa no miady eto:ny iray fanahin'Atra hanafaka ilay olona hiala amin'ny gadran'i satana ,ny anankiray fanahy maloto tsy mety miala ao anatiny.

Araka ny nazavaiko any ambadika any koa dia misy tsy mahazaka ny herin'ATra ilay hery iray ao anatin'ilay olona ka raha vao raisina tanana fotsiny aza na vao jerena fotsiny na dia tsy mbola miteny akory aza ny mpiandry tonga dia akarapon'ilay hery ao anatiny izy.

Ny tena zava-dehibe dia afaka @ ny gadran'i satana ilay olona ary matetika tsy maha-tadidy izay nahazo azy teo izy.
Mila hiasana amin'ny fotoana maromaro ihany koa

Ny aty aminay tonga dia asiana drap eo atao fiandry sy ny taratasy izay andohavany,misy mivoaka farorabava fotsifotsy,misy mandoa mavomavo toy ny tamenakatody ary misy mipipy an-kil mihitsy.Misy tonga dia mamoaka feo ilay fanahy ao anatiny na" teny maloto izany na miteny hoe tsy hiala ato aho woa "
"
Tsara raha maro ny mpiandry satria rehefa tena mahery ilay fanahy ratsy dia mpiandry efatra na dimy aza mbola tsy mahatazona an'ilay olona hipetrahan'ny demonia ao (itan'ny masoko izany tao @ 67 ha ary tena mamelapelaka kanefa rangahy efa antitra be ilay izy fa matanjaka izany an !)

mino aho fa mety maza angamba .Hialako tsiny fa lavabe ny fanazavako

Nisy tovovavy izay nasian'ny olona no filaza azy(namosaviany)tany ambanivohitra nisy aza.Toa sakafo ilay nanaovany azy ary dia nibotsina ngezabe toy ny bevohoka ilay tovovavy kanefa tsy manambady.
Natao daholo ny rehetra ary nisy olona nanoro azy tany @ toerana fanasitranana na fametrahan-tanana ireny ary dia nivoaka tao anatiny daholo ilay fanafody(maitimainty be no toa anamamy izany ,feno ny tavi-mandry hoy ny reniny tamiko ary dia izay fahagagana izay no nahatonga ahy nino an'Atra hoy izy.
34. diamondra27 ( 26/06/2008 15:01)
ka efa mpiandry 4 mihintsy ange akia ry niryna io voalakon'i devoly sy voakaikitra io zany e


mila miambina e
35. niryna ( 26/06/2008 23:42)
diamondra27:

ka efa mpiandry 4 mihintsy ange akia ry niryna io voalakon'i devoly sy voakaikitra io zany e


mila miambina e

fiteny ny hoe tsy mino maty raha tsy avy mandevina:nivavaka, noraisina tanana aho no nandehanako tany @ toby 67 ha ary iny niditra ny toby ilay rangahy antitra be ,mifatotra tady ny tongony,niaraka masera roa sy lehilahy ranjanana roa,mety tsy tao anatin'ny sain-dry zareo angamba ny namatotra ny tanany fa ny tongony fotsiny no noeritreretiny hoe sao mandositra :D ,nitondra ireo fianakaviana tanora ny nieces-ko sy ny neuveux marobe aho tamin'io mba ho raisin-tanana koa. Dia iny re ity rangahy,tsy miteny tsy mivolana,tsy mbola fotoana fandraisana tanana na fandroahana devoly tamin'io fa mbola fotoam-pivavahana fotsiny aloha,kanjo vao niditra ity toby izy tonga dia nirongatra be toa sanatria omby masiaka,nitady hiverina ary nosakanan'ny mpiandry ny varavarana,natahotra ny mpiangona rehetra, ny ankizy moa tsy lazaina intsony,nisy nahatazana ny mpiandry iray,tonga dia niantso namana roa,tsy voatana ilay izy dia niampy roa hafa indray,namelapelaka ny olona izay mitazona azy izy,niampy iray indray,ny takolaky ry zareo amin'izany rano mipatrapatraka.Tonga dia nivavahana,dia niato kely aloha ary dia nihodidina azy teo daholo efa ho enina.Rehefa tonga tamin'izany ny fanasitranana,nanondrana indray re ity izy ity e.
Tena raikitry ny tahotra daholo ny ankizy e.Mafy tsy misy toa izany fa afaka ihany ilay fanahy ratsy tao anatiny ary dia nalemilemy toa saika tsy afaka nandeha intosny izy avy eo.Tsy tadidiko raha mbola teo amin'ny tongony ihany ny tady tamin'izany.Io no tsy voatandriko.

Tena marina izany diamondra,tena mila mitandrina isika,miambina koa :ny zavatra tsy azontsika veroka dia eritreretantsika hoe zavatra hafa mihitsy ilay miaramilan'i satana. Na fianakaviana ,na zanaka ,na vady na olona tianao,na ny mpiara -miasa aminao na iza na iza e,rehefa tonga ao anatin'izay ilay herin'ny ratsy dia ireny no ataony fitaovam-piasana.Izany no antony lehibe tsy mba hitezerana na anaovana lolom-po ilay olona izay mandratra antsika na manome alahelo antsika na manome fahasorenana antsika.Tsy izy no tezitra fa ilay fanahy ratsy no sendra nandalo tao aminy dia niteraka disadisa,dia mila vavahana izy ireny ary mila mamela heloka aminy eo noho eo,sy mifona amin'Atra raha nisy fihetsika tsy nety nataony ka nahatonga antsika ho tezitra na nanao ny hafa toa izany ka nahatezitra ny hafa:izay ilay hoe aza avela hijanona mandra-piletikin'ny masosandro ny fahatezeranao "
izay fa lava be
36. diamondra27 ( 27/06/2008 11:43)
misaotra akia a,
mba tsy itoeran'ny devoly ato amintsika aloha de mila mibebaka foana raha vao mahatsoiaro we tsy mety ny natao e
olombelona toy ny retra ihany isika ka mety tratry ny fakampanahy
sarotra ny lalana tsy maintsy miaritra zavatra be dia be ary aza mety hakivian'ny devoly mihintsy e

ao am bible misy we: aza manome toerana ho an'i devoly...
37. fijo ( 02/07/2008 21:40)
5. Mpandefa : belakely [ Valio ] 19-06-2008 05:57:47
Lohateny : Re : devoli'izao sy izao ...
ny saina ihany no devoly e!!!!! ilay fatsy hoy JC
ilay teny hoe devoly koa aloha no samy manana ny ampiasainy azy e: rehefa manohana ny tombotsoanao dia antsoinao hoe devoly!
Za koa aloha tsy mino devoly toa an'i fijo izany e!!!!!!!!!

izay mihintsy.io dia ny sainao ihany no mitondra azy.

za koa aloha gaga hoe fa ngah atsy mety ilay fandroahan arah atsy mitrerona sy mitabataba
38. ikaretsaka ( 03/07/2008 02:31)
matetika rehefa manohina ny tombotsoa tokoa, indrindra ho an'ny mpivavaka dia heo "devoly"
dia rehefa jerena au fond ny maha "devoly" ilay zavatra lazaina fa "devoly" anefa tsy misy raisonement mitombina
39. Mandefitra ( 03/07/2008 05:13)
Marka 8:33 Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra hianao, fa izay an'ny olona

Ny tena zanak'Andriamanitra, indrindra raha asan'Andriamanitra no atao, dia tsy mijery zay tombotsoany loatra fa ny ho an'ny zanak Andriamanitra rehetra.
Ka sao mba tsy mpivavaka no tazan'i fijo sy ika fa sarintsariny.
40. ari.malala ( 03/07/2008 07:33)
fa zao, ts hanokafako dinika mitokana fa aleo hitohy eo satria misy ifandraisany. Ny finoana hafa (tsy katolika izany) ts manaiky ny konfesy fa satria hono hoe Andriamanitra no mamela heloka fa @ konfesy ny pretra no miteny hoe noho ny fahefana nomena ahy d izaho mamela ny fahotanao sns, nefa @ le fametrahan-tanana sy fandroahana devoly kounkou nge mba olombelona iany kou no miasa mitabataba mandroaka ilay devoly eo e! ko nahoana refa ny fnoana hafa d mety olombelona fa refa ny katolika d ts mety? nefa fahefana nomen'i Jesoa ny mpianany mints le we ze fahotana avelanareo ety antany d voavela any andanitra... bizare b amko le raisonnement :°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008