devoli'izao sy izao ...

61. prime ( 16/07/2008 06:53)
afaka hanome fampaherezana am fomba ahoana moa ny mpiandry raha tsy manatona azy ilay olona milaza izay manjo anazy?
... efa ambarako anao fa tsy voatery hilaza izay manjo azy ny olona... (dia hamafisiko hatrany hoe io no mahasamihafa azy)
ilay teny hoe konfesy mintsy angamba no manelingelina anao raha ny fahitako azy...
tsy resaka teny na fomba no fototry ny fanamarihana ka... :)
ny an'ny katolika mitokana, tsy misy mahazo mandre izay ambara eo fa entre ny mpampikonfesy sy ny mpikonfesy, ary rehefa manome fampaherezana sy anatra ary famotsoran-keloka d an'izy roa irery iany izay
... ekeko izany... izany tokoa no izy ary izay ilay lazaiko hoe "fomba", saingy tsy izay loatra no itobian'ny fanamarihana...
fa ny hitako tamin'ireny hoe fampaherezana sy fandroahana devoly sns ireny d tapitra mahalala dool ny mpanatrika eo we zao zany ny manjo io olona io sy ny olany satria d tabatabain'ilay mpiandry eo we miala ry devolin'izao sy devolin'izao.. ohatra hoe miala ry devolin'ny fahasiahana, fiatsarambelatsihy snsns, zavatra efa hitako matoa ah sahy milaza mants!
... tsy mbola ni-"douté" aho na dia kely aza hoe tsy hitanao na tsy fantatrao ny asa fampaherezana :)

Efa napetrako mialoha ny fanamarihana sy ny fanekeko fa nisy tsy dia nety loatra ny "fomba" nitondran'ilay Mpiandry ny asa tamin'ny natao anao... ary efa nambarako anao koa nefa ny tsy faampian'ny fanoroan-kevitra ho anao manokana raha nanatona ilay asa fankaherezana satria dia toa kapo-batana ilay izy fa tsy nisy dinidinika manokana no sady tsy nisy torohevitra mialoha loatra raha tena hanatona an'i Kristy ka manaiky iasana...

Rahateo, noho izany dia na ianao nanatona aza izany tamin'ilay asa fankaherezana dia tsy dia nisy fahavononana loatra ny hibebaka fa ilay mason'olona mahafantatra ny momba anao no tena nahasadaikatra anao...

Tsy manamarina velively ny nataon'ilay Mpiandry aho fa kosa mametraka hoe tsy konfesy izany nitranga izany... ary rehefa tsy nety loatra ny nitondran'ilay Mpiandry ny asa dia tonga miteraka fisalasalana toa izao izay iraisako hevitra aminao hoe manahirana ihany...

Noho izany antony izany dia ekeko ny tsy fahalavorarian'ny asa tamin'izay fotoana nanaovana anao izay... fa tsy manamarina velively ny ambaranao izany hoe mitovy ny konfesy sy ny asa fankaherezana ataon'ny Mpiandry, satria na ny asa misiona ampanaovina azy ireo fotsiny aza dia tsy mitovy... ny Pretra dia mitondra Ministera iray manontolo no anirahana azy, ny Mpiandry dia ny miady amin'ny devoly no misiona anirahana azy ka hanafaka ny olona eo ambany vahoany sy hitondra ny olona eo am-pototry ny hazofijalian'i Kristy miaraka amin'ireo "karisma" nomena azy tsirairay avy... :)
62. ni81 ( 16/07/2008 07:05)
za alou zan ts voakapoky ny baiboly fa na izany aza tena nandraiky narary mits ny andohako tamizay vokatry ny tahotra satria votrerona, ny tabataba etsy an-daniny... tena fay ah ary tsy niverina tany intsony!
:lol: Miala tsiny aho fa sao mampahatezitra andry ilay fihomehezako. Ny antony dia ohatry ny hitako mihitsy ilay pôzy rehetra nataon-dry t@ zay fotoana izay. Fa ny ahy ity toro-hevitra tsotra. Rehefa misy olana mahazo dia tonga dia mivavaha irery fotsiny raha tsy dia mety amin'ny fisainan-dry ilay nanatona mpiandry. Izaho manokana aloha (protestanta) fa tsy mbola nanatona mpiandry aho na inona olana nanjo ahy na inona fa tonga aho dia mivavaka irery @ zao fotsiny.
Tsy hoe tsisy dikany akory ry zareo fa izaho tonga dia mandefa direkta ny olana manjo ahy eo @ Andriamanitra ary matetika dia mahazo valiny.
63. lizabeth ( 16/07/2008 07:11)
ari.malala:

na handà tahaka ny in aza enao ry prime d misy itovizany a! afaka hanome fampaherezana am fomba ahoana moa ny mpiandry raha tsy manatona azy ilay olona milaza izay manjo anazy? toy izany koa ny pretra. ilay teny hoe konfesy mintsy angamba no manelingelina anao raha ny fahitako azy... misy itovizany fa misy maha samy hafa azy! ny an'ny katolika mitokana, tsy misy mahazo mandre izay ambara eo fa entre ny mpampikonfesy sy ny mpikonfesy, ary rehefa manome fampaherezana sy anatra ary famotsoran-keloka d an'izy roa irery iany izay, fa ny hitako tamin'ireny hoe fampaherezana sy fandroahana devoly sns ireny d tapitra mahalala dool ny mpanatrika eo we zao zany ny manjo io olona io sy ny olany satria d tabatabain'ilay mpiandry eo we miala ry devolin'izao sy devolin'izao.. ohatra hoe miala ry devolin'ny fahasiahana, fiatsarambelatsihy snsns, zavatra efa hitako matoa ah sahy milaza mants!


mba ahazoanao ny fanazavan'i Prime dia ny mety aminao dia mandeha manantona mpiandry hafa, ahitanao fa tsy ohatr'izany daholo ny asa sy fampaherezana fa nahita iray tany am évangélique ianao dia raisinao ho ohatr'izay daholo ! tokony ho fantatrao fa ny évangélique dia efa misy manifestation an'io "mitabataba" io na resaka mpiandry na tsia !
64. prime ( 16/07/2008 07:16)
ni81> Marina izany, itoviako hevitra ihany koa... Andriamanitra dia mamaly vavaka rehefa tena vonona sy amin'ny finoana...
65. bichette ( 16/07/2008 15:11)
Hoy ari.malala etsy ambony
fa ny hitako tamin'ireny hoe fampaherezana sy fandroahana devoly sns ireny d tapitra mahalala dool ny mpanatrika eo we zao zany ny manjo io olona io sy ny olany satria d tabatabain'ilay mpiandry eo we miala ry devolin'izao sy devolin'izao.. ohatra hoe miala ry devolin'ny fahasiahana, fiatsarambelatsihy snsns, zavatra efa hitako matoa ah sahy milaza mants!


Afaka atao ny mangataka amin'ny mpiandry ny ho tonga any an-tranon'ny tena manokana ka handroaka devoly sy demony ao an-trano. Raha tsy tiana ho henon'ny olona manatrika izany. Raha samy mpiandry no maheno izany, maninona moa ? fa indraindray tokoa aloha mahasosotra ny hoe henon'ny olona manatrika e !

Momba ilay hoe mitabataba : inty misy ohatra : raha misy alika manaraka anao foana ka tianao horoahina dia teneninao amin'y teny tsotra hoe : "allez !!! ". tsy mandeha anefa izy fa manaraka foana, dia miteny mafimafy ianao sy asiana fahefana kely, tu hausses le ton et redis avec conviction : "ALLEZ !" , tsy mety mandeha anefa ilay alika fa manaraka foana dia farany sady miteny amin'ny feo mahery ianao sy fahefana hoe : "AAALLLEEEZZZZ ! izay vao lasa ilay alika. Raha teneninao mora izy hoe "o ry alika a , andana moa mandeha azafady e !" mihevitra ve ianao fa handeha izy ?????? NON.
Dia toa izany koa ny demony. MILA AUTORITE, ary efa nomena fahefana isika ny handroaka demonia amin'ny araran'i Jesosy Krisy.

Isika samy olombelona aza manainga feo indraindray rehetra miresaka amin'ny zanantsika, rehefa manome baiko azy, rehefa manitsy azy ireo, indraindray aza ny voisins rehetra mihitsy no maheno hoe " manabedy ny zanany indray i ranona ao " ka maika ve fa ny devoly indray ve no horesahina mora ? :lol:

Ilay mitabataba koa anie indraindray tsy voa-maitriser e, arakaraky ny zavatra miseho fa eo ampiasana ny mpiandry no mahatsapa izany raha ny fahalalako azy sy ny hitako

Ny mi kaofesy : :) , voalohany aloha dia amin'Andriamanitra ihany no manao confession. Ilay hoe mikaofesy amin'ny pretra na mopetra na pasitera izany hoe miaiky fa nanota ; mitantara ny ota natao koa anie tsy voatery e ! tsy hoe satria ianao mikaofesy ka dia detailler-na daholo ny rehetra TSIA ! misy eloka be vava mety natao tsy voatery tantaraina antsipirihiny hoe izao sy izao fa ny essentiel dia hoe miaiky fa nanota, mi reconnaitre fa nampalahelo an'Andriamanitra sy olona koa ohatra, mahatsapa-tena fa nanao ny tsy mety. Azo atao tsara ny miteny amin'ny pretra sy mopera sy ny pasitera sns hoe "tena nanota be aho omaly sns fa miaiky aho fa tena tsy nety ny nataoko". na tsy miteny amin'ny ireo aza satria tsy tafavoakan'ny vava dia amiko tsy maninona satria ny tena zava-dehibe dia ilay miaiky ny fahotana eo anatrehan'Andriamanitra. Ary na dia tsy miteny aza ny vava ilay hoe inona no natao, ny ao ampo dia hitan'Andriamanitra ary fantany hoe INONA NO HIBEBAHANAO sy hanenenanao. Ny pretra mopera sy pasitera sns dia manampy anao fotsiny amin'ny fibebahana izany hoe mitondra anao amin'ny vavaka atao sy mampahery amin'ny tenin'Andriamanitra fa tsy aminy akory no mikaofesy.
Manampy izy hitondra antsika amin'ny fibebahana. Dia mampahatsiaro antsika izy ohatra hoe "efa voavela ny helokao satria hoy ny soratra masina hoe ....." dia mitso-drano.

Sa ?


66. ari.malala ( 17/07/2008 07:13)
Bichette, ela aky zany, miombonkevitra tanteraka amin'ilay resaka konfesy :°)

prime, misaotra nanazava e! na za koa aza nahatsapa ilay we tsy nisy torohevitra na torolanana sns hany k ilay olona am mahaolona azy no nojerevako... d teo koa ilay fihetsika izay nazavainareo hatrany d misaotra fa mazava izy zay :°)

ni81 hihih, ts mahatezitra ny fihomehezana ka! :) ilay filazako azy mintsy no mampime ary na izaho aza mamerina mamaky ilay voasoratro mba nitsiky kely iany koa :)

lizabeth, marina fa tsy nahita afa-tsy tao amin'io nitondrana ahy io toko aloha aho e, d misaotra nanazava we tsy mitovy dool zany ny an'ny fiangonana tsirairay.
67. prime ( 17/07/2008 13:17)
bichette> miala tsiny aho raha mitondra fanampim-panazavana...

Itoviako hevitra ianao amin'ilay hoe ny tena hevitra fototra ijoroan'ny atao hoe "confesser"...

Fa amin'ny fampianarana katolika dia manana anjara lehibe mihitsy ilay hoe : "avouer ou déclarer le ou les péchés publiquement ou en privé" no tena hevitry ny hoe "confesser", ka ilay "confession" dia ny "actes" manao izany...

http://fr.wikipedia.org/wiki/Confession

Raha ny fampianarana katolika no zohina dia tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny asa sy fankaherezana ny konfesy atao amin'ny Pretra... zavatra samy hafa mihitsy... :)
68. Rasiligaoma ( 20/07/2008 17:07)
ny fomba fisainana ny toeran'ny pretra eo amin'ny sakramentan'ny konfesy mihitsy no hitako olana ato
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3004