Aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy,

1. niryna ( 29/05/2008 05:20)
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. 1 Jaona 4:1
Ahoana izany hoe izahao toetra ny fanahy izany ?
Ahoana no ahafantarana fa Fanahin'Atra ilay mitoetra ao amin'ilay olona izay mampianatra,mitoriteny,maminany ?
misaotra mialoha
(l) niryna
répondu par niryna le 06/06/2008 18:24
2. naritsimba ( 29/05/2008 05:48)
Tena marina izany, izahao toetra ny fanahy ao anatinao, tsy misy afa-tsy roa ihany io dia: NY FANAHY RATSY, tsy mitady afa-tsy ny hanisy ratsy ary ny FANAHY TSARA izay araka izany anaran'izany dia ny tsara no asainy ataonao.
Isika olombelona dia trano itoeran'ny fanahy satria ny fanahy no maha-olona, koa arakarak'izay fanahy mitoetra ao anatintsika ny zavatra ataontsika ka asehontsika ny olona manodidina antsika.
3. Ilo ( 29/05/2008 08:14)
Izay no tsara handinihina ny Soratra Masina mba ahafantarana na miteny araka ny soratra masina na mifanohitra @ izany izay mampianatra na mitory teny na maminany.

Asa 17:10-11 :"10 Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy niaraka tamin'izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.11 Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia."
4. ikaretsaka ( 29/05/2008 13:50)
Izay koa no antony handraisana ny vatana sy ran'i Jesoa, mba ho Izy no ho ao anatinao hizahanao ny toe-panahy ao anaty.
tsy pli vava ihany! tsy soratra ihany.. fa Izy indrindra mihitsy!
fanatanterahana sy fiainana no important kokoa
5. Ilo ( 29/05/2008 14:00)
Marina izany! Natao hampiharina eo @ fiainana ny lesona azonao fa tsy hianarana fotsiny akory.
Fa inona moa no hotanterahina raha tsy hay akory hoe inona ny marina sy diso?
6. rijadolly ( 29/05/2008 16:36)
Fa inona moa no hotanterahina raha tsy hay akory hoe inona ny marina sy diso?
Marina izany,fa aiza marina tokoa moa no manambara ny fahamarinana
Izay no tsara handinihina ny Soratra Masina mba ahafantarana na miteny araka ny soratra masina na mifanohitra @ izany izay mampianatra na mitory teny na maminany.
7. ikaretsaka ( 29/05/2008 23:49)
ahoana aloha le hoe "dinihina"?

-le taterina atao pli vava (toy io ambony io) ve?

-sa le tsimponina mots par mots de azavaina isan-teny?

-sa le jerena par fond theologiques, mampiasa ilay izy ara concept, araka ny nampianarin'ny theologiens, ny dimbin'ny apostoly sns?
8. Ilo ( 30/05/2008 05:49)
Ikaretsaka>>Inona kay no mahatonga anao ohatran\'ny hoe \"allergique be\" foana raha vao misy mi-citer andinin-tsoratra masina?
Raha izaho manokana aloha, raha manao izany aho dia tsy hoe fireharehana akory hoe mahay andinin-tsoratra masina, tsy mahay akory aza aho. Fa amiko anefa dia io no fototry ny zavatra rehetra, ataoko référence eo @ fiainana fa tsy hoe atao tsianjery fotsiny akory.
Tiako ny mamaky, mandalina, mandindinika ny baiboly mba amoahana hoe inona ny lesona azo tsoahina ampiharina eo @ fiainana. Ahafahana mamantatra koa izany rehefa mitory teny ny mopera na pasitera sns hoe tena araka ny Soratra Masina tokoa ve ny zavatra lazainy. Mamaky boky hafa koa aho fa mi-vérifier foana hoe araka ny Soratra Masina ve sa tsia.
Amiko ny tena manao pli vava dia ny mamerina vavaka tsy am-piheverana akory toy ny \"Rainay izay any an-danitra\" sy ny \"Arahaba ry Maria\" sns kanefa tsy azo tsara akory ny tian\'ilay vavaka ambara na mifanohitra @ ilay vavaka ny fanatanterahana avy eo, na mamaky ny Soratra masina ihany fa tsy mandray ny lesona na mampihatra azy eo @ fiainana.
Fa tsy hitako izay olana raha mandray andinin-tsoratra masina ka mifandray @ Lohateny voalaza etsy ambony izany. Sady natao hampiasa ny Soratra masina isika ho \"sabatry ny fanahy\".
9. prime ( 30/05/2008 06:30)
Amin'ny ankapobeny rehefa feno ny fanahy masina ny mpino ka miaina ny tenin'Andriamanitra tokoa ho sakafom-panahy isanandro ka velona amin'ny fiainam-bavaka dia mahafantatra ny fanahy marina ary mahita ny fanahy mamitaka... (amin'ny ankapobeny hoy aho) farafaharatsiny mahatsapa ilay tsy marina izay misy na dia tsy mahafantatra tsara aza hoe inona marina ilay izy...

Na izany aza nefa dia anisan'ny fanomezam-pahasoavana manokana ihany koa ny famantarana fanahy samy hafa... araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Kristy :

"ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery]" I Korintiana 12:10

Misy olona nomena izany manokana, toa ilay mpiandry toby lehibe, Ray aman-dReny izay, fa anisan'ny fanomezam-pahasoavana ao aminy araka ny fanahy masina io famantarana fanahy io... fa izy rehefa miarahaba ny olona amin'ny tanana dia fantany avokoa ny fanahy ao anatin'ilay olona... tsy ny mpino rehetra no manana izany...
10. fahamarinana ( 30/05/2008 08:43)
:arrow: miombon-kevitra amin'ny prime koa aho eto mikasika ilay Fanahy ao anaty io.
Prime :mety ho HS kely,ialako tsiny amin'ny namana ,fa misy fanontaniana tiako hapetraka aminao ity mikasika indrindra ireo olona manana fanomezam-pahasoavana manonkana ka mahafantatra ny fanahy miasa ao amin'ny olona arabainy sy mifanena aminy.Maninona no lasa sanatria ohatran'ny Voyante na devin na zay azo iantsoana azy ny fandraisan'ny olona sasany azy? olona lazaiko eto na olona mpino na misy tsy mpino dia resy lahatra manaraka ilay Rar lehibe satria te haheno ny avenir-ny sns..eny na mpiandry koa aza dia maro milahatra mangataka dinika aminy koa manontany zvtr :avenir sy zay angatahana sns...
Amiko manko dia ilay maheno ny fijoroany vavolombelona (oh ny nifanenany tamin'ny Jesoa,ny hafatra,sns..)no tena ilaiko fa tsy hoe hanantona azy dia hanontany na hiteraka aho,na ahita vady sns..zava-misy hitako maso izany fony nandalo ilay Rar lehibe lazaiko io teto france.Tsy fantatro ny any M/car raha toa izany koa .
Ialako tsiny fa lava be lay fanontaniana (l)
11. ikaretsaka ( 30/05/2008 16:22)
Ilo:

raha citecitena ho azy fahatany le izy dia izay no tsy mety, eritrereto hoe resak'i Paoly @ Filemona ohatra dia tsimponinao kely izay mety aminao dia ampiharinao aminao, fa ny tsy mety dia odianao fanina: dia ahoana koa izany? eritrereto toy ny hoe ny ba kiraroko nomen'i mamanay no lazainao fa mety aminao fa ny kilaotiko tsy nety dia nodiana fanina!
... fa raha tena dinihinao tsara ny ao ambadik'ilay ilay izy , sy mametra -panontaniana foana ianao hoe "fa maninona" mba hahafahanao mikaroka bebe kokoa dia izay no tena fy!

Za rahefa mi citer manao Raozery na ohatran'izany dia au moins mba fantatro heo inona ny zavatra citeko dia fa maninona aho no manao ilay izy, inona avy ny zavatra azo dinihina sy mediter-na @ ireo mistery samihafa voalaza ao ireo ..
fa ny ankamaroan'ireo mitatitra Soratra masina dia mi garantir aminao aho fa 80% an'y mpitatitra ny Jaona 3:16 ohatra dia tsy kopy akory hoe resak'i Jesoa t@ Nikodema anie io!
12. niryna ( 31/05/2008 00:06)
naritsimba:

Tena marina izany, izahao toetra ny fanahy ao anatinao, tsy misy afa-tsy roa ihany io dia: NY FANAHY RATSY, tsy mitady afa-tsy ny hanisy ratsy ary ny FANAHY TSARA izay araka izany anaran'izany dia ny tsara no asainy ataonao.
Isika olombelona dia trano itoeran'ny fanahy satria ny fanahy no maha-olona, koa arakarak'izay fanahy mitoetra ao anatintsika ny zavatra ataontsika ka asehontsika ny olona manodidina antsika.

misaotra naritsimba a
:-*
13. niryna ( 31/05/2008 00:09)
Ilo:

Izay no tsara handinihina ny Soratra Masina mba ahafantarana na miteny araka ny soratra masina na mifanohitra @ izany izay mampianatra na mitory teny na maminany.

Asa 17:10-11 :"10 Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy niaraka tamin'izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.11 Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia."
mitovy hevitra aminao koa aho,ahoana moa no ahalalana azy raha tsy nisy nitory izy e,ary raha tsy nomena ilay olona ilay teny notoriana valalanina ihany izy amin'ny farany satria tsy ao ny fanahy masina hampianatra azy,hanendry ny tanany sy ny sainy ary ny molony.Mety mahay tenin'Atra izy satria satana koa dia mahay tenin'Atra saingy fantatra eny ihany rehefa atao ny fandinihana sa tsy izany ?

14. niryna ( 31/05/2008 00:11)
Ilo:

Marina izany! Natao hampiharina eo @ fiainana ny lesona azonao fa tsy hianarana fotsiny akory.
Fa inona moa no hotanterahina raha tsy hay akory hoe inona ny marina sy diso?
ka izany indrindra no anto ny hiarana azy,aiza no ahaizany pli-vava raha tsy noratoviny ilay izy,mety tsy ho hainy akory ny am-piasa azy

15. niryna ( 31/05/2008 00:13)
ikaretsaka:

ahoana aloha le hoe "dinihina"?

-le taterina atao pli vava (toy io ambony io) ve?

-sa le tsimponina mots par mots de azavaina isan-teny?

-sa le jerena par fond theologiques, mampiasa ilay izy ara concept, araka ny nampianarin'ny theologiens, ny dimbin'ny apostoly sns?

=)) =)) =)) allergie be ranama asa lahy mahatonga an'izany

16. niryna ( 31/05/2008 00:22)
Ilo:

Ikaretsaka>>Inona kay no mahatonga anao ohatran'ny hoe "allergique be" foana raha vao misy mi-citer andinin-tsoratra masina?
izaho koa mba gaga amin'io ranama io ,mampalahelo

Raha izaho manokana aloha, raha manao izany aho dia tsy hoe fireharehana akory hoe mahay andinin-tsoratra masina, tsy mahay akory aza aho. Fa amiko anefa dia io no fototry ny zavatra rehetra, ataoko référence eo @ fiainana fa tsy hoe atao tsianjery fotsiny akory.
marina tanteraka ny anao saingy izy tsy tia ny olona mitanisa ny tenin'Atra fa allergie be (spiritual blind)

Tiako ny mamaky, mandalina, mandindinika ny baiboly mba amoahana hoe inona ny lesona azo tsoahina ampiharina eo @ fiainana. Ahafahana mamantatra koa izany rehefa mitory teny ny mopera na pasitera sns hoe tena araka ny Soratra Masina tokoa ve ny zavatra lazainy. Mamaky boky hafa koa aho fa mi-vérifier foana hoe araka ny Soratra Masina ve sa tsia

mitovy hevitra aminao aho,aiza no ahalalana raha tsy mamaky ny tenin'Atra ?

Amiko ny tena manao pli vava dia ny mamerina vavaka tsy am-piheverana akory toy ny "Rainay izay any an-danitra" sy ny "Arahaba ry Maria" sns kanefa tsy azo tsara akory ny tian'ilay vavaka ambara na mifanohitra @ ilay vavaka ny fanatanterahana avy eo, na mamaky ny Soratra masina ihany fa tsy mandray ny lesona na mampihatra azy eo @ fiainana.
bedy eto hianao fa faran'izay tsy tiany io hi,hi,hi

Fa tsy hitako izay olana raha mandray andinin-tsoratra masina ka mifandray @ Lohateny voalaza etsy ambony izany. Sady natao hampiasa ny Soratra masina isika ho "sabatry ny fanahy".

:-* :-* :-* aleo hoy aho ny hafa no ahita fa allergie be izy io ka manjary mampihemotra ny hafa ,kanefa Atra mahalala sahady ny olona mangetaheta ny teniny,ka anjarantsika foana no mamafy fa tsy maintsy misy voa maniry foana ary misy ny malazo,misy ny eny an-dalana dia maty satria voagejan'ny tsilo.,ary misy na efa eo an-dalam-pahafatesana aza izy ka miantso ny tompo dia vonona hihaino azy foana Izy (l) (l) (l)
17. niryna ( 31/05/2008 00:26)
prime:

Amin'ny ankapobeny rehefa feno ny fanahy masina ny mpino ka miaina ny tenin'Andriamanitra tokoa ho sakafom-panahy isanandro ka velona amin'ny fiainam-bavaka dia mahafantatra ny fanahy marina ary mahita ny fanahy mamitaka... (amin'ny ankapobeny hoy aho) farafaharatsiny mahatsapa ilay tsy marina izay misy na dia tsy mahafantatra tsara aza hoe inona marina ilay izy...

Na izany aza nefa dia anisan'ny fanomezam-pahasoavana manokana ihany koa ny famantarana fanahy samy hafa... araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Kristy :

"ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery]" I Korintiana 12:10
=D> =D>

Misy olona nomena izany manokana, toa ilay mpiandry toby lehibe, Ray aman-dReny izay, fa anisan'ny fanomezam-pahasoavana ao aminy araka ny fanahy masina io famantarana fanahy io... fa izy rehefa miarahaba ny olona amin'ny tanana dia fantany avokoa ny fanahy ao anatin'ilay olona... tsy ny mpino rehetra no manana izany...
tsy ratsy kosa izany koa ,misaotra e

:-*
18. niryna ( 31/05/2008 00:37)
fahamarinana:

:arrow: miombon-kevitra amin'ny prime koa aho eto mikasika ilay Fanahy ao anaty io.
Prime :mety ho HS kely,ialako tsiny amin'ny namana ,fa misy fanontaniana tiako hapetraka aminao ity mikasika indrindra ireo olona manana fanomezam-pahasoavana manonkana ka mahafantatra ny fanahy miasa ao amin'ny olona arabainy sy mifanena aminy.Maninona no lasa sanatria ohatran'ny Voyante na devin na zay azo iantsoana azy ny fandraisan'ny olona sasany azy? olona lazaiko eto na olona mpino na misy tsy mpino dia resy lahatra manaraka ilay Rar lehibe satria te haheno ny avenir-ny sns..eny na mpiandry koa aza dia maro milahatra mangataka dinika aminy koa manontany zvtr :avenir sy zay angatahana sns...
Amiko manko dia ilay maheno ny fijoroany vavolombelona (oh ny nifanenany tamin'ny Jesoa,ny hafatra,sns..)no tena ilaiko fa tsy hoe hanantona azy dia hanontany na hiteraka aho,na ahita vady sns..zava-misy hitako maso izany fony nandalo ilay Rar lehibe lazaiko io teto france.Tsy fantatro ny any M/car raha toa izany koa .
Ialako tsiny fa lava be lay fanontaniana (l)

miandry an'i prime isika hamaly an'io.
Amiko manokana aloha raha resaka fivavahana dia tsy tokony
andeha an'ny amin'ireny olona mamaky tanana,mijery vady,na manontanitany zavatra ireny .
Raha hanambady izao ny kristiana dia mifampivavaka izy roa ary mangataka amin'Atra fa izay mahasoa ataon'Atra.Izany hoe Atra no tompon'ny fiaianana fa tsy misy na iray aza afaka hanova ny vitako na ny fiainako,na ny hoe misy milaza hono hoe fa manana vitan-dratsy ilay olona ary dia mandoa vola be analana izany vitana izany.Tsy fanahy avy amin'Atra ireny,ary izay indraindra no tokony ho fantatra sy hamakiana ny tenin'Atra fa maro no mamitaka.
Na fiangonana aza ka tsy mampianatra ny olona izy fa any amin'i kristy no misy ny famonjena,tsy miresaka famonjena ,tsy mampianatra ny famonjena ny fanahy,ny fiaianana aorian'ny fahafatesana izay kristy irery ihany no lalana mankany amin'ny ray dia efa tafiditra ao anatin'ilay fanahy mamitaka,voafitaka ny olona raha toa ka mihizingizina mihaino izay mitory fotsiny fa tsy mandalina ny soratra masina sy mamaky ny baiboly.
Izay no fahalalako azy fahamarinana a.
Ny tenin'Atra mantsy milaza fa ireo izay tsy mino an'i kristy ho Atra izao dia efa anti-christ izy,ary izay misy milaza ihany. koa fa mbola misy mpanelanelana antsika sy ATra hafats'i kristy dia ny fanahy hafa koa no mampianatra azy ka ao anaty baiboly io satria izay no voalaza ao
n
19. niryna ( 31/05/2008 00:39)
ikaretsaka:

Ilo:

Ikaretsaka>>Inona kay no mahatonga anao ohatran\'ny hoe \"allergique be\" foana raha vao misy mi-citer andinin-tsoratra masina?
Raha izaho manokana aloha, raha manao izany aho dia tsy hoe fireharehana akory hoe mahay andinin-tsoratra masina, tsy mahay akory aza aho. Fa amiko anefa dia io no fototry ny zavatra rehetra, ataoko référence eo @ fiainana fa tsy hoe atao tsianjery fotsiny akory.
Tiako ny mamaky, mandalina, mandindinika ny baiboly mba amoahana hoe inona ny lesona azo tsoahina ampiharina eo @ fiainana. Ahafahana mamantatra koa izany rehefa mitory teny ny mopera na pasitera sns hoe tena araka ny Soratra Masina tokoa ve ny zavatra lazainy. Mamaky boky hafa koa aho fa mi-vérifier foana hoe araka ny Soratra Masina ve sa tsia.
Amiko ny tena manao pli vava dia ny mamerina vavaka tsy am-piheverana akory toy ny \"Rainay izay any an-danitra\" sy ny \"Arahaba ry Maria\" sns kanefa tsy azo tsara akory ny tian\'ilay vavaka ambara na mifanohitra @ ilay vavaka ny fanatanterahana avy eo, na mamaky ny Soratra masina ihany fa tsy mandray ny lesona na mampihatra azy eo @ fiainana.
Fa tsy hitako izay olana raha mandray andinin-tsoratra masina ka mifandray @ Lohateny voalaza etsy ambony izany. Sady natao hampiasa ny Soratra masina isika ho \"sabatry ny fanahy\".

raha citecitena ho azy fahatany le izy dia izay no tsy mety, eritrereto hoe resak'i Paoly @ Filemona ohatra dia tsimponinao kely izay mety aminao dia ampiharinao aminao, fa ny tsy mety dia odianao fanina: dia ahoana koa izany? eritrereto toy ny hoe ny ba kiraroko nomen'i mamanay no lazainao fa mety aminao fa ny kilaotiko tsy nety dia nodiana fanina!
... fa raha tena dinihinao tsara ny ao ambadik'ilay ilay izy , sy mametra -panontaniana foana ianao hoe "fa maninona" mba hahafahanao mikaroka bebe kokoa dia izay no tena fy!

Za rahefa mi citer manao Raozery na ohatran'izany dia au moins mba fantatro heo inona ny zavatra citeko dia fa maninona aho no manao ilay izy, inona avy ny zavatra azo dinihina sy mediter-na @ ireo mistery samihafa voalaza ao ireo ..
fa ny ankamaroan'ireo mitatitra Soratra masina dia mi garantir aminao aho fa 80% an'y mpitatitra ny Jaona 3:16 ohatra dia tsy kopy akory hoe resak'i Jesoa t@ Nikodema anie io!

-------------------------------------------
izay no fiheveranao azy dia hajaina ny hevitrao fa misaotra

20. todisoa2 ( 31/05/2008 06:43)
niryna:

Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. 1 Jaona 4:1
Ahoana izany hoe izahao toetra ny fanahy izany ?
Ahoana no ahafantarana fa Fanahin'Atra ilay mitoetra ao amin'ilay olona izay mampianatra,mitoriteny,maminany ?
misaotra mialoha
(l) niryna

ilay hoe mizaha toetra ny fanahy dia miainga voalohany indrindra aloha any @ famakiana sy fandalinana ny Baiboly. Io no base ahafantarana ny fahmarinan'ny Fanahy rehetra. Raha mandinika ny Baiboly isika dia hohitantsiaka ny fahamarinan'ny fanah, na ny mifanohitra amin'izany koa. Ny fizahan-toetry ny fanahy dia midika ho fampitahana ny tenin'Andriamanitra sy ny fanahy miasa ao aminao. Mifanaraka tsara @ dogmatika kristiana ve ny etika ara-teolojika eo @ fiainanao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2908