Fiekem-pinoana

21. rush ( 11/05/2008 16:02)
ny any protestanta dia : fanekem-pinoana no anarany fa tsy fiekena, miisa dimy!
22. ikaretsaka ( 11/05/2008 16:37)
rush:

ny any protestanta dia : fanekem-pinoana no anarany fa tsy fiekena, miisa dimy!


hoan'ny linguist..
manaiky tokoa sa miaiky?

le "manaiky" amiko manko ohatrany hoe misy condition sy fepetra (manaiky aho raha misy an izao sy izao sy izao.. na hoe raha izay de ekeko)

fa ny "miaiky" amiko de "Eny" foana na misy fepetra na tsisy... (Miaiky ny mampa zao anao aho e.. karazan'ny hoe ^:^ mihitsy fa mahery ianao)
23. pissoa ( 11/05/2008 17:03)
Inona avy ilay dimy ry Rush ?

Ika : raha tsy diso aho - raha tsy diso hoy aho - (aleo mihitsy averina in-2 lol), ny manaiky somary agreement moa ny miaiky somary confession !

:-D :-D :-D
24. ravakamalala ( 11/05/2008 18:15)
Ikaretsaka :
tsy fantatro ny tena marina ara-tantara momba ny \"position\" ny protestant eo anatrehan io misitery iray io, fa raha ny fihevitro manokana dia tsy afaka ny hino sy hanaiky ny maha telo izay iray an \' Andriamanitra ny protestant nefa hitsipaka ny hoe Andriamanitra avy amin Andriamanitra ? tsy logique izany : ekena ve ny concept, nefa ny definition tsy ekena ?

na tsy linguist aza aho , afaka miteny kosa hoe tsy marina ny hoe rehefa \"manaiky dia misy condition sy fepetra\". resaka degré hoy aho no mety maha samihafa ireo roa ireo.


25. rush ( 11/05/2008 19:27)
5 karazana ny fanekem-pinoana: ny 1er iraisan'ny mpino rehetra: mino an'Andriamanitra Ray Tsitoha Mpanao ny lanitra sy ny tany aho...........ny any anglikana misy ny oe mino ny Eklezia masina Katolika, ny any protestanta tsisy an'io.
ny 2e: Isika mino an'Andriamanitra Iray. Ray tsitoha, Mpanao ny lanaitra sy ny tany; ary ny zavatra rehetra na ny hita na ny tsy hita........
ny faha 3: Mino an'Andriamanitra Tsitoha aho. Izay mpanao ny lanitra sy ny tany. Andriamanitra dia Fanahy, Andriamanitra dia Fitiavana......
faha 4: manambara ny finoantsika an'i Jesoa Kristy isika. dia araka ny tenin'i Jaona Mpanao batisa hoe: "indro ny Zanaka'ondrin'Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao".....
ny faha 5: Kristy dia maty noho ny fahotantsika, araka ny soratra masina dia nalevina ary nitsangana t@ maty.....
26. rush ( 11/05/2008 19:30)
ny protestanta tsy manao oe "manaiky " fa "mino " foana,ny faha 4 sy ny faha 5 dia fanambarana izay inoanao.
27. ravakamalala ( 11/05/2008 20:06)
ny tian ikaretsaka tenenina amin ilay hoe manaiky sy miaiky dia ny hoe :

ho an ny protestant ny fiteny dia :
fanekem-pinoana = fanekena + finoana. (fanekena avy amin ny hoe manaiky)

ho an ny katôlika :
fiaikem-pinoana = fiaikena + finoana. (fiaikena avy amin ny hoe miaiky)

adinoko tokoa fa ireo fanekem-pinoana protestant fanampiny ireo toa niara-tonga tamin ny fampiasana ny fihirana fanampiny koa.
28. ikaretsaka ( 11/05/2008 22:07)
rush aza atao horts sujet aloha fa "manaiky" (finoana) sy miaiky (finoana ihany koa) ny resaka.

Ravakamalala sy pissoa> ie, toy izay resaka misy confession izay mihitsy koa no fandraisako azy

raha zavatra no "ampanekena ahy" dia misy karazan'ny forcena izay!

fa raha zavatra no "mampiaiky ahy" dia avy any amiko le izy: na za no tena tonga saina sy mahatsapa anaty ilay zavatra nahatonga ahy iaiky ilay izy
29. niryna ( 12/05/2008 04:38)
pissoa a> tsy aiko indray io fa tsy misy manao tsianjery an\'io aty aminay ,saingy ao anaty baiboly indray dia misy maro ao ka amin\'ny teny maro ihany koa sy ny hoe \"The Apostles\'creed \"(traditional sy ny ecumerical ) ,ary ny fihirana amin\'ny teny anglisy indray dia mampiseho karazany maro saingy tafiditra avokoa ilay hoe \" Mino an\'Atra,iray tsitoha mpanao ny lanitra sy ny tany aho ..ary mino an\'i Jesoa kristy zanaka lahitokana tompontsika,izay notoritorina tamin\'ny fanahy masina,naterak\'i Maria virjina,nijaly raha nanapaka pontio pilato,niombohana tamin\'ny hazo fijaliana ,maty ka nalevina,nidina tany amin\'ny fiainantsihita,nitsangana tamin\'ny andro fahatelo,niakatra ho any an-danitra ,nipetraka teo an-tanana an-kavanan\'ny Ray tsy toha,avy any no niavian\'ny ray ,nitsara ny velona sy ny maty,mino ny fanahy masina aho ,ny fiangonana masina manerana izao tontolo izao,ny fiombonanan\'ny olona masina ,ny famelan-keloka , ny fitsangananan\'ny tenan\'ny maty ary ny faianana mandrakizay .Amena ..
Izay no tadidiko tato an-tsaiko fa hifonako raha misy latsaka ,mbola misy crane kely ihany aho izany , fa aty izahay tsy manao an\'izany fa ny vavaka nampianaran\'ny tompo no atao.
30. rebeccaF ( 12/05/2008 07:47)


Hoy niryna:

>

Amiko manokana dia tsy manam-piavina Izy Ray, satria izy no niaviana'ny olona rehetra, sy ny zavatra rehetra.

31. ravakamalala ( 12/05/2008 08:52)
"avy any no hiaviany indray, hitsara ny velona sy ny maty " no izy.
Mitovy amin ilay amin ny teny frantsay hoe "d'où il viendra juger les vivants et les morts "
32. rush ( 12/05/2008 09:48)
ika: tsy manao HS aho fa nanitsy , ny protestanta tsy mampiasa ny "miaky" na ny "manaiky", reo teny 2 ireo hoy aho, tsy fiekem-pinoana koa no filazana azy fa fanekem-pinoana, marina fa ao ny foto-teny "manaiky"fa refa hanonona azy dia fanekena no lazaina,
niryna: samy hafa ny dika-teny @ "niaviany" sy "hiaviany", Jesosy mantsy mbola handrasana fa ho avy,nitsangana izy, niakatra ,nipetraka, ho avy ary hitsara ny olona sy ny maty!
33. ikaretsaka ( 12/05/2008 13:43)
ka manitsy diso i rush nge e
34. ikaretsaka ( 12/05/2008 15:22)
nipetraka teo an-tanana an-kavanan'ny Ray tsy toha,avy any no niavian'ny ray, nitsara ny velona sy ny maty


1)Andriamanitra (Ray) angaha misy tanana? dia firy hono?

2) avy any no hiaviany indray! angamba no izy ry niryna
35. pissoa ( 12/05/2008 16:52)
Niryna : tsy dia azoko loatra ilay tian'i Niryna hahatongavana. En tout cas, tsy mitovy mihitsy ny "Fanekem-pinoana" sy ny "Vavaka nampianarin'ny Tompo" ka.

Ika : Tsy haiko na misy tanana Andriamanitra na tsia - fa ao amin'ny Baiboly fotsiny misy an'i Jesoa mametraka ny Fanahiny teo an-tanan'Andriamanitra (tamin'Izy niala aina). Ankoatra izay, mety misy dikany hafa ny tanana ankoatra ny ara-bakiteny kosa e.

Fa marina ny tenin'i Ravakamalala hoe mitovitovy mihitsy ilay Simbolin'ny Apostoly (ilay fohy) atao any amin'ny Katolika sy ilay fanekem-pinoana nomen'i Ravakamalala.

Fa le resaka Andriamanitra avy amin'Andriamanitra sns no mbola tsy azoko tsara foana.
36. Veloo ( 12/05/2008 17:23)
)Andriamanitra (Ray) angaha misy tanana? dia firy hono?


o ry Ika a isika dia nalaina t@ sarin'Andriamanitra ka ahona izy no tsy manana tanana???? :roll:
sa t@ sarin'na inn no nakana an'i IKa leeeeeeee
37. ikaretsaka ( 13/05/2008 00:50)
veloo> endrika no hoe itovy aminy, fa tsy midika akory iznay hoe tanana.

e
38. Veloo ( 13/05/2008 01:14)
:roll: :roll: :roll:
39. ikaretsaka ( 13/05/2008 23:05)
ilay voalaza hoa aza forcena hitovy sy tsimponina araka izay mampetimpety anareo..
"olona mitovy endrika amintsika" no teny fa tsy "olona mitovy amintsika ara-batana"
40. Veloo ( 13/05/2008 23:46)
:roll: :roll:

"olona mitovy endrika amintsika" no teny fa tsy "olona mitovy amintsika ara-batana"
:-D :-D :-D :-D :-D
rehefa tsy mahita lazaina maninn tsy miteny tsotra fa ahodikodina eo ilay izy :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0571