Tsy mamaly vavaka Atra : antony ?

1. niryna ( 09/05/2008 23:11)
Araka ny zavatra fantatra dia hoe mamaly vavaka foana Atra: na tonga dia mivaly eo noho eo ny vavaka -na tsia hoy izy na miandrasa kely.
Tsy mamaly vavaka izy satria tsy any aminy aho no mangataka
tsy mamaly vavaka izy satria tsy tena mino azy tokoa fa anarany fotsiny
tsy mamaly vavaka izy satria ny omeo omeo foana no ataoko fa tsy misaotra aho na midera ny fahasoavana nomeny ahy
tsy mamaly vavaka izy satria tsy any aminy aho no mangataka fa any amin'ny hafa
tsy mamaly vavaka izy fa tsy mino aho fa izy no mpanavotra ahy ,izy no tompoko ary izy no mpamonjy ahy fa mbola misy hafa eo ambony hinoako .
tsy mamaly vavaka izy satria aho tsy mamela ny hafa koa tsy mamela ny fahotako koa izy.
tsy mamely vavaka izy satria aho tsy zanany ka ahoana moa no hiantsoko azy ho mpamonjy ahy?
tsy mamaly vavaka Izy satria aho manao ilay zavatra nariany ho lehibe noho ny Mpahary ahy
tsy mamela vavaka izy satria aho tsy midera azy fa ny moi,moi foana ary tsy mba mizara ny fahasoavana nomeny aho fa tazomiko irery
tsy mamaly vavaka izy satria milaza aho fa zanak'Atra kanefa aho mbola feno fankahalana,fialonana,fitiavantena,fihatsarambalatsihy, fanaratsiana,feno fiambaambana (doute), feno fifosana sy fanaratsiana ny foko,feno teny ratsy miraviravy ny vavako

tsy mamaly vavaka izy satria aho tsy mino an'ilay zanany ho Atra
novalian'i niryna ny 31/05/2008 01:21
2. Veloo ( 09/05/2008 23:37)
^:^ ^:^ ^:^ txs nyrina
3. tslem ( 10/05/2008 01:55)
niryna:

hoy izy na miandrasa kely.
Tsy mamaly vavaka izy satria tsy any aminy aho no mangataka
tsy mamaly vavaka izy satria tsy tena mino azy tokoa fa anarany fotsiny
tsy mamaly vavaka izy satria ny omeo omeo foana no ataoko fa tsy misaotra aho na midera ny fahasoavana nomeny ahy
tsy mamaly vavaka izy satria tsy any aminy aho no mangataka fa any amin'ny hafa
tsy mamaly vavaka izy fa tsy mino aho fa izy no mpanavotra ahy ,izy no tompoko ary izy no mpamonjy ahy fa mbola misy hafa eo ambony hinoako .
tsy mamaly vavaka izy satria aho tsy mamela ny hafa koa tsy mamela ny fahotako koa izy.
tsy mamely vavaka izy satria aho tsy zanany ka ahoana moa no hiantsoko azy ho mpamonjy ahy?
tsy mamela vavaka izy satria aho tsy midera azy fa ny moi,moi foana ary tsy mba mizara ny fahasoavana nomeny aho fa tazomiko irery
tsy mamaly vavaka izy satria milaza aho fa zanak'Atra kanefa aho mbola feno fankahalana,fialonana,fitiavantena,fihatsarambalatsihy, fanaratsiana,feno fiambaambana (doute), feno fifosana sy fanaratsiana ny foko,feno teny ratsy miraviravy ny vavako

tsy mamaly vavaka izy satria aho tsy mino an'ilay zanany ho Atra


Tsy mamaly vavaka Izy raha tsy hajain'i niryna :-D:-D:-D


4. ikaretsaka ( 10/05/2008 02:00)
tsy mamaly vavaka Atra satria isika variana mijery ny Antony tsy amaliany ilay vavaka araka ny ilaintsika, kanefa ilay izy efa voavaly @ fomba hafa hitany fa mahasoa antsika
5. rijadolly ( 10/05/2008 09:41)
Fanampiny
tsy mamaly vavaka IZY satria diso fangataka isika
tsy mamaly vavaka IZY satria izy mahalala izay heveraNy antsika,fantaNy fa tsy mahasoa antsika,na dia tsara aza ilay angatahatsika dia tsy omeny ho an' izay zanaNy. http://dailymotion.alice.it/relevance/search/fanilo/video/x37ndq_izay-iheverany-ahy-ny-fanilo_music
tsy mamaly vavaka IZY satria tsy nandini-tena aloha isika hoe izao ny zavatra tsy tiaNy nefa ataoko na tiaNy nefa tsy ataoko izay efa voaraiko
6. ikaretsaka ( 10/05/2008 14:02)
marina be ilay diso fangataka..
tsy voatery ho izay araka ny tiantsika manko fa izay fantany fa mahasoa antsika
7. xxx ( 10/05/2008 14:05)
Tsy mamaly vavaka Atra : antony ?

mamaly vavaka foana izy ka :wink:
8. Koditra ( 10/05/2008 14:15)
Ireto no fomba hamalian'Andriamanitra ny vavaka :

Eny
Eny fa mbola tsy izao
Tsia, tsy mahasoa anao io fa efa misy zavatra tsara2 kokoa efa nomanoko ho anao.
9. pissoa ( 10/05/2008 14:21)
:-D :-D :-D :-D :-D
10. xxx ( 10/05/2008 14:26)
hain'i koditra mitsy izy zany a :wink:
11. Falyiarivo ( 10/05/2008 18:00)
Ny tena marina dia ny fahaizana mionona manoloana ny zava-misy no tena zava-dehibe, ankoatran'ny finoana io zany. raha tsy azonao ny zvtra nokatsainao androany, isaory ny any Ambony fa mbola tsy mety aminao zany, ra tanteraka androany ny fanirinao, isaory ihany koa Izy nanome.
Tsika manko, matetika, refa angataka na refa misy mahaporitra iany vao Miantso Azy, ka ra vao tsisy valiny iny, d io le lohahevitra napetraka oe "Tsy mamaly vavaka Atra".
12. xxx ( 10/05/2008 18:17)
^:^
13. Zina ( 11/05/2008 00:50)
Tsy mamaly vavaka Atra : antony ?


satria tsy vavaka sincere no ataon-tsika
14. xxx ( 11/05/2008 14:44)
afaka hazavaina ve zany ry zina?
15. ikaretsaka ( 11/05/2008 14:55)
Koditra:

Ireto no fomba hamalian'Andriamanitra ny vavaka :

Eny
Eny fa mbola tsy izao
Tsia, tsy mahasoa anao io fa efa misy zavatra tsara2 kokoa efa nomanoko ho anao.



Hmmmmmm tena hain'i koditra tsara mihitsy izy izany
16. badboy ( 11/05/2008 20:27)
Izay ve sisa no iafaran'ilay hoe A/tra : mpamaly na tsy mpamaly vavaka?????? :^) :^) :^)
17. pissoa ( 11/05/2008 21:06)
Aza terena ho "famaritana" an'Andriamanitra izay resahin'ny olona ry Badboy a. Sa tena tsy hainao mihitsy ny dikan'ilay hoe "famaritana" no nahatonga anao tsy namaly ahy tatsy ambadika :-D :-D :-D :-D :-D
18. xxx ( 11/05/2008 21:17)
Afaka milaza ny hevitrao koa nge enao ry badboy e
19. ikaretsaka ( 11/05/2008 22:14)
za kao saika hiteny hoe toa lasa misy mamilana any @ "famaritana an'Atra" indray ilay resaka
20. xxx ( 11/05/2008 23:11)
miandry anao ry badboy a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0747