Tsy mamaly vavaka Atra : antony ?
21. niryna
(
12/05/2008 02:46)
Veloo:
^:^ ^:^ ^:^ txs nyrina
tsy misy fisaorana ka,hamaly antsika tokoa izy na inona angatahantsika aminy raha ohatra ka mifanohitra an'ireo no ataontsika,andramo anie e
:D
22. niryna
(
12/05/2008 03:01)
tslem:
niryna:
hoy izy na miandrasa kely.
Tsy mamaly vavaka izy satria tsy any aminy aho no mangataka
tsy mamaly vavaka izy satria tsy tena mino azy tokoa fa anarany fotsiny
tsy mamaly vavaka izy satria ny omeo omeo foana no ataoko fa tsy misaotra aho na midera ny fahasoavana nomeny ahy
tsy mamaly vavaka izy satria tsy any aminy aho no mangataka fa any amin'ny hafa
tsy mamaly vavaka izy fa tsy mino aho fa izy no mpanavotra ahy ,izy no tompoko ary izy no mpamonjy ahy fa mbola misy hafa eo ambony hinoako .
tsy mamaly vavaka izy satria aho tsy mamela ny hafa koa tsy mamela ny fahotako koa izy.
tsy mamely vavaka izy satria aho tsy zanany ka ahoana moa no hiantsoko azy ho mpamonjy ahy?
tsy mamela vavaka izy satria aho tsy midera azy fa ny moi,moi foana ary tsy mba mizara ny fahasoavana nomeny aho fa tazomiko irery
tsy mamaly vavaka izy satria milaza aho fa zanak'Atra kanefa aho mbola feno fankahalana,fialonana,fitiavantena,fihatsarambalatsihy, fanaratsiana,feno fiambaambana (doute), feno fifosana sy fanaratsiana ny foko,feno teny ratsy miraviravy ny vavako
tsy mamaly vavaka izy satria aho tsy mino an'ilay zanany ho Atra
Tsy mamaly vavaka Izy raha tsy hajain'i niryna :-D:-D:-D
-----------------------------------------------
yap, satria tokoa hoy Izy hoe"Tiava an' i Jehovah Atrao amin'ny fonao rehetra ,ny sainao rehetra ary ny fanahinao rehetra,raha ataoko tokoa izany dia ataony ho tanteraka tokoa ny vavaka izay nomeko sy nangatahiko taminy ,raha miezaka mamefy ny tenako aho ka manandrana sy miezaka ny mahanfatatra ny antony mety tsy amaliany ny vavako dia ireo ambony ireo no mety ho santionany ,ary koa hoy izy hoe katsaho aloha ny fanjakan'Atra dia hanampy anao izao rehetra izao.
ataovy foana ny andrana sady tsy misy vola, tsy mila na inona na inona fa ny fo no hinoana ahazoana famonjena ary ny vava no miantso azy satria avy ao anatin'ny fo no mivoaka ao @ vava , dia hiahiano antsika tokoa ilay Atra mahery,mamela heloka,manasitrana ny aretina rehetra ,tsy mila na inona na inona fa tonga dia vavany Raha miaiky ny fahotantsika isika ary matoky fa marina tokoa izy dia hamela ny fahotantsika tokoa izy ary hanafaka antsika amin'ny ratsy rehetra ary hanadio antsika amin'ny tsy fahamarinana rehetra ,mino izany ve isika,mino tokoa ve isika fa izay fahotana rehetra nangatahina taminy ho dioviny sy navelany dia tena navelany tokoa,ary tsy adinony intsony ? sa mbola miambaamba isika?
:lol: :D
23. niryna
(
12/05/2008 03:10)
ikaretsaka:
tsy mamaly vavaka Atra satria isika variana mijery ny Antony tsy amaliany ilay vavaka araka ny ilaintsika, kanefa ilay izy efa voavaly @ fomba hafa hitany fa mahasoa antsika
marina izany,raha vao misokatra ny fontsika,mino azy aloha fa mpamela heloka izy,mino aza koa fa mpamonjy antsika izy rehefa hatrizay ka miala ety isika ary mangataka famelana aminy ,mangataka azy hanadio ny fahotantsika amin'ny rany ary midera azy tokoa amin'ny zavatra rehetra nataony tamin'ny fiainantsika ,amin'ny fotoana izay angatahintsika zavatra aminy dia efa manantena tanteraka tokoa isika fa hamaly izy ,na aretina io ,na adintsaina na adim-panahy na inona olana amin'ny fiainana dia mino izany isika fa tsy mamela antsika ho kamboty izy ,ny fotoana sisa no miankina aminy.
-mety tsy amin'ny fotoana hitiavanatsika azy izany
mety mbola mampianatra antsika hanamafy ny finoantsika izy ka tsy hierikerika any an-kafa
-mbola maro koa ny fitsampana izay miandry antsika saingy araka ny maha maro ny fitsampana no vao maika hiantsoantsika azy ,ary araky ny maha mafy ilay fitampna ihany koa no vao maika miha-mafy ny fifandraisan-tsika aminy
misaotra ika a
:-*
24. niryna
(
12/05/2008 03:27)
rijadolly:
Fanampiny
tsy mamaly vavaka IZY satria diso fangataka isika
tsy mamaly vavaka IZY satria izy mahalala izay heveraNy antsika,fantaNy fa tsy mahasoa antsika,na dia tsara aza ilay angatahatsika dia tsy omeny ho an' izay zanaNy. http://dailymotion.alice.it/relevance/search/fanilo/video/x37ndq_izay-iheverany-ahy-ny-fanilo_music
tsy mamaly vavaka IZY satria tsy nandini-tena aloha isika hoe izao ny zavatra tsy tiaNy nefa ataoko na tiaNy nefa tsy ataoko izay efa voaraiko
ireo koa izany mbola misy fanampiny fa dia ataovy foana ny andrana ary mila midera azy aloha isika fa tsara izy,fitiavana izy ary mila mizara izany fitiavana izany amin'ny namana sy ny fahavalo :roll:,mila mivavaka ny fahavalo ,mila mitia azy ,tsy voatery hino azy na hinamana azy intsony,mahery ny satana ka ny vavaka atao ny fahavalo no fitaovana iray maha-omby indrindra tsy hidiran'ny fanahy ratsy sy ny toetra maloto ao anantintsika,hmm :roll: ,sarotra izany atao hoe kristiana izany k'tiy!
Dia averina ao antsaina hoe ny diakampok'i kristy no nanasitranana antsika,ny fahafatesan''i kristy no nanafaka antsika hiala tao anatin'ny fahotana,koa ahoana tokoa moa aho no tsy hamela,inona no tombotsoa azoko raha tazomiko ao foana iny poizina iny tsy izaho ihany ve no maratra sy marary ao anaty ao ? :oops: :cry: :idea:
aloe aloha aho hisaina kely :D fa lavitra ezaka izy izany k'ty .
eny ,ary miombon-kevitra aminao koa aho fa tsy ho vitantsika samy irery izany ,izay no antony hiantsona vonjy any aminy,hiantsona ny anarany
Tompo o,ampio aho hanala ity kapoaka mangidy ato anatiko ity fa tsy vitako izaho samy irery izany.Amena
25. niryna
(
12/05/2008 03:31)
ikaretsaka:
marina be ilay diso fangataka..
tsy voatery ho izay araka ny tiantsika manko fa izay fantany fa mahasoa antsika
io koa misay antony iray izay mety tsy hamaliany.Afaka manandrana tsy mangataka mihitsy aloha raha te hanao experience isika,midera azy fa tsara izy,mankalaza azy noho ny asany rehetra,ary misaotra azy noho ny zavatra mahagaga nataony tamintsika. "io ilay hoe katsaho aloha ny fanjakan'ny lanitra dia hanampy anao izao rehetra izao"
26. niryna
(
12/05/2008 03:36)
xxx:
Tsy mamaly vavaka Atra : antony ?
mamaly vavaka foana izy ka :wink:
marina izany fa matetika ny olona dia ny lafy ratsiny mitranga amin'ny fiainana no hanomezany tsiny amin'Atra,fa tsy mijery izy hoe inona ary no antony tsy hamaliany,na dia mamaly aza izy. Ilay doute no tena ampiasan'i santana ka raha vao izay no tafiditra dia efa mievaeva ny finoana ary izay no andrasany sy hanasany ny toetsain-tsika.
Raha misy izany Atra izany maninona no ......
Raha tia ahy izy maninona aho no .....
Maninona aho no nataony kamboty mbola kely ......
Maninona hoy ity rangahy iray no tsy ny raiko masika be no nalaina fa ny mamako tsara fanahy .... kanefa dia misy antony daholo ny zavatra rehetra
27. Rasiligaoma
(
12/05/2008 03:37)
amiko dia tsy misy izany Andriamanitra tsy mamaly vavaka izany. Fa isika no mieritreritra sy manana io fisaina io hoe rehefa tsy mifanentana amin'izay tadiavintsika ilay fangatahantsika dia hoe tsy novalian'Andriamanitra izay.
Mamaly dia mamaly tokoa Izy fa aoka ho tadidy mandrakariva fa tsy ho voatery amin'ilay hifanentana amin'ny hetahetantsika foana no atao hoe "valim-bavaka"!
Adino ilay hoe "aoka tsy ho ny sitrapoko no hotanteraka fa ny sitrakao"
ny fanekena an'io anefa no maha-mpino ny mpino amiko!
Mamaly dia mamaly tokoa Izy fa aoka ho tadidy mandrakariva fa tsy ho voatery amin'ilay hifanentana amin'ny hetahetantsika foana no atao hoe "valim-bavaka"!
Adino ilay hoe "aoka tsy ho ny sitrapoko no hotanteraka fa ny sitrakao"
ny fanekena an'io anefa no maha-mpino ny mpino amiko!
28. niryna
(
12/05/2008 03:46)
Koditra:
Ireto no fomba hamalian'Andriamanitra ny vavaka :
Eny
Eny fa mbola tsy izao
Tsia, tsy mahasoa anao io fa efa misy zavatra tsara2 kokoa efa nomanoko ho anao.
ny fanahy masina no mampianatra antsika kristiana an'izany fa indraindray toa variana na fantatra izao aza dia minina tsy mihaino ,mahatsampa izany koa ve hianareo ?
Andramo ny mivavaka ka miteny ny hoe aoka tsy ny sitrapoko no tanteraka fa ny sitraponao ary farano amin'ny hoe amin'ny alalan 'i kristy no anaovako izany vavaka izany
Ny antony ? i kristy no mifona any amin'ny rainy,izy no mangataka any aminy ,ary izy no hiteny amin'ny rainy fa efa voavidin'ny rany isika .....
29. niryna
(
12/05/2008 03:51)
Falyiarivo:
Ny tena marina dia ny fahaizana mionona manoloana ny zava-misy no tena zava-dehibe, ankoatran'ny finoana io zany. raha tsy azonao ny zvtra nokatsainao androany, isaory ny any Ambony fa mbola tsy mety aminao zany, ra tanteraka androany ny fanirinao, isaory ihany koa Izy nanome.
Tsika manko, matetika, refa angataka na refa misy mahaporitra iany vao Miantso Azy, ka ra vao tsisy valiny iny, d io le lohahevitra napetraka oe "Tsy mamaly vavaka Atra".
=D> =D>
izay no antony hanaovana vavaka isan'andro isan'ora.Tsy miandry misy zavatra angatahina vao miantso azy,ahoana tokoa moa raha manana namana isika ka milaza fa tia azy kanefa tsy misy na telefonana na ttsy akory hifampiresahana aminy? koa moa va tsy mihoana noho izany ilay raintsika ?
Manatona ahy dia hanatona anao aho
30. niryna
(
12/05/2008 03:55)
badboy:
Izay ve sisa no iafaran'ilay hoe A/tra : mpamaly na tsy mpamaly vavaka?????? :^) :^) :^)
Atra dia be fitiavana ary tiany avokoa isika,badboy izao afaka manao fanandramana,afaka miresaka aminy ihany koa hoe tena mbola tsy fantatro mihitsy izany Atra resahin'ireo namana ireo izany ,andao hoe aho mba hanandrana ? Tongava ato am-poko tompo o fa mihaino anao ny mpanomponao
Raha mino moa hianao dia ireo efa voalazan'ny namana ireo no mety ho antony mahatonga ny vavakao tsy mivaly araky ny eritreretanao azy saingy efa novaliana ilay izy fa isika no be siasia indraindray
31. niryna
(
12/05/2008 03:58)
pissoa:
Aza terena ho "famaritana" an'Andriamanitra izay resahin'ny olona ry Badboy a. Sa tena tsy hainao mihitsy ny dikan'ilay hoe "famaritana" no nahatonga anao tsy namaly ahy tatsy ambadika :-D :-D :-D :-D :-D
:D :D =D> =D> marina izany ,misaotra aky pissoa a :-* :-*
32. niryna
(
12/05/2008 04:03)
pissoa:
Aza terena ho "famaritana" an'Andriamanitra izay resahin'ny olona ry Badboy a. Sa tena tsy hainao mihitsy ny dikan'ilay hoe "famaritana" no nahatonga anao tsy namaly ahy tatsy ambadika :-D :-D :-D :-D :-D
pissoa ,indraindray ny olona tsy te -hamaly satria mety tsy hainy ny mamaly an'ilay izy,na mangina volamena,na mamaky fotsiny izy dia mampihantra ilay izy amin'ny fiainana,na misy koa ireny olona sasany tsy mamaly azy ireny no tena tsara ,ampianarin'Atra mihaino fotsiny koa isika dia ampianarainy ihany koa tsy mila mamaly fa manjary miteniteny foana avy eo.
sa ahoana hoy indry ?
33. niryna
(
12/05/2008 04:05)
ikaretsaka:
za kao saika hiteny hoe toa lasa misy mamilana any @ "famaritana an'Atra" indray ilay resaka
=)) =)) =))
34. rebeccaF
(
12/05/2008 07:53)
Ny tsy fahaizana manavaka ny lalana natiorany amin'ny tranga miseho no mahatonga ny olona mihevitra fa tsy mamaly vavaka Andriamanitra, na koa hihevitra fa ny zavatra rehetra dia avy amin'Andriamanitra daholo.
35. badboy
(
12/05/2008 10:13)
xxx ; niryna ; pissoa >>> raha azoko tsara zany de ra misy tranganjavatra 1 niseho ka nifanaraka t@ ilay vavaka nataonao dia tsy maintsy hoe valimbavaka.
Ilay tranganjavatra izany dia tsy ho noho :
- ny lalampiainana
- na ny sendrasendra
- na ny finiavana
- na ny lozikanjavatra
- na ny fahaizana
Dia ahoana izany ireo izay tsy mivavaka nefa mahazo izay ilainy sy tadiaviny lalandava???
P.S : tsy aramaterialy ihany no tiako ho lazaina eto fa aranofo, arapitiavana, aratsaina ....... :^) :^) :^) :^)
Ilay tranganjavatra izany dia tsy ho noho :
- ny lalampiainana
- na ny sendrasendra
- na ny finiavana
- na ny lozikanjavatra
- na ny fahaizana
Dia ahoana izany ireo izay tsy mivavaka nefa mahazo izay ilainy sy tadiaviny lalandava???
P.S : tsy aramaterialy ihany no tiako ho lazaina eto fa aranofo, arapitiavana, aratsaina ....... :^) :^) :^) :^)
36. ni81
(
12/05/2008 12:57)
Dia ahoana izany ireo izay tsy mivavaka nefa mahazo izay ilainy sy tadiaviny lalandava???Mahazo hoy ianao? Fantatrao ve hoe avy aiza no nahazoany azy? :-D :-D
P.S : tsy aramaterialy ihany no tiako ho lazaina eto fa aranofo, arapitiavana, aratsaina .......
37. Zina
(
12/05/2008 13:11)
xxx [ Valio ] 11-05-2008 16:44:45
Lohateny : Re : Tsy mamaly vavaka Atra : antony ?
afaka hazavaina ve zany ry zina?
Inona no atao hoe vavaka avec sincerité?
Fivavahana izay avy any am-po (miaiky sy mino an'i Jesosy) miaraka @ ny fanetre-tena...
Zay aloha no fahalalako azy e
38. ikaretsaka
(
12/05/2008 14:14)
zina> raha tena sincere ka fantaNY fa tsy mahasoa anao ilay zavatra angatahinao ka tsy azonao dia ahoana?
39. pissoa
(
12/05/2008 16:36)
badboy:
xxx ; niryna ; pissoa >>> raha azoko tsara zany de ra misy tranganjavatra 1 niseho ka nifanaraka t@ ilay vavaka nataonao dia tsy maintsy hoe valimbavaka.
Ilay tranganjavatra izany dia tsy ho noho :
- ny lalampiainana
- na ny sendrasendra
- na ny finiavana
- na ny lozikanjavatra
- na ny fahaizana
Dia ahoana izany ireo izay tsy mivavaka nefa mahazo izay ilainy sy tadiaviny lalandava???
P.S : tsy aramaterialy ihany no tiako ho lazaina eto fa aranofo, arapitiavana, aratsaina ....... :^) :^) :^) :^)
Misy soratro mifandray amin'ireo teninao ireo ve eto ? Ny famehezanao an'Andriamanitra amin'ny lohahevitra iray no noresahiko fa toa tsy niresaka valim-bavaka akory aho ... Sao diso ny olona novalianao !
:-D :-D :-D :-D :-D
40. Veloo
(
12/05/2008 17:25)
ikaretsaka [ Valio ] 12-05-2008 16:14:22
Lohateny : Re : Tsy mamaly vavaka Atra : antony ?
zina> raha tena sincere ka fantaNY fa tsy mahasoa anao ilay zavatra angatahinao ka tsy azonao dia ahoana?
aleo ity valiko, dia tsy azonao ka inn ndray? mifaly amin'izay hanana aloha. Ndray2 anie isika tena sincere @ vavaka fa chaque chose a son temps @ famaliana azy :roll:
