Nofoanana ny mpivarotra amoron-dalana

1. dziana ( 02/05/2008 11:41)
Enjehina toy ny manenjika mpangalatra ny mpivarotra amoron-dalana.Ny mahagaga anefa dia maninona ny mpanendaka sy ny mpi-sam toa jerena fotsiny. Nefa tsy aleo ary ve le olona ivarotra kely eny fa mba ferana hoe hatreo nareo mivarotra dia amin'ny ora toy izao sy izao ;toy izay tsy miasa dia manampy isa ny mpangataka na sanatria ny mpi-sam fotsiny ?
Sa ve satria vahoaka madinika dia ahilikilika fa ny deba rehetra any @ grande surface no miantsena dia sy te hahalala ny fahorian'ny olona
novalian'i Jeankely ny 12/05/2008 13:41
2. kiadi ( 02/05/2008 11:47)
zah aloh tsy d'ac @ tsena eny @ sisindalana eh!! sady voretra le mivarotra no tsisy andehanana!!
probleme roa samihafa reo!! ary zah mino fa samy enjehina doly na ny mpisam na nympivarotra andalambe!!
ba asaivo mivarotra eo @ fidirana eo @ tranonao ry zareo de hitanao oe tsy mety! ba jerena ihany le olona mipetraka @ reny toerana reny
3. dziana ( 02/05/2008 11:56)
Ka iza ary le mipetraka eo amorondalana e!;dia sur koa ve enao fa misy oh oe police municip. mandende any anaty tsena any dia hanavotra anao raha misy mi sam iny phone nao milay be iny; ny feo henonao fotsiny dia oe ooooooooooooo!!!!! dia bye bye!
Sady zay nge le teneniko oe tokony ho ferana fotsiny hoe hatreto sy @ ora toy izao e!
4. kiadi ( 02/05/2008 12:16)
zah aloha tsy d'acord eh! efa nomena toerana hivarotana ry zareo de tsy tokony andeh eny @ lalambe tsony fa tsy fotoeran'izany eny!!sady avreiko indray fa voretra be !! mipipi sy manao maloto eny sisiny eny!
ny embouteillageaza efa mandreraka be de bola!! resaka fahadiovana nenah no tsy tiko hisin'ireny eny @ trottoir eny!!
ny mpisam resaka hafa ! ny commune no manala ny tsena fa ny polisy no manenjika mpisam! zavatra roa samihafa reo na de oe samy fanjakana aza
5. kiadi ( 02/05/2008 12:23)
ny ray ny maire no miandraikitra azy de ny ray ny polisy! donc ny mnistera miandraikitra izany manokana!
bisous :P
6. rakaroka ( 02/05/2008 12:47)
'ndriiiy mahatsiaro "libre" aho amin'ity fanenjehana mpivarotra, satria mpivarotra amoron-dalana koa taloha. Fa misento amin'ny maha fiveloman'ny ain'izy ireny an'ity fanenjehana.Dia tsaroako ny sento tokan'itkpvavy mama fony niantsena taty izahay hoe " aty akia mba miahy ny vahoaka ny mpitondra dia ny tsena vita lamina avokoa, ny "stand" hivarotana ny "état no miantoka, ny WC ivoahana koa efa nosaininy avokoa! Fa any amintsika hoy izy mitaky patente sy hetra ny ticket tsena dia mihamidangana, tsy misy anefa ny "compession'izany :roll: 8O 8O :?
7. Jeankely ( 02/05/2008 14:24)
Fa ilay olona miresaka ve olona mba manana andraikitra sa ny fo fotsiny no ampiasaina. REHEFA LALANA HOE TSY AZO ATAO DIA TSY AZO ATAO. Rehefa mitondra fiara ianao mila malalaka. Ny lalana sady tery no hivarotana ve mety ? Mba mahalala izany hoe mijery Internet ihany noho izany jereo fa na aiza na aiza enjehina ny mpivarotra amorondalana. Rehefa tsy araka dia tonga indray izy. Angaha raha tsy tratra ny mpanendaka dia avela anao izay tiany ny sasany ? Mba amboary ilay toetsaina fa tsy faly himenomenona fotsiny.
8. dziana ( 02/05/2008 14:28)
Calme ra jeankely so dia miakatra tosi dra eo an! tery nge ny lalana ka sao tsy tonga any @ hopital eo e! Ndryyyyyyyyyyyyyy! :lol: :lol: :lol: Mba amboary ilay toetsaina fa tsy faly himenomenona fotsiny.
9. lemenakely ( 02/05/2008 16:05)
dziana:

Enjehina toy ny manenjika mpangalatra ny mpivarotra amoron-dalana.Ny mahagaga anefa dia maninona ny mpanendaka sy ny mpi-sam toa jerena fotsiny. Nefa tsy aleo ary ve le olona ivarotra kely eny fa mba ferana hoe hatreo nareo mivarotra dia amin'ny ora toy izao sy izao ;toy izay tsy miasa dia manampy isa ny mpangataka na sanatria ny mpi-sam fotsiny ?
Sa ve satria vahoaka madinika dia ahilikilika fa ny deba rehetra any @ grande surface no miantsena dia sy te hahalala ny fahorian'ny olona



Io aloha izany dia toe-tsaina no tena voalaohany ,matoa misy izao olana izao dia TSY MAZAVA NY FITSIPI-DALAO! Tsarovy fa ny fahantràna dia tsy ho resy ho azy amin izao sy ho anaovana victime lava izao hoe satria izahay ve mahantra dia izao sy izao!

Lazaiko marina aminareo fa raha tsy naka fepetra henjana ny FIVONDRONANA t@ andron i RAZANAMASY t@ taona 1999 momba ny tsena teo ANALAKELY sy ny fandrodanana ireo trano hazo manamorona ny arabe dia asa angamba! AIZA VE KOA IVAROTANA HATRANY ANATY ARABE! embouteillage tsy embouteillage ,haro-paosy tsy haro-paosy....

Izaho aloha dia d'accord à 100% ny momba ny hoe tsy tokony hivarotana ny eny amoron'arabe ary mendrika saziana izay tsy manara-dalàna

Hevitro izaho manokana izay!
10. Jeankely ( 02/05/2008 23:08)
Tsy hevitrao manokana satria araka ny voalazanao hoe efa nataon-dRazanamasy, ary io mitohy noresahin'i "dziana" io. Hampiako fa tsy ao Madagasikara ihany akory no hifampitadiavana sahala an'io ny mpivarotra amoron-dalana. REHEFA LALANA DIA LALANA TSY MILA ADY HEVITRA. Mety hovana ny fitsipidalao saingy mandrapiova azy dia izay manankery no ampiharina. Tsisy resaka hoe mahantra sy mpanankarena io fa rehefa tsy mety miala. Raha olona manampahaizana aza manao resaka miverina ve mba ahoana no ataon'ny olontsotra tsy ny hoe "aleo hiasa fa tsy hangalatra". Mba asaivo mamaly "dziana" raha manaiky izy hivarotan'ny olona ao amin'ny vavahady hidirany hatrany @'ny tokotaniny. Ity nefa lalam-ben'ny vahoaka. Ny tosi-dra tsy miakatra ry "dziana" saingy ampanarahina ny fivoatran'ny toetr'andro ny toe-tsaina. Izaho izao tsy manaiky fa dihy Malagasy ny dihy vody saingy efa ampisain'ny Malagasy antsehatra foana izy dia lazain'ilay vazaha hoe Madagascar mampadihy vody. Milaza aho fa tsy fomba fandihy Malagasy io saingy miakatra sehatra manaraka izay malaza hita @' ny TV, Internet sns izay mampifandray ny "culture" samihafa. Miala tsiny fa navadiko ny resaka. Averiko @'izay fa aleo enjehina izay tsy ara-dalana.
11. niryna ( 03/05/2008 03:42)
Ilay tsy fahampiana anie ry ireto mahazaka maniraka ,tsy misy ny azo atao dia io varobarotra kely io no mba hitsimponana vola,lany andro,maintsy ny hain'andro,ny nono akifika any aoriana fotsiny sady lozotra kely,mafy anie izany e.Marina rehefa lalana dia lalana ary mba hanantsarana ny tanana ihany koa fa tena lasa voretra be ilay toerana feno kivarobarotra,asa mba miezaka ihany ve ny fanjakana hanampy sa dia ahoana? Misy fanampiana mantsy tsy tonga any amin'ny vahoaka mihitsy fa ny eo ambony no mitavana.
Sarotra e,mety hisy fivoriam-pokonolona ve hitadiavana vahaolana,sa sao dia mba asiana mivarotra ihany ry zareo fa asiana toerana tsaratsara amboarin'ireo ao amin'ny tanana dia mandeha tour ,eritreritra ny ahy iny
12. Jeankely ( 03/05/2008 04:05)
Araka ny teninao hoe mahantra izay ka sahirana na izany ny saina mila miara-mivoatra na tsisy saosy aza. Rehefa samy eny @'ny toerana fivarotana dia eny saingy misy vitsy manao eny @'ny tsy azo atao dia manaraka hatr@'ny efa nahazo toerana any @'ny tsena.
Ity resaka fanampiana @'ny fanjakana ity aloha tsy dia tia hiresaka an'io aho satria ny hitako mampandroso ny tany hafa dia ny fihetsikin'ny sehatra tsy miankina. Manangana izao tsena goavanabe rehetra izao saika sehatra tsy miankina ary na ny "Security" ao dia sehatra tsy miankina ihany koa. Ny antsiaka ilay fanjakana hifandrobahan'ny politika io ihany no resahina. Ary ho anao miteny afaka milaza ve ianao fa tena mampidibola @'ny hetra ahafahana manangana izay ilaina rehtra ny fanjakana Malagasy ? Ary momban'ny trosa sy fanampiana avy ivelany mba jereo fa ny an'i Madagasikara anisany kely ny fanampiana azony mihoatra ny firenena hafa. Sokafy ny Website-ny IMF, World Bank ary jereo fa afaka mijery daholo ny rehetra fa tsy ireo mpanao politika ireo ihany akory.
Misy ny ezaky ny fanjakana saingy ny ezaky ny vahoaka no tena Ngezabe mampivoatra azy haingana. Tsy homena vary 1 kapoaka dia mifidy akory.
13. hery ( 03/05/2008 06:15)
Tsy ampy aloha ilay miteny hoe REHEFA LALANA DIA LALANA TSY MILA ADY HEVITRA (làlana sa lalàna?)

Alohan'ny hametrahanao lalàna dia tokony hisy ny fomba hahafahan'ny olona manaja lalàna. Raha manàla ny mpivarotra amoron-dalana ohatra dia tokony hisy aloha hoe atsy ny toerana hasiana ny mpivarotra ara-dalàna. Hamoraina ny fakàna patanty sns. Inoako fa efa nisy izany sinon tsy mety.

Ny momba ny hoe fahantrana indray ry dziana dia tsy manome alalana anao hanao ny tsy mety mihitsy ny fahantrana. Tsy hoe rehefa mahantra dia hivarotra tsy ara-dalàna. Raha izany dia ho azo atao koa ny mivarotra rongony sns... satria mahantra.

Ary io resaka fandroahana mpivarotra amoron-dalana io dia tsy any Madagasikara irery fa na aty an-dafy aza... ka aza malahelo loatra e.
14. Jeankely ( 03/05/2008 06:36)
Tsy afaka mampiasa accent aho @ clavier-ko nefa sahirana ny hibatabata à avy etsy sy avaroa. Ny resaka "patanty sns" voalazanao aloha tsy hidirako ary tsisy hiarovako izany fa ny ilany avaty amin'ny olona mpivarotra no resahiko. Mety mandeha ila ny resako saingy sahala ny mpampianatra io dia ny mpianatra no toroana hevitra hanao ny soa fa ny Fanjakana tsy mahay manoro hevitra ny Fanjakana aho. Ny eto moa tsisy mpianatra fa samy mifanome hevitra ka izay voaray voaray izay lasa rivotra manidina. Io resaka fanenjehana io izao dia samy nilaza isiaka sy ianao fa tsy ao Madagasikara ihany. Izaho miteny dia mahantra ary tsy manana saingy rehefa lalàna dia lalàna ary ny làlana aleo ho làlana. Efa nibatabata aho iny. :-D :-D :-D
15. Veloo ( 04/05/2008 01:49)
manimba tanana aloha ilay izy e nefa akory atao, mafy zany mitady vola ry reto a
16. Jeankely ( 05/05/2008 04:16)
Rehefa sarotra ny mitady vola dia asaivo manao makorel daholo ny zazavavy koa izany. Izay no dinan'io hoe atao akory io.
17. ari.malala ( 05/05/2008 14:04)
aza maivandoha re ry jeankely a! aiza hoaiza no misy hoe hampanaovina makorel dool ny zazavavy? za nenareo zany no fatao??? marikoriko tsy mahay miady hevitra fa maivandoha maivambava tss!
18. ravakamalala ( 05/05/2008 17:10)
oooooooo!!!!
19. Veloo ( 05/05/2008 17:22)
aleo ataon'i ari malala fa mandreraka ne ilay jeankely hihihiih
ari a :-* :-* :-*
20. Jeankely ( 06/05/2008 01:00)
Na maivana ny lohako na mavesatra tsy zaka fa mitolefika ny lohanao tsisy azoko ambara afatsy ny hoe rehefa lalàna dia lalàna ary ny làlana aleo ho làlana. Tsy miresaka ny lohanao mavesatra aho fa manamafy ny lalàna ary tsisy hiadivankevitra. Veloma i MAVESADOHA :-D :-D :-D :-D :-D :-P :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9106