Deraina mandrakariva ny Asany .Aleloia !!!! Mino ve hianao?

1. niryna ( 29/04/2008 15:58)
Akaikin'izay manana fo mangorangoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy .
Mitaraina ny marina ka mamonjy azy amin'ny fahoriana rehetra Jehovah


Efa nolazaiko ity ka dia mbola ho tohizako:noho ny brain tumor (nisy zavatra tao anaty ati-dohan'ity tanora) dia niditra hopitaly izy ary rehefa natao ny MRI dia nisy zavatra nivonto tao amin'ny ati-dohany.
Rehefa nivavaka izahay,ny fianakaviany(nakamban'Atra indray izy ireo noho ny fiaraha- nivavaka),ny mpiara-miasa,ny namana maro dia navoaka fotsiny ilay zaza fa tsy nodidina indray.
Natao indray ny MRI ary dia mbola nitohy ihany ny fivavahana sy ny fampitana ny hafatra mba hiara-hivavaka ilay tovovavy,nivaly ny MRI ary dia tsy nisy na inona na inona intsony tao anatin'ny ati-dohany. Na ny dokotera aza dia tsy nino saingy noho ny fahagagana nataon'ilay Kristy ,mpanasitrana dia niaiky izy ireo fa mahery ny vavaka,mahery ny finoana ho an'izay rehetra mino Azy. Izay zavatra tsy vitan'olombelona ,vitan'Atra avokoa raha mino isika
Mino ve hianao fa mamaly vavaka Atra,mino ve hianao fa mbola manasitrana sy manao ny asany ihany Atra?

Ataovy ny fanandramana,
Deraina mandrakariva ny Asany.
^:^ ^:^
novalian'i niryna ny 24/05/2008 03:08
2. ikaretsaka ( 29/04/2008 16:03)
oh...saika hanao zavala lava be aho fa kay mao nareo tsy mino ny resaka olomasina sy resaka principen'ny canonizations sy ny resaka etudes de miracle
3. rijadolly ( 29/04/2008 16:54)
>>>>>Mino aho,fa ny sandriNy dia mahery noho ny mahery.
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=8&andininy=1-13&dika=
4. ikaretsaka ( 29/04/2008 16:56)
ny sandriNY fotsiny ve....

eeeeeee minomino foana le bandy ity! mba izy manontolo ahay...
5. Fody ( 29/04/2008 17:02)


1 - Nisy olona iray narary nalemy teo am-pandriana nandritry ny 50 taona. Tena mpivavaka, ary tena TIA an'Andriamanitra tokoa. Natetika nisehoan'i Jesoa izy.
Ka ny tsy fahasitranany moa ve azo lazaina fa tsy mba nohenom-bavaka izy satria tsy mba sitrana mihitsy ?


2 - Nisy vehivavy iray koa, tena farary hatramin'ny fahakeliny. Tian'i Jesoa fatratra izy, ary tian'i Masina Maria koa. Matetika izy no miara-mivavaka amin'i Masina Maria. Nisy ny hafatra nampitaina tamin'ny alalany ho an'ny maro, ary maro no nahazo fahasoavana avy amin'izany. Izy kosa dia tsy mba nety sitrana fa narary foana. Nisy koa ny toerana natondron''Andriamanitra azy, hanasoavany ny olony, ary maro no nahazo fahasoavana avy amin'izany rehefa nivavaka sns... Izy kosa tsy sitrana fa mbola farary foana.
Ka moa ve tsy mba nohenom-bavaka izany izy ?

Izay ihany aloha fa misaotra!

6. ikaretsaka ( 29/04/2008 17:06)
io nolazain'i fody io no saika nolazaiko teo..
misaotra namitimpitina azy!
7. rijadolly ( 29/04/2008 17:28)
ika:
ny sandriNY fotsiny ve....

eeeeeee minomino foana le bandy ity! mba izy manontolo ahay...

Tsy minomino foana izany ka,efa mino! tsy ampy fotsiny araka ny tenin'sé,dia ampian'izay mahafantatra tahakan'sé mba hianaranay tsy dia mahatadidy, fa tsy atao hifanenjehana tahaka izao é!
8. niryna ( 29/04/2008 17:48)
ikaretsaka:

oh...saika hanao zavala lava be aho fa kay mao nareo tsy mino ny resaka olomasina sy resaka principen'ny canonizations sy ny resaka etudes de miracle

afaka mizara hianao ka,omeo fampaherezana ny hafa izay mbola tsy nanao na tsy nahita na tsy mahalala fa ny tanany mahery dia afaka manova antsika amin'ny fiainana rehetra:ny toetra ratsy,ny fialonana,ny lolom-po, ny fitenenan-dratsy,ny fitenenanana mamoha-fady sns. afaka manova izany amintsika izy rehefa manaiky azy ho tantanany tokoa ny fiainantsika.


9. niryna ( 29/04/2008 17:50)
rijadolly:

>>>>>Mino aho,fa ny sandriNy dia mahery noho ny mahery.
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=8&andininy=1-13&dika=


misaotra rija a,nasehony tamintsika izany avy amin'ny tantara rehetra ary hatramin'izao izy dia mbola manasitra ny fotsika,ny fanahintsika,raha manaiky azy ho mpanasitrana isika .
:-*
10. niryna ( 29/04/2008 17:51)
ikaretsaka:

ny sandriNY fotsiny ve....

eeeeeee minomino foana le bandy ity! mba izy manontolo ahay...



=)) =)) ika hoa dia maningana foana,tantarao anay ika izay fahasoavcana nomeny anao a,ny fomba nanasitranany anao raha nisy izany e,
11. niryna ( 29/04/2008 17:54)
Fody:



1 - Nisy olona iray narary nalemy teo am-pandriana nandritry ny 50 taona. Tena mpivavaka, ary tena TIA an'Andriamanitra tokoa. Natetika nisehoan'i Jesoa izy.
Ka ny tsy fahasitranany moa ve azo lazaina fa tsy mba nohenom-bavaka izy satria tsy mba sitrana mihitsy ?
nyh vatany no tsy sitrana fa ny fanahiny efa miandry azy i kristy,misy antony daholo no mahatonga ny olona mety tsy ho sitrana,Izy irery ihany no mahalalala izany..Ny fahotana izao dia iraisana ho an'ny rehetra.


2 - Nisy vehivavy iray koa, tena farary hatramin'ny fahakeliny. Tian'i Jesoa fatratra izy, ary tian'i Masina Maria koa. Matetika izy no miara-mivavaka amin'i Masina Maria. Nisy ny hafatra nampitaina tamin'ny alalany ho an'ny maro, ary maro no nahazo fahasoavana avy amin'izany. Izy kosa dia tsy mba nety sitrana fa narary foana. Nisy koa ny toerana natondron''Andriamanitra azy, hanasoavany ny olony, ary maro no nahazo fahasoavana avy amin'izany rehefa nivavaka sns... Izy kosa tsy sitrana fa mbola farary foana.
Ka moa ve tsy mba nohenom-bavaka izany izy ?

Izay ihany aloha fa misaotra!



misaotra nizara

12. Veloo ( 29/04/2008 18:20)
niryna [ Valio ] 29-04-2008 19:51:43
Lohateny : Re : Deraina mandrakariva ny Asany .Aleloia !!!! Mino ve hianao?
Hoy i ikaretsaka:

ny sandriNY fotsiny ve....

eeeeeee minomino foana le bandy ity! mba izy manontolo ahay...




ika hoa dia maningana foana,tantarao anay ika izay fahasoavcana nomeny anao a,ny fomba nanasitranany anao raha nisy izany e,


You know him :roll:
13. Veloo ( 29/04/2008 18:25)
rijadolly [ Valio ] 29-04-2008 18:54:13
Lohateny : Re : Deraina mandrakariva ny Asany .Aleloia !!!! Mino ve hianao?
>>>>>Mino aho,fa ny sandriNy dia mahery noho ny mahery.


marina ny an'i la
14. ikaretsaka ( 29/04/2008 20:52)
Ka moa ve tsy mba nohenom-bavaka izany izy ?

io fanontaniana io ange no nasan'i fidy nodinihina ry niryna fa tsy ho ..misaotra mizara e..

veloo> dia ny hevitra koa toherina raha hanohitra fa tsy izaho :-D
15. ikaretsaka ( 29/04/2008 21:55)
,tantarao anay ika izay fahasoavcana nomeny anao a,ny fomba nanasitranany anao raha nisy izany e

,niryna
1)za tsy sekta ka le typen'ilay hoe "ohatran'izao sy izoa no fiainako taloha dia lasa ohatran'izao tokoa hatramin'izay nivavahako tato izay" fombana sekta izany amiko.. natao hitadiavana kil! wake up and realize!

2)amiko dia tsy clientelisme ny fivavahana ary raha tena nohasoaviny ianao ka te hiteny hoe nahazo fahasoavana tokoa dia zarao @ asa izany hanasoavana olona hafa koa.

3)Raha boka ianao sanatria taloha ohatra ka sitrana lasa tsy boka intsony dia tsy ny fitatatanao hoe boka ianao de nositranin'i jesosy no important kokoa amiko, fa ny fanampianao ireo namanao mbola boka koa.

4) Raha nahantra sy sahirana ianao ka nomen'i Jesosy vola ka lasa mba nisy atoraka @ fiainana dia tsy ny fitatatana hoe "nahantra taloha lasa ngetroka hatr@ izay naha zao anao" eraky ny fiangonana akory amiko no inportant.. fa ny fanampianao ireo namanao mbola nahantra sy sahirana!
16. xxx ( 29/04/2008 22:18)
Ikaretsaka>
dia ny hevitra koa toherina raha hanohitra fa tsy izaho


Ary ahoana ito voalaza ito?

eeeeeee minomino foana le bandy ity!




17. ikaretsaka ( 30/04/2008 00:47)
de nomeko ny hevitro nahatonga aho niteny hoe minomino foana ilay bandy ity fa sandry sy demonstration de force no hinoany an'Atra
18. Veloo ( 30/04/2008 02:06)
:roll: :roll:
19. ikaretsaka ( 30/04/2008 02:37)
ka tsy zany va? porofoy ny tsy maha iznay azy hoy i fody izay! de rehefa izany dia miaike
20. majesty ( 30/04/2008 08:41)
Nisy olona narary efa an-taonany maro,nalemy sy tsy nahetsika tao am-pandriana,natoron'ny olona ny havany fa misy olona mahay,afaka manasitrana azy fa ento ary amin'i ra.... (tsy lazaiko ilay anarana),rehefa nentina tany tokoa ilay marary,dia nentin-ndry zareo namonjy Doany iray ary nampandroiny tany sy nomeny karazana fanafody vita @ tapa-kazo sy vovo-tany isan'karazany;sitrana tanteraka ilay ramatoa taty aoriana ary dia niverina nakany @ ilay dadarabe mpitsabo azy niaraka tamin'ny hasina (vola na zavatra omena ho fankasitrahana) ary dia nampiely ny vaovao t@ be sy ny maro fa mahay tokoa ilay dadarabe.

Tandremo ihany :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086