Ave Maria

61. ikaretsaka ( 03/05/2008 15:13)
ka fantany sa tsary fantany iiiii
62. majesty ( 06/05/2008 16:10)
Lasa lavitra be izy zany.
Pissoa: tsy ampy ahy ilay nolazain'i piste raha ny tena marina fa tiako angatahana fanazavana hoe azo lazaina amin'olon-tsotra nahazo fahasoavana ve io teny io,ohatra hoe ave pissoa sns.

Dia tsy hitako izay hifamalianareo ny amin'izany fa rehefa raisina hoe sandoka dia aleo izay zany fa tsy dia mampiova zavatra loatra anie zany e;adi-hevitra no atao sa ahoana? (kanefa na izany na tsy izany dia malahelo aho milaza aminareo fa dia tao tokoa fahiny e)

Fa ny faharesehan-dahatra ananako manokana fotsiny dia hoe misy liaison ifandraisany ireo anarana roa ireo,ka eo indrindra isika izao.

Ny maha-lasa eritreritra ahy fotsiny dia ilay tonon-kira ary matetika soratana etsy sy eroa hoe " Ry Maria ô tantano ny dianay..." sy ilay hoe "Reny mpitari-dalana ô ry Masina Maria,ô ry kintana ambony tantano ny dianay " tsy hitanareo hoe tonom-bavaka tena tsara rafitra v?

Misaotra daholo!
63. ikaretsaka ( 06/05/2008 16:21)
raha mitari dalana angaha ianao dia midika hoe ian ao no lalana?
ireo majy ohatra notarihin'ny kintana dia iny izany midika hoe ilay kintana no andriamanitry ry zareo?
efa lasa lavitra ihany dia mba alefaso lavitra ilay eritreritra
64. fijo ( 06/05/2008 20:41)
hoan'i pissoa,efa milaza izy io,fa tao,dia mba ekeo,fa izay izany no izy fa tsy mpisandoka.
65. ikaretsaka ( 06/05/2008 21:27)
raha miteny ve ialahy hoe vazaha nefa tsy manankaratra maha vazaha sy tsy miteny vazaha de ekena ho vazaha?
66. bosista ( 08/05/2008 12:49)
ataovy teny gasy any le izy refa manahirana le teny vahiny hoe ave!fangah voatery atao @ le teny vahiny zay vao mety? tsy mety angah ny teny gasy???
fa manin kay ny anjely gabriely no tsy niarahaba an\'i josefa nefa mba nifankahita iany ry zareo? ahoana ary raha mifankahita isika nefa tsy mifampiarahaba ,de mba ahoana?
67. ikaretsaka ( 08/05/2008 14:43)
nanao Ave Joseph izy raha niteny taminy t@ nofy ka..
(mamakia baiboly latinina)
68. bosista ( 08/05/2008 17:08)
ka manin ary ny kato tsy manokana sapile ho an'i ave joseph raha izany no izy?
le tena tsy mazava amiko de ity: avy aiza ary ty baiko fa tokony hanao toko sapile isika kristianaina ho an'ny ave Maria? tsy baiboly milaza an'izany ,tsy kristy tompo naniraka hoe ataovy ave Maria ny reniko, Izy ary raha nitady Azy ny rahalahiny sy ny reniny,dia...hitantsika ireny ny valin-teniny..maninn no itarina be le resaka hoe ave Maria ...maninn no mandany andro manao toko sapile eo nefa tsy zavatra nataon'i Kristy le izy ary tsy nampianariny???? ny vavaka nampianariny dia ny we Rainay any an-danitra....fa tsy misy ny hoe Reninay any an-danitra.Ave Marie!!!!
69. pissoa ( 08/05/2008 18:03)
bosista:
ka manin ary ny kato tsy manokana sapile ho an'i ave joseph raha izany no izy?

Tsy mitovy i Josefa sy Maria amin'ny Katolika.
Fa misy fanajana ny Fianankaviana Masina koa ataon'ny Katolika ka. Dia manaja an'i Josefa mitokana koa izy. :-D
bosista:
le tena tsy mazava amiko de ity: avy aiza ary ty baiko fa tokony hanao toko sapile isika kristianaina ho an'ny ave Maria?

Tsy haiko raha misy baiko na tsia. Fa tsy voatery misy baiko ka. Mandeha amin'ny fitiavana fotsiny ! :-D
bosista:
tsy baiboly milaza an'izany ,

Ny toe-tsaina hoe "Baiboly ihany" dia tsy an'ny Katolika ! :-D
bosista:
tsy kristy tompo naniraka hoe ataovy ave Maria ny reniko,

Ny toe-tsaina mandray baiko fotsiny koa tsy dia katolika loatra. Efa nasandratr'i Kristy ho rahalahiny izay manaraka Azy sns fa tsy mpanompo fotsiny intsony. Ary heveriko fa afaka manao zavatra tsara ny Kristianina na dia tsy nahazo baiko aza ! :-D :-D :-D
bosita:
Izy ary raha nitady Azy ny rahalahiny sy ny reniny,dia...hitantsika ireny ny valin-teniny..maninn no itarina be le resaka hoe ave Maria ...

Tandremo ihany ny fandraisana io Soratra Masina io e. I Kristy dia tsy hanome ohatra antsika mihitsy hoe ataovy tsinontsinona ny reny. Aza hadino fa nampianatra antsika hanaja ray aman-dreny Andriamanitra ! Izany hoe tsy io andraisanao azy io no tian'i Kristy nampitaina tamintsika tamin'Izy nisy nitady ; ary tsy miteny mihitsy io fa tsy reniny i Maria, na tsy nanaja an'i Maria i Jesoa !
bosista:

maninn no mandany andro manao toko sapile eo nefa tsy zavatra nataon'i Kristy le izy ary tsy nampianariny???? ny vavaka nampianariny dia ny we Rainay any an-danitra....fa tsy misy ny hoe Reninay any an-danitra.Ave Marie!!!!

Mandany andro ahoana ? I Bosista angaha efa nahita an'i Kristy ni-surf ? Sa efa nampianariny ni-surf ? :-D :-D :-D

Aza mety fehezin'ny baiko fotsiny fa meteza asesiky ny fitiavana e. Ankoatra izay, fantaro ilay atao hoe sapile.
70. fijo ( 09/05/2008 22:01)

Ny toe-tsaina mandray baiko fotsiny koa tsy dia katolika loatra.
ny pretra mandray baiko avy ao roma.
71. pissoa ( 10/05/2008 13:10)
Misy soratra angaha eo hoe tsy mahazo mandray baiko avy any Roma ny pretra ?

:-D :-D :-D :-D :-D
72. xxx ( 10/05/2008 13:57)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 10-05-2008 00:01:50
Lohateny : Re : Ave Maria

Ny toe-tsaina mandray baiko fotsiny koa tsy dia katolika loatra.
ny pretra mandray baiko avy ao roma.

politika daholo zany :-D :-D :-D :-D :-D :-D
73. ikaretsaka ( 10/05/2008 16:18)
mila mianatra ny 3 eme voeux momba ny pretra lalindalina kokoa i fijo
74. manidina ( 18/05/2008 12:56)
mety tsy katolika angambany le pretra fa ny vahoaka iany no katolika,
na koa te hilaza pissoa hoe le mandray baiko avy @ baiboly no tsy izy fa le avy any roma io no baiko ambonin'ny baiko rehetra
75. pissoa ( 18/05/2008 14:19)
Manidina : :-D :-D :-D
Pissoa:
Ny toe-tsaina mandray baiko fotsiny koa tsy dia katolika loatra.

Mety midika ve io lazaiko io hoe ny avy ny Roma no ambonin'ny baiko rehetra ? Na hoe tsy mahazo mandray izay baiko mety ho ao amin'ny Baiboly, na avy any Roma ?

Ny fahitako azy eto dia na i Fijo sy Manidina tsy namaky tsara ilay nosoratako ... na ny fahaizana teny Malagasy mihitsy no tsy avotra intsony ! :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0077