Katolika sandoka

1. Fody ( 26/04/2008 00:15)

Isany toetra mahamenatra eo imason'Andriamanitra ny Lainga sy ny Fisandohana, nefa indrisy fa tsy mba mahamenatra ny sasany milaza ho mpino an'i Kristy. Misy mantsy ny misandoka hoe: efa katolika aho sns... Koa mba hanampiana ireo namana katolika sendra azy ireny no anton'izao dinika izao:

1 - Ny Katolika sandoka dia milaza fa: Ny katolika dia mivavaka amin'ny sary, mpanompo sampy.

Ny kristiana Katolika anefa dia tsy mivavaka amin'ny sary mihitsy, fa mampiasa sary kosa.

2 - Ny katolika sandok dia milaza fa ny katolika dia mivavaka amin'ny maty, sns...

Ny kristiana katoliaka anefa dia tsy mivavaka amin'ny maty, fa miara-mivavaka amin'ireo mponin'ny lanitra (olo-masina eo anilan'Andriamanitra sy ny Anjely). Ary raha misy fangatahana ataony amin'ny Olo-masina dia vavaka no angatahany aminy fa tsy zavatra hafa akory. Ka raha tena Katolika ilay mpisandoka dia hahalala fa tsy mivavaka amin'ny maty velively ny katolika.

3 -Ny Katolika sandoka dia milaza fa: "Ho an'ny Katolika ny Pape dia Andriamanitra mihitsy, Jesoa mihitsy, sns..." Ary dia sahin'izy ireo ny mamorona encyclique fopla hanamarinanany ny zavatra lazainy.

Ho an'ny Kristiana katolika anefa ny Pape dia dimbin'i Md Piera, sady Evakan'i Roma. Ary ny zavatra rehetra, sy ny documents rehetra mikasika ny katolika dia hitanao ato: http://www.vatican.va/phome_fr.htm
Ny mifanohitra amin'izay voalaza ao dia sandoka, na tsy katolika.


Misaotra!
novalian'i pissoa ny 15/05/2008 17:43
2. dadabe ( 26/04/2008 03:21)
8) hay v e, misaotra an'i Fody , fa hono hoa ry fody misy fanotaniana kely tiko haotaniana an'ise
hoy ianao hoe:
1-

Ny kristiana katoliaka anefa dia tsy mivavaka amin'ny maty, fa miara-mivavaka amin'ireo mponin'ny lanitra (olo-masina eo anilan'Andriamanitra sy ny Anjely). Ary raha misy fangatahana ataony amin'ny Olo-masina dia vavaka no angatahany aminy fa tsy zavatra hafa akory. Ka raha tena Katolika ilay mpisandoka dia hahalala fa tsy mivavaka amin'ny maty velively ny katolika.


raha azoko tsara dia efa misy olona izany any andanitra, izany hoe efa vita izny ny fitsarana ...tsy misy intsony izany ilay andro farany andrasana hoe fitsarana ...sa diso aho ? :roll:
2-

Ho an'ny Kristiana katolika anefa ny Pape dia dimbin'i Md Piera, sady Evakan'i Roma


andramo esorina tsy asina Pape anie e hihihi dia hitanao fa ..tsy mety ny olona sasany satria misy ol tena katolika 100% mametraka an'i Pape ho solotenan'i Kristy ety antany =vicarius Flii dei sao dioa diso aho ? ahitsio aho a
3. hery ( 26/04/2008 06:38)
raha azoko tsara dia efa misy olona izany any andanitra, izany hoe efa vita izny ny fitsarana ...tsy misy intsony izany ilay andro farany andrasana hoe fitsarana ...sa diso aho ?


Ary ahoana ohatra ity? http://baiboly.katolika.org/boky/Lioka/23/43
Lioka toko 23. 43
43 Ka hoy ny navalin'i Jeso azy: Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradizy hianao.

andramo esorina tsy asina Pape anie e hihihi dia hitanao fa ..tsy mety ny olona sasany satria misy ol tena katolika 100% mametraka an'i Pape ho solotenan'i Kristy ety antany =vicarius Flii dei sao dioa diso aho ? ahitsio aho a


Maninona moa na heverin'ny sasany fa solotenan'i Kristy koa aza satria mitondra ny hafatr'i Kristy? Ny nolazaina teo dia hoe Tsy Andriamanitra ny Papa, Tsy Kristy ny Papa fa dimbin'i Piera. Raha hoe solotenan'i Kristy dia ireo kristianina rehetra dia endrik'i Kristy, misolo tena an'i Kristy ho an'ny namany.
4. simplex ( 26/04/2008 15:08)

Fody:
ny Pape dia dimbin'i Md Piera, sady Evakan'i Roma.
ahitsio ra diso an,
:arrow: ordre iray eo ambonin'ny eveka ny papa
5. Fody ( 26/04/2008 15:15)

simplex:
:arrow: ordre iray eo ambonin'ny eveka ny papa

Tsia aloha ny valiny.
Fa saingy ny manazava azy no tsy haiko. Fa Eveka toy ny Eveka rehetra ihany izy.
6. ikaretsaka ( 26/04/2008 15:16)
ndramo esorina tsy asina Pape anie e hihihi dia hitanao fa ..tsy mety ny olona sasany satria misy ol tena katolika 100% mametraka an'i Pape ho solotenan'i Kristy ety antany =vicarius Flii dei sao dioa diso aho ?

ny hitako problematiqye eto dia ilay fihevitra ilay hoe "vicaire"

simp: misy marina misy diso: ohatran'ny apostoly io.. raha raisina sens 1 dia samy apostoly avokoa na i Piera na i andre na filipo na i joany.. (eo le maha apostoly dia mitovy) fa misy mahasamihafa azy ko anefa i matoa i piera voalaza betsaka ... dia amiko tahaka izany io
7. pissoa ( 26/04/2008 16:08)
Fody:
Tsia aloha ny valiny.
Fa saingy ny manazava azy no tsy haiko. Fa Eveka toy ny Eveka rehetra ihany izy.

Sao dia hoe amin'ny lafiny hierarsika, ny rafitra ao amin'ny fiangonana, dia karazan'ny "lehibe" noho ny Eveka ny Papa.

Fa amin'ny lafiny hoe "Ordre" (Diakra - Pretra - Eveka) dia tsy "ambony" noho ny Eveka izy, fa Eveka ihany ... satria tsy misy fanosorana ho Papa tahaka ny atao amin'ny diakra na pretra na eveka

:oops: :-D :-D :-D
8. ikaretsaka ( 26/04/2008 16:18)
isika 3 dahy kao anie mitovy ihany ny fond rehefa jerena fa ny fomba fanambarantsika azy foana no samihafa e :-D :-D :-D
9. Veloo ( 27/04/2008 00:47)
ikaretsaka [ Valio ] 26-04-2008 18:18:39
Lohateny : Re : Katolika sandoka
isika 3 dahy kao anie mitovy ihany ny fond rehefa jerena fa ny fomba fanambarantsika azy foana no samihafa e


mila miray hina nareo ka

dadabe :-* :-* :-* :-*
10. ikaretsaka ( 27/04/2008 02:02)
zahay miray hina ho'azy rehefa resaka ka hevitra fivavahana sy finoana ..
fa aoka hazava fa tsy hoe nohon'ny maha hoe satria ika io na fody sy pissoa io (sy ari sy hery sns io...) (izay tsoriko fa tsy misy lien ninoninona mihitsy fa) @ maha katolika anay fotsiny amin'ny hevitra :wink: mitovy ho azy na tsy hifanarahana aza..
indraindray le izy mahagaga nefa dia izany
11. Veloo ( 27/04/2008 03:01)
:roll: :roll:
12. pissoa ( 27/04/2008 11:52)
Tsy azoko hoe inona no mahatonga le hoe mila miray hina nareo eto ? :-D :-D :-D
13. dadabe ( 27/04/2008 17:24)
Veloo andeha koa isika sy toi izany hiray hina :roll:

ary pissoa tia mimeh b foana :)

hery: ok mazava saingy tsy mbola dakor aho hoe efa misy olona v any andanitra ?? donk efa vita v ny fitsarana...asa aloha na zah no tsy mbola ampy fandalinana fa ny fahafantarako azy dia tsy mbola tonga ny fitsarana farany , noho izany ny olona rehetra dia mbola tsy any andanitra fa mbola miandry ny fitsarana farany ....asa anefa ...ahitsio aho r'izareo raha diso fa resaka finona ity a
14. Veloo ( 27/04/2008 17:45)
pissoa [ Valio ] 27-04-2008 13:52:21
Lohateny : Re : Katolika sandoka
Tsy azoko hoe inona no mahatonga le hoe mila miray hina nareo eto


Pissoa ny tiko ho lazaina aky dia mahaiza nareo mifnaraka a. :-*

dadabe [ Valio ] 27-04-2008 19:24:39
Lohateny : Re : Katolika sandoka
Veloo andeha koa isika sy toi izany hiray hina


mystere zany ry zanako :-D :-D :-D

15. pissoa ( 27/04/2008 18:12)
Dadabe:
ary pissoa tia mimeh b foana

de maninn nefa :-D :-D :-D

Dadabe:
hery: ok mazava saingy tsy mbola dakor aho hoe efa misy olona v any andanitra ?? donk efa vita v ny fitsarana...asa aloha na zah no tsy mbola ampy fandalinana fa ny fahafantarako azy dia tsy mbola tonga ny fitsarana farany , noho izany ny olona rehetra dia mbola tsy any andanitra fa mbola miandry ny fitsarana farany ....asa anefa ...ahitsio aho r'izareo raha diso fa resaka finona ity a

K'efa hoe le iray nofantsihana teo akaikin'i Jesosy aza efa Jesosy mihitsy no niteny azy hoe "Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradizy hianao." Izany hoe raha io Paradizy nolazain'i Jesosy io no lanitra lazain'i Dadabe dia efa tany le rangahy teo akain'i Jesosy ... (na efa tonga na tsia le fitsarana farany lol) :-D :-D :-D
16. pissoa ( 27/04/2008 18:16)
Kiii - le ps an'i Dadabe koa tsssss, lasa tehaka le tokony hoe hoy i Dadabe :-D :-D :-D

-----------

ledada:
ary pissoa tia mimeh b foana

de maninn nefa :-D :-D :-D

ledada:
hery: ok mazava saingy tsy mbola dakor aho hoe efa misy olona v any andanitra ?? donk efa vita v ny fitsarana...asa aloha na zah no tsy mbola ampy fandalinana fa ny fahafantarako azy dia tsy mbola tonga ny fitsarana farany , noho izany ny olona rehetra dia mbola tsy any andanitra fa mbola miandry ny fitsarana farany ....asa anefa ...ahitsio aho r'izareo raha diso fa resaka finona ity a

K'efa hoe le iray nofantsihana teo akaikin'i Jesosy aza efa Jesosy mihitsy no niteny azy hoe "Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradizy hianao." Izany hoe raha io Paradizy nolazain'i Jesosy io no lanitra lazain'i Dadabe dia efa tany le rangahy teo akain'i Jesosy ... (na efa tonga na tsia le fitsarana farany lol) :-D :-D :-D
[/quote]


17. ikaretsaka ( 27/04/2008 19:42)
K'efa hoe le iray nofantsihana teo akaikin'i Jesosy aza efa Jesosy mihitsy no niteny azy hoe "Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradizy hianao." Izany hoe raha io Paradizy nolazain'i Jesosy io no lanitra lazain'i Dadabe dia efa tany le rangahy teo akain'i Jesosy ... (na efa tonga na tsia le fitsarana farany lol)

zay mantsy
18. rakaroka ( 27/04/2008 21:10)
Heu..."Tsy hiseho ho katolika noho ny Pape isika" hoy ny fitenenana izay.
DONKY ny fijeriko amin'ny maha "tierce perso ety ivelany mihitsy no lazaiko".
1- Misy amiko ny rafitra hierarchique: hatraiza hatraiza io fa tsy odian-tsy hita; misy ny ambaratonga isan-karazany, ary sokajy isan-karazany.
Ary endrika iray amin'izany ny structure katolika: "ekeko mihitsy ny fisian'ny iray mitarika" indrindra hoe voafidin'ireo vondrona nisy azy, satria lahamasinina tsy mandeha raha tsy misy "locomotive".
2- Tsapako mahasarotiny ireo nozogain'ny fampianarana "Aza manana Atra hafa fa Izaho ihany" ny fiheverana an' Pape ho Kristy na solontenan'Atra. Tsy vao2 amin'ny karazam-pinoana parallèle anefa izany satria finoan'ny hafa dia tsy iray ihany ny "CHRIST", rahateo mizotra amin'izany ny fiainana Xtiana.
19. rakaroka ( 27/04/2008 21:21)
3- Mikasika ny finoana na fiheverana ny maty: Ny 'Ntaolo dia sady manaja ireo zokiolona no nanaja koa ireny haana nodimandry ireny; A plus forte raison ny fiaraha-mientan'ny velona sy ny maty (na atao hoe inactif ny maty fa ny échon'ny fahavelomany tsy maty :dia mbola maninteraka "hetsika tsy hita noanoa" eo amin'ny sehatry ny velona izany; Jereo ny fisian'ny hommage isan-karazany eran-tany.
4- 'zaho koa mino ny fisian'ny olona masina manerana izao tontolo izao na efa nisy na mbola tsy misy izany fitsarana izany, ny masina satria "ianareo no fanasin'ny tany" hoy ny tsipona
20. rakaroka ( 27/04/2008 21:32)
Tsy azo atao ny mitsara ivelany ny olona tahaka ny hoe mivavaka amin'ny sary Izy, satria tsy voadeterminer ny liens fiatraikan'izany; tahakan'ilay envoutement , ny sary anie no ampiasaina hi-joigné-vana ilay olona ary dia misy fiantraikany tokoa teo amin'ny zava-nisy tokoa. Ary raha maty ny olona
maty koa ve ny fanahiny sy ireo memo-ny? 'Taoko raha matory aza isika dia efa tsy mahatsiaro fa ilay saina amam-panahy mieloelo any ho any dia miverina eo ihany!... Donk tsy ferana ny saina amam-panahy amin'izay zotra tiany ifandraisana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1551