Katolika sandoka

21. majesty ( 28/04/2008 08:44)
voalazan'i Hery teo:
Ary ahoana ohatra ity? Jereo eto
Lioka toko 23. 43
43 Ka hoy ny navalin'i Jeso azy: Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradizy hianao.


fanontaniana hoe:dia tena nihaona taminy tany @ paradisa ve Jeso taorian'io valiny : tsia
satria hoy izy ao @ jaona 20:17 fotoana fohy taorian'ny nitsanganany t@ maty rehefa nizaha azy teny @ fasana Maria ny alahady maraina hoe " aza manendry ahy,fa tsy mbola tany amin'ny Ray aho..."
Ny teo @ marim-piatoana no nahavery ireo mpandika ny soratra masina t@ io fehezan-teny io satria ny dikan-teny fototra dia tsy nisy mari-piatoana toy ny faingo na ny teboka fa ny tena heviny izany dia izao hoe: lazaiko marina aminao anio , hihaona amiko any am-paradisa ianao izany hoe androany aho no milaza aminao fa hihaona amiko any @ paradisa ianao.
22. rakaroka ( 28/04/2008 09:15)
Hafahafa ihany ny structuren'ny tontolo aorian'ny fahafatesana: misy izany paradisa izany :roll: , misy ny fiainan-tsy hita izay izoran'ny maro, koungefa anie toa ireo tsy mpino no nolazaina fa notoriany teny, ny mpino aorian'ny fahafatesany dia efa lazaina fa nantsoin'ny Ray hody any Aminy. Any aminy aiza :roll: :?: 8O tsy any paradisa izany? :roll: :?: 8O
23. majesty ( 28/04/2008 14:09)
Rakaroka:
Rehefa maty ny olona dia lazain'ny olona hoe nantsoin'ny Ray nody any aminy,tsy ôtran'ny milaza ve izany fa mpamono olona Atra.Na koa @ fijery iray hafa dia hoe tsy tokony ho faly ve ny fianakavian'ny maty raha toa ka nantsoin'ny Ray hody any aminy tokoa ny havany?


Fody:
Misy documents maromaro ireo hitako t@ net sao dia mba hanampy an'isé http://antichristpope.blogspot.com/2006/05/pope-claims-to-be-god-on-earth.html

Misaotra!
24. ikaretsaka ( 28/04/2008 14:23)
fanontaniana hoe:dia tena nihaona taminy tany @ paradisa ve Jeso taorian'io valiny : tsia
satria hoy izy ao @ jaona 20:17 fotoana fohy taorian'ny nitsanganany t@ maty rehefa nizaha azy teny @ fasana Maria ny alahady maraina hoe " aza manendry ahy,fa tsy mbola tany amin'ny Ray aho..."


izay le defaut an'ilay mitsimpona ra majesty! lasa adino le maha Andriamanitra an'i Lery: tsy misy ifandraisany mihitsy eto ny hoe efa nankany @ ray lery , sy ny hoe efa nifankahita tany am-paradisa lery sy ilay jiolahy.

Ohatran'ny hoe ialahy raha mankany an-tranonareo tsy voatery hahita sy hihaona an'i dadanareo, fa mety hahita kosa ilay olona nomen'ialahy fotoana tany an-tranon'ialahy!
25. rakaroka ( 28/04/2008 15:04)
[quote=majesty]
Rakaroka:
Rehefa maty ny olona dia lazain'ny olona hoe nantsoin'ny Ray nody any aminy,tsy ôtran'ny milaza ve izany fa mpamono olona Atra.

Ka ny fahafatesana dia étape iray amin'ny processus d'évolution . Izay hiheveranao izany anao ho anao fa loi natureln'ny miaina lé izy, tsy hay hanamelohana satria koa raisina normal tahaka ny voambary vao afafy indray!
Na koa @ fijery iray hafa dia hoe tsy tokony ho faly ve ny fianakavian'ny maty raha toa ka nantsoin'ny Ray hody any aminy tokoa ny havany?

Malahelo ny maro noho ny fisarahana an-tany fa misy karazam-pinoana iandrandrana ny fahafatesana mihitsy ary tsy "drame" no hihevran-drizareo izany.



26. ikaretsaka ( 28/04/2008 15:13)
Rakaroka:
Rehefa maty ny olona dia lazain'ny olona hoe nantsoin'ny Ray nody any aminy,tsy ôtran'ny milaza ve izany fa mpamono olona Atra.


samihafa kosa ny hoe "novonoin'ny Ray"
sy ny hoe "nantsoiny hody any aminy e"
27. dadabe ( 29/04/2008 03:39)
manomboka fanina aho fa tsy maharaka le :^) :^)
28. majesty ( 29/04/2008 08:08)
ika:
izay le defaut an'ilay mitsimpona ra majesty! lasa adino le maha Andriamanitra an'i Lery: tsy misy ifandraisany mihitsy eto ny hoe efa nankany @ ray lery , sy ny hoe efa nifankahita tany am-paradisa lery sy ilay jiolahy.

Ohatran'ny hoe ialahy raha mankany an-tranonareo tsy voatery hahita sy hihaona an'i dadanareo, fa mety hahita kosa ilay olona nomen'ialahy fotoana tany an-tranon'ialahy!


araho ny fizotran'io Jaona 20:17 io fa mifampitohy tsara ny hevitra,donc tsisy resaka fitsiponana eto.
Raha raisina hoe nakany @ paradisa ary Jesosy t@ izy maty iny dia ny inn no niakatra tany zany satria ny vatany mbola nalevina tao ampasana,dia ilay zavatra niakatra indray avy eo nidina indray ve namonjy ny vatany tao am-pasana ny alahady maraina dia nitsangana t@ maty izy,dia avy eo indray izy niakatra ho any an-danitra niaraka t@ vatany hitan'ny mpianatra rehetra taty aoriana,mba alaivon'isé an'eritreritra anie io e,fa tonga dia lasa manahirana be.
Fa ny atahorana @ io lazain'isé io ambony io koa dia ilay fanavahana ny maha Atra an'i Jesosy sy ny maha olona azy satria io no anisan'ny anenjehan'ny Silamo ny Kristiana hoe raha Atra izy maninona no maty,mety maty kay ny Atrareo hoy izy,tsy haiko na azon'isé ny tiako ahatongavana.
29. ikaretsaka ( 29/04/2008 13:58)
ka aza interpretena ara-tsimpona hoa fa ialahy hiany no ho fanina...

1) le hoe "anio" aloha anie de efa tsy voafaritra e... kaontin'ny " anio" nolazainy ve ny andro avy nandevenana azy?

2)Tsy nisy nahita sy nanoratra izay nitranga tao am-pasana tao anie apres an'ny lery avy nalevina e....
possible hoe tany lery (io ilay fiainan-tsy hita lazalazainareo)

dia manaporofo ilay filazanay sy ry fody ihany io hoe tsy ampy ny voasoratra ihany raha te hahalala an'Atra satria izy tsy manampetra!
30. Veloo ( 29/04/2008 14:40)
dadabe [ Valio ] 29-04-2008 05:39:54
Lohateny : Re : Katolika sandoka
manomboka fanina aho fa tsy maharaka le
:-D :-D :-D
31. ikaretsaka ( 29/04/2008 15:10)
dadabe:

manomboka fanina aho fa tsy maharaka le :^) :^)

ka tsy arak'ialahy hatr@ voalohany ilay izy na ialahy mihitsy no te hanaraka

:-D
32. Fody ( 29/04/2008 16:14)
i dadabe:
raha azoko tsara dia efa misy olona izany any andanitra, izany hoe efa vita izny ny fitsarana ...

Valiny: ENY. Iray amin'ireny ilay jiolahy niara-nofatsihana tamin'i Jesoa teo amin'ny Hazofijaliana. Jereo ao amin'i Lioka 23, 43: "Kai eipen autw, Amèn soi legw sèmeron met' emou esè en tw paradeisw." (io izy amin'ny teny grika)
Ny filazan'i Jesoa hoe: "Hiharaka amiko any am-paradisa ianao" dia tsy milaza fa tsy any am-paradisa io lehilahy io. Donc misy olona izany any an-danitra. Raha misy hevitra hanoheranao an'izay dia lazao!

Tsy misy mandà ny hoe: i Jesoa maty dia mbola tsy niakatra tany amin'ny Rainy. Ary mari-potoana ho avy no ampiasaina ilazana an'izany (esè = verbe etre au futur). "Hiharaka amiko any am-paradisa ianao" hoy izy.
Io dia milaza fa: Efa any am-paradisa io lehilahy io amin'izao ora sy fotoana anoratako eto izao.



Majesty: Izay voalaza ao amin'ny site ny Vatican tsiponana raha misy milaza fa Andriamanitra ny Papa, na Jesoa mihitsy, fa tsy ny vavan'ny olon-tsy tia rehetra izao, izay minia tsy mahalala, na tsy mahalala (na mpisandoka koa).

Dia lazao eto raha misy tenin'ny Pape milaza koa hoe: Izaho Benoit XVI, na Jn Paul II no Andriamanitry ny Katolika, na Kristin'ny Katolika, sns... Lazao raha misy.

Miandry!

Misaotra anao!
33. ikaretsaka ( 29/04/2008 16:16)
:-D
34. majesty ( 30/04/2008 08:32)
hoy ika:
)Tsy nisy nahita sy nanoratra izay nitranga tao am-pasana tao anie apres an'ny lery avy nalevina e....
possible hoe tany lery (io ilay fiainan-tsy hita lazalazainareo)

vakio io fanekem-pinoana eo ambany io fa lazainy ao hoe "nidina tany ambanin'ny tany " sa any le paradisa :D

hoy fody:
Tsy misy mandà ny hoe: i Jesoa maty dia mbola tsy niakatra tany amin'ny Rainy. Ary mari-potoana ho avy no ampiasaina ilazana an'izany (esè = verbe etre au futur). "Hiharaka amiko any am-paradisa ianao" hoy izy.
Io dia milaza fa: Efa any am-paradisa io lehilahy io amin'izao ora sy fotoana anoratako eto izao.


Mitovy hevitra @ isé aho eo @ ilay hoe mari-potoana ho avy no nampiasainy,fa ny tsy itovizako hevitra kosa dia ilay hoe efa any am-paradisa io lehilahy io amin'zao ora sy fotoana izao,dia ahoana izany ilay fanekem-pinoana
Simbolin'ny Apostôly
Izaho mino an'Andriamanitra, Ray mahefa ny zavatra rehetra, nahary ny lanitra sy ny tany.
Izaho mino an'i Jesoa Kristy, Zanany tokana Tompontsika;
noforonin'ny Fanahy Masina, naterak'i Maria Virjiny;
nijaly faha-Pôntsy Pilaty, nofantsihana tamin'ny hazofijaliana, maty dia nalevina;
nidina tany ambanin'ny tany;
nitsangan-ko velona tamin'ny andro fahatelo;
niakatra any an-danitra,
nipetraka eo ankavanan'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra,
avy any izy mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty.
Izaho mino ny Fanahy Masina, ny Eglizy masina katôlika, ny fiombonan'ny Olomasina, ny fanalana ny ota, ny hitsanganan'ny vatantsika ho velona, ary ny fiainana mandrakizay. Amen.

Rehefa ho avy izy zany dia miverina midina aty koa ilay jiolahy satria lasa diso io fanekem-pinoana io raha vao tsy izay ??? sa misy cas manokana ???


Majesty: Izay voalaza ao amin'ny site ny Vatican tsiponana raha misy milaza fa Andriamanitra ny Papa, na Jesoa mihitsy, fa tsy ny vavan'ny olon-tsy tia rehetra izao, izay minia tsy mahalala, na tsy mahalala (na mpisandoka koa).

Dia lazao eto raha misy tenin'ny Pape milaza koa hoe: Izaho Benoit XVI, na Jn Paul II no Andriamanitry ny Katolika, na Kristin'ny Katolika, sns... Lazao raha misy.


Tsy izaho anie r'isé no nanoratra an'ireo e,ary misy boky sy gazety nolazainy ao fa anjaran'isé fotsiny no mijery hoe marina ve ireo voalaza sa tsia.Amin'ny lafiny iray ihany koa dia ilaina ihany koa ny fihainoana izay lazain'ny hafa ary ilaina ihany koa ny manovo ny ao ampotony raha hilaza ny ao vatiCan isé.Ary saika ny boky ao aminareo ihany ary no ampiasainy ao @ io site io ary .


35. ikaretsaka ( 30/04/2008 15:10)
vakio io fanekem-pinoana eo ambany io fa lazainy ao hoe "nidina tany ambanin'ny tany " sa any le paradisa


aiza ary izany lojikan'i majesty izany:
ny tany boribory.. ny ambanin'ny tany ...euh... inona ny ao ambanin'y zavatra boribory mitsingevaeva eo @ lanitra kay? tsy lanitra ?
:-D :-D :-D
mba misaina alavitra hoa!
36. rabilabila ( 30/04/2008 15:30)
Ika kosa !!! Ny ambanin'ny tany ry Ika dia ao anatin'ny éecorce terrestre" ihany a!! ,D'autant plus hoe ,après an'ilay "maty dia nalevina " ilay izy !! :)
37. ikaretsaka ( 30/04/2008 16:03)
nareo sy ty terme terme anareo ity anie..
tsy ambany ny filaza izany fa anatiny!
mampifangaro ny dessous @ dedans ve le!

[size=9px]ny anay tsy misy an'izany le fiekem-pinoana le[/size]
sady ny anay io tsy ara bakiteny fa par contexte mba hanatateraka ilay hoe mihetry(midina ambany) nefa lasa avo(any an-danitra)
38. fijo ( 30/04/2008 20:59)
le izy ngamba tsy hoe "katolika sandoka"
mety tena katolika ilay olona taloha,fa nony nial atao izy dia izay no fomba fahitany ny zavatra nataony tao.

misy koa protestanta taloha anie ,niala tao nivadika kato,dia manjary mahita fomba fijery hafa noho ilay nahitany azy tao fahiny e.zavamisy izany.fa tsy avy dia hoe sandoka.

fa misy fanontanian'i dadabe tsara fipetraka io."moa ve efa misy olona tafakatra any an danitra sahady izao,nefa tsy mbola nisy akory ilay voalaza fa fitsarana farany???"io mila valiny.
39. ikaretsaka ( 30/04/2008 22:05)
efa voavaly io

Valiny: ENY. Iray amin\'ireny ilay jiolahy niara-nofatsihana tamin\'i Jesoa teo amin\'ny Hazofijaliana. Jereo ao amin\'i Lioka 23, 43: \"Kai eipen autw, Amèn soi legw sèmeron met\' emou esè en tw paradeisw.\"
40. pissoa ( 01/05/2008 11:48)
Tamin'i Jesosy niova tarehy koa dia niseho teny amin'ny lanitra i Moizy sy Elia. Zaho tsy miteny hoe mihantokantona eny amin'ny habakabaka eny ny "paradisa" akory, fa efa mampiseho ny "voninahitra" sy ny "fahasambarana" nasalotr'Andriamanitra azy ireo sahady izany :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0512