Fanontaniana mangitikitika.

1. yonikafopl ( 25/04/2008 07:24)
Aty aminay misy karazana katolika 2, dia ny katolika maronita sy ny katolika ortodoksa, isan-taona dia tsy mitovy ny fankalazan'ireo finoana ireo ny paska, ary tamty taona ty moa de iray volana mihintsy ny elanelany. Ka ny fanontaniana mipetraka dia hoe samihafa ve ny Jesosin-dry zareo satria samihafa ny fotoana nahafatesany, sa Jesosy iray ihany fa maty tam ray volana de nitsangana de maty ndray androany de hitsangana am Lahady???
Sa ve ilay izy FOMBAFOMBA KRISTIANA fotsiny de arahina?????
2. ari.malala ( 25/04/2008 08:16)
yonika, toa efa nisy nanome fanazavana teto momba ny kalandrie an'ny katolika sy ny ortodoksa fa tsy azoko tsara! aleo ry zareo manam-pahaizana hoavy eo hanazava aky a! miandry isika.
3. yonikafopl ( 25/04/2008 09:33)
ari tsy hitako zany kalandrie zany hihihihihihih ,
4. ikaretsaka ( 25/04/2008 14:50)
samihafa ny kalandrier litorzika maronita sy orodoksa sy romanina
http://www.opuslibani.org.lb/egliseeng/002/sanct.htm ny maronita

ny ortodoksa toa efa voazava teto ihany
5. fijo ( 25/04/2008 19:41)
fa maninona ary no tsy mety mitambatra??????sa samy te hitana kil koa?
6. ikaretsaka ( 25/04/2008 19:46)
traditions... sarotra ny manala io raha samy efa manana.
na tsy resaka religion aza fa zavatra hafa fotsiny (ohatra heo ny fika fandevenana fotsiny ohatra)
7. fijo ( 25/04/2008 19:56)
izay anie le olana aminareo mpino e,samy mitory hoe "fitiavana e"katsaka azo afangaro siramamy ee"nefa avy ,ary ny fetinareo aty ny anay.aiza ihany aza
8. yonikafopl ( 25/04/2008 20:09)
Za kou ry fijo mba gaga, za kalou tsy nahita anzany raha tsy taty eeeee, aiza ve ka isantaona misy jesosy roa teraka sy jesosy roa maty hankalazaaaina foana??? ny an'iza no marina eeeeeeeeeeeeeeee.

9. fijo ( 25/04/2008 20:12)
samy diso fa samy mamorona ,no tena izy.
10. niryna ( 25/04/2008 20:45)
yonikafopl:

Za kou ry fijo mba gaga, za kalou tsy nahita anzany raha tsy taty eeeee, aiza ve ka isantaona misy jesosy roa teraka sy jesosy roa maty hankalazaaaina foana??? ny an'iza no marina eeeeeeeeeeeeeeee.





=)) =))
asa aloha fa dia samy manana ny hinoana izany ry zareo e.saingy tadidio fa
Kristy dia iray ihany koa raha mivavaka hianao dia antsoy mivantana izy,miresaha azy ao amin'ny mangina ary dia mangataha ny fanahy masiny mba hanazava anao ny fahamarinana,vakio ny baiboly,satria ny baiboly no manazava antsika ny tantarany,miaraha midera an'Atra any am-piangonana ka izay fiangonana midera ny anarany no hidiro fa tsy ny fiangonana rehetra akory dia atao hoe fiangonan'Atra(mitory ny famonjena avy amin'i kristy ve,manasitrana olona ve,miara mivavaka ny marary ve,manindrona ny toriteniny noho ny fahamarinana ka moa ve raisiko ho fampianarana ho ahy ilay izy sa dia laviko fa ny ataoko ihany no ataoko ).Anjaranao no mijery ny fanahy masina na misy ao na tsia,ahoana koa izany,raha miditra ny fiangonana hianao ka tsy mahazo hery,ampiharina ,hiatrika ny andro manaraka indray,tsy mitory an'i kristy,mitsimpona izay tiany ho toriana fa tsy miteny ny fahamarinana (mampianatra ny didy folo ary manitsy ny rehetra andeha amin'ny fahamarinana )dia anjaranao no mivavaka ilay mpitondra mba hijoro sy hitory ny tena tenin'Atra,fantatrao eo ihany hoe nahazo hery hianao na mitovy ny omaly ihany izany ,na hoe mangetaheta ny tenin'Atra ny fanahiko na tsia fa misy hery manohitra ny tenin'Atra ato anatiko ka mandaha ny fahamarinana . Mangataha an'Atra mba ampiseho anao izany indrindra raha mahasoa anao ilay fiangonana mba ahafahanao midera,mizara ny fahasoavana izay nomeny anao. Ataovy foana ny fanandramana fa afaka miresaka aminy mivantana hianao dia omeny anao tokoa izany raha tena mino hianao
11. fijo ( 25/04/2008 20:50)
toriteny ity,sa valinteny e?
12. ikaretsaka ( 25/04/2008 20:53)
eny tokoa hoa..
ianaro aloha ny momban'ny maronnites sy ny sisa ry niryna an
lasa tsy misy hifandraisana mihitsy..
efa averina foana ny ataonao dia tahakan'ny hoe inona ny ifandraisan'ny vitsika @ petrole?
13. fijo ( 25/04/2008 20:54)
samy ao ambany tany.hihihhi
14. ikaretsaka ( 25/04/2008 20:58)
dia ity vitsika ny sujet..
dia ny petrole no velabelarin'i niryna...
mba asio fandinihina ihany indraindray e
15. Fody ( 25/04/2008 21:55)


Tsetsatsetsa tsy aritra kely
nyrina:
asa aloha fa dia samy manana ny hinoana izany ry zareo e.saingy tadidio fa
Kristy dia iray ihany koa raha mivavaka hianao dia antsoy mivantana izy,miresaha azy ao amin'ny mangina

Mba mahagaga ahy ianao ry nyrina. Ary ambadika ary ianao irahana hoe: madira ao an'efitra magina dia anontanio an'i Jesosy mivantana raha avy aminy ireo zavatra nolazainao ireo na tsia. Lazainao fa manana Andriamanitra hafa izahay, sns.... Eto anefa dia amporisihanao ny olona hiresaka amin'i Jesoa mivantana ao an'efitra mangina.

Misaotra!
16. Fody ( 25/04/2008 22:01)



Izao fotsiny no tiako ho marihana:


1 - Ny fahasamihafana dia tsy midika ho Fisarahana.


2 - Ny Fitambarana sy ny Fihombonana dia tsy manafoana ny fahasamihana.


3 - Ny Tanjona tokana, fa ny lalana azo izorana maro (possibilités). Ny fahafahan'ny tsirairay mifidy ny lalan-kizorany izany dia tsy midika velively ho fizarazarana.


Izay aloha!

Misaotra.
17. dadabe ( 26/04/2008 03:11)
:-w humm andraso fa mbola ho avy @ io rsaka io aho ry yonika :-$
18. hery ( 26/04/2008 06:52)
:-) dia andraso izany i dadabe fa izy angamba ortodoksa na maronita na katolika mihitsy aza.

Ny zavatra tsy hay aza ibitabitahana.

Izaho izao tsy mety mahalala mihitsy hoe maninona ny Advantista (ohatra io) no tsy mihinana kisoa... dia tsy izaho mihitsy no hanazava na hitsikera satria aho tsy Advantista. Fa matoa ry zareo tsy mihinana sy convaincus amin'izany dia mety manana ny antony heveriny ho marina ho azy ry zareo... dia inona no azoko atao?

Toa izany koa. Ny manontany mahitsy dia tsara... mandinika, mihaino izay lazain'ny ao. Afaka mitsikera koa. Fa ny mitsara hoe tsy mety izany dia toa fihamboana ihany.

Valin'ny an'i yonika. Fa ireo mpino lazainao ireo ve rehefa miteny dia miteny hoe "Tena tamin'ity daty ity no maty i Kristy" ? inoako fa tsia.

Hitanao angamba fa tsy daty fixe ny paka fa miovaova, indraindray marsa, indraindray avrily dia hiteny ve ianao hoe fa angaha miovaova ny nahafatesan'i Kristy?
Isak'alahady koa dia mankalaza ny nahafatesany sy ny nitsanganan'i Kristy ny Kristianina... tsy midika izany fa in 52 maty i Kristy.

Dia ho gaga izany ianao raha hilazana hoe tsy teraka 25 décembre akory i Kristy fa ny 25 décembre no hankalazana ny nahaterahany... etc.

Tsy important ny daty fa ny zavatra ankalazaina no important.
19. fahamarinana ( 26/04/2008 09:03)
hery:
Tsy important ny daty fa ny zavatra ankalazaina no important.



:arrow: miombon-kevitra amin'ny Hery aho eto.
Misy fahamarinany koa ny teny nentin'ny niryna fa ny tsininy fontsiny dia tsy ilay toriteny lava be no nandrasan'ny yonika angamba fa fanazavana mikasika ireo finoana lazainy ireo dia izay no tokony hidirana sy hazavaina be be kokoa.Ka raha tsy mahay toa ahy dia aleo mangina fa lasa manita-javatra hafa koa.Za manokana dia tsy mahay fa dia variana koa dia miandry fanampipanazavana amin'ny namana. :idea: (l)
20. ikaretsaka ( 26/04/2008 13:31)
Fody:




Izao fotsiny no tiako ho marihana:


1 - Ny fahasamihafana dia tsy midika ho Fisarahana.


2 - Ny Fitambarana sy ny Fihombonana dia tsy manafoana ny fahasamihana.


3 - Ny Tanjona tokana, fa ny lalana azo izorana maro (possibilités). Ny fahafahan'ny tsirairay mifidy ny lalan-kizorany izany dia tsy midika velively ho fizarazarana.


Izay aloha!

Misaotra.


izay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1793