Tss, soa ihany

1. niryna ( 24/04/2008 17:42)
Simba ny laptop-ko ary maty avokoa ny zavatra rehetra tao,rehefa mieritreritra izany aho dia tezitra saingy navadiko amin'ny fiainana amin'ny maha kristiana ahy ilay izy.Mifanohitra izany indray no nataon'i kristy antsika,nomentsika azy avokoa ny fahotana,ny fahadisoana,ny fahatezerana,ny toetra ratsy ary dia nivavaka taminy isika mba ho dioviny,mba hanana fo vaovao indray ary dia tsy misy tsaroany intsony izany toetra ratsy izany.
Mino an'izany ve hianao? Nomenao azy tokoa ve ny fahotanao rehetra ary manaiky fa ho dioviny,ny lasa omban'ny lasa ary fiainana vaovao indray no miandry antsika ?
Niryna
novalian'i niryna ny 09/05/2008 22:01
2. ikaretsaka ( 24/04/2008 18:05)
aiza no ifandraisan'ilay ohatra laptop sy le fiainana ktistianina?
maty ho anao ve le laptop sa nanota ho anao ve sa?
tsy azoko!
mba afaka hazavaina bebe kokoa ve?
3. fijo ( 24/04/2008 20:22)
hi hi hi elahy ity letsy
4. ikaretsaka ( 24/04/2008 20:32)
ka tsy azoko ko
5. fijo ( 24/04/2008 20:41)
:-D :-D :-D
6. Zina ( 25/04/2008 00:19)
Marina mihitsyizany ry Nyrina, raisina positive daholo ny momban'ny fiainana rehetra dia mande tsara ilay izy, no sady mahasalama no miampy ray taona ny fiainanao
:-*
7. ari.malala ( 25/04/2008 08:31)
za koa ry ika naika hametraka fanontaniana fa ts mazava le resaka hihihi
8. fahamarinana ( 25/04/2008 11:14)
:arrow: nankaiza ary niryna teo hanazava fa tsy arako tsara koa ilay tiany faritana :-w :-w :-w (l)
9. niryna ( 25/04/2008 20:15)
ikaretsaka:

aiza no ifandraisan'ilay ohatra laptop sy le fiainana ktistianina?
maty ho anao ve le laptop sa nanota ho anao ve sa?
tsy azoko!
mba afaka hazavaina bebe kokoa ve?

tsy ho azonao mihitsy ilay izy ka, tsy maninona fa tsy aiko ny hanazava azy aminao satria efa mazava be toa ny masoandro be lohataona io

:D
10. niryna ( 25/04/2008 20:16)
fijo:

hi hi hi elahy ity letsy



:D
11. niryna ( 25/04/2008 20:18)
Zina:

Marina mihitsyizany ry Nyrina, raisina positive daholo ny momban'ny fiainana rehetra dia mande tsara ilay izy, no sady mahasalama no miampy ray taona ny fiainanao
:-*

izany indrindra mantsy ,ilaina ny fampiharana ny teny izay noraisina sy nolalinina,raha nomen'Atra hery vaovao isika fa nandray azy tao am-pontsika dia tsy maintsy misy zavatra mihova ao amintsika,sa ahoana?

12. niryna ( 25/04/2008 20:32)
ari.malala:

za koa ry ika naika hametraka fanontaniana fa ts mazava le resaka hihihi

ari malala a, salut aloha indry.
Amin'ny maha kristiana antsika dia misy zavatra tokony hiova ao anatintsika ao,ny toetra,ny fisainana ,ny fiteny ,ny fanoratra ary indraindra indrindra isika izay taratra manazava ny manodidina antsika.
Isika raha tena mino an'i kristy hoe mpanafaka antsika amin'ny ota izy,raha mino an'izany tokoa isika dia ho afaka tokoa ilay otantsika,ny rany no nanadiovany an'izany ary dia tsy ho tsaroany intsony izany. Io zavatra nitranga tamiko io dia entiko isitomana ny saintsika fa misy zavatra tsy takatra sy tsy azo lavina izay miantra amintsika(eritrereto hoe voafafa daholo ny document-nao rehetra,ny hirahira rehetra ,ny zavatra sarobidy rehetra tao anaty ordinateur ary tsy azo averina intsony) inona no ataonao? tonga dia tezitra aloha satria tsy nifanarahana ilay izy,ary tsy niantso akory ilay mpanamboatra ny simba hoe misy zavatra toy izao ,ka tsy maintsy vonoiko(delete-ako )daholo izay memorie rehetra ao,tsia tsy niteny anizany izy fa tonga dia maty daholo ilay izy.Eny amin'ny maha olombelona antsika dia tsy maintsy tezitra isika,saingy rehefa nataoko ny fandinihina dia novaiko amin'ny fihetsika tsara ilay izy,nisenda ny hatezerako,tsy eritreretiko izay zavatra voafafa ao fa dia mitady CD indray aho dia averiko ampidirina ao daholo ilay hirako,izay tsy mety moa dia tsy mety izany dia izay ,mihonona.
Dia taritiko any amin'i kristy ilay izy,izay mamela antsika amin'ny fahotana rehetra,manaiky ho tompo sy mpanjaka ary mpamela heloka sy mpamonjy antsika,raha ireo entana betsaka izay maty tao anaty ny ordi ireo no ho entiko aminy (ny fahotako izany,ny fahadisoko izany,ny toetra ratsiko izany,ny fomba ratsy fanaoko izany na inona na inona e,) ny an'ny hafa ohatra fijangajangana, fifoana sigara,famonoana vady,fisoatrana toaka,filan'ny nofy, sns ,ka omentsika azy avokoa ireo, ka hifonantsika aminy daholo izany ary dia tsy ho tsaroany tokoa ilay izy fa dia omeny fiainana vaovao indray isika ary dia miatrika fiainana vaovao isika,miezaka ny hanana toetra tsara,miezaka ny hiteny tsara mba tsy andratra ny hafa,ny fihetsika ,ny fiteny,ny fanoratra rehetra die hoentina amin'ny lafiny tsara avokoa.
Ny fanontaniako dia hoe moa ve tena mino tokoa isika fa voafafany avokoa izany rehetra izany rehefa noentina teo aminy sa mbola manana ahiahy isika hoe tsy marina izany na angamba tsy ho voadiony ilay izy?
Io ny fanazavana ry fahamarinana a,mety somary lava fa hialako tsiny an

13. ikaretsaka ( 25/04/2008 21:06)
izay ahay.

fa hono hoa ry niryna e... fa aiza ao anaty baiboly no misy an'ilay hoe tsy azo atao ny misotro toaka sy mifoka sigara e?

le mifoka sigara aloha dia tsy misy mihitsy


ilay misotro toaka koa tsy voarara fa ny fahalalana honony tokony ho tandremana..
tadidio fa ny misotro tsy voatery ho mamo!
14. Fody ( 25/04/2008 22:14)
nyrina namaly an'ikaretsaka:
tsy ho azonao mihitsy ilay izy ka, tsy maninona fa tsy aiko ny hanazava azy aminao satria efa mazava be toa ny masoandro be lohataona io

fahamarinana nanontany an'i nyrina:
nankaiza ary niryna teo hanazava fa tsy arako tsara koa ilay tiany faritana

nyrina namaly azy:
....Io ny fanazavana ry fahamarinana a,mety somary lava fa hialako tsiny an


Dia hoy aho hoe: Zavatra mazava be toa ny masoandro be lohataona ve mbola mila hazavaina lava be e ?

Mba valio azafady!


Misaotra anao!


15. ikaretsaka ( 25/04/2008 22:35)
fody:
Dia hoy aho hoe: Zavatra mazava be toa ny masoandro be lohataona ve mbola mila hazavaina lava be e ?

io dia anisan'ny antony mampisalasala ihany momban'ny consistency an'ny zavatra lazain'i niryna
:?: :?: :?:
16. Fody ( 26/04/2008 00:21)
zina:
Marina mihitsyizany ry Nyrina, raisina positive daholo ny momban'ny fiainana rehetra dia mande tsara ilay izy, no sady mahasalama no miampy ray taona ny fiainanao

Raha ny fahazahoko ny zavatra lazainao dia tsy misy ho anao izany Andriamanitra izany.
Ary tsy mino ny famelan-keloka avy amin'i Kristy koa ianao.
Fa ho anao ny saina no amboarina dia milana ny fiainana.


Donc tsy fomba fijery kristiana io, ary tsy araky ny Evanjely velively.
17. ikaretsaka ( 26/04/2008 13:21)
za vo saika hiteny
18. fahamarinana ( 26/04/2008 14:21)
:arrow: ka ilay fanazavana ry niryna rehefa lava be dia lasa mahamonamonaina sy vao maika koa tsy mazava.Ny ifandraisan'ny laptop sy fahotana nampidiranao azy no tena tsy nazava.Ohatrany hoe sanatria ilay laptop koa no mamela fahotana ve sa inona koa nefa ny tianao marihina dia ilay hoe Kristy sns sns.Ary betsaka no tsy nahazo azy na nazava be toa ny masoandro araka ny remarque nataon'ny fody aza.Lasa nanjelatra loatra angaha ve? :wink: (l)
19. Veloo ( 27/04/2008 00:52)
Zina [ Valio ] 25-04-2008 02:19:51
Lohateny : Re : Tss, soa ihany
Marina mihitsyizany ry Nyrina, raisina positive daholo ny momban'ny fiainana rehetra dia mande tsara ilay izy, no sady mahasalama no miampy ray taona ny fiainanao


raha tsy tena kristiana tsy mi=compre an;io lazain'i Zina io :wink:
20. niryna ( 27/04/2008 04:59)
ikaretsaka:

izay ahay.

fa hono hoa ry niryna e... fa aiza ao anaty baiboly no misy an'ilay hoe tsy azo atao ny misotro toaka sy mifoka sigara e?

le mifoka sigara aloha dia tsy misy mihitsy


ilay misotro toaka koa tsy voarara fa ny fahalalana honony tokony ho tandremana..
tadidio fa ny misotro tsy voatery ho mamo!

hi,hi, ny tenantsika dia tempolin'Atra .io no fanazavana milaza azy ry ika a,izany hoe na inona na inona hanombana ny tena dia tsy tokony atao.
Ny Gal 5:19-20 manambara ireo karazana fahotana maro fa tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra ireo izay manao an'izany,raha ohatra ka tsy mibebaka na mifona,ary dia tafiditra amin'izany ny fahamamoana.
ok ary e,dia misotro fa tsy maninona fa tsy voasoratra ao anaty baiboly izany ilay izy hoy hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008