vacances namana serasera dago any mahajanga

141. brado ( 09/07/2008 11:49)
tena tsy afak za fa de mazoto daolo e! fa maninona ra asiana eto tana na de excursion indray andro fotsiny aza.
142. avylavitra ( 20/08/2008 00:55)
Miala tsiny kely e! Mba hitondra fanazavana fa toa misy resaka mivilana mantsy momba ity resaka Vacances Mahajanga ity.
Ao anatin'ny commission mikarakara azy ity aho, indrindra fa ny lafiny fitantanana ny vola. Mandeha ny resaka fa ny volan'ny fikambanana no ho laniana any. TSIA dia TSIA no valiny. Ny rehetra no nasaina nandrotsaka ny anjarany ho amin'izany, fa ny hany volan'ny fikambanana hivoaka amin'io dia izay hitondrana fanampiana ho an'i Kamba (ilay zaza nodidiana tetsy amin'ny HJRA).
Raha misy moa mila fanazavana misimisy kokoa momba izay dia manorata amiko fa vonona ny hamaly anareo aho.
Noho izany dia aza malahelo hoe ndeha handany ny volan'ny fikambanana ny ankizy ho any, fa ny azy ihany no hanajana azy, ary ny an'ny fikambanana resaka, hafa.Ary tandremo koa ny diso mora entim-po sy mandray an-tendrony ry reto a!
Manahirana koa mantsy rehefa tafiditr'ilay resaka tia mifandrangindrangitra sy mifananihany izay ny resaka atao, ka manjary raisina ho toy ny tena izy, dia mampivilana zavatra.
MINO AHO FA MAZAVA NY AMIN'INY.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1115