Sabado=Sabotsy = midika fa avy amin'io ve ny Sabata ?

121. niryna ( 18/04/2008 22:43)
fijo:

aoka moa ry biby an,"5. Mpandefa : bichette [ Valio ] 16-04-2008 17:57:16
Lohateny : Re : Sabado=Sabotsy = midika fa avy amin'io ve ny Sabata ?
(mila mihinana parasetamola mamaky ny resaka eto)"
:roll: inna koa ity lazainy fijo ,tss,

niryna an,tsy manda aho hoe izay voasoratra no averindry zaraina,fa moa ve izay voasoratra ao ihany no tena izy??????
tsy any no mipetraka ny resaka fa ilay olona tsy mety mandray ny tenin'Atra dia mamadika indray hoe mpanomposampy ireo ....baiboly,eny e,na hanazava ny olona in-jatompolo eo aza rehefa tsy hiditra izay dia tsy hiditra ary matoa izy tsy miditra dia mandaha ny tenin'Atra foana izy,fanahy izy ny fanahintsika no mitady azy,mivavaka aminy mbola maro sy bobaka be ny an'i lery no atao-ko mbola enjehina ny maty rehetral,mbola ampiretina ny labozia,ny sary etsy andaniny ny sampy kely any ampaosy mbola tazamina na ao na tsia,ny anay tonga dia direct hoy aho ,fanahy mihaona ny fanahy

za mantsy ,na dia tsy mino aza,dia mba manaraka eny ihany momba ny resaka finoana,ka tsapako(ahy io)fa tsy ampy raha ny baiboly irery no hanazavana izany resaka ainoana izany.
betsaka ny fotoana voadingana ao anatin'io boky io.ka nef amety ho ita any an kafa.
ilay tenin'Atra dia tantara niainan'ny olona fahiny ary mbola tarafina ankehitriny ary ny tena centre d'interet ao dia i kristy koa ahoana moa no hinoany raha milaza izy fa tsy kristy no lalana mankany amin'ny ray,ny azy mbola misy olon-kafa, raha miteny ny baiboly hoe izaho no mediator dia ny azy hono (ika sy ny namany io )mbola misy hafa ,mazava ho azy fa tsy hitovy velively ilay izy,izy ity hoy aho tsy natao ho azy ireo ihany na ho ahy irery ihany fa samy mandray izay tandrifiny ary samy mamafy izay voa ka anjaran'ireo gasy erantany no mandray izay mifanaraka ny fahamarinana izay heveriny fa hinoany na izy manaraka an'i kristy na izy mbola misy an'i dada rabe sy ny kristaly sy ny andriambavin'ny lanitra sy ny tampakazo sy ny hazokely sy ny vonganjavatra vitan'ny olona ,ao anatin'ilay baiboly daholo izany ,tsy maninona fa raha manana boky hafa koa izy milaza izany idols teneniko izany dia avelao izy hiteny ka


122. niryna ( 18/04/2008 22:45)
tsiafoi1:

moa ve ny andro no tena mikaonty amin'i finoana an'i kristy

Andriamanitra no nanokana io andro fahafito io fa tsy olombelona. Ary tsy vitany we NATOKANY fa NOHAMASININY sy NOTAHINY koa. Tsy mbola nisy Jiosy sy tsy jiosy tamin'izany fa vao Adama sy Eva no teo. Jereo Genèse 2:1-4
"(1)Ainsi furent achevés les cieux et la terre, et toute leur armée. Dieu acheva au septième jour son oeuvre, qu'il avait faite: et il se reposa au septième jour de toute son oeuvre, qu'il avait faite. (2) Dieu bénit le septième jour, et il le sanctifia, (3) parce qu'en ce jour il se reposa de toute son oeuvre qu'il avait créée en la faisant. (4) Voici les origines des cieux et de la terre, quand ils furent créés".

Ka ny rano aza rehefa atokana sy hamasinin'ny pretra, toa manan-danja sy manan-kasina ery amintsika olombelona mino izany, toy izany koa ireny sakramenta samihafa ireny... Moa tsy tokony ho mihoatra noho izany ve Andriamanitra. Izy Andriamanitra Mpahary no nanokana sy nanamasina ilay andro, Tsy tokony hisy hasiny sy lanjany lehibe amintsika ve izany. Koa asakasak'izay sahy hanao tsinontsinona azy ihany, fa rehefa MASINA SY VOATAHY dia tsy miova izay.

Ny andro fahafito tsy hiadian-kevitra io, fa ny we Sabotsy ve sa Alahady, any angamba no tokony hodinihina lalin-dalina kokoa.

-----------------------------------------
misaotra aky tsiafoy a

:-* ba mamikely aloha ho andry
123. ikaretsaka ( 18/04/2008 23:44)
cutie:

kinga ery ra Ika handray an-tendrony ndray =)) =)) =)) =))


porofoy hoe aiza aho no mandray an-tendrony eto
124. niryna ( 22/04/2008 17:25)
Fody:



nyrina: Dia sahinao ve no milaza fa ny Fanahy Masina no mampiteny anao ireo rehetra ireo?
ny olona manana ny fanahy masina dia mahafantatra izany fanahy masina miaraka aminy izany satria ny fanahy masina tsy mipetraka ao anatin'ny olona minoino foana,fanahin'i kristy io ka izay mino an'i kristy no hipetrahany. Anjaranao no manontany tena hoe miaraka amin'i kristy ve aho sa tsia,maninona aho no manohitra ny teny nomeny ,ny baiboly,izay teny nomen'Atra,manao recherce,be google ao ka manaova recherche,diniho daholo ny finoan'ny olona,mivavaha ary mangataha aminy mba omeny anao ny fanahy masina.
Atra irery ihany no mahalala ny olona mangetaheta ny fanahy masina,izay mangataka dia omena ,izay mitady dia ahita ary izay mandondona dia vohana.


Izao fotsiny ihany: "Midira ao anefitra mangina, ary anontanio an'i Jesoa mivantana na avy aminy marina izay voalazanao na tsia!"

Izay ihany!

Misaotra!



^:^ ^:^ ^:^ aleloia fa nahafantatra ihany i fody fa mila manatona miresaka an'i kristy mivantana. ny tompo anie hanome hery anao ka ampahafantatra anao ny fahamarinana.Izy no nifidy ny tsirairay hanatona azy fa raha ny sitrapontsika dia manaraka izao fiainana izao ihany ,tsy mibebaka,tsy mamela heloka,tezi-dava,mialona lava,malahelo lava,toa tsy misy maminy ny fiainana,toa tsy mety miala ny olana,eo miala,eo tonga indray kanefa noho ny fanomezany ny zanany ,noho ny nametrahana ny fiainana eo aminy dia tsy misy mangidy tsy andramana ary tsy misy fahoriana tsy ho zakantsika ka omeny antsika,matokia azy,ankino aminy ny fiainanao,manaova fanandramana,diniho ny teny izay nomen'ny olona indrindra ireo izay heverinao fa pli-vava,matoa ilay izy nomeny dia efa ao anatiny ilay izy,ary izay tianao ataon'ny olona anao no mba ataovy ihany koa izany no ahalalany fa mpianany isika,dia ny mitia ny fahavalo,ny manome fitiavana ny olona tsy tia antsika ary ny mizara ny famonjena,ny fahampifantarina ireo olona fa ao amin'i kristy irery ihany no misy famonjena ,tsy misy na iray aza ahazoana famonjena,didy io,hafany io ary dia anjarantsika no mitory an'io mandrapiala ny fofonain-tsika .Ataovy ny fanandramana
:-*
125. cutie ( 22/04/2008 17:32)
ny olona manana ny fanahy masina dia mahafantatra izany fanahy masina miaraka aminy izany satria ny fanahy masina tsy mipetraka ao anatin'ny olona minoino foana,fanahin'i kristy io ka izay mino an'i kristy no hipetrahany. Anjaranao no manontany tena hoe miaraka amin'i kristy ve aho sa tsia,maninona aho no manohitra ny teny nomeny ,ny baiboly,izay teny nomen'Atra,manao recherce,be google ao ka manaova recherche,diniho daholo ny finoan'ny olona,mivavaha ary mangataha aminy mba omeny anao ny fanahy masina.
Atra irery ihany no mahalala ny olona mangetaheta ny fanahy masina,izay mangataka dia omena ,izay mitady dia ahita ary izay mandondona dia vohana.

amen
126. Ratomson ( 01/11/2017 09:20)
Ny Daniela 7: 25 Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra aryhitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro.

Mazava fa hisy hanova fotoana. iza ary no nanova ary hoviana? Tamin'ny tao 321 AD dia novain'i Amperora Constantin ho Andro fivavahana ny andro Alahady ho solon'ny andro Sabata na Sabotsy. azo hamarinina amin'ny tantara izany.

Fanotaniana iza no mendrika ho ekena, Andriamanitra sa ny olona?

Ny Didy dia tandremana mba ho vonjena, fa nohon'ny fanamarinana nohon'ny finoana dia tandremana ny Didy satria efa voavonjy isika.

Ny hoe an'i Jiosy ny Didy, diso izany, satria ny Sabata dia efa tamin'ny Andron'ny Famoronana.

Hebreo: 4: 1-8
1 Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin’ ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin’ izay nandre.
3 Fa isika izay nino no miditra amin’ izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin’ ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy", na dia vita hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
4 Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin’ ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin’ ny asany rehetra tamin’ ny andro fahafito".
5 Ary amin’ izao koa: "Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy".
6 Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin’ ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
7 dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin’ i Davida hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony hianareo Aza manamafy ny fonareo"
8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian’ izany.
9 Koa dia mbola misy Sabata fitsaharana ho an’ ny olon’ Andriamanitra.

Koa manasa anao hitandrina ny Sabatan'i Jehovah.
0340136724
niryna:

Nisy olona niresaka tamiko fa hoe raha tsy manaja ny sabata isika dia tsy manaja ny didy folo,marina izany satria ao anatin'ny didy folo ny hoe manaja ny andro sabata.
Ny fanontaniako dia hoe inona io andro sabata io,raha sabotsy ,kristy anefa no antsoina hoe sabata ary nanasitrana olona tamin'ny andra sabata izy.
Sabotsy ve izay teny avy amin'ny hoe Sabado no atao hoe Sabata?
Ary raha sabotsy ilay izy naninona ny fiangonana no lasa niangona Alahady?
Novolena taty aoriana ve ilay niangona andro alahady?
Inona i kristy no nifatsihana dia telo andro tao aorian'izay izy no nitsangana ?
Raha atao hoe alakamisy dia ampiana telo dia lasa Alahady ?
sa Zoma dia lasa alatsinainy ?
Dia hoy indray izy hoe raha hitanao ao anatin'ny baiboly hoe alahady ny fiangonana dia mivadika alahady aho,moa ve ny andro no tena mikaonty amin'i finoana an'i kristy ,ary izany andro sabata izany dia tena mino ve nareo fa tena tsy manao na inona na inona ireo olona miangona Sabotsy ireo?
asa aloha fa dia miandry ny fanazavana any aminidry zareo aho sy izay mahalala
Mba ampio aho e
misaotra anareo
127. Ratomson ( 01/11/2017 09:21)
Ny Daniela 7: 25 Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra aryhitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro.

Mazava fa hisy hanova fotoana. iza ary no nanova ary hoviana? Tamin'ny tao 321 AD dia novain'i Amperora Constantin ho Andro fivavahana ny andro Alahady ho solon'ny andro Sabata na Sabotsy. azo hamarinina amin'ny tantara izany.

Fanotaniana iza no mendrika ho ekena, Andriamanitra sa ny olona?

Ny Didy dia tandremana mba ho vonjena, fa nohon'ny fanamarinana nohon'ny finoana dia tandremana ny Didy satria efa voavonjy isika.

Ny hoe an'i Jiosy ny Didy, diso izany, satria ny Sabata dia efa tamin'ny Andron'ny Famoronana.

Hebreo: 4: 1-8
1 Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin’ ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin’ izay nandre.
3 Fa isika izay nino no miditra amin’ izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin’ ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy", na dia vita hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
4 Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin’ ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin’ ny asany rehetra tamin’ ny andro fahafito".
5 Ary amin’ izao koa: "Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy".
6 Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin’ ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
7 dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin’ i Davida hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony hianareo Aza manamafy ny fonareo"
8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian’ izany.
9 Koa dia mbola misy Sabata fitsaharana ho an’ ny olon’ Andriamanitra.

Koa manasa anao hitandrina ny Sabatan'i Jehovah.
0340136724
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.154