Vocation na Antson' Andriamanitra

1. xxx ( 06/04/2008 15:41)
Nisy adihevitra iray izay nataon' ny namana momba ity resaka ity tao anaty katoloka.org
Milaza ny hevitra koa aho eto e
Maro no milaza fa ny Antson' A / tra de hoan' ny pretra sy relijiozy ihany .. Diso.....
Mihena sy mihavitsy hono ny tanora te hanao pretra sy relijiozy satria mafy ny fiainana , Diso .... Ny hevitro de ny mifanohitra @ izany aza.. Jereo fa any @ tany mahantra no tena be tanora maniry ny ho relijiozy io fa tsy mba ny tany manan-karena akory .... Ny Relijiozy de mpanompo , ary tena mpanompo , izany hoe toy ny mpiasa anisan' ny hoe mikarama vary masaka , tsy mandray karama ny ankamaroan'ireny ... Ny olona @ tany mahantra no mbola azo mora foana @ le hoe karama vary masaka .. fa tsy mba ny tanora @ firenena mandroso mihintsy ... de tsy mahagaga raha ho ahy manokana ny mahatonga ny firenena lehibe tsy hisy manao relijiozy intsony .... Resaka samy isika e....
novalian'i soanja ny 14/04/2008 02:05
2. ikaretsaka ( 06/04/2008 16:36)
le antso amiko na mahantra na mpanakarena dia lasa aby rehefa voaantso.
nijery promo 1 tarika relijiozy aho fa dia tena mifangaro tokoa ny "background" an'izy ireo, misy ny mahantra misy ny mpanankarena ary misy ny manampahaizana efa "succesfull" teo@ tany ama-monina no iantefan'ny antso dia lasa !

Momba ilay hoe "firenena lehibe tsy manao relijiozy" afaka velabelarinao hoe hoe firenena izy dia sokajy manao ahoana? satria misy firenena lehibe ohatra hoe USA ohatra fa ny province 1 (eny @ resaka congregation religieux dia province no iantsoana ny faritra iray) dia mbola mamoaka pretra eo @ 5 eo isan-taona.
Congregation 1 izay an (Zezoita ohatra) tsy lazaiko ny franciscains sy ny saletains sy ny lazaristes sns...

tsy nohon'ny hamafin'ny fiainana koa ilay izy amiko fa nohon'ny hamafin'ilay faniriana ao anatinao, misy olona rehefa tonga ilay antso, fa tena arak'ilay ao amin'ny evanjely heo avelany eo aby ny harato (textually) dia lasa izy ireo an, ry Pedro angaha ohatra izao nahantra tany @ ze tany nisy azy tany, ary mahafantatra mompera 1 any atsimo any aho fa olona mpanao vola tao wall street tao izy no lasa mompera ary miasa any Midongy Atsimo any, satria izay no antso! ampahafirin'ny karama azony tany Wall street no azony any M/kara? ary miala vola am-paosy aza izy , miampy ny fanampiana tamin'ireo namana taloha, amin'ny asa humanitaire ataony!
3. pissoa ( 06/04/2008 18:53)
Hi hi - kely ve izany no antsoin'Andriamanitra ... raha hoe izay antsoina dia mandeha daholo ?

Za aloha dia tsy mety mahazo io resaka vocation io mihitsy e. Haiko fotsiny hoe tsy ny ho pretra na relijiozy ihany no hoe antson'Andriamanitra. :-D :-D :-D :-D :-D
4. ikaretsaka ( 06/04/2008 19:10)
izay koa iray :wink:
tsy voatery hoe any ihany ny antson'Atra
raiso heo raha saofera aby no antson'andriamanitra dia ia ro hoentina?
toy iznay koa raha hoe lasa mompera sy relijiozy aby.. dia ia ro hitoriana.
fa samy antson'Atra aby izany
5. pissoa ( 06/04/2008 19:26)
Ie :)


Amin'ilay hoe tsy mazoto ny tanora ankehitriny.

Amin'ny lafiny pretra sy relijiozy dia marina fa tsy manana ny ampy isika ao Dago, fa toa tsy vao izao anie isika no tsy manana ny ampy e. Raha tsy diso aho nrgs toa misy fanosorana ho Diakra sy Pretra ao amin'ny diosezin'i Tana ohatra isan-taona ; tsy haiko ny diosezy hafa. Izany hoe tsy dia mitombina loatra amiko ny hoe tsy mazoto amin'io fiainana io ny tanora ankehitriny no mahatonga antsika tsy ampy pretra/relijiozy.

Amin'ny tany mandroso indray, toa mazoto ihany ry zareo ka. :-D

Tompo o, omeo pretra maro izahay :-D :-D :-D
6. ikaretsaka ( 06/04/2008 19:30)
raha manana ny ampy isika d'efa paradisa e!

"ry Atra tsara fo indrindra o..."
7. pissoa ( 06/04/2008 19:37)
"... sitrakao ny niantso ny tovolahy sy ny tovovavy Malagasy ..." :-D :-D :-D
8. Fody ( 07/04/2008 09:26)

"ry pissoa, ry karetsaka, sns..."


Hotanteraka tokoa anie izany.
Amen.



Misaotra anao nanaiky natsoiny sy namaly antso, ary misaotra an'Andriamanitra koa.
9. cutie ( 07/04/2008 12:56)
in ny dikan'ny we namasinina ho diakra :)
10. pissoa ( 07/04/2008 14:14)
Misy olona tsy diakra dia atao diakra :-D :-D :-D
11. ikaretsaka ( 07/04/2008 14:32)
misy olona mahatsapa fa nantsoin'Atra ho diakra dia mianatra izy mandalina an'iny dia rehefa vonona izy dia mitoso hamasinina ho diakra
12. cutie ( 07/04/2008 15:31)
ka in le we diakra koa :-w
13. pissoa ( 07/04/2008 16:18)
Kay ve ny hoe diakra mihitsy no tsy hay fa tsy hoe ny "namasinina ho diakra" e :-w

http://www.catholicculture.org/library/dictionary/index.cfm?id=32955

:-D :-D :-D
14. cutie ( 07/04/2008 17:16)
de in ny dikan'ny atao we nohamasinina ho mompera a :-D :-D :-D :-D
15. pissoa ( 07/04/2008 19:53)
Misy diakra tsy mopera dia atao mopera =))
16. cutie ( 07/04/2008 23:44)
efa voavaly sahady le fanontaniana saika mbola hapetrako =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
17. majesty ( 08/04/2008 08:48)
Dia ahoana le olona manolo-tena ireny zany !
Tompo ô inty aho,
Raiso ho mpanomponao ....

cutie: MANAMASINA = MANOKANA (hamasinina ho môpera = atokana ho môpera,hamasinina ho diakra = atokana ho diacra....sns)
Mety foana io formul kely io @ lafiny retraretra :D
18. ari.malala ( 08/04/2008 08:59)
tsy azoko ilay fanontanian'i majesty, manolo-tena irery manin?
19. zoky ( 08/04/2008 09:51)
Amiko koa ny Vocation na Antson'Andriamanitra dia ts voatery natokana ho an Relijiozy iany fa ho an olona rehetra zay manohy ny asany sy ny asa ankasitrahan'Andriamanitra
20. majesty ( 08/04/2008 10:32)
ari.malala:
tsy azoko ilay fanontanian'i majesty, manolo-tena irery manin?


ohatra hoe nisy zavatra nanjo azy dia leon'ny fiainana izy d hoy izy hoe andeha hanolo-tena ho an'ny Tompo amin'zay ah!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2179