Vocation na Antson' Andriamanitra
61. pissoa
(
13/04/2008 22:09)
Mahereza daholo na inona na inona antony nidirana tany @ fiainan-drelijiozy / pretra e ! On ne nait femme, hono, on le devient. :-D :-D :-D
62. soanja
(
14/04/2008 01:41)
ikaretsaka:
soanja> ny ahy ny tsy tiako dia hoe aza generaliser-na le izy,
Raha nanao safobe aho dia disoy ary.
Tsy fombako ny manao bambaray olona fa amiko azo jerena kosa ny antony rehetra. Toy ny fanambadiana vazaha sns ihany io isan-karazany ny antony ary tsy misy hoe ratsy sy tsara fa ny hahatontosana ny zavatra iray ary mirona any amin'ny hatsarana sy fahombiazana no zavadehibe.
Efa nahita aho Mopera iray nanaiky izy fa noho ny fahantran'ny Ray amandreniny no nidirany ho pretra saingy kosa hilaza aminareo aho fa nahavita be teo amin'ny mpiarabelona taminy izany mopera izany sady tsy nihevitra izy fa ratsy ny ny heviny raha niditra tao izy.
Efa antitra be izy no nihaona tamiko ary nilaza izy fa sitrapon'Andriamanitra izany. Mino aho fa efa eny an-tratran'ny Kristy izy isika miteny izao ary mandray ny fahasoavana nikosan'Andriamanitra ho azy.
Izany no mahamiiba sy miabo an'Andriamanitra hitondra antsika amin'ny balance. Raha vitan'ny iray ny miala amin'ny fahantrana ka sady hainy ny mampiseho fa afaka manao zavatra izy fa nohon'ny fahantrana ihany no mba antony tsy nahafahany nanatsara ny fiainana sy ny mpiarabelona aminy dia amiko izany no fahombiazana.
Ny mamoaka mifanohitra amin'io no hampalahelo ahy nefa tsy azo ifanomezantsiny fa samy manana ny fiainany sy ny manahirana azy ny olona. Samy mikatsaka ny mahasambatra azy aby ny tsirairay ka raha toa ka tsy sambatra ny iray ny tao anaty safidy iray ka hitany ny fomba hialana amin'izany dia tsy hitako ny hanomezana azy tsiny raha miala izy ohatra na manipy gants.
63. soanja
(
14/04/2008 01:51)
soanja:
xxx:
Nisy adihevitra iray izay nataon' ny namana momba ity resaka ity tao anaty katoloka.org
Milaza ny hevitra koa aho eto e
Maro no milaza fa ny Antson' A / tra de hoan' ny pretra sy relijiozy ihany .. Diso.....
Mihena sy mihavitsy hono ny tanora te hanao pretra sy relijiozy satria mafy ny fiainana , Diso .... Ny hevitro de ny mifanohitra @ izany aza.. Jereo fa any @ tany mahantra no tena be tanora maniry ny ho relijiozy io fa tsy mba ny tany manan-karena akory .... Ny Relijiozy de mpanompo , ary tena mpanompo , izany hoe toy ny mpiasa anisan' ny hoe mikarama vary masaka , tsy mandray karama ny ankamaroan'ireny ... Ny olona @ tany mahantra no mbola azo mora foana @ le hoe karama vary masaka .. fa tsy mba ny tanora @ firenena mandroso mihintsy ... de tsy mahagaga raha ho ahy manokana ny mahatonga ny firenena lehibe tsy hisy manao relijiozy intsony .... Resaka samy isika e....
Ny zavatra tsapako sy efa voaresaka tokoa tamin'ireo pretra sy relijiozy betsaka nandalo teo amin'ny fiainako dia misy isan-karazany ny fiantsoana ary tsy voafetra avy amin'ny fiainana iray na zavamisy iray na atao bamba iray.
64. ikaretsaka
(
14/04/2008 01:54)
soanja: izay no ilazako foana hoe ny hoe 1 tsy midika hoe izy rehetra
ary7 ny nety t@ ndrakoto tsy hoe iny koa no hiatra @ ndranaivo
ary7 ny nety t@ ndrakoto tsy hoe iny koa no hiatra @ ndranaivo
65. soanja
(
14/04/2008 01:57)
Ka iza hoy Ika nilaza fa izay aby ny relijiozy rehetra? mahantra dia nanao relijiozy aby ny rehetra? tsy izay velively ka. Samy mba nitanisa ny antony teo aby ny rehetra.
66. soanja
(
14/04/2008 02:05)
Tsy fahotana velively ny fidirana hanao pretra na relijiozy amiko raha ny fahantrana no nanosika azy hanao izany satria izay aza no atao hoe fikasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainana.
