MAHAFOY FOTOANA VE IANAO NA MINITRA VITSY MONJA AZA!!!
61. endrika01 (
06/04/2008 13:37)
Tsy handeha hilaza aho hoe manambany tena ny olona manetry tena be, fa araka ny hevitro dia mety ho entin'ny fananana toetra SARO-KENATRA ohatra, dia manjary MANAMAIVANA na MANAMBANY ny TALENTA ananany ny olona iray.. ary tsy MAHATOKY TENA intsony raha vao manana izay fahazarana izay..
...dia toy ny mpamoron-kira e, ny mpihira no lasa star fa ny mpamorona any ambany gorodina tsy dia hita firy, tsy fantatra aza indraindray...nefa manana FIADANAM-PO any anaty any (satisfaction personnelle)
dia io lay voalaza hoe FANETREN-TENA ô! =D> =D> =D>
Raha fantany ny tenany fa tsy manana talenta ny hiaka-tsehatra hihira; na hilalao theatre;... dia tsy midongizina hoe tsy maintsy hanao izany izy fa mahay MANETRY TENA ka mijanona ho MPAMORONA ihany...
Raha fantany kosa fa manana ireo talenta ireo izy anefa tsy mahasahy fa mety ho saro-kenatra dia MANAMBANY ny talenta hananany izy ary mety ho faty ao aminy aza izany rehefa ela ny ela tsy hasehony... ny tokony hataony dia mianatra sy mikolokolo ary manamafy ny talenta ananany...
Hono hoy aho ry endrika01... mananihany ahy indray ianao fa \"nanatsàfa\" aho ann
Aoka aaaza e...
Nanaitra ahy ny lohateny narosonao fa nampahatsiahy ahy ramatoa be iray mahavita an\'izany manàsa tongotra izany ary manana fanetren-tena goavana, ka naniry ny hanana toetra tahaka azy aho, maniry ny hanana toe-panahy araka an\'Andriamanitra... io olona io no ao anaty eritreritro eo am-panazavàna ny hevitro