Momba ny serasera

1. hery ( 07/03/2008 10:33)
Betsabetaka ihany ny resaka momba ny serasera sy ny "admin" tato ho ato ka eto no ezahiko hamaliana sy handravonana azy indray mandeha (ary fantatro fa tsy maintsy mbola haverimberina ihany satria tsy takatry ny sasany)... dia araho tsiky dia ampy isaky ny paragraphe :-)

Raha manana zavatra holazaina ianareo dia apetraho ny laharan'ny zavatra hovalianareo satria maromaro ihany ilay holazaiko :-)

1. Resaka xxx. Efa naverimberina teto ny fanadihadiana sy ny hevitra maro momba ny hitazomana na tsia ny xxx. Tamin'ny farany dia tapaka ny hevitra hoe hotazomina ihany ny xxx fa ilaina. Ny admin-n'ny lohahevitra tsirairay dia mahalala hoe iza no manao xxx ka ry zareo no anontanio raha misy olana.

2. Momba ny hoe "Tsy i ranona ny xxx". Angamba aho tsy mba ohatra ny sasany "maharaka" ny fomba fiteny sy ny fomba fanoratra eto @ forum. Tsy misy olona tena mi-intéresser ahy ka harahako maso toa izany. Ankoatra izay fantatrareo dia tsy manana afatsy ny ps sy ny ip ary ny email aho hahalalana hoe olona mitovy ve i anona sy anona. Dia izay no teneniko rehefa miteny aho hoe "Tsy i anona i xxx".

3. Resaka tenimiafina. Araka ny fanazavana efa natao dia crypté ny mot de passe eto amin'ny serasera. Amin'ny lafiny teknika dia mampiasa ny cryptage md5 no ampiasaina izay irreversible ka impossible ny faminavinana hoe inona ny mot de passe-n'ilay olona. Noho izany dia averina indray fa ara-teknika tsy misy olona afaka mahalala ny tenimiafinao. Matoa misy mahalala dia na novinavinainy satria mora loatra (ohatra hoe date de naissance etc), na nomenao olona. Na ny Admin aza dia tsy afaka mahalala ny mot de passe-nao.

4. Resaka admin? Misy sokajin'admin maro eto amin'ny serasera. Raha vonona koa ny hafa dia raisina an-tanandroa. Arakarak'ireo sokajiny ireo ny "fahefana" ananany. Tsy misy admin afaka mahalala ny tenimiafina na iray aza araka ny nolazaiko etsy ambony. Tsy misy fomba hamakiana ny hafatry ny tsirairay ihany koa raha tsy manana tenimiafina. Ary tsy misy admin afaka manao izany. Tsy resaka moraly io fa resaka teknika. Ny zavatra farany lavitra hitan'ny admin 2 (dia i hery sy lanto) dia ny adiresy email sy ny IP.

5. Mba manana moraly ihany ny admin. Efa an-taonany maro no nitantanana ity serasera ity, efa mba nisy ihany ny traik'efa hita na dia kely aza. Efa mba nandalo sedra maromaro ihany ny serasera. Raha sendra nisy aza ny possibilité nahafahana mijery ny kaontin'ny hafa (satria omeny ny tenimiafina, ohatra hoe te hampiditra sary sns) dia ezahiko lavina foana izany ary hevitra hafa no atoroko azy mba tsy hidirako ao amin'ny kaontiny. Manjary mifangaro amin'ny maha admin mantsy izany.

6. Momba ireo tsy manara-dalàna. Misy maromaro ihany ny tsy manaraka ny fitsipika. Tsy araka anefa izany ary ny admin @ forum koa indraindray tsy maharaka. Noho izany dia izay handraisana fitarainana ihany no tena hita sy iharan'ny sazy. Mba hialana amin'ny tombo sy hala dia aza manaiky fa mandefasa fitarainana raha misy tsy manaraka fitsipika.

7. Momba ny fifandraisan'ny admin eto @ forum amin'ny namana. Ny admin dia mpikambana tsotra ihany. Hitanareo tetsy ambony fa tsy manana fahefana be akory ry zareo fa mpandamina aza no tena asany. Mamfa dinika tsy ara-dalàna, mamindra ny dinika diso toerana, mahita ny ps xxx no azony atao amin'ny maha admin azy. Noho izany dia afaka miaina tahaka ny namana tsotra koa izy, ary azo faizina tahaka ny namana tsotra koa rehefa tsy manaraka ny fitsipika. Tsy misy fitsipika voasoratra manokana momba ny admin fa fitsipika ara-moraly sy ny konsiansy no mitondra azy. Koa tahaka ilay voalazako etsy ambony, mifototra amin'ny fitarainana ihany no hahafahana mijery ny tsy mety ataon'ny admin.

8. Momba ny admin samy admin. Misy fomba hifandraisan'ny admin amin'ny fandaminana ny serasera. Na amin'ny dinika manokana izany na amin'ny hafatra na amin'ny chat sns. Na dia samy manana ny fiainany aza dia mba mifandray ihany izahay indrindra rehefa misy zavatra tokony hovaina sy tokony harenina. Mila ho isaky ny hariva, ohatra, izahay sy lanto dia mifanontany ny vaovao nitranga sy ny zava-misy manaitra eto amin'ny serasera. Isaky ny sokajiny koa dia mifandray ny admin. Koa raha misy tsy mandeha dia ilazao fotsiny izay admin isan'antokony. Tsy voatery ho i hery no hiandraikitra ny rehetra.

9. Serasera tsy mialon-jafy. Angamba isika indraindray mieritreritra hoe ry anona... tsy tokony ho eto amin'ny serasera noho ny antony manokana any ambadika any. Tsy izany anefa fa tena tsy mialon-jafy ny serasera. REhefa mahafehy ny fitsipika anatiny ka manaja izany fitsipika izany dia afaka miaina eto anivon'ny serasera. Mijanona ho fitaovana ny serasera.

10. Momba an'i hery. Raha misy (tsy) fitiavanareo azy manokana dia aza afangaro amin'ny (tsy) fitiavanareo serasera izany.

11. Resaka fiainana manokana. Samy manana ny fiainany manokana isika ary tsy tokony hifangaro eto amin'ny serasera izany. Raha manana olana manokana any ivelan'ny serasera dia vahao any ivelan'ny serasera.

Misaotra dia mazotoa daholo indray

Tsiky dia ampy.
novalian'i ds ny 14/03/2008 00:03
2. hery ( 07/03/2008 10:36)
Lohahevitra napetrako ito fa tsy lohahevitra napetrakareo :-) dia aza ampidirina eto izay resaka personnel-nareo any.

Tsisy resaka ps io nosoratako io n'iza n'iza. Alohan'ny hamaly dia vakio ny fitsipika http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/policy indrindra ilay hoe

Ny hafatra manohintohina ny fifandraisana amin'ny ompa, fanenjehana bontolo, fanaratsiana mivantana na ankolaka mihatra amin'ny namana mpikambana (amin'ny fampisehoana solonanarana), na ny tomponandraikitra, na olona hafa ka handraisana fitarainana dia hoesorina ary mety hiafara amin'ny fanesorana tsy ho namana ny mpikambana nanoratra azy.


3. bozyboleta ( 07/03/2008 10:39)
:wink:
4. Ylly ( 07/03/2008 11:07)
hery:

Lohahevitra napetrako ito fa tsy lohahevitra napetrakareo :-) dia aza ampidirina eto izay resaka personnel-nareo any.

Tsisy resaka ps io nosoratako io n'iza n'iza. Alohan'ny hamaly dia vakio ny fitsipika http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/policy indrindra ilay hoe

Ny hafatra manohintohina ny fifandraisana amin'ny ompa, fanenjehana bontolo, fanaratsiana mivantana na ankolaka mihatra amin'ny namana mpikambana (amin'ny fampisehoana solonanarana), na ny tomponandraikitra, na olona hafa ka handraisana fitarainana dia hoesorina ary mety hiafara amin'ny fanesorana tsy ho namana ny mpikambana nanoratra azy.



Misaotra Tompoko.


5. cutie ( 07/03/2008 11:38)
niha hentitra ny tompon'andraikitra:-D:-D:-D:-D
6. fahamarinana ( 07/03/2008 11:42)
:arrow: Voaray e ,merci tamin'ny fanazavana(l)
7. ainaheri ( 07/03/2008 13:02)
misaotra ee mazava hoazy otran'ny karatry naivo:roll:(miala tsiny ra misy ps naivo ato a)

Ary saika hikozy mitsy za we,refa mampiditra resaka admin sy momban'ny sera² raHery d misy gidraka fona l izy klé!!
8. kiadi ( 07/03/2008 13:35)
lava lotra klé !
9. yonikafopl ( 07/03/2008 15:49)
kiadi :-$
10. kiadi ( 07/03/2008 17:55)
ouf! voavaky ihany!:-D:-D:-D
11. Veloo ( 07/03/2008 18:35)
cutie [ Valio ] 07-03-2008 12:38:38
Lohateny : Re : Momba ny serasera
niha hentitra ny tompon'andraikitra


hihihii:-D:-D:-D:-D
12. cutie ( 07/03/2008 19:47)
veloo:-$
13. Veloo ( 07/03/2008 20:18)
cutie :oops::oops::oops:
hihihihih ihany ka
14. cutie ( 07/03/2008 21:00)
:wink::wink::wink::wink::wink::wink:
15. yonikafopl ( 07/03/2008 21:03)
refa miditra ato de mitsaitsaika,de mamaky ,de :-$:-$^:^^:^
16. mmmhh ( 08/03/2008 08:00)
msôtra e, voaray :D
17. diamondra27 ( 08/03/2008 08:32)
hery:
misaotra anao be de be nanazavva sy nanao resumé

de ahoana ndray ny @ resaka fako zany? ahoana ny fipetrany? ny admin retra ve mahazo mijery sa ahoana, de ny mpikambana koa ve mahazo mijery
misaotra tompoko


18. tess ( 08/03/2008 09:06)
diam: ny mpikambana toa tsy manana accées any fa ny admin rehetra no tsy haiko aloha
19. fahamarinana ( 08/03/2008 09:07)
:arrow:andraso aloha fa angaha misy poubelles koa ao,8O(l)
20. tess ( 08/03/2008 09:13)
fahamarinana:http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m47558a5f1cdb3
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4495