marary lamosina

41. Veloo ( 29/02/2008 00:32)
keliteresy a andramo mihitsy mety tsy mila une semaina akory njy manao an;io. dokotera frantsay io an hihihihih

Relaxe baby :-*:-*:-*
42. tess ( 29/02/2008 06:23)
veloo: mba hanajana io kou zà zany fa ity wa no try azoko e!
Ampidino doly ny rehetra dia tereo ny vodin-njy (folo) inona aky ny ampidirina rehetra izany:^):-D:-D:-D:-D
43. niryna ( 29/02/2008 07:18)
Saiky marary lamosina avy ny olona ary rehefa natao ny fandinihana dia 75% ny olondehibe no marary lamosina.
Misy karazany maro no mahatonga an'izany :
ao ny fomba fipetraka eo anoloan'ny seza,mila miankina na asiana fiankinana ary mila mijoro tsara ny soroka fa raha miasa isika ka mipetraka foana dia mety ho vokoka any amin'ny andro farany.
Mila manao exercice kely indrindra rehefa miasa be iny ny saina (lefahana ny atoka,ny loha,ny soroka,ny tanana ,ny lamosina ary ny tongotra)
Raha mipetraka elabe isika dia midina eo amin'ny fotombenana daholo ny lanjantsika ka izany ihany koa no antony iray mahatonga ny lamosina marary.Mila mitsangana,mipetraka ary mandehandeha matetika izany fa tsy azo atao ny mijanona eo amin'ny seza ohatra hoe adin'ny roa tsy miato.
Asio zavatra avoavo koa eo ambanin'ny tongotra rehefa hipetraka na boky izany.
Rehefa mipetraka ihany koa dia fadio ny manao x na mametraka ny tongotra havia eo ambonin'ny tongotra havanana ,misintona ilay nerve ihany koa.
Raha vehivavy dia fadio manomboka anio ny manao kiraro avo fototongotra,mila manao petapetaka amin'izay ary tsy indraindray ihany no manao an'io na anaovy ny kiraro petaka dia rehefa misy lanonana dia soloina kely amin'ilay avo :D
Raha lehilahy indray dia mila manena ny kibo ,toy izany koa ny vavy.
Ny fanaovana exercice no manalefaka ilay lamosina marary fa tsy manasitrana azy akory.
Misy mila didina mihitsy kanefa dia mamporisika ny rehetra aho fa raha tsy tena grave be dia aza atao.
Rehefa matory dia asio ondana eo amin'ny elakelan'ny fe ,ary serviette aforitra no ataovy ondana.Alaina ny serviette lehibe dia aforitra roa ary dia avalombalona toy ny mofo dipaina ilay izy dia iny no atao ondana.Sady manampy ny lamosina io no manampy ny tenda sy ny hatoka na manao ondana iva ihany koa.
Fadio ny matory amin'ny kibo fa raha ohatra ka zatra amin'izany hianao dia asio ondana eo ambanin'ny kibo.Io no antony iray mankarary ny lamosina koa
Rehefa tena marary be iny ny lamosina dia matoria amin'ny tany,zavatra mafy fa tsy malemy.Raha kidoro eponge izany no hatorianao dia vao maika miletaka manaraka ny vatana ilay izy ka dia sahirana vao ho sitrana.
Rehefa matory mitsilany dia asio ondana eo anelanelan'ny fe ary aza matory manao X amin'ny tongotra mihitsy fa misintona ny nerve avy any a
Mila manena kibo ihany koa fa ilay lanjan'ilay kibo be iny dia misintona ny nerve ihany koa.Raha te hihena ny kibo dia misotroa rano betsaka(valo kaopy isan'andro)+ the maitso (5 kaopy )+ ny fihinana vary na pasta na zavatra vita amin'ny lafarinina toy ny mofo izany,mila hanesorana ny fihinana an'ireo ka soloina salade sy voankazo no atao betsaka.Misotroa rano 30 mn alohan'ny hisakafoana dia manampy ny tena tsy ihinana sakafo betsaka.
Raha noana be dia misotroa aloha rano vao mividy sakafo na mihinana fa ilay fahazotoana homankanina ao anatin'ny hanohanana indraindray tsy hitahita dia mahalany be :D
Mihinana sakafo adin'ny roa alohan'ny hatory,
amin'izay levona tsara ny sakafo,misy mantsy efa hatory mihitsy izy vao mihinankanina ka izany ihany koa no mahatonga ny kibo ho ngeza,tsy afaka mandevona sakafo tsara vao matory.

Izay aloha fa lavabe
44. niryna ( 29/02/2008 07:27)
Inona no antony mahatonga ny aretina lamosina?
Misy karazany maro fa izay tadidiko ihany no zaraiko anareo.
Rehefa mibata zavatra isika dia mila miforitra ny lohalika manakatra iny zavatra iny eo anoloana fa tsy tonga dia ny lamosina no aroso eo anoloana .
Mila raisina kely aloha ilay zavatra bataina na mavesatra zakantsika na mila mpanampy vao miforitra kely ny lohalika dia mibata ny tanana.
Ny manao zavatra ao anatin'ny hatezerana ihany koa dia fadio fa indraindray ny saina tezitra ny vatana fotsiny no mibata tsy misy eritreritra hoe ahoana no tokony ataoko (io dia maro no voan'io fa ela vao tonga saina)
Misy mifandrirotra any amin'ny nerve ary rehefa tena grave ilay aretina lamosina dia midina any amin'ny tongotra,dia mahazo ny ratsan-tongotra ary dia voly daholo koa aza ny tongotra iray manontolo.Tsy izy roa anefa io fa arakaraky ny nerve mahazo na mifandrirotra ihany koa.
Raha azo atao dia mila manatona ireny toerana fanorana ireny,ary raha tsy misy na tsy afaka dia alaivo ny baolina tennis mavo ireny dia asio roa na telo eo amin'ny lamosina dia iny no ataovy fanorana.Matory amin'ny tany izany dia iny no atao mandehandeha eo amin'ny lamosina.Mety ampiasaina koa io raha reraka ny tena ka atao ao ambanin'ny faladia,ao ambany ao daholo mantsy no misy ny aretina rehetra mahazo ny tenantsika.
45. niryna ( 29/02/2008 07:44)
Ilay lamosina marary dia misy karazany roa ,ny iray lamosina ambony ary ny iray lamosina ambany.
Ilay lamosina ambony dia misy fiantraikany amin'ny hatoka ,ny soroka,ny tanana,ny ratsana.
Ary ny lamosina ambany dia io voalazako eo ambony io,ny fitombenana,ny tongotra,ny faladia.
Ireto misy karazana "exercises" dia anjaranao no mijery izay mahazo ny lamosina na ambony na ambany.
Raha manao "exercises "ka tsy vita ilay izy na marary reo am-panaovana azy dia hajanona aingana fa aza tohizana.


Raha lamosina ambony no marary dia ireo no atao ,ka manisa 10 isan'isany dia avereno in-telo.Ataovy tsikelikely ary raha vao hifoha iny no tena tsara dia rehefa tonga avy miasa indray ,ny sasany moa dia eo am-pipetrahana miasa dia afaka manao izay azo atao tsikelikely eo.
46. niryna ( 29/02/2008 07:50)
Raha ny lamosina ambany indray no marary dia ireto no andramo atao.



47. fahamarinana ( 29/02/2008 07:57)
:arrow: merci akia niryna a,mbola tsy marary aloha hatreto fa aleo fantarina ihany ny mety azo hatao any aoriana e,mankasitraka e(l)
48. Veloo ( 29/02/2008 17:28)
tess [ Valio ] 29-02-2008 07:23:53
Lohateny : Re : marary lamosina
veloo: mba hanajana io kou zà zany fa ity wa no try azoko e!
Ampidino doly ny rehetra dia tereo ny vodin-njy (folo) inona aky ny ampidirina rehetra izany


ampidino doly ny tongotra aky a hihihiih
rehefa a plat ndry eo @ tany indry dia tereo ny vody tsy ainjy ve zany? ainjy foana io rehefa eo a plat eo @ tany njy ka tereo dia manisa folo.

Efficace be izy io simple ary tena nandaitra mihitsy
mazoto e.
49. ikaretsaka ( 01/03/2008 00:37)
kelly13:

veloo>ndraso ndray klou andramana ary! fa tena mampijaly le izy ka

ikaretsaka>aza mampitahotra ka


izay ny nanjo anahy dia miteny fotsiny aho ko
50. ainaheri ( 01/03/2008 00:37)
lay izy ko ve tsisy ifandraisany @ vavony e? Na stresser ko
51. niryna ( 01/03/2008 06:30)
fahamarinana :


:arrow:merci akia niryna a,mbola tsy marary aloha hatreto fa aleo fantarina ihany ny mety azo hatao any aoriana e,mankasitraka e(l)
tsy misy fisaorana e

ainaheri:

lay izy ko ve tsisy ifandraisany @ vavony e? Na stresser ko




Ny lamosina havanana ambony hono dia vokatry ny stress be loatra ka izany no antony iray mety mankarary azy.Fa ilay vavony indray no tsy fantatro.
dia ireo ambony ireo misy azo atao fa manampy koa .
52. kelly13 ( 01/03/2008 20:12)
misaotra betsaka ry zareo nanome conseils! mbola tsy nampiarina :oops: fa tsy ampy ny fotoana :-*
53. yonikafopl ( 01/03/2008 21:03)
kelly le tsy fahampian'ny fotoana mintsy no mampitombo ny aretindamosinjy :lol:
54. ikaretsaka ( 01/03/2008 21:08)
izay lazain'i yoni izay koa marina:-D
55. Veloo ( 02/03/2008 01:13)
o ry keliteresy a ndana aingana ataovy hihiih
56. kelly13 ( 02/03/2008 07:59)
ny tsihy tsy mbola naverin'i paposse t@ izy le nivarotra trondro sôsy, ny seza ndray nalain'i ikaretsaka hivarotany vandro! mba avereno kely @ zay azafady ny entako fa malahelo azy reo aho :°):°)

yonikafopl>zay mintsy fa mba tokony ampina kely 30mn farafaharatsiny ny 24h d mety tsy harary lamosina tsony za :wink:

veloo> ao klou njy ataoko coatch kely e :wink:
57. ikaretsaka ( 03/03/2008 00:57)
ko raha tsy mahatakatra ny sezany sy ny tsihiny manokana ny olona ko hindrana ny an'i kelly 13..
mba mandeha ihany ange ny varotray na izany aza e
58. kelly13 ( 03/03/2008 09:25)
ka zay le nolazaiko oe avereno @zay le anahako
59. yonikafopl ( 03/03/2008 09:48)
ika avereno ny zavatr'oll so mitombo eo ny aretin-damosiny fa stresser eo njay izy aaaaa:-D
60. Veloo ( 03/03/2008 16:12)
veloo> ao klou njy ataoko coatch kely e

:-D:-D:-D:-D andraso fa ho avy any e hihihih
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2001