Sola Scriptura 2

1. hery ( 13/02/2008 11:45)
12 ny mpianatr'i Jesoa. Samy nasaina nampianatra sy nitory ny filazan-tsara avokoa.

Nisy tamin'izy ireo no nanoratra satria afaka nanoratra ka voatahiry ao anaty Baiboly ny nosoratany. Firy tamin'ireo 12 ireo izany?

Ireo izay tsy afaka nanoratra kosa noho ny antony maro samihafa dia nampitainy tamin'ny teny tsy voarakitra antsoratra ny fampianarany. Natoky izy fa hifampita izany teny izany ka ho mpampianatra indray ireo ampianariny. Io ilay lovan-tsofina.

Dia nahoana no lavina ny fampianarana napetrak'ireo izay tsy mba afaka nanoratra fa lazaina fa "izay voasoratra dia voasoratra"? Ary izay voasoratra ihany no tena Teny?

Be loatra sy mikorontana ihany anefa ny hafatra niampita ka dia nisy indray ny olona vitsivitsy izay efa mpitarika sy mpampita ny hafatra ihany nasaina nandinika sy namaofy izany hafatra izany. Ary nilaza azy ho azon'ny mpino tsotra. Dia io ilay Fiangonana soloin'ny Eveka tena.

Izay no maha-telo ny loharanom-pinoana ho an'ny Katolika. Baiboly, Lovantsofina, Fampianaran'ny Fiangonana.

novalian'i prime ny 26/02/2008 11:33
2. hery ( 13/02/2008 11:47)
Lalindalina kokoa: http://katolika.org/index.php?option=com_content&task=view&id=235&Itemid=36

Fifandraisan'ny Soratra Masina sy ny Lovantsofina
3. prime ( 13/02/2008 13:10)
Fototra ara-baiboly tsy misy ambara...
Fa ny fanontaniana dia ny hoe, marim-pototra sy azo itokiana ve ny lovan-tsofina sy ny fampianaran\'ny fiangonana raha ny soratra aza azo novaina??? eo no tena mipetraka ny dinika...
4. hery ( 13/02/2008 14:28)
Tsy misy hambara ahoana ny fototra ara-baiboly?

Mitovy ihany ny zavatra hitan'ireo mpitatitra antsoratra sy mpitatitra am-bava. Tsy nisy nandray antsoratra teo no ho eo fa samy nitantara rehefa taty aoriana, ny sasany fotsiny nitantara antsoratra, ary ny sasany nitantara am-bava.

Ny nitantara antsoratra koa dia mbola azo atao hoe lovantsofina antsoratra ihany satria tsisy photocopie sns.

Koa raha azo nitokisana ireo nampita an-tsoratra (izany hoe ireo nandika ny voasoratra sy nanaparitaka izany) nahoana no tsy hitokisana ireo nampita am-bava? (izany hoe ireo nihaino ny voalaza sy nanaparitaka)
5. rakaroka ( 13/02/2008 14:39)
Fihevitro na lovantsofina na voasoratra, misy foana ny "remise en question" rehefa tsy mazava ny "message"ampitaina amin'ny olona.Ary manamafy ny voalazan'i Hery eto aza aho mahatsiaro ireo fitaizana tany ambanivohitra, izay na tsy namaky ny baiboly loatra raha tsy nanomboka tamin-dRanavalona toa nifanaraka tamin'ny baiboly mihitsy tahaka ny fanajana ny zoky ray aman-drenin'ny ntaolo ohatra,sns
6. ikaretsaka ( 13/02/2008 15:18)
ny ahy ny principe-ko dia ohatran'ny rano io...

Ny Baiboly dia toy ny rano:marina fa hoe Ilaina ny rano... fa saingy tsy hoe ny rano ihany akory de mahavelona, ilaina dia koa ny mampiasa zavatra hafa ankoatran'ny rano"

rakaroka:
fihevitro na lovantsofina na voasoratra, misy foana ny "remise en question" rehefa tsy mazava ny "message"ampitaina amin'ny olona.

Ekena 100%
7. lagoon ( 13/02/2008 15:29)
Jereo LIoka I 1-4,
Mazava tsara ange io fa tsy nahita an'i Jesosy izany i Lioka e,nefa dia notazomina tao anaty Baiboly izay lovan-tsofina henony.Izany hoe maro ny zavatra tsy marina ao.Tsy misy porofo!!
8. ikaretsaka ( 13/02/2008 16:44)
nahita izy ka...
9. rijadolly ( 13/02/2008 17:05)
Eo amin'ilay hoe lovan-tsofina sy ireo mpianatra nahay nanoratra .
hery:
Mitovy ihany ny zavatra hitan'ireo mpitatitra antsoratra sy mpitatitra am-bava. Tsy nisy nandray antsoratra teo no ho eo fa samy nitantara rehefa taty aoriana, ny sasany fotsiny nitantara antsoratra, ary ny sasany nitantara am-bava.
Mazava amin'izany kosa fa tsy tokony hisy zavatra mifanipaka ny voasoratra sy ny lovatsofina.Ary hinoako fa tsy ny fitadidian'ilay nahay nanoratra irery no nadika tao fa mba nisy koa,ary tsy vitsy ny an'izay tsy nahay nanoratra.Sa samy te-role ry zareo ka nanao hoe ny ahy izay hitako sy reko ihany no soratako fa ny an'nao tsy marina sy tsy misy.Ny tiako hatongavana dia izao ny voasoratra dia tsy hinoako fa tsy hevitry'ilay mahay manoratra irery fa tao koa ny an'tsy mahay sy ireo mahay manoratra hafa koa.Manamarina izany amin' fahitako azy dia ny fiverenan'toko sy andininy teny mitovy(Matio,Mark,Lioka,Jaona)
10. ikaretsaka ( 13/02/2008 17:23)
betsaka ny nifanipaka kah... fa misy moa le hoe marimaritra irsaisana ka de

betsaka ny nahay nanoratra ka misy ankoatran'izy 4 nitsam koa nanoratra ary tsy mifanipaka mihitsy koa ..
saingy.... konsily konsily
11. razaordira ( 13/02/2008 18:10)
Hery a. Araka ilay e-mail nalefako tany aminao andro vitsivitsy lasa iny dia tsy mety tafiditra ao amin' ny blog-ko aho (Blaogy.com).
Inona kay no tokony hataoko ?
Ny mahagaga dia afaka miditra forum soa aman-tsara toy izao aho nefa tsy tafiditra amin' ny blog-ko ao amin' ny Blaogy.com mihitsy.


12. ikaretsaka ( 13/02/2008 18:43)
razaordira:

Hery a. Araka ilay e-mail nalefako tany aminao andro vitsivitsy lasa iny dia tsy mety tafiditra ao amin' ny blog-ko aho (Blaogy.com).
Inona kay no tokony hataoko ?
Ny mahagaga dia afaka miditra forum soa aman-tsara toy izao aho nefa tsy tafiditra amin' ny blog-ko ao amin' ny Blaogy.com mihitsy.


tsy tokony tato kosa angamba ity hevitra ity sa?

13. fijo ( 13/02/2008 21:28)
mazava tsara tokoa ny fanazavan'i hery.saingy izao,na ny tahiry antsoratra na ny lovantsofina dia inoako marina fa samy nisy fihovana teny andalana teny.ka izay no olana.satria araka ny fantatra di atsy ilay tena niaina azy no nanoratra sy nitantara ,fa efa olona niampita.

fa ny tena resak amoa eto dia ny "sola scriptura"ilay hiadivana lava hoe ampy ve ny loharano tokana.amiko raha resaka tsy hay"tsy mbola nisy nahita wa isika izay nisy tany"dia tsy tokony hionona amina fototra iray.iny izao fa hita koa ny evanjelin'i jodasy.nahoan ainy no tsy ahely koa ahalalana izay mba heviny ,satria izy koa anie niara niaina tamin'i lery tao e.
amiko dia mazava,tsy ampy,raha izany baiboly izany fotsiny no hoatao fototra fa resaka ao ianareo raha vao misy mitsikera lalina ioboky be korontana io
14. ikaretsaka ( 13/02/2008 21:34)
izay,, ny evanjelin'i Jodasy, evanjelin'i Barnabe, Taratasin'i Clement.sns....
(any amin'i soanja listra be) tsara jerena aloha
15. fijo ( 13/02/2008 21:40)
izay mihintsy.za aza mba miangavy anareo amin'ilay blog kato,mba hamoak aireny soratra rehetra ireny ,ahafahan'ny rehetra mba mandinika izay nisy aloha
16. ikaretsaka ( 13/02/2008 22:13)
ny an'i augustin sy ignace izao no kandraiko moramora ato
17. fijo ( 13/02/2008 22:16)
izay azo avoaka dia avohay e.na tsy inoana aza dia soa ny ahalalana izay nisy
18. ikaretsaka ( 13/02/2008 22:36)
ny sasany kosa efa misy fa @ teny vahiny e... efa feno ao..
19. fijo ( 13/02/2008 22:48)
mijery ihany aho ka.
20. ikaretsaka ( 13/02/2008 23:16)
fa laaaaaaaava be ange lety raha atao teny gasy ilay summa theologica ohatra na tome 1 @ confessions e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2556