Ampidiro aloha ny tenimiafina
Sola Scriptura 2
41. xxx
(
15/02/2008 07:13)
pissoa:
LazaDaddy:
Ary tsy novakianareo ilay fahatelo hoe Fampianaran'ny fiangonana kanefa tena important be.anisan'izany ny fivarotana famelan-keloka...
Miala any indray ny mamampahaizana amin'ny famakiana tapany !!! Gooood, please, omeo maso iray hafa izy fa tena tsy ampy mihitsy le roa ... thanks !
:roll::cry::cry::cry:
42. prime
(
15/02/2008 11:43)
ikaretsaka:... tsy haiko na mamaky tsara ianao na terenao ny tantara hanaraka ny fampianarana noraisinao... izaho angaha niresaka fandravonana baiboly??? ny nanoratana ny filazantsara sy ny epistily tompoko dia nanodidina ny 90 taona ka hatramin'ny 120 taona taorian'i Kristy avokoa ny ankamaroany... ny fandravonana resahinao aza mbola taty aorian'ny fotoana nahitàna ireo horonan-tsoratra rehetra fa tsy tonga dia voaravoravona araka ny tianao ambara... mba mamakia tsara aloha ra-Ika a...
4 Sciecles taty aoriana vao naravona ny baiboly... ko hoe t@ mbola velona ireo apostoly?? sa nisy velona 4 sciecle ry prime?
ikaretsaka:... taiza no nisy niteny an'izany???
dia tsy "notsidihin'ny fanahy masina intsony" izany ireo vitsivitsy 2000 taona taty aoriana"???
ika:... ekena raha izay no maharesy lahatra anao... fa ny resaka etoana tsy ny fomba fahitako na ny fahitanao ny fitoriana filazantsara tena mahomby fa ny nataon'ireo Apostoly sy mpianatra tamin'ny fotoan'androny... tsy nety mihitsy izany sary izany raha tamin'izany satria karazan'ny nitolo-tena teo anatrehan'ny mpanenjika (diniho ny tontolo rehetra nisy fa aza variana amin'ny ankapobeny fotsiny ianao...) ary ny fahaizana sary tsy voatery ho talenta nananan'ny Apostoly sy ny mpianatra tamin'izany... aoka tsy hadino fa tany an-dava-bato sy tany am-pitrandrahana saribao sy vatosoa sy volamena no tena toerana nivoizana ny filazantsara fa tsy an-kalamanjàna loatra ary na nisy aza ny nahita lalana manokana toa an-dry Paoly sy ny namany nitoriana ampahibemaso dia voasoratra mihitsy aza fa voatorabato matetika ny Apostoly sy ny mpianatra ka sary toa ahoana no tokony nahomby toy izany ary tahiry taiza no nahitanao fa ny sary no fomba nahomby nataon'izy ireo tamin'izany???
tsy am-bava sy antsoratra no haingana indrindra raha resaka fampielezana ry prime fa an-tsary an....mahalaza teny firy moa ny sary hoy ilay fitenenana izay?
ikaretsaka> Dia aminao iza no manan-kery raha izany? izay voambaran'ny soratra masina sa izay lazain'ny papa???
43. ikaretsaka
(
15/02/2008 13:42)
.. tsy haiko na mamaky tsara ianao na terenao ny tantara hanaraka ny fampianarana noraisinao... izaho angaha niresaka fandravonana baiboly??? ny nanoratana ny filazantsara sy ny epistily tompoko dia nanodidina ny 90 taona ka hatramin'ny 120 taona taorian'i Kristy avokoa ny ankamaroany... ny fandravonana resahinao aza mbola taty aorian'ny fotoana nahitàna ireo horonan-tsoratra rehetra fa tsy tonga dia voaravoravona araka ny tianao ambara... mba mamakia tsara aloha ra-Ika a...
izao ary ... atao hoe 20 Taona ireo Apostoly ireo (ny tanora indrindra) t@ ny andron'ny faha Jesoa.. dia manodidina ny 90 taona taty afara ho'zy ianao ny nanoratana azy... izany hoe firy taona izany izy vao maty???8O8O8O
Ilay boky sy Pistily nosoratana rehetra misy ange tsy novakianareo akory sy rejetevanareo e
Mba logique ho'a rehefa mi argue.
dia ny conclusion dia miverina @ le lovan-tsofina sy fampianaran'ny eglizy nolazain'i Hery
Izay no maha-telo ny loharanom-pinoana ho an'ny Katolika. Baiboly, Lovantsofina, Fampianaran'ny Fiangonana.
44. hery
(
15/02/2008 13:48)
Taonjato maro taty aoriana vao voaravina ho boky iray ny baiboly. Nisy tokoa ny fanenjehana, ary nolazaiko hoe tsy nisy ny photocopie fa mandika tanana izay mandika. Vokatr'izany dia azo inoana fa nisy ny boky na takila very. Tsy hamelatra ny momba an'izany aho, toy ny hoe misy boky izay toa noterena hiravona fotsiny, misy ora tsy mifanandrify kanefa samy milaza fotoana iray sns. Izany hoe tsy dika mitovy tanteraka hatrany ny zavatra voatahiry an-taratasy.
Ka noleferin'ny Fanahy Masina izany ny fahadisoana nataon'ireo Mpanoratra sy Mpandika ireo? Eto fotsiny aza dia efa misy mandika tapany :-) sy mamaky fotsiny izay tiany hovakiana.
45. prime
(
15/02/2008 14:26)
ikaretsaka:... Mila mandalina ny momba ny mpanoratra tsirairay avy ny epistily sy ny filazantsara ianao fa manjary lojika araka izay fahitanao azy no ambaranao fa tsy ny zava-nisy marina...
izao ary ... atao hoe 20 Taona ireo Apostoly ireo (ny tanora indrindra) t@ ny andron'ny faha Jesoa.. dia manodidina ny 90 taona taty afara ho'zy ianao ny nanoratana azy... izany hoe firy taona izany izy vao maty???
Asa raha fantatrao fa ny ankamaroan'ireo Apostoly sy mpianatra nametraka ny epistily sy ny filazantsara dia tsy izy tenany no nanoratra azy fa ireo "scribes" sy ireo mpianany (disciples) avy... ka inona no tianao hoporofoina hoe raha 20 taona ny Apostoly tamin'ny andron'i Kristy... (ianao fantatro fa mpanadalina ka etoana dia mandaliana aloha ny fiainan'ireo nanoratra avy ny filazantsara sy ny epistily vao manao "argue" araka ny teneninao)
Izany no anitsiana ankehitriny ny famakiana ny filazantsara (na ny evanjely masina) hoe ny filazantsara araka an'i "...", ny epistily nosoratana ho an'ny "..." araka an'i "..." fa tsy toy ny taloha intsony hoe : handeha isika hamaky ny evanjely masin'i Jaona ohatra... sns
ikaretsaka:... Iza aloha ilay "ianareo" lazainao, fa raha ny tantara no arahina dia ny konsily no nanapaka hoe ireto no azo raiketina ho baiboly fa tsy "izahay" (tsy haiko hoe iza moa ilay izahay)... ary ny konsily ihany no ni-"rejetter" raha nisy izany ny evanjelin'i ry tomasy (na araka an'i tomasy) ohatra na ilay farany hita teo ilay an'i jodasy (na araka an'i jodasy) ohatra sns... izay evanjely tsy vaovao fa efa nisy hatry ny ela...:)
Ilay boky sy Pistily nosoratana rehetra misy ange tsy novakianareo akory sy rejetevanareo e
Mba logique ho'a rehefa mi argue.
ikaretsaka:... hay latsaka an-dalana ho azy ilay baiboly fa ireo indray sisa??? ianao koa ra-ika mba mahatsikaiky an...
dia ny conclusion dia miverina @ le lovan-tsofina sy fampianaran'ny eglizy nolazain'i Hery
hery:... ekena saingy ny votoatin'izay voasoratra dia mifandray na mifampitohy fa tsy misy mifanohitra... eo no herin'ny maha- asan'Andriamanitra azy...
Taonjato maro taty aoriana vao voaravina ho boky iray ny baiboly. Nisy tokoa ny fanenjehana, ary nolazaiko hoe tsy nisy ny photocopie fa mandika tanana izay mandika. Vokatr'izany dia azo inoana fa nisy ny boky na takila very. Tsy hamelatra ny momba an'izany aho, toy ny hoe misy boky izay toa noterena hiravona fotsiny, misy ora tsy mifanandrify kanefa samy milaza fotoana iray sns. Izany hoe tsy dika mitovy tanteraka hatrany ny zavatra voatahiry an-taratasy.
hery:... Tsy hoe noleferin'ny fanahy masina fa narahana tamin'ny dika fototra (teny grika, teny hebreo, teny arameana) hoe inona marina no tena tian'ilay nanoratra ampitaina dia nahitsy araka izay ny "dikan-teny" fa tsy ilay soratra fototra...
Ka noleferin'ny Fanahy Masina izany ny fahadisoana nataon'ireo Mpanoratra sy Mpandika ireo?
hery:... marina izany, malalaka tsy inona ny famakiana ny soratra masina... fa ny tena mahatonga izany dia satria samy manana ilay "interprétation" ahazoany azy...
Eto fotsiny aza dia efa misy mandika tapany sy mamaky fotsiny izay tiany hovakiana.
Fa ny itovian'izany ambara izany dia tsotra, ny soratra mitoetra ka na samy mandray izay tiany roritina aza dia misy "repères" satria voasoratra... na dia nisy aza ny tsy voasoratra sy tsy voatahiry (itoviantsika hevitra)...
Fa ny olana ambaran'ny namana ao ambony ao dia ny hoe ny voasoratra aza mbola mety hivily hevitra ka lovan-tsofina va azo itompoana teny fa tsy voavily hevitra???
Asa ianareo tany amin'ny secondaire (classe de seconde mihitsy raha tsy diso aho) raha mba efa nanao an'ilay "test de transmission" tamin'ny "technique de communication interpersonnelle" dia mampilahatra ankizy maromaro ny mpampianatra (mihoatra ny 20) manao lahara-manjohy tokana... dia miteny tranga iray na teny vahiny iray (izany hoe zavatra mila fitadidiana tsara, fahaizana mandray, fahaizana mizara, fahaizana mampita sy miteny amin'ny namana) ilay mpampianatra amin'izay ankizy eo anoloana eo dia mba ampitainy amin'ny aoriany mandrapahatonga any amin'ilay ankizy any amin'ny farany... fa na ahoana na ahoana dia tsy misy ifandraisany intsony ny tonga ary amin'ilay farany raha anontaniana ilay ankizy tany amin'ny lohany sy tany amin'ny farany...
Io dia "test scientifique" mazava fa betsaka "risques de perte d'information" ilay ampitaina am-bava ka mahatonga ny soratra (na lafo sy mandany fotoana ary mandany hery betsaka aza) tsara kokoa amin'ny fampitàna hevitra noho ny am-bava...
Io zavatra io dia efa tsapan'ny Apostoly sy ny mpianatra ka nahatonga azy ireo nandrakitra an-tsoratra izay sisa azo notehirizina mba tsy ho very amin'ny lovan-tsofina izay niasa be tamin'izany...
46. soanja
(
15/02/2008 14:32)
prime:
Fototra ara-baiboly tsy misy ambara...
:-D:-D Tsy azoko. Raha hino ianao dia ny fototra no jerena voalohany!!!! N'inona n'inona io!
47. ikaretsaka
(
15/02/2008 14:35)
... Mila mandalina ny momba ny mpanoratra tsirairay avy ny epistily sy ny filazantsara ianao fa manjary lojika araka izay fahitanao azy no ambaranao fa tsy ny zava-nisy marina...
Asa raha fantatrao fa ny ankamaroan'ireo Apostoly sy mpianatra nametraka ny epistily sy ny filazantsara dia tsy izy tenany no nanoratra azy fa ireo "scribes" sy ireo mpianany (disciples) avy... ka inona no tianao hoporofoina hoe raha 20 taona ny Apostoly tamin'ny andron'i Kristy... (ianao fantatro fa mpanadalina ka etoana dia mandaliana aloha ny fiainan'ireo nanoratra avy ny filazantsara sy ny epistily vao manao "argue" araka ny teneninao)
eo ianao izao dia efa tsy logique sy tsy consistent.. eo apostoly no lazainao sy itompoanao teny fa nanoratra sns dia niditra indray ilay lovan-tsofina (dia ahoana ihany?:roll:)
inona no hi se relievanao..
io anie ilay logique noteneniko e...
eo lazaina fa ampy tanteraka, izao izany lazaina fa nila lovantsofina....
dia ahoana ihany mihitsy? maka rangahy position iray fa aza miova repere ohatran'io an:-D
48. soanja
(
15/02/2008 14:42)
Ka raha ny fampianarana tsy nifindra tsara izany, inona zany ny olana tao? sao dia ny mpampianatra no tsy nahatafavoaka ny zavatra tiany ampitaina tsara????
Amiko, ireo rehetra inoantsika dia lovatsofina sy tantara avokoa ary nosoratana taty afara. Tafaran'ny nahafatesan'i Kristy avokoa.
Raha mba i Kristy no nanoratra dia tsy nisy ny olana.
Donko aza misahirana amin'izay tsy ahitana valiny tanteraka sy ny olana isan-karazany taritiny fa izay ahitana ny valiny ao am-po sy ny fitaritan'ny fanahy Mpampihavana no tadiavo!
Satria i Kristy dia tsy aiza fa ao am-pontsika raha vonona isika hifandray aminy.

49. soanja
(
15/02/2008 14:44)
soanja:
Amiko, ireo rehetra inoantsika dia lovatsofina sy tantara avokoa ary nosoratana taty afara. Tafaran'ny nahafatesan'i Kristy avokoa.
Ankoatran'ny Pentatoka sy ny tariny teo aloha moa izay efa ninoan'i Kristy ary nampiasainy tokoa tamin'ny fony fahavelony ireo soratra ireo.
50. ikaretsaka
(
15/02/2008 14:49)
lasa toa miha mirona @ ilay firehana baiboly, lovan-tsofina, fampianaran'ny fiangonana,
(Scriptures, Traditions, Infaillibilite an'ny Eglise) nolazain' i Hery
ihany anie i prime izany aty afara
fa tsy ilay hoe baiboly ihany (sola scriptura) ohatran'ny taloha intsony e
51. pissoa
(
15/02/2008 18:24)
prime:
... marina izany, malalaka tsy inona ny famakiana ny soratra masina... fa ny tena mahatonga izany dia satria samy manana ilay "interprétation" ahazoany azy...
Fa ny itovian'izany ambara izany dia tsotra, ny soratra mitoetra ka na samy mandray izay tiany roritina aza dia misy "repères" satria voasoratra... na dia nisy aza ny tsy voasoratra sy tsy voatahiry (itoviantsika hevitra)...
Fa ny olana ambaran'ny namana ao ambony ao dia ny hoe ny voasoratra aza mbola mety hivily hevitra ka lovan-tsofina va azo itompoana teny fa tsy voavily hevitra???
Asa ianareo tany amin'ny secondaire (classe de seconde mihitsy raha tsy diso aho) raha mba efa nanao an'ilay "test de transmission" tamin'ny "technique de communication interpersonnelle" dia mampilahatra ankizy maromaro ny mpampianatra (mihoatra ny 20) manao lahara-manjohy tokana... dia miteny tranga iray na teny vahiny iray (izany hoe zavatra mila fitadidiana tsara, fahaizana mandray, fahaizana mizara, fahaizana mampita sy miteny amin'ny namana) ilay mpampianatra amin'izay ankizy eo anoloana eo dia mba ampitainy amin'ny aoriany mandrapahatonga any amin'ilay ankizy any amin'ny farany... fa na ahoana na ahoana dia tsy misy ifandraisany intsony ny tonga ary amin'ilay farany raha anontaniana ilay ankizy tany amin'ny lohany sy tany amin'ny farany...
Io dia "test scientifique" mazava fa betsaka "risques de perte d'information" ilay ampitaina am-bava ka mahatonga ny soratra (na lafo sy mandany fotoana ary mandany hery betsaka aza) tsara kokoa amin'ny fampitàna hevitra noho ny am-bava...
Io zavatra io dia efa tsapan'ny Apostoly sy ny mpianatra ka nahatonga azy ireo nandrakitra an-tsoratra izay sisa azo notehirizina mba tsy ho very amin'ny lovan-tsofina izay niasa be tamin'izany...
Io lazainao io no heveriko fa isan'ny nampatsiahivan'i Hery tery ambony hoe
Hery:
Ny fisian'ny olana eo amin'ny Soratra sy ny Lovantsofina mihitsy no mahatonga ny loharano fahatelo dia ny Fampianaran'ny Fiangonana (Magistère). Tsy loharano vaovao io akory fa fanapahan-kevitra. Rehefa avy nandinika tao anaty fitarihan'ny Fanahy Masina dia manapa-kevitra hoe izao izany ny fampianarana.
Izany hoe tsy izay rehetra nisy nitantara akory dia ekena tsotra fotsiny.
55. prime
(
18/02/2008 11:54)
soanja:... efa voavaly io r'ise a...:-D (vakio ny any aloha rehetra any dia ho hitanao ny valiny... misaotra)
Tsy azoko. Raha hino ianao dia ny fototra no jerena voalohany!!!! N'inona n'inona io!
ika:... Mandaliana aloha rahalahy fa tsy ho azonao izany raha manana "préjugés" ianao a... efa namaky ny soratra fototra grika sy hebreo ve ianao? raha namaky ireo ianao ka mahafantatra tsara ny soratra fototra dia hazava aminao ny tiako ambara... raha tsy izany dia mifangaro aminao io hoe nahoana no ny Apostoly tokoa no nanoratra?...
eo ianao izao dia efa tsy logique sy tsy consistent.. eo apostoly no lazainao sy itompoanao teny fa nanoratra sns dia niditra indray ilay lovan-tsofina (dia ahoana ihany?)
Raha ny lalàna egyptiana rehetra tamin'ny andron'i Farao nifandimby no jerena ihany koa ohatra dia ny Farao no nanoratra azy... ny boky pentatioka rehetra ihany koa dia Mosesy no nanoratra azy... dia hoy ianao hamaly hoe angaha mbola velona Mosesy tamin'ny fidiran'ny zanak'israely tao amin'ilay tanàna nampanantenaina? ny bokin'ny Isaia Mpaminany izao dia nofehezina hoe izy no nanoratra azy, na dia nizara telo samihafa aza ny fototra iorenany, dia hoy koa ianao hoe fa firy taona Isaia no velona no nahita izany vanim-potoana rehetra izany? (dia izay ilay hoe mandaliana aloha)
ika:...tsy misy "hi se releviavako" loatra fa ny resaka dia dinika tsotra hoe hatraiza no fepetra hamaritana ny fahamarinan'ny lovan-tsofina... dia izay ihany...
inona no hi se relievanao..io anie ilay logique noteneniko e...
Ny hoe lozika mitombina na tsia dia fijery samy manana ny azy, fa ny nambarako dia tsy lozika fijery amin'ny fijery ankehitriny fa mampifandraika ny zava-nisy tamin'izany...
ika:... iza r'ise no miteny hoe "ampy tanteraka"???:) izaho r'ise efa manana "position fixe" ary tsy hiverina amin'izany intsony dia ny fanekeko an'i Jesosy ho fiainako a...:-D:)
eo lazaina fa ampy tanteraka, izao izany lazaina fa nila lovantsofina....
dia ahoana ihany mihitsy? maka rangahy position iray fa aza miova repere ohatran'io an
Tsy mbola niteny aho na dia indray mandeha aza hoe "tsy nilaina ny lovan-tsofina"...:)
soanja> nitovy ihany ny fomba fiasan'Andriamanitra na tamin'ny fanoratana ny TT na tamin'ny fanoratana ny TV...
ikaretsaka:... izaho angaha moa mandà hoe diso ny nolazain'i hery na hoe tsy mitombina??? tsia dia tsia tompoko ô... ny nambarako dia nisarika ny saina fotsiny hoe hatraiza no fepetra ahafahana mijoro fa tsy nisy nampiova ny fampianaran'i Kristy tamin'ny fandraisana ny lovan-tsofina sy ny fampianaram-piangonana?...
lasa toa miha mirona @ ilay firehana baiboly, lovan-tsofina, fampianaran'ny fiangonana,
(Scriptures, Traditions, Infaillibilite an'ny Eglise) nolazain' i Hery
ihany anie i prime izany aty afara
fa tsy ilay hoe baiboly ihany (sola scriptura) ohatran'ny taloha intsony e
pissoa> Misaotra... ekena tanteraka satria izay no rafi-pampianarana ekar...
Ny nambarako rahateo dia tsy dia tena mifanohitra velively tamin'ny nambaran'i hery fa nametraka "réflexions" ny amin'ny antony maro nahatonga "dérives" marobe teo amin'ny fiangonana kristiana voalohany fotsiny ihany... ka nahatonga ahy nametraka fanontaniana hoe, raha ny soratra aza mahatonga fiovan-kevitra, moa ny lovan-tsofina mahafehy izany??? hatreo ihany fa tsy lasa lavitra tsy akory...
ika:... ny ekeko dia ny fampianaran'i Kristy fa tsy ny "fampianaran'ny fiangonana"... misy mahasamihafa azy izany...:)
ka eken'i prime ve aloha ilay fampianaran'ny fiangonana?????
56. ikaretsaka
(
18/02/2008 13:25)
Hoy i ika:
ka eken'i prime ve aloha ilay fampianaran'ny fiangonana?????
... ny ekeko dia ny fampianaran'i Kristy fa tsy ny "fampianaran'ny fiangonana"... misy mahasamihafa azy izany...
reformuleko ary io teny io
eken'n'i prime ve ny fampianaran'i kristy ampitainy @ alalan'ny fiangonana
57. prime
(
20/02/2008 07:19)
Ekeko ny fampianaran'i Kristy amin'ny alalan'ny Apostoly sy ny Mpaminany ary ny Fiangonana... afapo ve Ika?
58. prime
(
20/02/2008 07:29)
Ekeko ny fampianaran'i Kristy amin'ny alalan'ny Apostoly sy ny Mpaminany ary ny Fiangonana... afapo ve Ika?
59. fijo
(
20/02/2008 22:46)
izany hoe ekena ihany ny fampianaran'ny fiangonana.io voatonona farany io