Sola Scriptura 2
22. hery
(
14/02/2008 10:52)
Ary tsy novakianareo ilay fahatelo hoe Fampianaran'ny fiangonana kanefa tena important be.
Ny fisian'ny olana eo amin'ny Soratra sy ny Lovantsofina mihitsy no mahatonga ny loharano fahatelo dia ny Fampianaran'ny Fiangonana (Magistère). Tsy loharano vaovao io akory fa fanapahan-kevitra. Rehefa avy nandinika tao anaty fitarihan'ny Fanahy Masina dia manapa-kevitra hoe izao izany ny fampianarana.
Finoana amin'izay no mahatonga hanaiky hoe ireo telo ireo no fototra hampitana ny fanambaràna. Tsy hoe finoana an'ireo telo ireo akory fa finoana fa ny Fanahy Masina dia miasa mahatonga ny fampianarana ho tafita.
Ny fisian'ny olana eo amin'ny Soratra sy ny Lovantsofina mihitsy no mahatonga ny loharano fahatelo dia ny Fampianaran'ny Fiangonana (Magistère). Tsy loharano vaovao io akory fa fanapahan-kevitra. Rehefa avy nandinika tao anaty fitarihan'ny Fanahy Masina dia manapa-kevitra hoe izao izany ny fampianarana.
Finoana amin'izay no mahatonga hanaiky hoe ireo telo ireo no fototra hampitana ny fanambaràna. Tsy hoe finoana an'ireo telo ireo akory fa finoana fa ny Fanahy Masina dia miasa mahatonga ny fampianarana ho tafita.
23. LazaDaddy
(
14/02/2008 11:46)
Ary tsy novakianareo ilay fahatelo hoe Fampianaran'ny fiangonana kanefa tena important be.anisan'izany ny fivarotana famelan-keloka...
24. prime
(
14/02/2008 12:16)
hery:... tsy misy ambara aho satria fiangonana kristiana ny fiangonana katolika ka tsy mahagaga raha mifototra amin'ny baiboly ihany koa...
Tsy misy hambara ahoana ny fototra ara-baiboly?
hery:... Mitovy tokoa ny zavatra hita sy niainan'ireo nahia sy niaina tamin'i Kristy fa ny fitantaràna izany dia tsy sahala velively fa samy nanana ny nanambaràny azy avy (araka ny fifandraisan'ilay nitantara tamin'Izy Andriamanitra, ny tontolo nanodidina, ny kolon-tsaina nifehy azy, ny tontolo ara-politika sy ara-tantara nisy, ny fitaizàna sy fanabeazana ary fahalalàna ananany, ny saranga nisy azy, ny toe-po, ny toe-tsaina sns...) ary soa fa nisy ny nahay nanoratra ka mba nandravona na izay kely voatahiry satria ny tsy fahatokiana intsony ilay lovan-tsofina indrindra no nahatonga ireo Apostoly nahazo fanorenana ho amin'izany hanoratra fa ndrao maty izy ireo ka hifanaritaka be ihany ny fampitàna ny tena nampianarin'i Kristy...
Mitovy ihany ny zavatra hitan'ireo mpitatitra antsoratra sy mpitatitra am-bava. Tsy nisy nandray antsoratra teo no ho eo fa samy nitantara rehefa taty aoriana, ny sasany fotsiny nitantara antsoratra, ary ny sasany nitantara am-bava.
Vao mbola tsy maty akory Kristy dia efa nifanaritaka izy 12 lahy, ny sasany miandrandra ny toerany rehefa tonga ny fanjakàn'i Kristy, ny sasany miady fitia manokana tamin'i Kristy... sns
Mbola teo avokoa ny ankamaroan'ny Apostoly 12 (Kristy efa niakatra) dia efa tsy nitovy hevitra, nisy ny nihazona ary nanamafy fa ho an'ny Jiosy irery ihany ny famonjena vitan'i Kristy, ny sasany nanamafy fa natao ho an'ny jentilisa sy izao tontolo izao ihany koa ny famonjena vitan'i Kristy, ny sasany nilaza fa tokony nifora avokoa rehefa manaiky sy mandray ary mino an'i Kristy, ny sasany nilaza fa tsy ny famoràna ny vatana no notakian'i Kristy rehefa mino ny olona iray fa ny famoràna ny fanahiny... sns tsy voatanisa...
Eo fotsiny dia efa mifanalavitra tsikelikely ilay fampianaran'i Kristy vokatr'ilay lovan-tsofina... soa fa noraiketina an-tsoratra izay voasoratra aloha azo atao ho fenitra entina ahalalàna marina izay tena nampianarin'i Kristy...
hery:... saingy ny soratra mipetraka fa ny teny manidina... ary ny soratra nohamasinin'ny fanahy masina ka manambara marina an'i Kristy no no manorina ny fahefàna faratampony amin'ny maha LOGOS ny teny ary anekena feno ny soratra masina ho amin'izany...
Ny nitantara antsoratra koa dia mbola azo atao hoe lovantsofina antsoratra ihany satria tsisy photocopie sns.
hery:... Fony mbola velona ireo Apostoly, vavolombelona marina nahita sy niaina niaraka tamin'i Kristy dia tsy nisy olana ny fampitàna am-bava satria afaka niverina tamin'ireo vavolombelona hoe, izany tokoa ve no nampianarin'i Kristy?... fa rehefa nihamaty tsikelikely ireo dia soa fa notsidihan'ny fanahy masina ny vitsivitsy hitahiry sy hanoratra izay azo notahirizina sy nosoratana satria fantatr'izy ireo fa mora miova ny voalazan'ny vava raha miohatra amin'ny voasoratra...
Koa raha azo nitokisana ireo nampita an-tsoratra (izany hoe ireo nandika ny voasoratra sy nanaparitaka izany) nahoana no tsy hitokisana ireo nampita am-bava? (izany hoe ireo nihaino ny voalaza sy nanaparitaka)
Io fiovàna lehibe io dia tsy tonga ho azy fa nifandraika akaiky tamin'ny zava-nisy niainan'ny Apostoly sy ny mpianatra ary ny mpino tamin'ny fotoan'androny... zavatra roa lehibe no nahatonga ny soratra ho taraiky vao nanomboka...
Voalohany, nieritreritra ireo Apostoly sy mpianatra fa "ho avy tsy ho ela Kristy" araka ny nambaran'Izy Kristy ka noho izany tsy dia nilaina loatra intsony ny hanoratra ny momba Azy fa efa ho tonga ny fanjakàn'Andriamanitra no sady rahateo azo natao ny nivarotra ny fananana rehetra ka niombonana izany ho an'ny fiangonana satria tsy ho ela dia ho avy Kristy... inona nefa no nitranga? nihamaty tsikelikely ireo Apostoly mbola sy tonga ihany Kristy (90 taona, 100 taona, 120 taona taty aoriana)... dia hoy ireo sisa sy mpianatra akaiky hoe handeha soratana aloha izay sisa tsaroana sy voatahiry tamin'ny nampianarin'i Kristy...
Faharoa, navaivay ny fanenjehan'ny fanjakàna rômana sy ny fivavahana jiosy ny kristiana ka tamin'ny sarin-teny sy ny fampianarana am-bava ary ny fitoriana ny filazantsara mivantana tsy nila soratra no fomba tsara indrindra nampielezana azy... ka na ny fotoana nanoratana ny momba an'i Kristy aza dia tsy vaindohan-draharaha loatra fa ny hampiely haingana (am-bava) no mahomby indrindra... na izany aza nefa dia soa fa nisy tamin'ireo Apostoly tsy maintsy nanoratra satria rehefa niely ny filazantsara dia tsy voavangy ara-potoana avokoa ny fiangonana niorina rehetra fa tsy maintsy natao an-tsoratra ny fitaizàna sy ny fananarana ary ny fampianarana rehetra satria nanafika sy namitaka ary nampiditra fampianarana diso marobe teo anivon'ny fiangonana voalohany kristiana ireny ny fampianaran-diso marobe... ka nentina nanamafy orina ny finoana ny soratra nomen'ireo Apostoly sy mpianatra afaka nanao izany toa an'i Petera, Jaona, Paoly, Lioka...
Ka ny tena olana dia tsy ny hoe tsy azo nitokiana ny lovan-tsofina am-bava fa ny hoe hatraiza no herin'ny fihazonana ny tena filazantsara marina nambaran'i Kristy niohatra tamin'ireo rivom-pandrosoana marobe nifanesy nanatrika ny fampianaran'i Kristy nolazaina am-bava... kely dia kely ihany...
hatreo aloha... (miala tsiny fa tena lava be satria tsy voambara tsara ilay hevitra raha notapatapahana)
25. ikaretsaka
(
14/02/2008 13:05)
.. Fony mbola velona ireo Apostoly, vavolombelona marina nahita sy niaina niaraka tamin'i Kristy dia tsy nisy olana ny fampitàna am-bava satria afaka niverina tamin'ireo vavolombelona hoe, izany tokoa ve no nampianarin'i Kristy?... fa rehefa nihamaty tsikelikely ireo dia soa fa notsidihan'ny fanahy masina ny vitsivitsy hitahiry sy hanoratra izay azo notahirizina sy nosoratana satria fantatr'izy ireo fa mora miova ny voalazan'ny vava raha miohatra amin'ny voasoratra...
4 Sciecles taty aoriana vao naravona ny baiboly... ko hoe t@ mbola velona ireo apostoly?? sa nisy velona 4 sciecle ry prime?
dia tsy "notsidihin'ny fanahy masina intsony" izany ireo vitsivitsy 2000 taona taty aoriana"???
tsy am-bava sy antsoratra no haingana indrindra raha resaka fampielezana ry prime fa an-tsary an....mahalaza teny firy moa ny sary hoy ilay fitenenana izay?
26. pissoa
(
14/02/2008 22:13)
LazaDaddy:
Ary tsy novakianareo ilay fahatelo hoe Fampianaran'ny fiangonana kanefa tena important be.anisan'izany ny fivarotana famelan-keloka...
Miala any indray ny mamampahaizana amin'ny famakiana tapany !!! Gooood, please, omeo maso iray hafa izy fa tena tsy ampy mihitsy le roa ... thanks !
27. ikaretsaka
(
14/02/2008 22:23)
efa 4 ny maso mbola tsy mahita afa tsy ny tapany @ eto ka hatreto.....
fa de manakory mihitsy ary
fa de manakory mihitsy ary
28. fijo
(
14/02/2008 22:53)
le fampianaran'ny fiangonana kosa aloha ,hialako tsiny ry zareo,fa io efa "interpretation"ka amin'ny maha interpretation azy izay,dia samy manana ny fahitany azy ny tsi1 1
29. ikaretsaka
(
14/02/2008 23:23)
rehefa "tsy ianao" sy ilay issue dirrect fa misy tetezamita mampita ilay zavatra ho anao dia interpretation aby e
30. fijo
(
14/02/2008 23:38)
ka eo no misy tsy anekeko azy.tsy milaza aho hoe ratsy ny azy,fa manana ny fahitako azy koa aho
31. ikaretsaka
(
15/02/2008 00:29)
dia tsy aleo letsy olona toy izay taratasy.. rehefa samy interpretation ihany
32. LazaDaddy
(
15/02/2008 02:03)
fijo:mitombina tsara io hevitrao io
le fampianaran'ny fiangonana kosa aloha ,hialako tsiny ry zareo,fa io efa "interpretation"ka amin'ny maha interpretation azy izay,dia samy manana ny fahitany azy ny tsi1 1
33. ikaretsaka
(
15/02/2008 03:45)
ka interpretation aby ho'a na olona na taratasy.... le taratasy anefa manamarina ilay olona...
ka ia amzay aza ro hinoana.. le taratasy sa le olona?
ka ia amzay aza ro hinoana.. le taratasy sa le olona?
36. LazaDaddy
(
15/02/2008 03:51)
io hevitra mazava be io ka :)
fijo:io no miverina amin'ilay fampianaran'ny fiangonana noteneniko ohatra etsy ambony
le fampianaran'ny fiangonana kosa aloha ,hialako tsiny ry zareo,fa io efa "interpretation"ka amin'ny maha interpretation azy izay,dia samy manana ny fahitany azy ny tsi1 1
LazaDaddy:
anisan'izany ny fivarotana famelan-keloka...
37. ikaretsaka
(
15/02/2008 03:53)
de efa nitoy le fanontaniana fa za averina ohatran'ny manao salegy ry LD an
eto isika izao
eto isika izao
ka interpretation aby ho'a na olona na taratasy.... le taratasy anefa manamarina ilay olona...
ka ia amzay aza ro hinoana.. le taratasy sa le olona?
38. LazaDaddy
(
15/02/2008 03:56)
ikaretsaka> taratasy sy olona no ampitovian'ise? Mahagaga...nefa na izany aza ilay taratasy milaza zavatra hafa...ilay olona mivarotra famelan-keloka.
39. ikaretsaka
(
15/02/2008 04:00)
fa samy nahazo autorite.. de le autorite azon'ilay olona nohamarinin'ny taratasy!
ny olona ma cree taratasy fa ny taratasy tsy maha creer olona izao ohatra
ny olona ma cree taratasy fa ny taratasy tsy maha creer olona izao ohatra
40. ikaretsaka
(
15/02/2008 04:01)
tsy izaho no mampitovy ny autorite-ny fa ianao,
izhao aza manavaka tsara mihitsy hoe ty taratasy de ty olona
izhao aza manavaka tsara mihitsy hoe ty taratasy de ty olona
