Inona avy no asan'ny rà?

1. prime ( 07/02/2008 11:36)
Hoy ny tenin'ny RAD am-panahy lehibe iray nanambara fa raha tsy nisy rà latsaka tsy tanteraka ny famonjena... nefa izy ihany koa no nanamafy fa ny tenin'Andriamanitra mihitsy no mandrara ny fandatsahan-drà ary loza ny manao izany...

Ary mbola notsipihany manokana aza fa fady mihitsy ny mikasika na ny mihinana rà ihany koa...

Ahoana ny hevitrareo? amin'izao fotoana izao dia tsy misy vidiny intsony ny rà, mpampihorohoro manao sorona ny tena, loza isankarazany, vono olona amin'ny vola 1.000 ariary sy portable, vono olona amin'ny fialonana, vono olona amin'ny fitsiritana...
novalian'i prime ny 13/02/2008 12:37
2. endrika01 ( 07/02/2008 11:54)
prime:
Hoy ny tenin\'ny RAD am-panahy lehibe iray nanambara fa raha tsy nisy rà latsaka tsy tanteraka ny famonjena... nefa izy ihany koa no nanamafy fa ny tenin\'Andriamanitra mihitsy no mandrara ny fandatsahan-drà ary loza ny manao izany... Ary mbola notsipihany manokana aza fa fady mihitsy ny mikasika na ny mihinana rà ihany koa... Ahoana ny hevitrareo? amin\'izao fotoana izao dia tsy misy vidiny intsony ny rà, mpampihorohoro manao sorona ny tena, loza isankarazany, vono olona amin\'ny vola 1.000 ariary sy portable, vono olona amin\'ny fialonana, vono olona amin\'ny fitsiritana...
Amiko alou ny rà \"aina\"refa tsy ampy rà dia miteraka fahafatesana,raha misy accident na fandidina dia mila ampiana rà lay marary na lay nodidina mba ho avotra ny \"ainy\" @akapobeny io fa ny ao @baiboly ny rà nalatsaka dia famelana heloka,fanadiovana, tsy tadidiko dôly!
3. prime ( 07/02/2008 12:38)
Misaotra...
Izany hoe raha azoko tsara ny tianao ambara aloha dia ny hoe, ilaina amin'ny fitsaboana ny rà ka azo atao aza ny mindrana na ny mividy mihitsy aza noho ny tsy fahampiana vokatry ny loza ohatra mba ho famonjena aina?

Mikasika ny baiboly tianao ambara, azonao idirana lalina kokoa ve ilay hoe famelàna heloka sy fanadiovana ny rà? misaotra mialoha...
4. cutie ( 07/02/2008 14:15)
contraire be reo zavatra lazain;i prime reo :)
5. ikaretsaka ( 07/02/2008 15:07)
arakaraka ilay asa ry prime an.. ra hanavotana sy ra famonoana... io ambony io.
Raha resa baiboly.resaka famonoana mba hanavotra foana koa ny ao ka (na olona io na zanak'ondry) ..izay le lazain'ny RAD lehibe ..raha ny fahazoako azy
6. cutie ( 07/02/2008 15:25)
amiko indray
ra nalatsaka= rebirth
fandatsahan-dra ( le faharoa)= death
7. ikaretsaka ( 07/02/2008 15:30)
rebirth oana ka... ohatran'ny ra nao rehefa period 9azafady @ le ohatra)
"maty mba ho velo" ho'zy ny Bara
8. cutie ( 07/02/2008 15:36)
tsy voatery ho rebirth oul:)
9. rakaroka ( 07/02/2008 15:36)
"Mba tsara petraka koa izany fanontaniana izany an!".
Ary iriako ho mitombina "tsara koa ny valinteninareo satria isan'ny "MANAHIRANA ny SAIKO' mihitsy ny "Contradictoire" misy fa hoe tsy tokony handatsa-drà. Koa raha ny exemple natao ho arahina moa no nipoiran'ny endrika fanoherana, dia tahaka ny hoe mpitari-bato vilam-bava anie izany e.
Tsy hita mihitsy izay hiheverana sy handraisana azy!:roll::roll::roll::wink:
10. rabilabila ( 07/02/2008 15:40)
N'enay sy Fijo rehefa avadika divay ihany ilay izy vao mi-interessé anay !! :lol:
11. ikaretsaka ( 07/02/2008 17:37)
ary raha boudin ry bila?
12. rabilabila ( 07/02/2008 19:43)
:wink:Raha azo avadika boudin tonga dia misy sakay dia tsy maninona koa ka!!Tonga dia tsaky ko !:)
13. ikaretsaka ( 07/02/2008 20:05)
mety ka ...mety..
asan'ny ra aby izany
14. LazaDaddy ( 07/02/2008 21:50)
Prime> ra inona no tiany'ilay RAD resahina? Ran'olombelona sa rehefa ra?
prime:
Hoy ny tenin'ny RAD am-panahy lehibe iray nanambara fa raha tsy nisy rà latsaka tsy tanteraka ny famonjena...
1) io aloha dia azo iadian-kevitra tsara satria an'Andriamanitra ny famonjena, noho izany safidiny manokana no nandatsahany ny rany.
2) Ny bokin'ny Hebreo manambara fa tsy mahadio ny ota ny ram-biby rehetra natao sorona
prime:
... nefa izy ihany koa no nanamafy fa ny tenin'Andriamanitra mihitsy no mandrara ny fandatsahan-drà ary loza ny manao izany...
Kanefa ny tenin'Andriamanitra no mitaky olona hanolotra sorona.
prime:
Ary mbola notsipihany manokana aza fa fady mihitsy ny mikasika na ny mihinana rà ihany koa...
ilay mikasika aloha tsy fantatro fa ny mihinana dia tsy tsara
Ahoana ny hevitrareo?
Marina Andriamanitra ary be fitiavana sy famindram-po. Nitady ny ran'i Isaka tamin'i Abrama Izy, ary noporofoiny fa Izy koa dia afaka nanome am-pitiavana ny Ran'i Kristy.

Momba ireo mpanao sorona ny ainy indray...efa notaizana tamin'izany izy ireny hatramin'ny nahaterahany, ary tsy navela handalina hoe "nahoana"?...tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy (ny ran'i Kristy) no velona (mikoriana) ato amiko :). Noho izany tsy matahotra ny mpamono ny vatana aho satria tsy hainy ny mamono ny Fanahy noraisiko :)
15. fijo ( 07/02/2008 22:02)
rabila,marina 1000% izay .

ny ra aina tokoa,fa raha ilaina koa ny mandatsaka azy dia atao;
16. cutie ( 07/02/2008 23:50)
) io aloha dia azo iadian-kevitra tsara satria an'Andriamanitra ny famonjena, noho izany safidiny manokana no nandatsahany ny rany.
2) Ny bokin'ny Hebreo manambara fa tsy mahadio ny ota ny ram-biby rehetra natao sorona

Azo iadin-kevitra sa tsia???
17. LazaDaddy ( 08/02/2008 02:28)
cutie> ny tiako ambara dia hoe: tsy voatery ho ra latsaka saingy izay no nosafidianin'Andriamanitra. Ny ra nalatsaka natao sorona tao an-tempoly izao efa betsaka saingy tsy mahadio ny ota ireny hoy i Paoly (Hebreo).

Ny tenin'ilay RAD mantsy dia hoe:
raha tsy nisy rà latsaka tsy tanteraka ny famonjena...
io no nataoko hoe safidin'Andriamanitra, fa tsy voatery ho izay raha nisafidy fomba hafa Izy.
18. cutie ( 08/02/2008 03:06)
mazava :)
19. LazaDaddy ( 08/02/2008 03:17)
mifankahazo resaka tsara kosa isika sy indry kanou =))=))
20. cutie ( 08/02/2008 03:19)
za mba gaga :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5125