St Valentin

41. Papoose ( 08/02/2008 10:20)
tiko b koa io nalefan'i rasta io!

mitia, ie mpihavana an-kira zahay fa za manana aretina mila hositranina!!!:D
42. milafitia ( 08/02/2008 10:32)
Satriko ary iriko ra mba mitia sy manaja ahy toy ny itiavako azy ny olo-tiako.(l)(l)(l)(l)
43. mitia04 ( 08/02/2008 11:05)
papozy: mamay ve njy! mila fanasitranana aona njy?
44. xxx ( 08/02/2008 11:14)
hay moa
45. Mam ( 08/02/2008 13:35)
Ry milafitia
Ry milafitia mitady tsy mahita
Resy mandinik'ity tany ratsy
Tsy vady tsy vola,tsy anananao
Aza mety ho kivy am-reo efa vita
fa mety ho namako ianao atsy ho atsy.:arrow:
46. mitia04 ( 08/02/2008 14:15)
io fitiavana io ihany
no nahatonga izany
fantatrao fa mbola tia aho
fantatrao fa mbola babo aho
fantatrao fa mbola nisy
olona iray tsy nanadino anao
fantatrao fa nisy zany
nefa tsy nosaininao

47. ainaheri ( 08/02/2008 14:21)
Eny ekeko marina izany
babo ho anao aho ary koa nanontany
fa ilay fitia anie ka tsy mety lany
zany we;;;hihaonantsika ndray andro any..
48. tiaraj ( 08/02/2008 19:45)
Ny loza marimarina dia ity tsy fanajana
Tsy fahampiampitiavana?Raha izany azo hialana!
Saropiaro aho?Satria diso tiako loatra ianao
Ka na dia tsy hajainao aza, te hitraotra lava izao
Ity foko feno ratra, norasarasainao
Tsy mba heverinao ve fa na izao aza mijaly
Mitaintaina lava izao noho iano toa maro valy...

Ekeko fa sitrapoko, safidiko tokoa ny hanome fitia,
Saingy, raha azo atao re, mba asio fiheverana ny aty...
Olombelona fa tsy anjely, tsy lavorary sanatria
Olona toa anao ihany, matahotra ny hijaly ho doria...

Mba saino iray minitra fa na ianao koa aza anie
Mba be fanahiana ihany rehefa misy "ramose"
Misaodisaody ho eo anilan'ny olontianao
Na dia afenina aza, dia marary ny anatinao ao...

Koa diso ve tompoko aho, eny , adalako tokoa ve?
Ny mamototra izay mba tiany aleha
Tsy haiko re fa hifonako raha isaina ho hadisoako
Fa ianao re ry I....o, ianao irery no tsy foiko
49. tiaraj ( 08/02/2008 20:03)
Ilay hany notiaviko hatrizay ka hatrizao
Ilay tena nanjaka tato ampoko tato
Ilay tsy adinoiko hatrizay n'inona n'inona natao
Ilay olontiako... tsy iza fa ianao

Ny voalohany, fantatrao fa tsy ianao
Ny ho farany ve? Tsy mbola fanatatrao...
Fa ny mamiko indrindra kosa dia ianao
Hatrizay, eny, ianao, ary mandrak'izao

Ianao irery ihany no hanokanako ny fiainako
Ianao irery foana, ianao no hitarainako
Ianao no fifaliako, ianao no hakiviako
Ianao no fitiavako, fa ianao koa no halako

Raha marary tsy hay sitranina ity foko manirery
Dia ianao ihany anie no mampikombina ny fery...
Ianao re ry tokako, ianao ry sombin'ny aiko
Ianao dia ianao tokoa, ianao no tena lalaiko!
50. Veloo ( 08/02/2008 20:05)
ny ahy ndray ity, hahahahha

Ny toaka fahavaloko taloha e e e
Manjary namana mpanampy tsy foiko
F'ilay olon-tiako manana fitia e e e
Tsy mamboraka raha tsy misy "pi"

Fiverenana:
Zarako aza ianao katrikatry iny
Manalanala andro,manalanala azy
Fa bebe lazao sy mahita atao
Zarako aza ianao sambatsambatra iny
Fa be sangisangy sy be vazivazy
Fa rehefa tsy mamo ianao mataho-behivavy

Ka ho ampifaliako foana ianao ee
Ampireveko foana ianao o
Dia omeko fahafaham-po.
51. Papoose ( 09/02/2008 05:53)
mitia, mila mahita an'ity forum-ty ny gokoterako de sitsana ho azy za!

raha mba mety ny ondanao mba tiako hiondanana
raha mba mety ny tananao mba tiako hotantanana

fa tonga dia tiako, tiako tsy misy fanazavana enao
fa tonga dia gasy tsy tontan'ny ela

(l)
52. cutie ( 09/02/2008 06:37)
ahitana inspiraka betsaka kosa ato zany :-D
53. melody ( 09/02/2008 15:35)
eny wa akia ry cutie, slt indry, ka inn no mba azondry haroso izany?
54. DILAY ( 09/02/2008 20:04)
:lol:Tena mlay ry zareo fa toizo a!:-D
55. penina ( 09/02/2008 20:28)
Tsy sipa, tsy vady, tsy vola
kanefa za nidoladola

fa inona ary izany ra-penina
ilay zavatra maha-domelina

vita tompoko
56. Papoose ( 09/02/2008 23:49)
misaotra @ le diam-peninao:-P
57. mitia04 ( 11/02/2008 04:57)
Raha tsy ho ahy irery ianao fa ho azy kou
ra tsy ampy anao ny iray fa tinao ny hampiara-droa
d avelao ho ahy irery ny fitiavako sao dé ho lo
ka tsy hahay hitia intsony avy eo!
58. ainaheri ( 12/02/2008 04:50)
Moa misy ve ety, iriko toa anao?
Ry malala mba lazao izay ao amponao
fa aza de mampijaly tahaka izao
Avia hiarady isika sy ianao,
raha toaka sitrakao.
Tsy ho atakaloko ianao,
raha toaka manaiky izao faniriako izao

Efa rotidrotika aminao
ny ao am-poko ao(l)(l)
59. Papoose ( 12/02/2008 05:18)
l'amour c l'amour
l'amour c l'amour
l'amour c l'amour
l'amour c l'amour

je t'aime, @le oui
je t'aime, @ le oui
je t'aime, @ le oui
je t'aime, @ le oui

mais pkoi bebe
mais pkoi bebe
mais pkoi bebe
mais pkoi bebe
60. ainaheri ( 12/02/2008 06:32)
papoose>>ao tsara an,tena @ lay ouiiiiiiiiiiiiiii(l)(l)(l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3728