I JESOSY SY FAHATANORANY ?

61. fijo ( 07/02/2008 22:47)
ekeko io voalazan'ika io,fa josefa no "hoe" taranak'i davida,fa i maria no nanao ezaka hampahafantatra izay maha taranak'i davida an'i lery izay.
62. Mandefitra ( 08/02/2008 06:19)
De mba lazao hoe mpaminany iza ry Ika ? "hanaranaka ny virijiny, ka hiteraka zazavavy, ny anarany atao hoe Maria" ... de avy eo "hanaranaka ny virijiny, ka hiteraka zazalahy, ny anarany atao hoe Imanoela" ...
hafahafa :?
63. soanja ( 08/02/2008 14:12)
Mandefitra:

soanja:
Maria dia tsy avy tamin'i taranak'i Davida fa namboarin'Andriamanitra koa izy tao ankibon'i Anna satria i Anna de virjiny niteraka an'i Maria.Momba mantsy i Joachim vadin'i Anna.

Hafahafa be ...
1/Nanambady Anna. Joachim no anaran'ny vadiny
2/Momba i Joachim, tsy efa niray ve izy ka tsy niteraka vo nahalala hoe momba?
3/De avy eo nefa Virijiny i Anna ... :?: no niteraka an'i Maria
4/Ary naninn no tsy voalazan ny mpaminany io?
5/Ary naninona no nesorina tao anaty baiboly katolika io boky lazain i soanja io?

Tantara lavabe io fa ny hanamora azy dia

Tsy niray i Joachim sy Anna na dia nivady aza fa nijanona ho madio eo anatrehan'Andriamanitra. nanokana ny fianadry zareo tamin'ny fanomezana ny mahantra sy ny fikarakarana ny fiangonana izy ireo. Ka ny tsy mahamomba azy moa izany dia ny hoe childless izy na tsy niteraka.

Navahana tokoa ireo soratra ireo satria betsaka ny Apostoly na ny Mpianan'i Apostoly no nanoratra ny nahatongavan'i Kristy teto an-tany. Tsy mitovy anefa ny fivoakany dia izay mahalaza azy no noraisina.

Fa hoe inoana ve ireo? Dia hilaza aho fa betsaka azo inoana ny info manome andinindininy ny momba ny zavanisy saingy tsy voatery izay voasoratra dia marina aby satria tsy i Maria no manoratra ary tsy i Jesoa velively.

64. soanja ( 08/02/2008 14:22)
rabilabila:

za kosa tsy mino le hoe tonta tany zamerika sy azia izy.

Tsy hitako io voalaza io raha tsy notsipihin'i Fijo .

Izaho efa milaza foana hoe :nisy efa elabe izany "fahendrena" sy "fitoniana" izany ,ary misy eran-tany : na any @ Papous ,na ny arborigènes ,na ny Amerindiens , na ny Sinoa ( izay marihina fa ny sivilizasionany efa voarakitra ara-tsoratra talohan'ny sasany ),ny Maya ,ny Aztèques.........................
Ny mahavariana ahy fotsiny amin'ilay famelabelaran'i Soanja dia ny finiavana hampifanindry hatrany ny fijerena izao tontolo izao amin'ny finoana kristianina na ny fomba fijery kristianina .

Izay foana no mahatonga ahy milaza hoe:tsy possible mihitsy ve ny manaiky fa misy olona any an'anona any ,izay tsy mahalàla an'izany andriamanitra tokana izany ,na izany Jesoa izany ,ary manana "fitoniana" ao anaty nohon'ny fandinihany ny natiora sns ?Tena tsy azoko loatra !!

Tena tsy azoko ny tian'i Rabilabila lazaina eto fa omeko aloha ny fanazavana dia ianao indray milaza izay hitanao fa tsy tena mahavaly azy.

Ka zah anie mahatsapa ny tenako fa Xtianina e. De zah tsy mahatsapa koa anefa hoe manambany na tsy manisy valeur ny fisian'ny finoana sy ny kolotora hafa any. Saingy izay inoako kosa dia INOAKO tokoa.

Au contraire aza ny fahitanao ny eritreritro, miezaka aho mijery hoe inona no fomba hanompoana an'Andriamanitra mi-embrace na mampifandray ny finoan'i hafa sy ny ahy satria hitako fa manana taratra tsara ry zareo nefa ny ahy koa mazava tsara toa ny azy. Dia misy ifandraisany zany ireo matoa mifankahita toy izany. IO FIFANDRAISANA na ikambanany io na tsia no iasan'ny atidohako satria io no fiainako sady asako.

Ahoana ny ahitana PEACE eto an-tany na dia samihafa aza ny fanompoana takin'i fanahy mahaOlombelona. Nefa izaho na ianao dia mikatsaka zavatra ambonimbony kokoa noho izao mahabiby ny olombelona antsika izao (transcendence).

65. ikaretsaka ( 08/02/2008 14:34)
Mandefitra:

De mba lazao hoe mpaminany iza ry Ika ? "hanaranaka ny virijiny, ka hiteraka zazavavy, ny anarany atao hoe Maria" ... de avy eo "hanaranaka ny virijiny, ka hiteraka zazalahy, ny anarany atao hoe Imanoela" ...
hafahafa :?

Raha lazaiko anao tsy hinoanao...
ohatran'io lazain'i soanja io fotsiny ohatra
66. soanja ( 08/02/2008 15:20)
Namaste Ika! (l)(l)(l)(l)(l)
67. rabilabila ( 08/02/2008 21:05)
I Jesoa tamin'ny fahatanorany dia namangy tanana be dia be tokoa. Nitsidika firenana isan-tokony, tonga hatraty Amerika izy ary manamarika izany ny kolotora Porozy milaza ny fandalovany sy ny toriteniny. Nandalo tany Tibet sy ny faritra Asia ampovoany izy ary nihaino ny toriteny sy ny fampianarana narosin'ny tany. Liana tamin'izany izy ary nanoro koa ny mba avy any aminy.

Io affirmation -n'i Soanja io ,izay notsipihin'i Fijo no nahatonga ahy nanoratra an'io .

Izaho tsy mandà mihitsy ny finiavanao hikatsaka io transcendance resahinao io sanatria !!Anao io ary fomba fijerinao ,fa ny finiavanao hi-ramener an'ilay " fitoniana " amin'ny cercle -n'ny finoana kristianina foana no mahatonga ahy mametraka ilay remarque.

Izay no tsy azoko : Ny besoin-n'ny mpino hi-accaparer izay mety tsara indrindra ao amin'ny olombelona : ny morale indrindra indrindra.

Izay foana no ilazako hoe : je n'ai pas le monopole de la morale ,comme personne n'a ce monopole .
Ny ahy ny hevitro dia hoe : misy zavatra na hevitra azoko hindramina etsy sy eroa mba hanatsarako ny ahy .

Dia misy ifandraisany zany ireo matoa mifankahita toy izany.

Inona no zavatra hifandraisany ? ny MahaOlona azy .
Ary raha mifankahita fotsiny moa izy ka samy mahatsapa ny zavatra iombonany ka maninona !! Fa tsy izay mihitsy no nitranga ary mitranga fa misy foana andian'olona iray hiteny hoe "kokoa" dia eo foana no mipetraka ny olana .

Hoy i Ika ary ambadika ary hoe :" Tiako ny fivavahana rehetra fa ny ahy no tiako kokoa " fehezanteny izay mandika tanteraka ny ahiahiko.

Misy hevitr'i Soanja koa ary ambadika ary ary misy andininy vitsivitsy avy ao amin'ny Ezekiela .Mametraka fanontaniana i Soanja avy eo hoe : " tsy mampatsiahy anareo finoana hafa ve izany ? tandremo ary !" Eo koa dia karazam-panontaniana mandika ny ahiahiko .
Ka asa!!
68. fijo ( 08/02/2008 21:08)
ka lasa miova le heviny eto ka,raha toa ka ny tsy fananany zaza no nilazana azy fa momba izy ,dia tsy marina izany izay filaza izay,satria tsy momba izy fa tsy niteraka.
ny momba mantsy tsy hafaka miteraka intsony.eto izany dia mety nisy olonkafa nampiteraka azy.ary io olona hafa io no vinavinaina fa fanahy masina.
69. ikaretsaka ( 08/02/2008 22:33)
Hoy i Ika ary ambadika ary hoe :" Tiako ny fivavahana rehetra fa ny ahy no tiako kokoa " fehezanteny izay mandika tanteraka ny ahiahiko.

dia ho'zy i Bila hoe
Ny ahy ny hevitro dia hoe : misy zavatra na hevitra azoko hindramina etsy sy eroa mba hanatsarako ny ahy .

dia izay no antony hitiavana azy....
namaste
70. rabilabila ( 08/02/2008 22:42)
Mahafinaritra ahy kokoa ny mamaky ny hoe : Tiako ny ahy ary hajaiko ny an'ny hafa .

Ilay terme hoe " kokoa " io mantsy milaza zavatra bediabe ,indrindra raha resaka fivavahana .Izay no ahiahiko.
71. soanja ( 09/02/2008 01:34)
rabilabila:

I Jesoa tamin'ny fahatanorany dia namangy tanana be dia be tokoa. Nitsidika firenana isan-tokony, tonga hatraty Amerika izy ary manamarika izany ny kolotora Porozy milaza ny fandalovany sy ny toriteniny. Nandalo tany Tibet sy ny faritra Asia ampovoany izy ary nihaino ny toriteny sy ny fampianarana narosin'ny tany. Liana tamin'izany izy ary nanoro koa ny mba avy any aminy.

Io affirmation -n'i Soanja io ,izay notsipihin'i Fijo no nahatonga ahy nanoratra an'io .

Izaho tsy mandà mihitsy ny finiavanao hikatsaka io transcendance resahinao io sanatria !!Anao io ary fomba fijerinao ,fa ny finiavanao hi-ramener an'ilay " fitoniana " amin'ny cercle -n'ny finoana kristianina foana no mahatonga ahy mametraka ilay remarque.

Izay no tsy azoko : Ny besoin-n'ny mpino hi-accaparer izay mety tsara indrindra ao amin'ny olombelona : ny morale indrindra indrindra.

Izay foana no ilazako hoe : je n'ai pas le monopole de la morale ,comme personne n'a ce monopole .
Ny ahy ny hevitro dia hoe : misy zavatra na hevitra azoko hindramina etsy sy eroa mba hanatsarako ny ahy .

Dia misy ifandraisany zany ireo matoa mifankahita toy izany.

Inona no zavatra hifandraisany ? ny MahaOlona azy .
Ary raha mifankahita fotsiny moa izy ka samy mahatsapa ny zavatra iombonany ka maninona !! Fa tsy izay mihitsy no nitranga ary mitranga fa misy foana andian'olona iray hiteny hoe "kokoa" dia eo foana no mipetraka ny olana .

Hoy i Ika ary ambadika ary hoe :" Tiako ny fivavahana rehetra fa ny ahy no tiako kokoa " fehezanteny izay mandika tanteraka ny ahiahiko.

Misy hevitr'i Soanja koa ary ambadika ary ary misy andininy vitsivitsy avy ao amin'ny Ezekiela .Mametraka fanontaniana i Soanja avy eo hoe : " tsy mampatsiahy anareo finoana hafa ve izany ? tandremo ary !" Eo koa dia karazam-panontaniana mandika ny ahiahiko .
Ka asa!!

Hay zay vao azoko ny tianao hampitaina.

Ny tena fahitako azy ry Rabilabila dia ianao mihitsy no efa mahatazana zavatra tsy mifanaraka amin'ny hevitrao momba ny finoana Xtianina. Dia tianao koa anefa ny hafa mahita izay zavatra tsy tianao izay haka ny lalana noraisinao dia ny fialana amin'ny tsy finoana an'i Kristy na nisafidy tsy handray azy. Dia tsy manaiky ny sainao hoe zah mahita zavatra be dia tsy mifanaraka amin'ny fanahy mitaky Andriamanitra ato anatiko, mandaitra amin'ny zavatra be dia be lazain'i Xtianina fa io no Izy.

Tsy fantatro ny hafa fa raha hisy sekta hafa amin'ny atao Xtianina any aoriana de zah vonona anoriana izany mba hisian'ny fandriampahalemana sy fitoniana eo anivon'ny samy Xtianina ary ny tsy Mpino Xtianina. Io dia asa be ny hanorina an'io nefa asa anefa ankiniko amin'Andriamanitra izany.

Ny tiako lazaina izany dia nahita an'i Krsity aho rehefa namaky ny baiboly. Nahalala ny fitiavany aho satria izy nanoro ahy izany tao anaty ny fanahy mitaky azy ato anatiko. Tsy Masina akory aho saingy mikatsaka fahamasinana.

Afapo ve aho tamin'ny fampianarana rehetra momba ny Xtianina henoko. Dia hilaza aho fa TSIA. Tsy ampy e dia be ary izay no hitadiavana izany eran'io hanampiana izay tsy ampy na hamenoana ny feno. Fa ny Finoana kosa dia finoana iray ihany no ato anatiko. Dia ny finoana an'i Kristy tia antsika ary manome hery antsika hihavana sy hifanasoa!

Toy izany koa anefa ny hitako amin'ny finoana hafa. Tsy misy tongalafatra daholo satria ny Olombelona avokoa no namolavola azy hivadika Finoana. Nampiasana ny fitaovana rehetra hampitaina izany fitiavan'Andriamanitra izany. Io fitaovana io anefa tsy lafatra satria narafitry ny olombelona.

Ka raha afaka mahita ianao fa manan-kilema ny olombelona dia mora aminao ny manaiky fa tsy voatery ho lafatra ny zavatra azo nefa azonao atao mandray ny mandafatra azy satria any aminao ny SAFIDY. Iny dia fitaovana tsara narafitr'Andriamanitra ho antsika hampiasaina hijerena ny halalin'ny fiainana. Mampiakatra sa mampidina azy. Io no hanome lesona ny tsirairay amin'ny lalana alehany ary ahafahany mivily indray raha toa ka tohany izy teo aloha.

Izay no hijereko azo. Mitsara ny finoana hafa aho raha resaka Safidy ato anatiko, saingy tsy hitsara ny finoana ny hafa eo anatrehany ka hilaza aminy fa ratsy ny azy nefa ny ahy fantatro fa tsy tongalafatra.

Izay ny mahaFinoana ny finoana! Any aminao ny lakileny. Anjaranao irery ny mampandroso azy na mampivelatra azy, hampifandray ny anao amin'ny hafa sa hanidy varavarana ny hafa eo anatrehanao.

Izaho manokana dia nisafidy ny hanokatra ny varavarako hampifandray ny hafa amiko sao any no ahitako ilay FITONIANA. Mino mantsy aho fa matoa Atra nanome antsika ny fahafahana hifandray (social animal isika olombelona) dia ao raha.

Ity no traikefa hitako ary mandaitra amiko:

"NY FAHASAMBARANA dia tsy tsapa raha tsy ifampizarana amin'ny hafa" Soanja
72. rabilabila ( 09/02/2008 10:27)
Ny tena fahitako azy ry Rabilabila dia ianao mihitsy no efa mahatazana zavatra tsy mifanaraka amin\'ny hevitrao momba ny finoana Xtianina.

Tsy hoe tsy mifanaraka amin\'ny hevitro ilay izy Soanja a!! Z\'inona moa izay hevitro .Ny ahy my tsy fahampian\'ny \"objectivité\" fotsiny no tiako tsipihina matetika ,ary izay foana no mahatonga ahy milaza fa misy hevitra ,fomba fijery ,hafa ankoatran\'ny an\'ny Kristianina .
Tiako marihina fotsiny fa Kristianina no ankabeazan\'ny mpitafa eto , fa raha Silamo dia nitovy ihany ny fomba fijeriko ,raha AT bontolo do miresaka amiko dia mitovy koa .
Raha toa ka io fijerinao ahy io mihitsy no mivohy ahy dia tsy teto akory aho nitafa miaraka aminareo , dia tsy ho tiako ny Reniko , ny Rahavaviko , ny Anadahiko ,ny Dadabeko (pasitera)........

Dia tianao koa anefa ny hafa mahita izay zavatra tsy tianao izay haka ny lalana noraisinao dia ny fialana amin\'ny tsy finoana an\'i Kristy na nisafidy tsy handray azy.

Mi-découler ho azy amin\'io famelabelarako eo ambony io fa lavitra dia lavitra amiko izany eritreritra izany .Ny maha-AT ahy dia tsy midika fa mikatona tanteraka aho , tsia !!
Raha miteny aho hoe : Aza adino fa.......... ,manokatra ny maso fotsiny aho hoe misy zavatra hafa koa ange azo dinihina sy heverina ary halalinina e.Avy eo anjaran\'ny tsirairay no mandray na tsia izay lazaiko!! SAFIDY hoy ianao. Sanatria aho tsy hiteny mihitsy hoe :araho ny hevitro .Par définition ny AT tsy prosélyte akory ,ary tsy ambonin\'ny rehetra ,loin de là !!

Dia tsy manaiky ny sainao hoe zah mahita zavatra be dia tsy mifanaraka amin\'ny fanahy mitaky Andriamanitra ato anatiko, mandaitra amin\'ny zavatra be dia be lazain\'i Xtianina fa io no Izy.

Manaiky dia manaiky tokoa moa izany !!
Manaiky aho rehefa io lalana io no hitanao azahoanao \"fitoniana\".Izay no lalaNao nahatongavanao tao .Tant mieux ho anao !
Fa tsy manaiky kosa aho raha ho-forcer-nao ho io no azahoan\'ny hafa ilay fitoniana .

Inona no antony hilazako an\'ireo ? Satria ny mpivavaka hafa dia manana izay fomba fijery izay koa ,ary ny olana dia samy mihizingizina amin\'ny azy ,ary au lieu de mahita \"fitoniana \" perso dia hi-imposer foana io fomba nahitany azy io dia ady no iafarany ( diniho ny tantara ).

Ny ahy izao foana Soanja a! : Tony ianao ? Tony aho ? peu importe ny fomba nazahoantsika an\'io fa ny zavatra azo tsapai-tanana dia izao :rehefa tony isika dia mi-rayonne ,ary rehefa mi-rayonne isika dia mahazo ny hafanantsika daholo ny manodidina .Ary rehefa hanontany antsika ny manodidina hoe nahoana ? Ianao hamaly azy hoe :Ny tenin\'andriamanitra no nanampy ahy ho tonga tamin\'io etat io .
Ary ny ahy mety hoe :Nentiko hivohy ahy ny tsara indrindra ao anatiko .

Ps : Ny zavatra lazaiko tsy voatery miantraika foana aminareo sy Ika ( sy Cutie), matetika aza aho miombon-kevitra aminareo tanteraka (na ny inverse ) fa amiko fotsiny : Raha resaka MORALE ,en genéral ,dia misy lanjany daholo ny teny ,ary ny tsy fampiasana ilay teny à bon-escient dia mitondra fandikàna vilàna ,na fanolanana ara-kevitra .Valable io ho antsika rehetra .

73. soanja ( 09/02/2008 13:49)

Tsy mahita comments momba ny zavatra tianao ampitaina aho. Ary tena mazava amiko ny tianao lazaina.

Nefa FORUM ity dia samy manana ny fomba fijereny ny atao hoe finoana.
Dia ny ahy no voiziko ho fampafantarana sy fanomezana hevitra nefa tsy natao koa hamindra anao amin'ny finoana iray hiala amin'ny finoana iray.

Ka ny ahiahinao amin'ny zavatra lazaiko mahavariana ahy satria io no fantatro dia teneniko fa ny nahatonga ny remarka momba ny ataoko izay hampifanandrify ny rehetra amin'ny finoako Xtianina no nanazavako an'ireo.

Fa izaho alo dia tsy hi-forcer n'iza n'iza hoe hinoy ny ahy. Ohatra hoe tsy misy ilay Satana mitanotanona miaraka amin'ny tandroka sy ny rambo saingy misy kosa ny fakam-panahy izay mitarika anao hivily lalana amin'Andriamanitra.
Efa naveriko fa ny vadiko ihany ny olombelona tiako hanaraka ny finoako satria IZY vadiko sy nofidiako tao anatin'ny maro ary mandrakizay ny fiarahanay na ety an-tany na any an=danitra.

Ny ankoatr'izay dia fampianarana ny fijerana ny fiainana ny ankamaroan'ny asako. Ahoana no ahitana FITONIANA eto an-tany. Izay mandray tsara, izay tsy mandray akory atao. SAFIDY io mantsy!

Ka tsy eto amin'ny FORUM mihitsy no pilipitrako fa any an-dakilasy rehefa mampianatra. Any aho mamolavola tokoa ary manabe.

74. rabilabila ( 11/02/2008 08:29)
Ka tsy eto amin'ny FORUM mihitsy no pilipitrako fa any an-dakilasy rehefa mampianatra. Any aho mamolavola tokoa ary manabe

Mitovy ange isika izany e!! Ny mety ho fahasamihafàna angamba dia eo amin'ilay fitenenana hoe "famolavolana" izay tsy mety amiko loatra satria mi-supposer hoe "pâte à modeler"na modélisation .Ankoatr'izay dia tsy misy zavatra hafa holazaina .
75. Rasiligaoma ( 12/02/2008 06:58)
nareo anie mitovy approche ihany izany fa instruments roa samihafa fotsiny e..
accordeo de andao hiara mihira fa iray tarika ihany.
samy mahalala ny fitoviana sy ny tsy maha pilipitra ny eto
76. soanja ( 16/02/2008 22:50)
rabilabila:

Ka tsy eto amin'ny FORUM mihitsy no pilipitrako fa any an-dakilasy rehefa mampianatra. Any aho mamolavola tokoa ary manabe

Mitovy ange isika izany e!! Ny mety ho fahasamihafàna angamba dia eo amin'ilay fitenenana hoe "famolavolana" izay tsy mety amiko loatra satria mi-supposer hoe "pâte à modeler"na modélisation .Ankoatr'izay dia tsy misy zavatra hafa holazaina .

Omeko hevitra ianao Rabila,

Hitanao ny olombelona rehefa vao teraka tsy mba tonga dia mahay mitsangana dia mandeha toy ny zana-tsovaly na omby na zavatra hafa fa tena elabe mihitsy vao tonga amin'ny phase puberte sy ny olondehibe sns. De izy koa tsy vory saina tanteraka zany hoe tsy feno tanteraka ny neurons ao anaty atidohany raha tsy feno 24 taona any ho any izy.

Miankina amin'ny experience (emotion sy fitiavana ary environnement) lalovany, ny education niainany ary tanjona apetrany no "hamolavola" ny fiainany. Eo ampanaovana izany izy dia tokony hahatsapa ny fitakin'i Fanahy na tsia. Satria nahoana hoy ianao? Efa ao anatiny ny fanahy vao teraka izy toy ny tsimoka kely ,ka raha tsy kolokoloina iny amin'ny fiainana mahaFanahy azy dia ho very tokoa.

Zany hoe raha "mamolavola" aho dia ny fitsimbinana ilay fanahy fa kosa tsy hifidy ny finoana izay tiany arahina. Fa manoro azy kosa hoe ao ilay Fanahy fa ampiasao raha tianao. Ny tsy fananana/finoana an'Andriamanitra dia finoana ihany koa. Mino anefa aho fa na manompo Zanahary na manompo an'i Krsity na manompo Razana sns dia iray ihany ny tanjon'ireo dia ny ahita fahafaham-po amin'ilay takian'ny fanahy ao anaty satria tsy vatana fe vatana no miasa fa mihoatra noho izay.

Ny fiantraikan'ny asan'ny fanahy ety ivelany amin'ny mpiaramonina kosa no afaka hitsarana raha samy mpiarabelona fotsiny hoe izay ve ilay Fanahy mety ananan'ny tsirairay saingy mitaky vokatsoa ho an'ny rehetra sa ilay fakam-panahy no miasa ka manimba nhy tompony sady mandringana ny mpiarabelona.

77. rabilabila ( 16/02/2008 23:47)
Aza matahotra ka!! Efa be no nokolokoloiko :12 ny zanak'anadahy sy rahavavy ,miampy ny ahy , ary be ireo nandalo teo anatrehako ;nohezaiko notondrahana fahalalàna , fitiavana ,fanajàna (na ny tena na ny hafa na ny natiora ).
Ny zavatra tsapako aloha hatramin'izao dia izy ireo no mamolavola ny fiainany fa tsy ny fiainana no mamolavola azy ireo .Asa raha azon'i Soanja ilay "nuance".
Ka raha sanatria misy vahy manafintohana azy dia efa nampianarina azy, teo amin'ny fanolokoloana, ilay angady hanapahana ilay vahy mba tsy hampianjera ny hafa.
78. soanja ( 17/02/2008 05:43)
rabilabila:

Ka raha sanatria misy vahy manafintohana azy dia efa nampianarina azy, teo amin'ny fanolokoloana, ilay angady hanapahana ilay vahy mba tsy hampianjera ny hafa.

Izay ilay famolavolana= efa nampianarina azy.

Feno grace sy harmony amin'ny natiora sy raolombelona mifandray. Misy art ny fampianarana. Io art io no "famolavolana." Ny zavatra volavolaina dia ezahana matetika hamoaka form ary misy beauty. Ny fampianarana dia azo ampitaina tsotra saingy raha tsy misy an'ireo ambony ireo dia zavapoana.
Toy ny niarako ny porofo ara-tsivy tany ampianarana. Nahazo naoty tsara aho tamin'izany fotoana zany saingy raha izao aho no anontanianao hoe ataovy ny porofo ara-tsivy dia zero aho. Ny antony dia tsy nisy an'ireo ambony hanome na hamelona "passion" na afo mahery hitiavako ny nampitana azy dia tsy nijanona noraketin'ny atidohako.
Hay ny toy ny fahaizana saingy tsy niampy fahendrena. Ny fahendrena dia ny fahaizana mampiasa azy amin'ny fanasoavana ny mpiara-belona no sady azahoana tombotsoa manokana.

Ny finoana amiko tsy vitan'ny fahaizana tsianjery fotsiny ny fitiavan'Andriamanitra antsika fa ny fampiharana izany fitiavan'Atra izany amin'ny mpiarabelona sy ny tenako no fahazavana na fahamarinana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083