I JESOSY SY FAHATANORANY ?
41. nandrianina1
(
02/02/2008 05:11)
fa maninona kay no tsy voasoratra ao anaty baiboly ny fiainany jesosy taminy fahatanorany ? inn ny antony misy zvt nataony ts tiana ha fantatra ve taminy izy tanora ?
karoka voasoratra tanaty boky ity ry tsinjo a!
maty tanora Jsefa rainy de iz mo no lahimatoa de tsy maintsy nandimby ray tsy satry nanohy ny asan-dray zay mpandrafitra Iz hamelonana ny reniny sy reo zandriny.
refa lehibe sy nahaleo tena reo zandriny reo, sady efa matotra tsar Iz vao nanomboka ny asany, io le 33 taona
42. tsinjo
(
02/02/2008 07:57)
nandrianina ka naninona ary mbola tany ankibo izy de efa nankalazaina ? sy vao teraka tao antranonomby ?inn ny antony ,
43. zamanoro
(
02/02/2008 16:22)
tsinjo:
nandrianina ka naninona ary mbola tany ankibo izy de efa nankalazaina ? sy vao teraka tao antranonomby ?inn ny antony ,
Nga moa dia nisy nankalaza azy fa izy efa nosoratana tamin'ny boky vao nalaza.
Ny mba nankalaza azy angaha dia ireo rainy niteraka azy sy ny rahalahiny izay tonga nanao fanomezana fony izy vao teraka (Ireo no atao hoe majy)
Dia rehefa lehibebe izy dia nalain'io dadany io ho any, tany amin'ny faritra atsinana. Dia tany izy no nianatra namaky teny.
Ao amin'ny baiboly moa misy milaza hoe nitady ny zanany Maria sy Josefa, andro fety io ary dia hitany niady hevitra sy niara-nipetraka tamin'ny ireo mpitory izy.
Fety moa izany tamin'io ary dia efa tsapan'i Josefa sy Maria fa tsy maintsy ho entin'ny dadany mba hijery io fety io Jesoa, ary dia notadiaviny dia teo no nahitany azy.
44. nandrianina1
(
03/02/2008 18:43)
iieee, tsy de nankalazaina firy izy raha tsy efa teraka e! de nankalazaina iz t@io satria Iz ilay voalazan'ny mpaminany fa we ho avy hamonjy ny oul(ny zanak'israely t@zany fotoan zany) ary hanapaka ny firenena rehetra
45. soanja
(
03/02/2008 19:09)
tsinjo:
nyrina ka le manomboka eo aminy 18taona ka hatraminy 33 taona ary izy nanao inn e ,eo ndrindra nge no tsy mazava e ,fa maninona no tsy soratana ao anaty baiboly ny zvt nataony nefa ary izy vao teraka de voalaza ao atrany akibo mitsy ary e,ra jesosy ny fahafatarana azy nefa olona tsara alaitahaka
Mitombina tsara ny fanontanianao sy ny eritreritrao. Mody fanina ny olona manala izany fanontaniana tsara petraka izany satria tsy mahita havaly.
Misy tokoa ny soratra sy boky milaza amin'ny antsiprihany ny fiainan'i Jesoa hatramin'ny fahakeliny ka hatramin'ny hatongavany teo amin'ny reniranon'i Joridany nanaovana batisa azy.
Nesorina tsy ho isan'ny baiboly izany satria mifandipatra ny Jesosy fahazaza sy ny asany tamin'ny nahalehilahy lehibe azy. Indrindra ny fahazazany sy ny hatanorany no resahiko.
Tamin'i Jesoa 5 taona dia nisy zazalahy kely nanosika azy teo ampantsakana nefa izy nilalao teo akaiky teo .
De notazomin'ny lohan'ilay zaza dia maty tsy tra-drano ilay zaza. Tamin'izay dia nahalala ny olona fa hafa kely ilay zaza.
Betsaka mihotra noho izany ny zava-bitany mahagaga ary mampitahotra. Ny antony dia tsy fantany ny nampiasa ilay hery tao anatiny izay mahavita zavatra isan-karazany ka zary nampiasaina tamin'ny tsy fahalalalana. Nandalo tsy fahalalana tokoa i Jesoa tamin'ny fahakeliny ary izay no tsy nampidirana izany tao anaty tantara.
Teo ampanaovana Batisa azy I Jesoa no tena nandray ny tena FAHAMASINANA mahaAndriamanitra azy fa talohan'izay dia zaza miavaka izy ary nokarakaran'Andriamanitra sy narovany fatratra. Izay no ilana ny batisa.
Manana boky momba ny fiainan'i Maria reniny mbola vao noforonina tao ankibo aho ka hatramin'ny nandehan'i Jeso namonjy ny adidy miandry azy. Dia ny filazana ny momba an-dRainy naniraka Azy.
I Jesoa tamin'ny fahatanorany dia namangy tanana be dia be tokoa. Nitsidika firenana isan-tokony, tonga hatraty Amerika izy ary manamarika izany ny kolotora Porozy milaza ny fandalovany sy ny toriteniny. Nandalo tany Tibet sy ny faritra Asia ampovoany izy ary nihaino ny toriteny sy ny fampianarana narosin'ny tany. Liana tamin'izany izy ary nanoro koa ny mba avy any aminy.
Izany rehetra izany anefa dia nafenina ny Mpino daholo sao mikorontana saina satria isika mora mivadibadika sy matahotra ary be fisalasalana. Tsy nankahala ny finoana Hafa tany Asia i Jesoa fa nandray tsara ary nanome ny heviny.
Izay no ilazako fa aza mifikitra loatra fotsiny amin'i Baiboly raha te hahalala akaiky ilay Andriamanitra Mahery sy Be fitiavana fa todio koa ny soratra, ny boky, ny hira, ny finoana hafa, ny kolontsaina isan-karazany manome ny fameno izay tsy feno.
Mitonia lalandava ao amin'i Tompo!
46. ikaretsaka
(
03/02/2008 19:49)
voalaza ao @ baiboly foana koa ilay hoe ary i" Maria dia nitahiry izany rehetra izany ao am-pony" sy ny ny hoe "fa iza ity lehilahy ity"
misy zavatra nitranga bedebe tokoa momban'i Jesoa hitan'i Masina Maria, fa vokatr'ilay hoe isika tsy manam-pinoana ohatra azy sy io voalazan'i Soanja io hoe mora mivadibadika sy be fisalasalana, tsy toa an'iMmaria, ka inoako fa anisany antony nahatonga azy ho "fanahy iniana" (na sitrapon'A/tr...a tsy haiko) sy tsy natao ho fantatsika

47. nandrianina1
(
04/02/2008 04:25)
lasa wa ny saiko mahita ity tantaran'ny soanja ity e!
karazana oul curieux be angamba no nitahiry reny tantara reny satria matsy fony fahakeliny mbola tsy nisy nahalala we iz no mesia araka le voalazan'namanaio ambony io
karazana oul curieux be angamba no nitahiry reny tantara reny satria matsy fony fahakeliny mbola tsy nisy nahalala we iz no mesia araka le voalazan'namanaio ambony io
Maria dia nitahiry izany rehetra izany ao am-pony" sy ny ny hoe "fa iza ity lehilahy ity"
48. Rasiligaoma
(
04/02/2008 04:41)
i Maria reniny no azo antoka fa nahalala sy nahita tokoa , fa tsy niteny fa nitahiry ilay Ramatoa , asa naninona ?
Nefa marina tokoa hoe i Maria no nahalala voalohany sy nampahafantarina voalohany sy nanaiky voalohany hoe Mesia io rangahy io! (hitoe-jaza ianao, sy nanaiky hoe aoka izany ho tanteraka)
izay angamba ilay tena finoana sy fanekena?
Ny apostoly koa nafarany "mba tsy hiteniteny" ambara-pahatongan'ny fotoana! dia tsy niteny ireo mandra-pa,
fa ireo kilemaina nositraniny nafarany tsy hiteny no nitabataba tany! (ilay nanao toetran'ny "avotra sy voavonjy" dia nitabataba)
ka sao mety ho izay ny antony: hoe tsy mbola fotoanany! ho an'ny olona tena mino?
asa?

49. soanja
(
04/02/2008 05:45)
nandrianina1:
lasa wa ny saiko mahita ity tantaran'ny soanja ity e!
karazana oul curieux be angamba no nitahiry reny tantara reny satria matsy fony fahakeliny mbola tsy nisy nahalala we iz no mesia araka le voalazan'namanaio ambony ioMaria dia nitahiry izany rehetra izany ao am-pony" sy ny ny hoe "fa iza ity lehilahy ity"
Ny tantara mitantara ny nahaterahan'i Maria renin'i Jeso dia taratasy nosoratan'i Matio ary hita tao anaty asan'i Jerome, isan'ny ray amandrenin'ny fiangonana tamin'ny taoanjato faha-4. Tamin'izay koa nanaovana ny fandikanteny entiko avy amin'ny teny Anglisy amin'ny boky aty amiko.
Tao anatin'izany Gospels izany koa ny nosoratan'i jakoba , i Petera, i Nikodemosy, i Paoly ho an'i Seneca sy Thecla, i Clement ary Barnabas ary ny hafa tsy voatanisa. Amin'ity boky ity ihany no nahitako soratry Jesoa namaly taratasy avy tamin'ny Mpanjaka iray nanafatra azy hitsabo ny zanany vavy marary. Namaly izy fa tsy ho afaka ho tonga tamin'izay ary tsy novaliany ny fanontanian'ilay mpanjaka hoe Andriamanitra tokoa ve izy sa zanak'Andriamanitra?
Marihako fa mbola tao anaty berceau hono i Jesoa zany hoe tsy ampy iray taona akory dia efa niteny izy tamin'i dada sy Neniny fa zanak'Andriamanitra Izy ary ny rainy no naniraka azy ho avy ety an-tany.
Anisan'ny nanalana ity boky ity tsy ho isan'ny tao anaty baiboly, moa ny hafa tsy nasiana resaka akory dia satria Josefa rain'i Jeso dia efa nanambady taloha ary maty vady ka mananjanaka hafa tamin'ny vadiny taloha. Io dia nitondra fisavoritahana be mihitsy alo ho an'ireo Mpino tany aloha. Efa be taona mantsy izy no nanaiky ny fifanekena fa hanaiky hampakatra an'i Maria renin'i Jeso efa bevohoka an'i Jeso.
Ao amin'io ihany koa dia milaza fa tsy taranaka avy amin'i Davida i Jesoa satria i Anna renin'i Maria dia tsy avy tamin'i taranak'i Davida fa namboarin'Andriamanitra koa izy tao ankibon'i Anna satria i Anna de virjiny niteraka an'i Maria. Momba mantsy i Joachim vadin'i Anna. I Jesofa anefa tsy rain'i Jesoa fa izy namboarin'Andriamanitra tao ankibon'i Maria. De teo koa ny olana.
Ny olana amin'ny baiboly dia tsy vitan'ny filozofia sy kolotora nifandimby no nomena fa tao dia tao koa ny tantara ary ny tsindry mandry. Ireo no manome ny finoana Kristianina taty aoriana. Ny nitranga anefa dia nisafotofoto ny nandraisana ny tantara satria olona be dia be no manome azy. De izay nampety azy hifanaraka tsara no noraisina.
50. ikaretsaka
(
04/02/2008 12:05)
namaste soanja..ny Taratasin'i paoly ho an'i Seneca sy Thecle io no betsaka..
ny an'i soa aza izany angalisy fa ny ahy latinina no namakiako azy...
efa eeeeela aho no niteny hoe tsa ampy io
ny an'i soa aza izany angalisy fa ny ahy latinina no namakiako azy...
efa eeeeela aho no niteny hoe tsa ampy io
51. fijo
(
05/02/2008 22:56)
soanja an,amindry ngah misy indray ny devoly no manaiky ndry fa naka fanahy azy ny devoly???
za kosa tsy mino le hoe tonta tany zamerika sy azia izy.
za kosa tsy mino le hoe tonta tany zamerika sy azia izy.
52. ikaretsaka
(
05/02/2008 23:01)
ny an'i soanja ange fankam-panahy =devoly e..
fa tsy hoe devoly dia zavatra horera be misy tanjoka
fa tsy hoe devoly dia zavatra horera be misy tanjoka
55. rabilabila
(
05/02/2008 23:33)
za kosa tsy mino le hoe tonta tany zamerika sy azia izy.
Tsy hitako io voalaza io raha tsy notsipihin'i Fijo .
Izaho efa milaza foana hoe :nisy efa elabe izany "fahendrena" sy "fitoniana" izany ,ary misy eran-tany : na any @ Papous ,na ny arborigènes ,na ny Amerindiens , na ny Sinoa ( izay marihina fa ny sivilizasionany efa voarakitra ara-tsoratra talohan'ny sasany ),ny Maya ,ny Aztèques.........................
Ny mahavariana ahy fotsiny amin'ilay famelabelaran'i Soanja dia ny finiavana hampifanindry hatrany ny fijerena izao tontolo izao amin'ny finoana kristianina na ny fomba fijery kristianina .
Izay foana no mahatonga ahy milaza hoe:tsy possible mihitsy ve ny manaiky fa misy olona any an'anona any ,izay tsy mahalàla an'izany andriamanitra tokana izany ,na izany Jesoa izany ,ary manana "fitoniana" ao anaty nohon'ny fandinihany ny natiora sns ?Tena tsy azoko loatra !!
56. rakapy
(
05/02/2008 23:53)
Io dia resaka POUVOIR no tena mitondra an'io.Tena maro tokoa ireo sivilizasion efa ni-exist talohan'ny nanoratana ny TT.Ary nanana ny finoany sy ny fomba fahitany sy fahalalany izany ato he A/tra izany.Nefa moa dia rava izy ireny nohon'ny antony samihafa.Mbola misy anefa ireo izay mihezaka mitazona azy io fa tsy mitovy ny taloha intsony.Izy ireny dia matetika manana ny fitoniana sy filaminana ary fifanajana tanteraka ny natiora.
57. Mandefitra
(
06/02/2008 12:26)
soanja:
Maria dia tsy avy tamin'i taranak'i Davida fa namboarin'Andriamanitra koa izy tao ankibon'i Anna satria i Anna de virjiny niteraka an'i Maria.Momba mantsy i Joachim vadin'i Anna.
Hafahafa be ...
1/Nanambady Anna. Joachim no anaran'ny vadiny
2/Momba i Joachim, tsy efa niray ve izy ka tsy niteraka vo nahalala hoe momba?
3/De avy eo nefa Virijiny i Anna ... :?: no niteraka an'i Maria
4/Ary naninn no tsy voalazan ny mpaminany io?
5/Ary naninona no nesorina tao anaty baiboly katolika io boky lazain i soanja io?
58. fijo
(
06/02/2008 21:08)
eto koa dia somary tsy mitovy fijery izahay sy soanja ,satria raha ny tantara dia i maria no nanamafy fa taranak'i davida i jesoa,ary izay aza dia isan'ny nanenjehana azy
59. ikaretsaka
(
07/02/2008 15:34)
enoka i joachim ka.....
i Josefa aza no naha taranak'i Davida an'i Jesoa fa tsy i maria ko..
i Josefa no avy any Bethlehema .. fa tsy hisy hidiran'i davida mihitsy i maria
i Josefa aza no naha taranak'i Davida an'i Jesoa fa tsy i maria ko..
i Josefa no avy any Bethlehema .. fa tsy hisy hidiran'i davida mihitsy i maria
60. ikaretsaka
(
07/02/2008 15:40)
Mandefitra> voalazan'ny paminany io..
ary tsy izay teny rehetra voalazan'ny pamiany akory no atao hoe baiboly.... misy teny bedebe momban'A/tra voalazan'ny mpaminany (eny na @ izao fotoanaizao aza)fa tsy voasoratra... izay ilay ilazako foana heo tsy izay teny rehetra dia ho voasoratra aby
tsy nesorina tao anaty baiboly katolika io fa tsy nampidrina hatramin'ny konsilin'i nicea sy carthage taonjato faha 4 nanapahana hoe ireto boky ireto no avondrona hoe baiboly
saingy ampiasaina lalandava kosa rehefa manao mariologie!