Voasoratra ao @ BB "afo fandiovana,"tambazako izay mahita !

201. niryna ( 09/02/2008 07:59)
Voasoratra ao amin'ny tenin'Atra dia aza maka toeran'Atra hitsara izay ataon'ny olona satria isika rehetra dia mbola ho tsaraina.Raha mila porofo isika dia jereo ny tenin'Atra ao anaty baiboly,dia ho fantatra amin'ny voany eny hoy aho ny voa afafiny.
Ireo teny nazaivaiko anareo eo ambony ireo dia teny avy tamin'Atra,matoa tsy mahita ao anaty baiboly isika,dia tsy ao izany ilay teny.Mino an'izany hianareo dia anareo,tsy mino moa dia safidy io ra-namana.
Efe 2:8-9
8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;

9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.

Ho an'ny olona izay miaina amin'ny fiainan'izao tontolo izao araka ny sitrapony dia heveriny ho fampitahorana ny tenin'Atra.
Fa ho an'ny olona izay tia an'Atra ,mangetaheta izay fitiavany ,miaina ao amin'ny fanahy masina dia fampatsiahivana sy fitaritana azy andeha amin'ny lalan'ny marina ny tenin'Atra.

Ho antsika rehetra,angataho ny fanahy masina hanazava ny marina,fa Izy no ampiseho an'izany ho an'izay mino sy mangetaheta Azy.
[b]ny marina no hanafaka antsika amin'ny fanagejan'ny satana

202. niryna ( 09/02/2008 08:03)
Fanahy Masina o,azavao amin'ireo mangetaheta anao ny fahamarinana ,fa any aminao no misy ny lalana sy ny fiainana mandrakizay ^:^
203. niryna ( 09/02/2008 08:08)
Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. Sal 32:2

204. ikaretsaka ( 09/02/2008 16:35)
tsy pilipitra ho'aho ry niryna io "zoro" itsangananao io:-D
205. soanja ( 09/02/2008 17:21)
niryna:

Voasoratra ao amin'ny tenin'Atra dia aza maka toeran'Atra hitsara izay ataon'ny olona satria isika rehetra dia mbola ho tsaraina.Raha mila porofo isika dia jereo ny tenin'Atra ao anaty baiboly,dia ho fantatra amin'ny voany eny hoy aho ny voa afafiny.

Voalazanao tanteraka Nyrina a. Tsy natao hitsara isika fa natao handray ny tenin'Andriamanitra ary hampiasa azy amin'ny fiainantsika. Satria io ilay fanompona atkin'Andriamanitra amintsika.

206. niryna ( 10/02/2008 07:59)
Misy maro ny fandevenana ankehitriny,ao no dorana ny vatana ka lavenona no afafy any anaty rano,ao no alevina any am-pasana, ary ao koa no ataon'ireo izay mino fa mitahy ny razana ka dia alevina eo an-tokontanim-piangonana.
Raha milaza ireo olona mino ny mivavaka amin'ny maty,aiza izany no toerana hivavahana azy ireo izay efa lasa navalan'ny rano ilay lavenona?
Ny dikany raha nalevina teo andrefantrano rangahy dia ao noho izany ny vatany dia mbola ao koa izany hono ny fanahiny,tandremo fa sao tsy fanahin'ilay maty intsony no ao,voasoratra ao anaty baiboly koa izany ary tsy averiko intsony.Raha nalefa navalan-drano izany ny fatiny na ilay lavenona dia ahoana?
Anjaran'ny tsirairay no mieritreritra.
Andeha sambo? =))=)) hiantso avelo? =))
Ny marina no hanafaka antsika
207. soanja ( 10/02/2008 12:50)

Inona izany no idiran'ity resakao ity amin'ny afo fandiovana???

Ny Katolika dia tsy mivavaka amin'ny maty velively fa amin'Andriamanitra. Ny famindram-pon'Andriamanitra no ivavahany mba hisy amin'ny fanavotana ny fanahin'ireo efa lasana.

208. niryna ( 11/02/2008 05:53)
soanja:

Ny Katolika dia tsy mivavaka amin'ny maty velively fa amin'Andriamanitra. Ny famindram-pon'Andriamanitra no ivavahany mba hisy amin'ny fanavotana ny fanahin'ireo efa lasana.

:D
izay hivavahany any dia azy ho azy io,fa ny marina tsy mba maty ary vakio daholo ireo teny ao anaty soratra masina ireo.Ny ahy dia baiboly ihany no reference ka na misy mandray arahaba soa sombiniaiko,tsy mandray dia azy ho azy io.
Hitako ny lalana ka hizoraka azoko ny famonjena ka ho tanako.

209. niryna ( 11/02/2008 05:58)
7 Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.

9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. 1 John 1:7,9

210. niryna ( 11/02/2008 06:05)
4 Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin'ny ray, dia toy izany koa ny fanahin'ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty. Ez 18:4 :roll:

ROMANA 6

23 Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika. ^:^ =D=D
211. niryna ( 11/02/2008 06:15)
8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;=D=D

9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. Efe 2:8-9 ^:^

http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=15&andininy=1-9&dika=

8 Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin'ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy.Kol 2:8
:cry::cry:
212. Rasiligaoma ( 12/02/2008 06:46)
fa mba namaky baiboly aho ry reto fa tsy nahita teny tao na iray aza milaza hoe izay voasoratra ato ihany no ataovy reference
213. niryna ( 12/02/2008 07:05)
Rasiligaoma:

fa mba namaky baiboly aho ry reto fa tsy nahita teny tao na iray aza milaza hoe izay voasoratra ato ihany no ataovy reference

:D
214. niryna ( 29/02/2008 06:17)
Rasiligaoma:

fa mba namaky baiboly aho ry reto fa tsy nahita teny tao na iray aza milaza hoe izay voasoratra ato ihany no ataovy reference

FILIPIANA 4

9 Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
215. herinoels ( 30/08/2016 18:39)
Rah mangatak @ baibol ar enw d humeko. Vakio n Matio 5:25,26 s n 1kor3:15. Aiz dahul ar n toeran tin lazain @ w???
216. herinoels ( 30/08/2016 18:42)
Rah mangatak @ baibol ar enw d humeko. Vakio n Matio 5:25,26 s n 1kor3:15. Aiz dahul ar n toeran tin lazain @ w???
217. herinoels ( 30/08/2016 18:47)
Ts milaz mivantan n baibol f miholakolak
218. herinoels ( 30/08/2016 18:49)
Ts milaz mivantan n baibol f miholakolak
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3123