Mitovy ve ny fitsarana ny fahotana? misy lehibe sy kely ??

1. niryna ( 20/01/2008 06:39)
Rehefa tonga i kristy hitsara ny velona sy ny maty dia izay tsy nibebaka dia ho lasa any amin'ny afobe? Dia hitomany sy hijaly ary ho may ny fanahiny "any no misy ny fitomaniana sy ny fikotroa -nify "?
Izay mino Azy kosa dia hiaraka hitoetra aminy ny fanahiny ary ho mandrakizay? Hiadana,ary ho foana ny fahoriana, ny aretina ,ny adin-tsaina...

Nisy nanome ireto fanontaniana ireto ka andao hoe mba halalinintsika a :D:D

Raha ohatra izany ka mamono olona na raha tezitra amin'ny rahalahiny ka samy tsy mibebaka ireo dia ho very avokoa ?
Samy very ary toerana iray ihany no alehany dia ny afobe :roll: ?

Raha nangalatra volabe tao amin'ny banky ilay olona ,na nahita vola kely nipetrapetraka teo ka samy tratra dia samy mpangalatra avy no atao anarany e?.Dia samy meloka izy ireo eo anatrehan' ny fitsaran'i kristy raha tsy nibebaka izy ireo :arrow: samy very any amin'ny afobe :roll:

Raha misy olona miaraka amin'ny vadin'olona nandritra ny folo taona na elabe izy ary mahafantatra izy ireo fa vadin'olona ilay iray na manambady izy ,ary misy iray koa izay tao anaty 10 minitra fotsiny no niaraka ny vadin'olona hafa ,ary fantany koa fa vadin'olona io hiarahany :arrow:samy ho very any amin'ny afobe izy roa ireo (lahy na vavy) raha tsy mibebaka?

Ary eo amin'ny didy folo,raha ohatra ve ka ny fito hoy ilay olona no vitako ny telo tsy vitako dia hitovy ireny olona nandika didy fito ireny ve aho?

Kanefa ny tenin'Atra manao hoe raha iray fotsiny aza no nodikanao tamin'ireo didy folo ireo dia efa namany nandika azy rehetra hianao.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=GALATIANA&toko=5&andininy=19-21&dika=

Ahoana no hevitrao.
Misy lehibe sy kely ve ny fahotana aminao,sa rehefa fahotana dia fahotana fa tsy azo refesina ?

:-*:-* misaotra e,ary samy ho tahian'ATra anie isika rehetra


(l)niryna




novalian'i prime ny 04/02/2008 13:46
2. tslem ( 20/01/2008 09:47)
Ilay titre fotsiny no valiako fa lava loatra dia kamo zah mamaky, :roll: angamba tsy misy lehibe sy kely izany ny fitsaràna ny fahotàna fa rehefa oe heloka dia mitovy daholo ny lanjany. :idea:
3. ikaretsaka ( 20/01/2008 17:27)
le hoe resaka Venia sy Mortal sins ve no tian'i niryna fantatra..
mba vakivaky baiboliko ity sy fijeriko manokana fa tiako zaraina fotsiny an!

na tsy voalaza mivanana aza dia amiko dia voasokajy ilay fahotana

-Ao amin'ny Lioka 12 ao (faha 10 angamba izy izay..za moa tsy mpitsimpona sy mpitadidy tsianjery fa jereo raha akaiky baiboly) misy resaka momban'ny fahasamihafan'ny fahotana @ Fanahy Masina sy ny Zanak'olona rehefa manao blasphemy!

-Misy resaka fahafatesana faharoa koa, amin'ny karazam-pahotana (tsy tadidiko aby, any @ apokalipsa any (toko 21 izy izay raha tsy diso aho)
4. niryna ( 20/01/2008 21:50)
tslem:

Ilay titre fotsiny no valiako fa lava loatra dia kamo zah mamaky, :roll: angamba tsy misy lehibe sy kely izany ny fitsaràna ny fahotàna fa rehefa oe heloka dia mitovy daholo ny lanjany. :idea:


Dia hoy ilay olona hoe raha hitovy izany ny fahotana ka samy ho any amin'ny afobe daholo na kely na lehibe ilay heloka dia aleo manao ny goavana raha izany :D:roll: gaga aho.
5. niryna ( 20/01/2008 21:57)
ikaretsaka:

le hoe resaka Venia sy Mortal sins ve no tian'i niryna fantatra..

fanontaniana nomen'ny ankizy aho io ka zaraiko ka.

mba vakivaky baiboliko ity sy fijeriko manokana fa tiako zaraina fotsiny an!
at list efa mba nanandrana dia efa tsara izay ka,ohatrany mangetaheta ihany io,misotro rano foana rehefa mangetaheta ary rehefa mahafantatra fa hoe tsara ny vatana misotro rano dia misotra na dia tsy mangetaheta aza fa mahasoa,toy izany io :D:D

na tsy voalaza mivanana aza dia amiko dia voasokajy ilay fahotana

ahoana izany sokajiny izany,misy madinika sy kely ?
Ary rehefa maninona no lazaina hoe madinika na tsy dia misy dikanyny fahotana?
rehefa maninona indray no atao hoe vavety na goavana?
izay ve ilay sokajiny tian'ika lazaina io?


-Ao amin'ny Lioka 12 ao (faha 10 angamba izy izay..za moa tsy mpitsimpona sy mpitadidy tsianjery fa jereo raha akaiky baiboly) misy resaka momban'ny fahasamihafan'ny fahotana @ Fanahy Masina sy ny Zanak'olona rehefa manao blasphemy!
itanao fa misy ilaina azy ihany ny mitsimpona raha izany? Raha nahay nitsimpona izao hianao tonga dia vavany,soa fianatra ranamana a. :D

-Misy resaka fahafatesana faharoa koa, amin'ny karazam-pahotana (tsy tadidiko aby, any @ apokalipsa any (toko 21 izy izay raha tsy diso aho)

dia ahoana hono no lazainy?

6. nandrianina1 ( 21/01/2008 01:43)
titre:
Mitovy ve ny fitsarana ny fahotana? misy lehibe sy kely


rah ny fitsarana ny fahotana ra mbola ety an-tany de hoy za we ny kapoaka namaharanao ihany no hamaharana ho anao! fa refa niala ety ety kosa de choix roa ihany na fiainana mandrakizay na fahafatesana mandrakizay
7. ikaretsaka ( 21/01/2008 03:17)
niryna:


-Ao amin'ny Lioka 12 ao (faha 10 angamba izy izay..za moa tsy mpitsimpona sy mpitadidy tsianjery fa jereo raha akaiky baiboly) misy resaka momban'ny fahasamihafan'ny fahotana @ Fanahy Masina sy ny Zanak'olona rehefa manao blasphemy!
itanao fa misy ilaina azy ihany ny mitsimpona raha izany? Raha nahay nitsimpona izao hianao tonga dia vavany,soa fianatra ranamana a. :D

-Misy resaka fahafatesana faharoa koa, amin'ny karazam-pahotana (tsy tadidiko aby, any @ apokalipsa any (toko 21 izy izay raha tsy diso aho)

dia ahoana hono no lazainy?


[/quote]
zahako tsy mitsimpona toko sy andininy fa miteny fotsiny hoe ao izany..vao mainka aho gagha hoe olona tsy mahay mitsimpona toa ahy no mahita sy mahalala an'izany!:roll:
mandiniha tena!
8. ikaretsaka ( 21/01/2008 03:28)
niryna> sady ny fivavahana tsy hoe izay mahay mitsimpona sy mahay mamaky teny na baiboly no mahay mivavaka fa izay mahay miresaka amin'A/tra sy mampiasa ny ny fitaovana nomen'ilay nahary manodidina azy ary indrindra mahay mampiasa ny fanahy ao anatiny sy noraisiny!
9. niryna ( 21/01/2008 05:32)
ikaretsaka:

niryna> sady ny fivavahana tsy hoe izay mahay mitsimpona sy mahay mamaky teny na baiboly no mahay mivavaka fa izay mahay miresaka amin'A/tra sy mampiasa ny ny fitaovana nomen'ilay nahary manodidina azy ary indrindra mahay mampiasa ny fanahy ao anatiny sy noraisiny!

Marina izany =D=D miresaka amin'Atra ary tsy mila fitaovana raha miresaka aminy fa tonga dia telegraph sans file,antsoy i Kristy fa Izy no Zanany Malalany manakaiky ny fony ka mora ho antsika ny hanatona an'Atra raha miantso Azy.

10. niryna ( 21/01/2008 05:34)
niryna:

Nisy nanome ireto fanontaniana ireto ka andao hoe mba halalinintsika a :D:D

Raha ohatra izany ka mamono olona na raha tezitra amin'ny rahalahiny ka samy tsy mibebaka ireo dia ho very avokoa ?
Samy very ary toerana iray ihany no alehany dia ny afobe :roll: ?

Raha nangalatra volabe tao amin'ny banky ilay olona ,na nahita vola kely nipetrapetraka teo ka samy tratra dia samy mpangalatra avy no atao anarany e?.Dia samy meloka izy ireo eo anatrehan' ny fitsaran'i kristy raha tsy nibebaka izy ireo :arrow: samy very any amin'ny afobe :roll:

Raha misy olona miaraka amin'ny vadin'olona nandritra ny folo taona na elabe izy ary mahafantatra izy ireo fa vadin'olona ilay iray na manambady izy ,ary misy iray koa izay tao anaty 10 minitra fotsiny no niaraka ny vadin'olona hafa ,ary fantany koa fa vadin'olona io hiarahany :arrow:samy ho very any amin'ny afobe izy roa ireo (lahy na vavy) raha tsy mibebaka?

Ary eo amin'ny didy folo,raha ohatra ve ka ny fito hoy ilay olona no vitako ny telo tsy vitako dia hitovy ireny olona nandika didy fito ireny ve aho?



Ahoana no hevitrao.
Misy lehibe sy kely ve ny fahotana aminao,sa rehefa fahotana dia fahotana fa tsy azo refesina ?


Ahoana no hevitr'ika amin'ireo?

11. xl ( 21/01/2008 08:01)
Katesizy :
Fahotana mahafaty sy fahotana madinika
misy karazan-tsazy betsaka,
fa ny manaraka ny tenin'Andriamanitra no tena zava-dehibe, ny didiny
Rehefa mibebaka @ fahotana natao dia mamela heloka Izy @ alalana sy anaran 'i Jesoa Kristy


12. ikaretsaka ( 21/01/2008 14:44)
dia za kao manaraka ny ny Katekato (katesizy katolika) dia io lazai i xl sy ilay namana any ambony no hevitro. misy kategoriany
hoe raha kapoakana concentre de tomates ny fahotanao dia rehefa tsaraina ve ianao dia mitovy @ nahavita be ohatran'ny bariaka ...amiko tsy izany!
13. ravakamalala ( 21/01/2008 18:43)
raha ny finoana katolika dia samihafa, tsy mitovy ny ny fitsarana ny heloka vita. Satria amin ny katolika rehefa maty dia mbola misy ny atao hoe "purgatoire " raha toa ka tsy nanao ny atao hoe fahotana mahafaty ianao, ao amin io "purgatoire" io no handiovana ny fanahinao tamin ny ratsy izay vitanay teto antany, alohan ny hidiranao any andanitra, ka raha maloto tena voretra be mihoso potaka ianao dia azonao antsaina fa ho elaela ihany ny fanadiovana anao, fa raha toa ka petimpetina fotsiny, mety hoe sasa-piso dia vita an!
14. nandrianina1 ( 22/01/2008 01:02)
ny titre:
Mitovy ve ny fitsarana ny fahotana? misy lehibe sy kely ??


zay vo voavakiko le tantara kely

efa naheno fampianarana momba an'io za, fa tsy misy referansy baibolika manaraka azy!
de zao le izy: raisiko ohatra le ol nijangajanga nofatoran'ny fijangajangana zany iz, ra sty nibebaka mintsy io ol io tety a-tany de ho any @ afo be izy mazava wazy;
ny hanjo azy any hono de le lavarambo mampijangajanga azy tsy misy fiafarany any @ helo sady mampijaly azy! hiala ao @ helo tsy afaka tsony fa de miaritra fampijaliana sy afo mahamay mandrakizay ao!
io farany io ndray efa voalaza ihany
15. niryna ( 22/01/2008 07:36)
nandrianina1:

titre:
Mitovy ve ny fitsarana ny fahotana? misy lehibe sy kely


rah ny fitsarana ny fahotana ra mbola ety an-tany de hoy za we ny kapoaka namaharanao ihany no hamaharana ho anao! fa refa niala ety ety kosa de choix roa ihany na fiainana mandrakizay na fahafatesana mandrakizay

=D=D dia ahoana ? Hoy ilay olona hoe raha samy hitsaraina ka ho very any amin'ny afobe ihany aleo manao ratsy ngezangeza =)) io aloha dia hafahafa ilay fisainany e,kanefa izay moa no tao an-tsainy

16. niryna ( 22/01/2008 07:38)
ikaretsaka:

niryna:


-Ao amin'ny Lioka 12 ao (faha 10 angamba izy izay..za moa tsy mpitsimpona sy mpitadidy tsianjery fa jereo raha akaiky baiboly) misy resaka momban'ny fahasamihafan'ny fahotana @ Fanahy Masina sy ny Zanak'olona rehefa manao blasphemy!
itanao fa misy ilaina azy ihany ny mitsimpona raha izany? Raha nahay nitsimpona izao hianao tonga dia vavany,soa fianatra ranamana a. :D

-Misy resaka fahafatesana faharoa koa, amin'ny karazam-pahotana (tsy tadidiko aby, any @ apokalipsa any (toko 21 izy izay raha tsy diso aho)

dia ahoana hono no lazainy?



zahako tsy mitsimpona toko sy andininy fa miteny fotsiny hoe ao izany..vao mainka aho gagha hoe olona tsy mahay mitsimpona toa ahy no mahita sy mahalala an'izany!:roll:
mandiniha tena!

[/quote]


=))=))
Rahoviana re hianao ity no mba hiaky e...........
17. niryna ( 22/01/2008 07:53)
ikaretsaka:

niryna> sady ny fivavahana tsy hoe izay mahay mitsimpona sy mahay mamaky teny na baiboly no mahay mivavaka fa izay mahay miresaka amin'A/tra sy mampiasa ny ny fitaovana nomen'ilay nahary manodidina azy ary indrindra mahay mampiasa ny fanahy ao anatiny sy noraisiny!

Fa inona no atao hoe mivavaka? Tsy efa naverimberina im-piry ve io e.
Ny atao hoe mivavaka dia ny fanatonana an'Atra ,ny firesahana aminy mivatana,tsy mila fitaovana araka nolazainao io izany.
Raha mananatra ny zanakao ve hianao dia haka fitaovana?Raha tsy hoe kapohinao amin'ny ratsan-kazo angamba dia tsy mifaka aho.
Fa maninona hianao no taraiky be vao miditra ny trano?Dia io ilay zaza nanazava hoe mifona aho ry dada a,variana nanao basikety aho dia tsy nijery fotoana.Hay ve hoy ilay iray,amin'ny manaraka aza atao fanao intsony.
Ohatran'izany no miresaka amin'Atra .mazava amin'izay?
Manaova fanandramana fa raha mbola tsy tonga ao aminao ny fanahy masina hatramin'izao dia efa manambara ny tenin'Atra fa Mankanesa aty amiko(any amin'i kristy io )Hianareo rehetra(izaho ,hianao,ny rehetra)izay miasa fatratra(na inona na inona fahoriana,na olana misy amin'ny fiainana )sy mavesatra entana(tsy mahazaka ilay zioga intsony,very hevitra ,tapi-dalan-kaleha).Fa izaho (fa izaho=kristy fa tsy ranona na fitaovana na sary na vainga-javatra na inona fitaovana ,tsy niteny izy,tsia ,tsy niteny izy)no hanome anareo fitsaharana (any aminy irery no tiany hiateherana fa tsy olona na ny maty na sary na inona na inona izany)Mazava io ry ika ka raha mbola tsy azonao na toherina ihany dia anjaranao sisa no mifampitana amin'i kristy,afaka adidy aho,ary safidy io ka na hianao miaraka aminy dia araho ny teniny fa tsy afaka ny hanompo tompo roa isika.Teniny koa io.Misaotra tompoko.
Ny fahasoavan'ny Tompo mahery anie no ampianatra anao ahalala ny fahamarinana,mivava,mangataha famelan-keloka noho ny fanoherana ny tenin'ATra isan'andro,miambena fa ny ratsy tsy kely lalany,ary mangataha amin'ilay Kristy Mahery,Mpanavotra,Mpamonjy,Mpanjakan'ny mpanjaka mba ho voavonjy ny fanahinao ary mba hino Azy amin'izay manomboka anio. Daty....izay fotoana hamakianao an'ity.Atolory azy manomboka anio ny fiainanao,ary mino fotsiny ihany fa ho vonjena hianao.
love ,your friend niryna :-*:-*

18. niryna ( 22/01/2008 07:55)
xl:

Katesizy :
Fahotana mahafaty sy fahotana madinika
misy karazan-tsazy betsaka,
fa ny manaraka ny tenin'Andriamanitra no tena zava-dehibe, ny didiny
Rehefa mibebaka @ fahotana natao dia mamela heloka Izy @ alalana sy anaran 'i Jesoa Kristy





rehefa inona izy no madinika?
rehefa inona no mahafaty?
19. niryna ( 22/01/2008 07:56)
ikaretsaka:

dia za kao manaraka ny ny Katekato (katesizy katolika) dia io lazai i xl sy ilay namana any ambony no hevitro. misy kategoriany
hoe raha kapoakana concentre de tomates ny fahotanao dia rehefa tsaraina ve ianao dia mitovy @ nahavita be ohatran'ny bariaka ...amiko tsy izany!



:roll:
20. niryna ( 22/01/2008 08:05)
ravakamalala:

raha ny finoana katolika dia samihafa, tsy mitovy ny ny fitsarana ny heloka vita. Satria amin ny katolika rehefa maty dia mbola misy ny atao hoe "purgatoire " raha toa ka tsy nanao ny atao hoe fahotana mahafaty ianao, ao amin io "purgatoire" io no handiovana ny fanahinao tamin ny ratsy izay vitanay teto antany, alohan ny hidiranao any andanitra, ka raha maloto tena voretra be mihoso potaka ianao dia azonao antsaina fa ho elaela ihany ny fanadiovana anao, fa raha toa ka petimpetina fotsiny, mety hoe sasa-piso dia vita an!


ka io purgatoire io dia tsy misy ary efa resaka lavabe nanaraka ny arabe io.Tsy aleo na andao daholo izany isika hanao ratsy raha izany fa mbola ho diovina rehefa maty kou :roll:

http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&msgid=m4697376c963df


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.049