fahotana ve?

1. fijo ( 16/01/2008 22:16)
hoanareo mpino,moa ve fahotana ny mitovy hevitra amin'ny tsy mpino????raha vao mitranga mantsy izay ato,dia avy ny mpino sasany manenjika mafy ilay namany.
2. ikaretsaka ( 16/01/2008 22:18)
amiko aloha dia tsia e...
raha tsy izany aho efa ela no nikonfesy..
efa nanontaniako koa i mompera fa tsa fahotana hoe!
3. rakapy ( 16/01/2008 22:19)
Ka ireo mpino anie efa voa hatrany @ tsinay maintiny mihintsy ka sarotra aminy ny handinika zavatra hafa no ny baiboly e!!!
4. fijo ( 16/01/2008 22:20)
apetrako ihany ity resaka ity,satria misy ny manenkija fotsiny.
aza hadino anefa,fa ny tsy mampitovy ny mpino amin'ny tsy mpino dia teo amin'ny niandohany sy ny aorian'ny hiafarany.izay samy tsy mbola nisy nahita sy hafaka hanome ny valiny marina
5. ikaretsaka ( 16/01/2008 22:22)
rakapy:

Ka ireo mpino anie efa voa hatrany @ tsinay maintiny mihintsy ka sarotra aminy ny handinika zavatra hafa no ny baiboly e!!!



za mpino lety rakapy fa izany heo tsy sarotra amiko ny mandinika sy mijery an'A/tra ankoatran'ny ao amin'ny baiboly satria izao nozarina hijery an'Andriamanitra @ zavatra rehetra a
6. rakapy ( 16/01/2008 22:27)
Tena marina izany voalazanao izany. Nefa mety mitovy ihany koa ny niandohana sy ny hiafarana fa dia lalana handalovana no tsy mitovy ka dia mifanenjika. Mitovy ilay lalana RN7 tao Horombe taloha. Samy nandalo tao Ihosy daholo ny fiara ary samy handalo ao Andiolava daholo fa ny deviation eo antapon'i Horombe no tsy itovizana.
7. ikaretsaka ( 16/01/2008 22:34)
izay mantsy...
8. rakapy ( 16/01/2008 23:26)
Tsy misy fahotana izany eto an-tany Ra Fijo an! fitsaran'olombelona izany fahotana izany. Ny fahotana de ao anatin'ny concience -nao ihany no mitondra azy.
Atao hoe fahotana ny mangalatra nefa tsy fahotana raha toa ka voatery tsy maintsy nangalatra ianao satria nohon'ny antony manokana. Mitovy amin'izany ny namono olona sns...
9. lapino ( 17/01/2008 00:50)
fijo:

aza hadino anefa,fa ny tsy mampitovy ny mpino amin'ny tsy mpino dia teo amin'ny niandohany sy ny aorian'ny hiafarany.izay samy tsy mbola nisy nahita sy hafaka hanome ny valiny marina

Tsy tena izay aloha no amaritana ny atao hoe "mpino". Raha ny filazan'i Jesoa (cf tsimpona vitsivitsy) no jerena manko dia hafa, ary tsy misy tena mpino authentique ireny lazaina sy milaza ho mpino ireny afa-tsy vitsy monja.

10. Rasiligaoma ( 17/01/2008 00:54)
ka moa ve ireo ilay mahay mitsimpona izay voalazan'i jesoa no atao hoe mpino?
11. lapino ( 17/01/2008 01:14)
fijo:
hoanareo mpino,moa ve fahotana ny mitovy hevitra amin'ny tsy mpino????raha vao mitranga mantsy izay ato,dia avy ny mpino sasany manenjika mafy ilay namany.
Mitovy hevitra amin'ny tsy finoana ve ? fahotana ny tsy finoana.

Raha ilay resaka fiandohana sy fiafarana izay tsy mbola nahitana porofo dia tsotra no fipetrany :
- ny olona tsy mpino dia miezaka hatrany hanome valiny an'ilay baraingo mipetraka
- ny olona mpino, ilay tena authentique, manana valiny azony antoka ka tsy misy baraingo mipetraka aminy intsony
- ny sasany tsy mino, kanefa sarotra ny fiainana misy baraingo, dia raisina ny valiny resahan'ny mpino mba hamafana an'ilay baraingo fotsiny ... dia mba mpino hono izy izany. Ireo ny ankabeazan'ny atao isan'andro hoe mpino
- ny sasany indray mba te-hilahatra amin'ireo tsy mpino lalin-tsaina sy mandroso siansa, kanefa tsy maharaka akory, dia jamban'ny teoria iray zehy ny masony ka tsy mahita ny baraingo mipetraka; ireo izany no mpino ny tsy mpino. Ireo no ankabeazan'ny tsy mpino

Na inona na inona hevitra aposaky ny olona, dia ao anatin'ny iray amin'ireo sokajy efatra ireo izy. Asa anefa na ny aiza amin'ireo no fahotana.
12. lapino ( 17/01/2008 01:24)
Rasiligaoma:

ka moa ve ireo ilay mahay mitsimpona izay voalazan'i jesoa no atao hoe mpino?

Tsia ! Fa ny nolazain'i Jesoa misy mamaritra mazava ny mpino. Ohatra hoe :

"Na kely ohatra ny voantsinapy aza ny finoanareo dia hahafindra tendrombohitra"
"Izay mino Ahy dia ny asa ataoko no hataony koa"

sns

Isika izay milaza tena fa kristiana rehetra ireo, asa raha misy miaina finoana ohatra ny voantsinapy akory ! Fa raha tsy izany, tena aleo lavitra aza tsy mpino toy izay mpino sandoka. (aza hitako anie ka za)
13. vale ( 17/01/2008 02:06)
ikaretsaka:

amiko aloha dia tsia e...
raha tsy izany aho efa ela no nikonfesy..
efa nanontaniako koa i mompera fa tsa fahotana hoe!
:lol::-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:oops:
marina ny tenin'Ikaretsaka, satria isak'izay hanao fahotàna(Ratsy.) dia ande hifona hivavaka mangingina,:-D:-D:-D dia vita iny, d,rampitso mamerina indray!!!lolllllllllllll(l)


14. soanja ( 17/01/2008 03:03)
Efa betsaka ny tsy mpino hitako fa mahatsapa aho fa manana an'Andriamanitra ry zareo saingy tsy mbola hainy ny mampivoitra azy na mbola tsy fotoana hisehoaNY eo imasony izany satria manam-potoana ny zava-drehetra na minia manda izy nohon'ny antony maro samihafa.

Tsy manana fitsarana ho an'ny tsy mpino aho saingy kosa maniry aho raha mba afaka mahita ny hitako ry zareo de ho betsaka ny sambatra kokoa eto ambonin'ny tany.

Noho zany tsy fahotana ny mitovy hevitra amin'ny tsy mpino raha toa ka tsy manimbazimba an'Andriamanitra izy zay hinoan'ny hafa.
15. ikaretsaka ( 17/01/2008 03:05)
iraisako @ soanja..
namaste
16. soanja ( 17/01/2008 03:20)
ikaretsaka:

iraisako @ soanja..
namaste


Namaste Ika! de soava ny aligna koa!


17. niryna ( 17/01/2008 05:53)
lapino:

fijo:
hoanareo mpino,moa ve fahotana ny mitovy hevitra amin'ny tsy mpino????raha vao mitranga mantsy izay ato,dia avy ny mpino sasany manenjika mafy ilay namany.
Mitovy hevitra amin'ny tsy finoana ve ? fahotana ny tsy finoana.

Raha ilay resaka fiandohana sy fiafarana izay tsy mbola nahitana porofo dia tsotra no fipetrany :
- ny olona tsy mpino dia miezaka hatrany hanome valiny an'ilay baraingo mipetraka
- ny olona mpino, ilay tena authentique, manana valiny azony antoka ka tsy misy baraingo mipetraka aminy intsony
- ny sasany tsy mino, kanefa sarotra ny fiainana misy baraingo, dia raisina ny valiny resahan'ny mpino mba hamafana an'ilay baraingo fotsiny ... dia mba mpino hono izy izany. Ireo ny ankabeazan'ny atao isan'andro hoe mpino
- ny sasany indray mba te-hilahatra amin'ireo tsy mpino lalin-tsaina sy mandroso siansa, kanefa tsy maharaka akory, dia jamban'ny teoria iray zehy ny masony ka tsy mahita ny baraingo mipetraka; ireo izany no mpino ny tsy mpino. Ireo no ankabeazan'ny tsy mpino

Na inona na inona hevitra aposaky ny olona, dia ao anatin'ny iray amin'ireo sokajy efatra ireo izy. Asa anefa na ny aiza amin'ireo no fahotana.



=D=D

fijo>inona aloha no dikan'ny fahotana aminao,raha fantatrao sy itanao ny mamaritra an'izany dia izay vao mandeha amin'ilay fanontaniana hoe fahotana ve ny mitovy hevitra amin'ny tsy mpino ?
18. koioty ( 17/01/2008 08:25)
amiko aloha zany raha resaka mpino sy tsy mpino zany de ny @ finoana ny Mpahary ihany no tsy mitovy fa ny eo @ hevitra mety hisy hevitra maromaro iraisana fa tsy de hoe ifandaka be daholo ny hevitra rehetra
19. vale ( 17/01/2008 12:07)
soanja:

Efa betsaka ny tsy mpino hitako fa mahatsapa aho fa manana an'Andriamanitra ry zareo saingy tsy mbola hainy ny mampivoitra azy na mbola tsy fotoana hisehoaNY eo imasony izany satria manam-potoana ny zava-drehetra na minia manda izy nohon'ny antony maro samihafa.

Tsy manana fitsarana ho an'ny tsy mpino aho saingy kosa maniry aho raha mba afaka mahita ny hitako ry zareo de ho betsaka ny sambatra kokoa eto ambonin'ny tany.

Noho zany tsy fahotana ny mitovy hevitra amin'ny tsy mpino raha toa ka tsy manimbazimba an'Andriamanitra izy zay hinoan'ny hafa.

marina hoe,:lol::D

20. fahamarinana ( 17/01/2008 14:14)
fijo:

hoanareo mpino,moa ve fahotana ny mitovy hevitra amin'ny tsy mpino????raha vao mitranga mantsy izay ato,dia avy ny mpino sasany manenjika mafy ilay namany.



:arrow:Amiko manokana aloha fijo dia tsy fahotana ny mitovy hevitra amin'ny tsy mpino na olona rehetra en general rehefa misy fahendrena ilay hevitra,am-panajana ihany koa mba tsy ahatonga ompa na teniteny foana ny finoan'ny tsi11;azo atao ny mihady hevitra,izany tsy midika fa hanaraka ilay olona aho fa tanako koa ny ahy toa ny hitazonany ny azy fa kosa am-panajana daholo e.(l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5093