kristian sy ny fomba gasy

1. tontavao ( 09/01/2008 11:10)
Fa maninona tokoa ho aho ny fivavahana vahiny (kristiana indrindra indrindra) ankoatry ny katolika angamba amin'ny tranga sasantsasany no manenjika ny fomba amampanao gasy (tromba,doany,fivavahana amin'ny hazo,vato,fitampoha,tsangantsaigny,doanibe...). Nefa anie ka samy miteny amin'ny tsy hita maso izao ihany é????samy mivavaka ihany koa.Samy mino zanahary izao ihany.
Sa ny an'ny vahiny no masina kokoa???????????dia lasa fanopoantsampy ny an'ny tena???????????
répondu par prime le 25/01/2008 13:56
2. xxx ( 09/01/2008 11:42)
manahirana ahy ny mamaly ity fanontanianao ry namana.
fa ze anao, ka inoanao, ka mitondra aminao amzay tinao refa vita ny dianao, izay no hazony mafy....
sa ny problemanao v le zareo mitsikera, sa le anao tsikeraina?

3. tontavao ( 09/01/2008 11:44)
fanampiny:
Omena tsiny ery ny ran'akoholahy mena sy ny tantely , ny trafonkena.... nefa anie dia mampiasa dovay(ran'i kristy avy any andafy),rano,mofo (vatan'i kristy avy any andafy).
Ka tsy mitovy ihany ve ireo samy zavatra foromporonina daholo????? fa ny mahasamy hafa azy kely fotsiny dia ny iray manana boky(baiboly) fa ny iray tahiry lovantsofina tandrovana tsy ho hadino . KA NY KRISTIANA (fivavaham-bazaha) DIA TSY TOKONY HANDA SY HANIRATSIRA NY fanaovana fomba gasy na ankasarotana na ankafaliana.
ZAHO ALOHA TSY MPANAO ODY GASY ZAY MAZANA HAMELEZANA OLONA IRENY FA KOSA MANAMELOKA TANTERAKA IZAY TSY TIA NY FOMBA AMAM-PANAO KA MANAKALO IZANY AMIN'NY AN'NY HAFA.
4. nandrianina1 ( 09/01/2008 12:37)
tontavao>mahaliana le adi-hevitr fa saingy tsis azoko fotsin ny fandehany

mba hazavao kely we ny fandehan'ireto fomba gasy reto asafady
tromba,doany,fivavahana amin'ny hazo,vato,fitampoha,tsangantsaigny,doanibe...
5. rabingogilabanga ( 09/01/2008 12:39)
manenjika ny fomba amampanao gasy(tromba,doany,fivavahana amin'ny hazo,vato,fitampoha,tsangantsaigny,doanibe...).


côté pratik fotsiny ohatra,
ny kristianina, isan'alahady ihany, ary tsy forcé, na ny rakitra koa tsy forcé,

ary surtout tokana le andriamanitra, afaka ivavahanao na any amerika ianao, na any frika

ny doany sy ny hazo, mitady volabe, forcé, famadihana volabe

ary ny andriamanitra hazobenao tsy azonao oentina mi-voyage, rehefa any amerika ianao, na any asia , na any france...
6. vakiniadiana ( 09/01/2008 13:00)
Fa aza mifanenjika izany fa samia manao ny azy e, aleo hilamina, aza mifanaratsy finoana fa tano ny anao
7. tontavao ( 09/01/2008 13:16)
Io sahady ilay famingavingana fa tonga sahady, izay 'lay toe-tsaina manivaiva ataon'ny sasany milaza azy ho mpivavaka (marihiko fa fivavahana nampidirin'olona io anambanimbaniana olona io) izay no itondrana ady hevitra eto. Ny Eglise (mandany vola ny fanamboarana azy) sy ny hazo dia samy misy daholo na any Amerika na any Mongolie na eto Madagasikara.Misy hazo sy vato ny toerana rehetra eto antany ka tsy misy mahasakana anao tsy hanompo amin'ny toerana rehetra alehanao.

KA TSY AZOKO ILAY LAZAINAO HOE HAZOBENAO TSY AZO ENTINA MI-VOYAGE? ARY NY EGLIZY VE AFAKA entina mi-voyage koa sy ny polipitra ary lay hazo be la croix iny.

MBOLA MISY KOA AZA ETO AFOVOANTANY toy ny Alahamadibe, Efa mba misy boky ihany izy ireny ka raha te- hahalala bebe kokoa momba ny fombanao ianao dia tsara raha mividy azy ireny.
8. fahamarinana ( 09/01/2008 15:06)
tontavao:

ARY NY EGLIZY VE AFAKA entina mi-voyage koa sy ny polipitra ary lay hazo be la croix iny.



:arrow:f'angaha moa ny kristiana mivavaka amin'ny pilopitra sy lakroa fa tsy Andriamanitra? Jereo ireny mpitory eny ambanivohitra ireny ,dia nibata pilopitra koa hoe sa nibata ny fiangonana manontolo?(l)
9. tontavao ( 09/01/2008 15:11)
fahamarinana:

tontavao:

ARY NY EGLIZY VE AFAKA entina mi-voyage koa sy ny polipitra ary lay hazo be la croix iny.



:arrow:f'angaha moa ny kristiana mivavaka amin'ny pilopitra sy lakroa fa tsy Andriamanitra? Jereo ireny mpitory eny ambanivohitra ireny ,dia nibata pilopitra koa hoe sa nibata ny fiangonana manontolo?(l)


araho tsara fotsiny ny ady hevitra ery ambony fa aza tsaingohana izay tianao tsaingohana azafady.
Mitovy hoy aho ny vodihazo fampitankafatra sy ny eglise fampitankafatra ho any amin'ny zanahary sy ny razana


10. fahamarinana ( 09/01/2008 15:24)
:arrow:nanaraka tsara mihintsy kah zay no hi-insister-ko aminy satria ny valiteninao koa toa izay,valy boraingina .Arak'ilay famalianao any rabingobilabanga ery ambony ery :manontany ianao dia mamaly ny olona dia tonga dia tonga fofona dia mivoaka ilay hoe manivaiva ataon'ny sasany milaza azy ho mpivavaka nefa aza lay olona miteny ny heviny fa tsy nanivaiva anao.Toa ny ataoko eto ,mamaly ny teninao na nitsipona aza satria iny no ni-interresser ahy fa le reste non...(l)
11. Ylly ( 09/01/2008 16:12)
ny zavatra lazainao kosa aloha ry >>>>tontavao>eglise fampitankafatra
12. rabilabila ( 09/01/2008 16:30)
Satria fotsiny ny fivavahana (indrindra ireo monothéistes anankiroa ) dia manana firehin-kevitra hanaparitaka .Izay ny \"devoir à la maison\"-ny .


Ny olana fotsiny dia ilay fanaparitàhana tsy mandaitra matetika raha tsy arahina fampitahorana sy fampanantenana ny fiainana mandrakizay .Entina io fampitahorana io mba hi-nier-n\'ny \"indigènes\" ny finoany sy ny kolotsainy amin\'ny ankapobeny.

Ahoana no fomba hi-concretiser-ny ireo fampitahorana?

Ohatra iray :Jereo ny tantaran\'ireo Indian any Amerika atsimo : An-keriny no nametrahan\'ireo Kristianina ny finoany satria ry zareo mievitra fa izy no tena olona fa ireo indian dia sous-hommes ( cf controverse de Valladoid ) ary rehefa avy nampiasa basy ny mpanjanaka ka naharesy dia nilaza tamin\'ireo mponina hoe : \" Hitanareo izany ? Jereo fa ny andriamanitrareo sy ny razanareo tsy nahasakana ny fanafihan\' ny Espagnols?
Inona ny vokany ? Rava tsikelikely ny foman-drazana .

Ohatra faharoa : Inona no zava-nitranga teto Madagasikara ?

A) Tamin\'ny andron\'i Radama II dia navelany indray ireo vahiny nitory sy nanaparitaka ny fivavahany . Nahatsikaritra ny vahoaka fa miha-mahazo vahana ny finoana kristianina ary nanomboka voahitsakitsaka na nofohanan\'ny mpitondra ny fomban-drazana : *Nofohanan\'ny Mpanjaka ny FANDROANA ary lasa ny 1ier Janvier ny voalohan-taona.
*Nomeny alàlana koa ny Angalisy sy ny Faratay hanana tany eto Madagasikara ( izay voaràra taloha ).
*Ary indrindra indrindra ,nomeny alàlana hiditra ao Ambohimanga - izay Tany Masina tsy azo hidiram-bahiny - i ELLIS .

Inona no vokatr\'izany eo anivon\'ny Valalabemandry ?
*Saiky \"traumatisé\" ireo Malagasy ,indrindra ireo avy any ambanivolo , noho ny fanaovana zinona arahin\'ny fanapotehina ireo endrika hanehoany ny finoany (sampy....) sy ny fomban-drazany.
*Noho io traumatisme io dia maro ireo olona tratran\'ny RAMANENJANA ( Mars 1863 ) ,ny mozika Malagasy no anisan\'ny nampitony ireo olona ireo.


B) Rehefa natao batisa i Ranavalona II sy ny praiministra Rainilaiarivony ( 29/02/1869 ) dia inona no zavatra nataony voalohany ?
Ny fanapotehana ireo sampy isan-karazany izay nataon\'ny tafika.
Ny fivoriambe teny Ambohimanga hilazana ny fiombonan\'ny fanjakana tanteraka amin\'i Jehovah (lasa protestanta ny fanjakàna sy ny loholona ary ny miaramila tao) miaraka amin\'ny fitsofan-drano ,ireo vahoaka nanatrika ,amin\'ny anaran\'i Jehova.
Ny fametrahana ny \"fototra\" n\'ny fiangonana ao an-dRova.

Aman-jatony ( baptême collectif )isan\'Alahady ireo atao batisa eo anivon\'ireo vahoaka indrindra ireo akaiky ny fitondrana (miaramila manam-boninahitra ....).
Tao anatin\'ny 7 taona monja (1862-1869) dia nitombo avy-80-eny teo ho eo ny mpivavaka (2000-153 000) ,nitombo avy-dimy ambin\'ny folo -eny teo ho eo ny isan\'ny fototra ( fiangonana.......) ary indrindra indrindra nitombo ny isan\'ireo mpitory ( 2807 en 1875 - 4811 en 1884 ).



Raha ny tantara no zohina dia matetika :ny miaramila no mitondra ny basy hanjanahana ara-toekarena ,ary ny mpitory no mitondra ny baiboly hananjahana ara-kolotsaina ( Etats-Unis ,Afrika saiky iray manontolo , Amerika atsimo ,Madagasikara ,Tany vitsivitsy any Asie ....).
Inona no vokatr\'izany ?
-Ny famonoana olona à grande echelle .
-Ny fanilihina tanteraka ny fomba sy finoana ary ny fahendrena nivohy ireo mponina.
-Ary ny mbola hita hatramin\'izao ny fihanihanana eo anivon\'izao tontolo izao fa ny azy ireo no FAHAMARINANA TOKANA .

Hita maro eto amin\'ny fiseraserana ,eny fa na dia eo anivon\'ny fitondram-panjakàna malagasy aza ireo finiavana hanaisotra amin\'ny Malagasy ireo fombany ,amin\'ny alàlan\'ny famaritana isan-karazany izay tsy voatery ho mari-pototra.

Ohatra farany: Nahoana ny tany Asie (Japon , Chine ,Corée ,Inde ..) no tsy dia laitran\'ireo fomba fanjanahana ireo ?
Satria ny kolotsainy dia mari-pototra ( voasoratra ,voarafitra .....)
Satria ireo mpitondra fanjakana tany ( Empereur...) dia tsy nanaiky ny handringanan\'ireo Misionera ny finoany ,ny fivavahany ary ny fomban-drazany amin\'ny ankapobeny.

Fehiny:
Amiko ary amiko manokana ny démarch\'ireo dia : Andriamanitra mitahy ny basy sy ny tafondro handringana ireo izay mibahana ny fizoran\'ny fananjahana ; ary Jehovah hanafosafo ireo sisa tavela amin\'ny alàlan\'ireo mpitondra baiboly.

Soa fa mbola misy ireo Zoky Ray aman-dReny miezaka mampita amintsika ireo kolotsaina mandika tanteraka ny maha -Malagasy ( identité culturelle) .
Soa fa mbola maro ireo Tantsaha mitazona izany fomba izany ( famadihana ,fitampoha .....)
Ny mampalahelo fotsiny dia maro amintsika ( ary tafiditra ao ny tenako ) no tsy mahalàla na minia tsy mahalàla akory ireo fomba amam-panao ireo, nohon\'ny fanjanahan-tsaina lalim-paka .

13. cutie ( 09/01/2008 16:34)
ekeko tanteraka le fampitahorana :-D
14. tontavao ( 09/01/2008 17:06)
Lava ny fanazavan'i Rabilabila nefa mazava sady mijoro tanteraka amin'ny maha-malagasy azy. Maromaroa ny toa azy mahatsapa ny maha-ambony ny fomba malagasy miohatra amin'ny fomban'olona hafa ampidirina eto amin'ity tanindrazana iombonana ity.

Tena mbola misy olon-kendry tokoa tavela no sady manana tantara tsara sahala amin-dRabilabila ho fantatry ny taranaka mandimby aty aoriana.

Ekeko fa maro ny olona eran-tany no kristiana fa kosa araky ny fanazavana ataon-dRabilabila izay sady tsy analana no tsy anampiana io dia nandeha ho azy ny fahatanjahan'ny Kristiana ka izany no mahasarotiny ahy amin'ny tena ahy( na ratsy na tsara dia io no ahy,sady azo atao koa anie ny manatsara azy io é), fa ny an'ny hafa dia rivotra mitsoka tato anatin'ny Taonjato faha-20 no mbola manjaka eto, mino aho anefa fa ireo taranaka any aoriana any dia tsy hanaiky velively ny hanosihosena na haniratsirana ny fomban-drazany.

Ny ankamaroan'ny Aziatika dia mitazona ny azy ary mandroso be ry zareo no sady ilàn'ny maro vonjy fa ny fombandrazana tsy azo avela. Ny antsika indray dia atao izay tsy hipoirany fa ny an'ny hafa no hasohasoana tsy misy farany. Nefa any amin'ny tany nipoiran'ny fivavahana kristiana anie ka efa tsy miraika firy amin'izany Kristy izany intsony é, fa aty amin'ny tany mahantra sy mainty hoditra dia manjaka be izy io.


15. tontavao ( 09/01/2008 17:16)
Ny mahagaga tokoa dia ny tantsaha no mbola mitazona ilay fomba fa ny antonony sy ny manana dia any an'ny hafa no mahamay azy ireo.

Ka fotoana izao angamba ny tokony hahatonga saina antsika mba hanaja ny antsika. Hatsaraina raha ilaina izany fa tsy atao ambaninjavatra fa lasa toy ny valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia.

Ohatra: manohana tanteraka ny any mananjary aho amin'ny fomba izay navelan'ny razana hoa azy. Izay ny finoany fa dia tsy maintsy hajaina. Ka tokony ho foanana miaraka amin'ny vava ilay lalàna natao hanamelohana izay manary ny zaza kambana (Ekeko fa Ratsy ilay izy kanefa zay no fomba, ary anjarantsika aty aoriana no manatsara ilay fomba na manova azy amin'y alalan'ny fomba ihany koa fa tsy amin'ny alalan'ny fahefam-panjakana.)
16. diamondra27 ( 09/01/2008 17:37)
I Petera 4: 1-8


1 Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka amin'ny ota;

2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra.

3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fisotroan-taoka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;

4 ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy hianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;

5 nefa hampamoahin'Ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty izy.

6 Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza: mba ho tsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy, fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.

7 Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonona tena ho amin'ny fivavahana.

8 Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha. 10 .12).

_________________________

io tsy mila tenenina we aza manao an'zao sy zao ianao fa raha tena resy lahatra ianao de hahatsapa we : tsy tokony hanao an'zao sy zao tsony za

Mety hoe: anjaran'ny mpitondra fivavahana ny mampahafantatra zany aminao fa ianao sy ny Tompo ihany no mahalala ny relation-nao am Tompo.

Koa raha mbola hijanona am finoanao zany de ataoko fa tsy tokony hisy hanameloka anao fa hanoro anao am lalana tokony alhe fotsiny.

DE mahaiza misafidy e!

MIKA 6:8
8 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany : ny hanao ny marina sy ho tia famindrampo Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena.

17. tontavao ( 09/01/2008 19:15)
Misaotra anao indray aho ry diamondra mitory teny SY MANOME LESONA AO ANATY BOKY zay lazaina fa hoe tenin'Andriamanitra. Midera anao aho tsy kivy.

Fa ny ahy dia ny hiverenan'ny fomba gasy no tena masaka ato antsaiko fa efa novakiako IMBETSAKA io BOKY io dia misy anarana tsy hay vakiana be dia be ao anatin'io boky io ka tonga saina aho hoe tsy an'ny razambeko ity dia efa napetrako ny famakiana azy.

Fa kosa ny anatra tsara ao anatiny dia tandrovako mafy dia mafy satria anatra tsara be toy ny Didy folo ohatra. Fa tsy dia izay rehetra ao anatiny akory.Be dia be ny ratsy ao; ohatra i Abrahama SOLOMONA,DAVIDA, dia nanambady arivo sa moa zato...sns... Tsy azo alaintahaka izany nefa dia ireo no razambe tompoina sy henointeny ao anatiny ao.
18. soanja ( 09/01/2008 20:38)
tontavao:

Fa maninona tokoa ho aho ny fivavahana vahiny (kristiana indrindra indrindra) ankoatry ny katolika angamba amin'ny tranga sasantsasany no manenjika ny fomba amampanao gasy (tromba,doany,fivavahana amin'ny hazo,vato,fitampoha,tsangantsaigny,doanibe...). Nefa anie ka samy miteny amin'ny tsy hita maso izao ihany é????samy mivavaka ihany koa.Samy mino zanahary izao ihany.
Sa ny an'ny vahiny no masina kokoa???????????dia lasa fanopoantsampy ny an'ny tena???????????


Mety tsy misy ifandraisany amin'ny hevitra no arosoko saingy kosa misy ifandraisany amin'ny resaka fomba amam-panao sy ny finoana.

Tamin'ny andro taloha elabe dia tsy nisy ny fivavahana na finoana fa nisy kosa ny antsoina hoe ecstacy. Io ecsatcy na fiarahana miaramirindra na midola na mihira na manao fihetsika ifandraisana nefa tsy ahitana porofo ny antony ilan'olombelona anaovana azy no isan'ny Finoana tamin'izany andro izany. Nivorivory ry zareo tamin'izany ary samy manao izany fombany eo avy.
Tao no milalao hazo, tao ny midera ny masoandro, ato ny mandihy amin'ny volana miposaka ary tao ny nitia ny rivotra nifofo. Zavatra iray anefa no tsapan-dry zareo eo ampanaovana azy. Dia ny ecstacy na fahatsapana tongalafatra ary vetivety ihany eo saingy mahate hanao foana satria mahatsiaro sambatra izay manao azy eo.
Io zavatra tsapa io no azo lazaina fa fitombohan'ny finoana sy ny fivavahana. Misy zavatra te hitakatra lavidavitra. Irahana ary ifampizarana ary ifandraisana. Io ilay Fanahy ao amin'ny olombelona tsy hitovizany amin'ny biby. Misy biby manao an'io koa saingy vitsy ny fotoana raha oharina amin'ny olombelona.
Koa teo no nisian'ny fanompoana isan-karazany. Satria saro-takarina sy sarobahana ny zavatra takian'io fomba io dia samy nanao izay sary tao an-tsainy ny kolontsaina hoe inona io zavatra tadiavina io , tiana hotompoina.
Mino aho mahaMalagasy ahy fa tahak'izay no zavatra takian'i Ntaolo raha nanao ny fanompoana ny razana ry zareo. Tsy manana sary an-tsaina saingy mihevitra fa ireo izay lasana no tompoina satria iny no hitany nefa lasa. Nahatsapa ry zareo fa nisy ny fifandraisana ary maharitra miankina amin'ny fomba ama-panao.
Noho izany,
Ny fanompoana an'Andriamanitra tadiavin'i Kristianina amiko amin'ny maha Mpino ahy dia tsy tokony hisy akory sary an-tsaina izany Andriamanitra izany fa zavatra tsy takatry ny saina ary tsy hta maso ary tsy ao tsapain-tanana. Ny fomab entina ananterahina izany ksoa dia azo ampifdanmdraisina amin'ny Natiora sy izay zavatra hitanao manalefaka na manamora izany fifandraisana izany. Tsy sampy akory nefa tsy Andriamanitra.
Ny mpanabe teo anelanelany nanazava sy nanome ny votoatiny na ny Ntaolo na ny Krsitianina no tsy ampy hanilo ny sain'ny rehetra.

Fa mitovy ny zava-drehetra na fanompoana Malagsy na fanompoana amin'ny mahaKrsitianina, dia ny fikatsahana ny zavatra ambonimbony kokoa noho ianao ary tsy azonao hazavaina sy tsapaina nefa azo ianteherana. IO no finoana tsy misy tsara tsy misy ratsy. Izay manana azy ka mahatsapa ny tsapany ary mitahy sy tonga amin'ny tanjona no lazaina fa sambatra.

Ny fitahiana ny any ankoatra no isan'ny hifikiran'ny rehetra raha hino izy ary io no imatimatesan'ny rehetra. Raiso ho voninahitra izay inoana ary fikiro tokoa raha hitanao fa manao soa ny mpiarabelona fa indrindra ny tenanao mandray azy. Namaste!

19. tontavao ( 09/01/2008 21:12)
Toa mahaliana ihany ilay ecstasy ry soandra na dia tsy mifandray amin'ny adihevitra aza. Mba miitatra kely indray ny fahaizana aloha.

:!::!::?::?::idea::idea::idea::idea::idea::idea::idea:mahamenatra ry zareo ny mbola voazanaka hatramin'izao fa dia anjarantsika rehetra ny mandinika fa sao dia efa mandroso loatra ary lay fombandrazan'olona KA MBA LERA amin'izay mba hampandrosoana ny an'ny tena.

Mba te-hahita an'i Gasikara ho toa an'i Japon aho.
Mandroso be ry zareo any nefa dia mitana ny maha-japoney ny japoney. Tsy mbola tara isika raha izao vao tonga saina fa mbola ao tsara.

Ilay fampitahorana hoe ho avy toy ny mpangalatra anie ka mbola tsy tonga foana hatramin'izao é. Efa ela be no nahenoana an'izany, TSY EFA ANARIVONY TAONA LASA VE NO NITENENANA AN'IZANY?
20. fijo ( 09/01/2008 22:21)
mody milaza fa tsy mahazo ny sasany satria marina tanteraka ilay fanontanian'i tontavao.
ny tiana ambara eto dia io fanambaniana fombandrazana io,nefa samy tsy mbola nisy nahita izay hivavahany any.koa nahoana no misy tsy hita ambony ary misy tsy hita ambany????izay no olana.tsy misy tsy mazava eo,fa rah atsy mahita avaly di alazao hoe ilay vahiny no tianay satria io nentin'ny vazaha
lazaina fa mandany vola ny joro?????iz an olafo kokoa manangana aglizy iray sa manao vala doany????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.096