kristian sy ny fomba gasy

41. rabilabila ( 14/01/2008 01:21)
A mediter:

http://www.haisoratra.org/breve.php3?id_breve=356
42. Mandefitra ( 14/01/2008 04:55)
tontavao:
AMIN'NY MAHA-GASY AZY NO RESAKA ETO; MANINONA RAHA IZAY NO ARENTIRENTY HOE VITA GASY ITY? MAHAY NY GASY? ASEHO HO HITAN'IZAO TONTOLO IZAO FA MAFOAKA NY GASY izay no tokony atao fa tsy hoe: JESOSY no nahatonga an'izao sy izao.

Io anie toy ny hoe rora de mahasitrana ody may.
Firy % malagasy no hanaiky an'io?ary firy % my mpandrora no tena mahasitrana tokoa ankehitriny? efa nisy vahiny ve may ka nanantona mpandrora, na ny mpandrora nivoaka ny gasikara hitsabo may?
Matoa io manasitrana, tsy noho ianao nandrora, fa noho ilay ao Ambony nitahy ilay rora.
Toy zay koa ilay menaka, ary rariny raha nampiarahiny tao ny anaran' i Jesosy zay Zanak'Andriamanitra (Andriamanitra Zanaka), satria :
Fitsaboana + Jesosy = Fahasitranana

Raha miditra ao @ toby fitsaboana FLM 67ha ianao de zao no soratra ao :
Dokotera mitsabo, Jesosy manasitrana.
43. soanja ( 14/01/2008 07:11)
Na tsy mpino aza ny olona iray dia afaka tokoa mampiasa ny "positive thinking" na "mino fa handaitra izay heverina" dia mahazo izay tanjona irina tokoa.

Tsara ny fomba gasy raha toa ka tsy manimba ny hafa manodidina azy. Tsara koa ny finoana an'Andriamanitra raha toy izany ka tsy manimba ilay olona mandray azy. Efa betsaka ny olona hitako marary noho ny fivavahana diso tafahoatra loatra.

Miankina amin'ny fahatanjahana ara-tsaina sy ara-panahy ary ara-batana no mahatonga ny olona iray hanana fahasalamana ka afaka mandray an'Andriamanitra. Miankina amin'izany koa ny famokarany eo anivon'ny fiarahamonina.

Dia toy izany koa ny fomba Malagasy. Ny fanompoana ny razana dia avy amin'ny alalan'ny asa atao sy ny fady arahina tsy hanimba ny firenena na ny fiarahamonina.
Tsy misy maharatsy azy ireo roroa ireo ary azo atao tokoa ny mampifameno azy.
Mahaiza mitady ny marimaritra iraisana satria io no fitoniana feno mety hanome fahasambarana antsika. Andriamanitra mahalala lalandava ny olontiany!

44. tontavao ( 14/01/2008 11:14)
hoy tsikikely:
ny tromba, doany, alahamadibe. Tsy kristiana ireo na dia fomba malagasy, ny fotony dia ny devoly.
Ny devoly = maizina,

Fa angaha rehefa tsy kristiana dia DEVOLY. Satria ve miteny amin'ny tsy hita maso izy ireo dia devoly, fa angaha ny kristiana mahita maso an'izany JESOSY izany??? Sa mampiasa lamba mena na fotsy sy toaka gasy dia devoly???? ary ity hazobe lakroa arentirenty any ampiangonana ity??? tsy materialy ve ireny???ny pilipitra, ny Divay (toaka misy alikaola) ny mofo manify kely amin'ny kaominio ireny angaha tsy asan-devoly ihany koa (satria olombelona no nanao an'ireny) raha izay no izy????

NY TROMBA DIA NY RAZANA efa lasana NO MIDITRA indray AMIN'ILAY OLONA te-handray azy, moa va tsy efa mazava aminao fa MANANA NY HERINY tokoa ny razana.SATRIA MANTSY NA DIA OLONA TSY AFAKA MIHETSIKA INTSONY FA MARARY DIA AFAKA MIHINJAKA SOA AMANTSRA RAHA VAO TAFIDITRA NY TROMBA .Nefa amiko dia tokony azo hararaotina tsara izany ARY ILOFOSANA BEBE KOKOA MBA HIOMPANANA AMIN'NY FANAOVANA TSARA HATRANY NY FANAOVANA AZY ????

Aza atao an'izany ny fomban'olona fa tsy izay mandeha ampiangonana dia ho masina daholo fa kosa angamba matoa mankany ampiangonana aianao dia misy devoly izay ndeha ho esorina. Ka amiko dia ny kristiana no tena devoly maizina fa mandeha any ampiangonana foana hanala fahoptana.
45. Mandefitra ( 14/01/2008 12:00)
tontavao:
NY TROMBA DIA NY RAZANA efa lasana NO MIDITRA indray AMIN'ILAY OLONA te-handray azy, moa va tsy efa mazava aminao fa MANANA NY HERINY tokoa ny razana.SATRIA MANTSY NA DIA OLONA TSY AFAKA MIHETSIKA INTSONY FA MARARY DIA AFAKA MIHINJAKA SOA AMANTSRA RAHA VAO TAFIDITRA NY TROMBA .Nefa amiko dia tokony azo hararaotina tsara izany ARY ILOFOSANA BEBE KOKOA MBA HIOMPANANA AMIN'NY FANAOVANA TSARA HATRANY NY FANAOVANA AZY ????

De hono ra tontavao : tianao ve raha ianao na ny dadanao na ny ralahinao no mihetsika tromba?
Ary nga mo ny razana voabaikonao ka hoe hotrandrahana hanaovana ny tsara hatrany ny tromba?

tontavao:
Ka amiko dia ny kristiana no tena devoly maizina fa mandeha any ampiangonana foana hanala fahoptana.

No comment
46. tontavao ( 14/01/2008 13:30)
Fa nahoana re no dia ny lafy ratsin'ny tromba foana no tenenina é.
Ny tromba dia mitovy amin'ny fananareo finoana an'i kristy ho an'izay mandala azy. Tsy voatery ho ratsy foana anefa izy io fa mety hahatsara olona iray sy ny fianakaviany ny fisiany, mianinga amin'ny fangatahana ny fomba fiasan'ny sasany.
Mitovy amin'i Jesosy ihany angaha azo terena ihany koa Jeso na hivavaka 24/24 aza ianao rehefa hiala ny ainao na hiteny amin'i jesosy eo foana aza ianao tsy ho tana akory ny ainao, toy izany koa ny tromba, sy izay lazainareo fa fanahy ratsy rehetra. Tsy voatery ho ratsy ny fomba fa mba saino tsara é.
47. soanja ( 15/01/2008 01:57)

Satria betsaka ny tsy mahalala ny fomban-drazany na ny mahaMalagasy azy ka. Zary ny hafa efa manaratsy ary no fantany momba izany fomban'ny Malagasy izany.
Indrisy anefa efa nosimbaina ny fijerin'ny Malagsy Mpino betsaka ka tsy afaka hijery mazava sy tsy miangatra ny hatsaran'ny kolontsaintsika.

Mahereza manadihady sy mandala ny kolontsaina Malagasy fa io no antsika ary tsy manam-paharoa.

48. rabilabila ( 15/01/2008 07:57)

Soanja,

Ahoana moa hoy ianareo ? namaste !! ary zato isan-jato mihitsy.

49. Mandefitra ( 15/01/2008 09:11)
tontavao:
Fa nahoana re no dia ny lafy ratsin'ny tromba foana no tenenina é.

Hay mo misy lafiratsiny izy io ... ny miaraka @ Jesosy mantsy tsara foana. :)

tontavao:
Ny tromba dia mitovy amin'ny fananareo finoana an'i kristy ho an'izay mandala azy. Tsy voatery ho ratsy foana anefa izy io fa mety hahatsara olona iray sy ny fianakaviany ny fisiany, mianinga amin'ny fangatahana ny fomba fiasan'ny sasany.

Ny finoana an'i Kristy de finoana an'Andriamanitra telozayIray. Ary ny miaraka aminy de tsara foana, tsy misy ratsy ao Aminy.Ka tsy mitovy @ Tromba velively izy zany,f'ianao no milaza fa "tsy voatery ho ratsy foana..."

Ny miala aina ao @ Jesosy, vao maika tombon-dahiny ahazoana ny fahasambarana mandrakizay ho an'ny mino Azy, ka tsy misy atahorana.

50. rabilabila ( 15/01/2008 09:55)
Manitikitika ahy kely fotsiny (tsy voatery valiana akory )

I Mandefitra izany tsy te-hanana fikirizana ny hanadiady mihitsy ny fomba malagasy sy ny finoana malagasy ?

Raha tsia no valiny dia mba azonao atao ve ny mamakafaka ny dikan'ny hoe " Zanahary " amin'ny Malagasy ? ( Ny Malagasy lazaiko dia ireo mponina ao amin'ny lafivalon'i Madagasikara ):wink:
51. Mandefitra ( 15/01/2008 10:20)
rabilabila:
I Mandefitra izany tsy te-hanana fikirizana ny hanadiady mihitsy ny fomba malagasy sy ny finoana malagasy ?

Ny fotoana hidinana any ambany ravin'ahitra mety tsy hisy firy, nefa ny documentaire miraikitra ireny fomba ireny koa tsy maneho ifotony ny zava-misy.
Ny hevitro de hoe : ny Malagasy anie nangetaheta fifandraisana t@ ilay Andriamanitra Andriananahary, ka de ny razana no noheveriny hanelanelana azy @ zany. Saingy, efa nirahin'ny Ray ny Zanany hamitra-pihavanana @ olombelona tsy ankanavaka, ka de foana hatreo ny elanelana.Afaka mihanta @ Ilay Nahary, tahaka ny zanaka @ rainy ny olona rehetra @ alalan'ilay Maty sy Nitsangana t@ maty hisolo ny helontsika : de Jesosy Kristy io.
52. tontavao ( 15/01/2008 10:47)
Hoy ianao hoe miaraka amin'i Jesosy tsara foana.

Marina izay satria efa nodontoina ny saina mba hiantehitra amin'izay.

Ohatra iray no omeko anao ry mandefitra: Matoa nisy ny PROTESTANTA dia nisy zavatra tsy mety hitandry zareo tao amin'ny Katolika tao dia namorona hafa izy izay nampanarahiny ny fotopisainany (calvin sy Luther sy ny namany maro hafa koa).
Ka aza dia manatsara be fahatany fa matoa aho niteny an'io dia mahita lafy ratsiny tokoa aho amin'ny fomba gasy sasantsasany fa kosa toy ny nataon'ny protestanta koa dia tokony hovana izay fomba tsy mifanaraka intsony amin'ny fotopisainana ankehitriny ka amin'ny alalan'ny fomba IHANY no tokony hanatsarana azy.
53. Mandefitra ( 15/01/2008 11:05)
Tsy hoe tsy nifanaraka t@ foto-pisainany fa tsy mifanaraka @ Soratra Masina (resaka lava ny @ iny).
Ary zay ihany koa no nahatonga ny Kristianina Malagasy tsy manaraka ny fomba malagasy sasantsasany, zay mbola mila ny razana ho mpanelanelana @ ilay Andriamanitra Andriananahary ... satria efa vitan'i Kristy ny famonjena sy fampihavanana ... foana hatreo ny elanelana.
54. tontavao ( 15/01/2008 13:04)
Tsy ity KRISTY ity ve no tena mpanelanelana é.

1° ZANANY LAHY TOKANA ( misy roa ve izany Andriamanitra sa moa naremina haingana hoe Telo izay iray).
2° TSY MISY HAHAZO Fanjakan'Andriamanitra raha tsy amin'ny anarako (ka tsy izy ve no manelanelana amin'izany)
3° .......BE DIA BE

Ka hoy aho aminao hoe MITOVY TSY MISY VALAKA NY ASAN'NY KRISTY sy ny an'ny RAZANA
55. soanja ( 15/01/2008 15:21)
rabilabila:

Satria betsaka ny tsy mahalala ny fomban-drazany na ny mahaMalagasy azy ka. Zary ny hafa efa manaratsy ary no fantany momba izany fomban'ny Malagasy izany.
Indrisy anefa efa nosimbaina ny fijerin'ny Malagsy Mpino betsaka ka tsy afaka hijery mazava sy tsy miangatra ny hatsaran'ny kolontsaintsika.

Mahereza manadihady sy mandala ny kolontsaina Malagasy fa io no antsika ary tsy manam-paharoa.

Soanja,

Ahoana moa hoy ianareo ? namaste !! ary zato isan-jato mihitsy.

Rabilabila> Ny taratra eny aminao mifandray amin'ny taratra nalefako. Namaste hatrany! Soanja

56. fijo ( 15/01/2008 22:31)
mba nisy manaky ve le jereo eto nataon'i rabilabila????toa hodian'ny kristianinatsy hita le izy raha ny fahazoako azy eto
57. soanja ( 16/01/2008 01:12)
Zah namaky tsara ka. Ary hitako fa marina ny voalaza. Tsy mahalala ny mahaIzy azy ny Malagasy amin'ny akamaroany saingy kosa faly manaratsy na dia tsy fantany aza. Satria nahoana? Anjaranareo ny mamaly azy!
58. Mandefitra ( 16/01/2008 05:16)
tontavao:
Ka hoy aho aminao hoe MITOVY TSY MISY VALAKA NY ASAN'NY KRISTY sy ny an'ny RAZANA

Kristy zanak'Andriamanitra, tsy nanana ota, maty ary nitsangana t@ maty ary efa mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra.
Ireo razantsika kosa, dia olombelona mpanota, maty ary miandry ny fitsaran'ny lanitra.

Dia anjaranao no misafidy hoe ho any @ iza moa ianao raha hiresaka @ Ilay Nahary.
59. fijo ( 16/01/2008 22:08)
misaotra ry soanja.

de io fa manao tsianjery be indray ny sasany
60. ikaretsaka ( 16/01/2008 22:47)
Satria betsaka ny tsy mahalala ny fomban-drazany na ny mahaMalagasy azy ka. Zary ny hafa efa manaratsy ary no fantany momba izany fomban'ny Malagasy izany.
Indrisy anefa efa nosimbaina ny fijerin'ny Malagsy Mpino betsaka ka tsy afaka hijery mazava sy tsy miangatra ny hatsaran'ny kolontsaintsika.

Mahereza manadihady sy mandala ny kolontsaina Malagasy fa io no antsika ary tsy manam-paharoa.

namaste be mihitsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0086