kristian sy ny fomba gasy

21. diamondra27 ( 10/01/2008 00:15)
II petera 3:3-5

3 fa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany

4 ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny , hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza.

5 Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra,


22. prime ( 10/01/2008 11:11)
tontavao> aza dia manonofy loatra ny hampitaha tena amin\'ny japoney Ra-tontavao fa tontolo sy kolo samihafa tanteraka... na amin\'ny maorisiana ato akaiky ato aza dia tsy fampitaha amintsika Malagasy velively...

Ny tena herin\'ny japoney dia tsy kolon-tsaina loatra na dia misy ampahany ihany aza avy amin\'izany, fa ny fifehezan-tena (discipline), ny fahaiza-manaja tena (sens de l\'honneur), ny fahazotoana sy ny fitiavana asa vokatr\'ireo roa voalohany ireo...

Ireo rehetra ireo nefa dia tsy anisan\'ny foto-pisainana sy kolon-tsaina Malagasy loatra...

Raha resaka finoana indray no resahina dia tsy misy maharatsy ny fiarovana ny an\'ny tena saingy izay rehetra kolon-tsaina sy finoana Malagasy akory dia tsara avokoa ka hihinanana am-bolony...
23. fahamarinana ( 10/01/2008 12:12)
mody milaza fa tsy mahazo ny sasany satria marina tanteraka ilay fanontanian'i tontavao.

:arrow:Ka marina amin'ny fijo tsy voatery ho marina amin'ny rehetra aloha
ny tiana ambara eto dia io fanambaniana fombandrazana io,nefa samy tsy mbola nisy nahita izay hivavahany any.

:arrow:Angamba mbola tsy nisy nanambany,au contraire ny any tontonvao no tonga dia ny xna no ambaniany ,ny xna ndray manome verset sy miezaka manazava fa tsy nahita aloha aho hatreto hoe nanambany ,sa mahita ve dia lazao ahy ary e!.
tsy mahita avaly di alazao hoe ilay vahiny no tianay satria io nentin'ny vazaha

:arrow:iza ndray no nilaza an'izany teo ,hevitrao zay fa tsy ny any rehetra xna.Aza manao affirmation gratuite fa tsy mety e.
Ary farany tsy izay tsy manaraka ny fomba gasy anie dia hoe xna e,fa misy tsy mpino tsotra izao nefa mahita fa tsy mety dia mitady fiovana.
Ary ny xna tsy midika fa manary ny fomban-drazana rehetra :sasantsany oui,ny ahy manokana aloha toa ny fanompona sampy,sns tsy voatanisako fa andraso ndray hamaky ery ambony dia iverenako eto avy eo .Sao hisy hilaza fa tsimpona ndray no ataoko.:-D(l)



24. xxx ( 10/01/2008 14:22)
tiavo ny an'ny razanao satria io an'ny razanao ???
Safidy io , izay maharesy lahatra ny tena ihany no atao ka , avy eo mi assumer e

Ohatran'ny hoe ny fivavahana kristiana est l'origine de tout le mal mianjady @ gasy raha ny fijerin'i tontavao .
25. piste ( 10/01/2008 16:30)
O ry tontavao ò, efa voalazako atsy ambadika fa diso be ianao raha milaza fa ny Kristianisma dia fivavaham-bazaha. Ka raha hatrany am-boalohany dia efa HS ilay fanontaniana dia atao akory ny mbola hanohizantsika azy.
26. fijo ( 10/01/2008 23:32)
prime ny (discipline sy ny sens de l'honneur)dia samy vokatry ny fitaizana bushido nitaizana ny japoney.io aniefa dia avy amin'ny finoana shintoisme izay mifototra amin'ny fanajana ny tranainy.

hoy fahamarinana"Angamba mbola tsy nisy nanambany"tsy ianareo eto izao no resahana hoe manambany,fa ny olona nampiditra ny finoana vazaha

Ary ny xna tsy midika fa manary ny fomban-drazana rehetra :sasantsany;raha io no tanteraka amin'ny rehetra dia tsara
27. fahamarinana ( 11/01/2008 07:36)
hoy fahamarinana"Angamba mbola tsy nisy nanambany"tsy ianareo eto izao no resahana hoe manambany,fa ny olona nampiditra ny finoana vazaha

:arrow:autant pour moi ary fijo fa nentim-po aho zany an
Ary ny xna tsy midika fa manary ny fomban-drazana rehetra :sasantsany;raha io no tanteraka amin'ny rehetra dia tsara

:arrow:Ny ahy manokana aloha iny fijo an ary marina ny teninao hoe raha io no tanteraka dia ho tsara fa iny ndray dia miankina amin'ny Xna tsi 11 ihany(l)

28. Mandefitra ( 11/01/2008 09:52)
Tsy azoko le hoe finoana vazaha
Andriamanitra Andriananahary, Nahary ny lanitra sy ny Tany no inoana, sy ilay Jesosy Krsity Zanany, niserana kely teto antany hamonjy antsika, ary ny Fanahy Masina ... ka iza @ ireo no vazaha? :wink:
29. tontavao ( 11/01/2008 11:42)
Tsy azoko le hoe finoana vazaha
Andriamanitra Andriananahary, Nahary ny lanitra sy ny Tany no inoana, sy ilay Jesosy Krsity Zanany, niserana kely teto antany hamonjy antsika, ary ny Fanahy Masina ... ka iza @ ireo no vazaha?


Tsy Andriamanitra na lay Jeso no vazaha, fa ny fampidirana ny finoana kristiana (izay finoam-bazaha)no hirika iray nahazoan'ny vazaha niditra teto sy nandinika ny zava-nisy teto dia nahatonga ny fitsiriritany azy ary nahatonga ny fanjanahana tamin'ny lafiny rehetra taty aoriana. Ekeko fa nisy Anglisy sy vazaha tao fa ny an'ny vazaha no tonga aloha tamin'ny fanjanahana.

Ny fomba gasy angaha tsy mino an'ny zanahary???? MINO TANTERAKA IZY ARY MANAJA AZY KOA fa tsy amin'ny alalan'izany Jesosy JIOSY izany no fanandratany ny zanahariny.Ary mahomby koa izany satria tadidio fa mbola tsy nisy nahita izany Andriamanitra izany fa dia inoana fotsiny izao ny fisiany satria tsy takatry ny saina intsony ny ambadik'izay na dia hanovokovoka mafy aza ny mpanao siansa (voafetra ny fahaizana).

Ka nahay dia nahay tokoa ny mpamorona ilay fivavahana kristiana satria avy tamin'ny alalan'ny lovantsofina ihany koa no nanoratana an'io baiboly io KA NAHARESY LAHATRA AN'IZAY REHETRA NANDALOVANY TOY NY TETO MADAGASIKARA. Mino mantsy aho fa raha ny fivavahana Boudha no tonga teto voalohany dia inoako zato isanjato fa dia niaro an'io koa ny maro satria marefo dia marefo ara-panahy ny malagasy maro ka mora andairan'ny izao sy izao.

Jereo ange fa miroborobo fatratra ny Apokalipsy ohatra satria nahoana moa??? Mbola tsara lavitra noho ny an'ny fivavahana nisy teto ny approche-ny. TOY NY FJKM IHANY KOA IZAY MAHAZO VAHANA NA DIA MBOLA VAO TSY ELA AZA NO NIFORONA (NY fiangonana FJKM no lazaiko eto fa tsy ny fiangonana protestanta akory fa aza afangaro). Toy izay hatrany.

Ka maninona moa raha ny FIVAVAHANA GASY indray no ndeha hifanotofana. Mino aho fa hahavita lavitra noho ny vitan'ny fivavahana kristiana ny mety ho vitany satria tena fotopisainana gasy no handrafitra azy.

(Ankehitriny dia voabahabahana ny fanaovana ny fomba amam-panao satria tafiditra hatrany anaty lalàna rehetra any ny fivavahana, tonga hatreny amin'ny lanonana maro samihafa ara-panjakana ka mahatonga ny olona sasantsasany sorena ; ka adidiko, adidinao ny mamerina ny hasiny)
30. prime ( 11/01/2008 11:50)
Mandefitra> tsara fipetraka ilay fanontaniana...

fijo> (HS kely aho eto) tena mifanohitra izany ambaranao izany hoe ny bushido no nahatonga ny japoney hanana \"code d\'honneur\" ambony ankehitriny io... ny \"sens de discipline\" sy ny \"sens d\'honneur\" efa nananan\'ny japoney hatramin\'izay no nofehezina tao anatin\'ny \"code d\'honneur\" lehibe nosoratan\'ny Samourai Jocho Yamamoto... ka nifehezana ny bushido... http://www.le-japon.com/samourais.html

Ny antony nidirako kely tamin\'io na dia HS aza dia ilay fampitahàna an-jambany lazain\'i tontavao ho vitan\'ny japoney tokony ataontsika Malagasy...

Ho an\'ny rehetra mpandala ny fomban-drazana>
- Manandanja lehibe eo amin\'ny famelomana ny fomban-drazana ny rafitra nahaMalagasy ny Malagasy, dia ny hasin\'ny Andriana... voahaja ve aloha io vao miresaka lavitra ny hasin\'ny fomban-drazana...?
- Anisan\'ny fototra iray iorenan\'ny fomban-drazana sy ny fomba Malagasy ny andraikitry ny \"razana\" eo amin\'ny fomba Malagasy... ary io tsy natao ho an\'izay rehetra nanana faty natao fomba ho lasa razana fa izay Andriana ihany... ary izay antony izay no nahatonga ny razan\'Andriana ho lalana tokana ifandraisana amin\'andriamanitra... voahaja koa ve io ary eken\'ny Malagasy Ray Malagasy Reny mpandala izany?
- Ny fijoroan\'ny fikambanan\'ny Andriana ankehitriny dia mamelo-maso ny hasina mahaMalagasy ka manana hetaheta iverenan\'ny rafitra tena Malagasy dia ny rafitra misy Mpanjaka ary tena nety sy nampandroso Madagasikara tokoa araka ireo alahelonareo ireo... ekenareo rehetra ve izany?

Raha voavaly ireo dia afaka miroso lalina kokoa isika ny amin\'ny finoana kristiana sy ny finoana Malagasy araka ny fomban-drazana...

31. tontavao ( 11/01/2008 12:17)
Faniriana toy ny faniriana rehetra ny ahy ny tokony hananatsika hambopo mitovy amin'ny Japoney ka hihevitra ny antsika ho ambony noho ny an'olona.

Io no efa nambara hatrany ambony rehetra any hoe:" Azo atao tsara ny manatsara sy mampanaraka ny toe-trandro lay fombatoy ny ao ampiangonana ihany dia efa misy baiboly en ligne, ny ordinatera no fitaovana ampiasaina amin'ny toerana sasantsasany; ny affiche no arentirenty etsy sy eroa...... Efa tsy dia izany monarchie izany intsony no ilain'ny toetrandro ankehitriny indrindra fa ny fisainana gasy izay NOPOTEHINA TANTERAKA nandritra ny zato taona mahery fa kosa azo atao tsara ny manova endrika azy araka ny zava-misy iainana ankehitriny.

Efa nifidy ho repoblika isika ka tsy tsara tokoa ny miverin-dalana fa kosa mitady hevitra hafa hialana amin'ny resaka andriana sy andevo izay fa kosa ilay tena FIVAVAHANA no atao fa tsy ilay fombafomba tamin'ny andron'Andriana.

Lazaiko anao fa na ny any ampiangonana anie ka misy zavatra tsy mifanaraka amin'ny toetrandro intsony é, nefa dia mety ho azo amboarina arakaraky ny fandrosoana. Omeko ohatra ianao: ao amin'ny fiangonana Katolika dia tsy mahazo sehatra mihitsy ny vehivavy amin'ny fitondrana fiangonana (tsy efa nilaozan'ny toetrandro ve izany????), fa amin'ny fomba gasy dia afaka mitondra tsara mihitsy ny vehivavy. Mba milazà hoe: Efa nisy Mpitondra fiangonana katolika vehivavy ve ???? (Jereo fa Pape, monseigneur, Mompera no manjaka ao) , ry Mamera sy masera dia asa sosialy foana no ampiandraiketina azy.
Io aloha no ohatra hitako fa be dia be ny zavatra tsy dia mety loatra ao ampiangonana ao ka ratsy lavitra noho ny any amin'ny fomba gasy (FIVAVAHANA no ambara eto)

MARIHIKO ETO FA MBOLA TSY DIA NIATRIKA FIVAVAHANA GASY LOATRA ANGAMBA IANAO fa mba mikendry zavatra tsara hatrany izy ireny. Kilasianareo ho kolontsaina fotsiny moa izy io fa mba curieux mandeha mijery (Alahamadibe, fanompoambe, tsangantsaigny, ambavan'Iharana, Fitampoha....) fa misy fomba tsara ao no sady mendrika ho hatsaraina ihany koa.

32. Mandefitra ( 11/01/2008 12:59)
Ny tsy azon'i Tontavao, Jesosy anie zanak'Andriamanitra fa tsy hoe jiosy ...
Omeko ohatra iray ianao ny @ herin'i Jesosy :
Misy ramatoa zay ao anjanahary ao manamboatra menaka, JeLao no nataony anarany.Izy io lova t@ dadany, ary ody may no niantombohany, nefa de lasa pommade polyvalente izy zao.
Ny tena experience t@ io menaka io de raha resaka kambokambo ireny hafany tsara, nisy zany ny rahalahiko, ary refa naseho dr de hoe mila didiana, na dorana @ laser etc ... nefa nosorona ilay menaka de afaka.
Rehefa nanontaniana ramatoa hoe inn le JeLao, valiny Jesosy + Lalao(io no anaran le ramatoa).
Tsoa-kevitra: Vao maika mampandroso ny fomba gasy raha miaraka @ Jesosy ka tsy manohitra ny fampianarany. :)

33. Mandefitra ( 11/01/2008 13:02)
"Fa ra ny razana tsy hitahy, mifohaza malaky hiady vomanga" tsy azo ianteherana.
Jesosy Irery ihany ... Mirary soa
34. tontavao ( 11/01/2008 13:20)
Manaiky anao aho amin'ity hoe:
Ny tena experience t@ io menaka io de raha resaka kambokambo ireny hafany tsara, nisy zany ny rahalahiko, ary refa naseho dr de hoe mila didiana, na dorana @ laser etc ... nefa nosorona ilay menaka de afaka.
Rehefa nanontaniana ramatoa hoe inn le JeLao, valiny Jesosy + Lalao(io no anaran le ramatoa).


Dia maninona izao raha natao hoe "lalao" fotsiny ny anaran'ilay fanafody dia ampy, toy ny nahitan-dry VEGEBOM an'iny menaka iny ohatra???

Ka ny toa io ramatoa mpanasitrana lazainao io anie no tena ANISAN'NY cible-ko é. Tokony ho fahasoavana ho an'ny Madagasikara izany fa nomena an'i Jesosy any andafy any indray.

AMIN'NY MAHA-GASY AZY NO RESAKA ETO; MANINONA RAHA IZAY NO ARENTIRENTY HOE VITA GASY ITY? MAHAY NY GASY? ASEHO HO HITAN'IZAO TONTOLO IZAO FA MAFOAKA NY GASY izay no tokony atao fa tsy hoe: JESOSY no nahatonga an'izao sy izao. Mety hahalasa azy lavitra dia lavitra iny raha haintsika ny manosika azy. Raha ohatra ka tsy nasiany an'io Jesosy io ny anaran'io menaka io dia inoako marimarina fa nataonareo hoe: MASINA MASINA io na dia ny havanareo tokony ho sitrana aza tsy navelanareo nandeha tao mihitsy.

Fa amin'izao fotoana izao dia vofetran'ilay Jesosy (manao asa soa) ny tokony ho fampahafantarana azy eran'izao tontolo izao.

Efa MBA matanjaka ara-pihariana ve izany ramatoa izany izao??? (FIAINANA ETY AMBONY TANY NO LAZAIKO), nefa dia olona tokony hanana ny maha-izy azy izy ahazoany manampy bebe kokoa ny gasy hafa toa azy.
35. tontavao ( 11/01/2008 13:30)
Mirary soa ho anao ihany koa aho ry mandefitra, aza vingavingaina ny razanao , fantatrao moa fa kristiana no namorona an'io oha-pitenenana io????????.
36. ravatorano ( 11/01/2008 14:10)
mandefitra sy tontavao < afaka miaraka tsara ve izany ny fomba malagazsy nentim-paharazana sy ny fivavahana kristianina !
za aloha dia kritianina nefa koa dia mamadika,manaraka fomba malagasy reheefa hanao zavatra ka ilaina an\'izany satria misy fitenenana lazain ilay dadako izay hoe rien à perdre tout à gagner less zany ah !Rehefa manao didipoitra ny zanakay lahy izahay mbola mively daba sy miantsoantso hoe \"lahy lahy\" nefa koa mitrotro ambavaka ilay zaza amin\'ny fiantrehany ilay fandidiana azy ka afaka miaraka va zany ilay fifafahana kirisitianina sy ilay fomban-drazana e
37. rabilabila ( 11/01/2008 14:35)
ravatorano :

Io ange ilay atao hoe " cohabitation pacifique " e!!

Izaho izao tsy mino ny razana hitahy fa manaja ny Razana ary manaja ny Mpandala azy.

Izaho izao tsy mino andriamanitra fa noho ny fanajana ny fiaraha-monina dia mandeha miangona foana aho rehefa misy maty ,mariazy ,batisa.......( fa ny inverse tsy voatery ho marina fa hiezaka foana izy hampivadika ahy ).

Betsaka ny soatoavina malagasy no tsy ekeko satria mandika ny lalànan'ny maha-olona ,saingy tsy tokony hofoanana tsy misy fanazavàna ,na fahalalàna , fa amin'ny halàlan'ny fampianarana no hialàn'ny olona aminy tsikelikely ary ilay fialàna amin'izay dia efa narahim-pandinihina fa tsy noterena na novozonana na avy amin'ny fampitahorana ( toa ny hoe amnkany amin'ny afobe sns...).
Hanome ohatra aho eto satria sao dia misy mandika vilana ny tiako lazaina :Amintsika Malagasy ,izany mandoro faty izany dia fady dia fady ,nefa raha sanatria ,ohatra ,ilay olona ka matin'ny pesta ,na choléra ,na sida ,dia noho ny fiahiana ny fahasalaman'ny velona dia tokony ho-dorana izy ireo ; noho izany ,tsy misy afatsy ny fanazavàna ,ny fampianarana ,ny fanomezana ohatra ihany ho ahafahana mampanaiky an'ireo tompom-paty ny handorana ny razany ( arahina ala-faditra sns...tsy maninona ).Hazavaina aminy ny dikany sy ny fiantraikan'ilay hotrik'aretina nahafaty raha toa ka hamadika na hamoha fasana satria handevina indray....

38. tontavao ( 11/01/2008 14:58)
za aloha dia kritianina nefa koa dia mamadika,manaraka fomba malagasy reheefa hanao zavatra ka ilaina an'izany satria misy fitenenana lazain ilay dadako izay hoe rien à perdre tout à gagner less zany ah !Rehefa manao didipoitra ny zanakay lahy izahay mbola mively daba sy miantsoantso hoe "lahy lahy" nefa koa mitrotro ambavaka ilay zaza amin'ny fiantrehany ilay fandidiana azy ka afaka miaraka va zany ilay fifafahana kirisitianina sy ilay fomban-drazana e
.
Izay indrindra ilay izy? NY Mpandala ny fombandrazana noho ny tahotra maro samy hafa DIA MANDEFITRA IZY KA MANAIKY IZAY ATAO NA AMPIFANGARONGAROINA AZA ; Fa ny fiangonana dia tsy hanaiky mihitsy hoe: handeha hamono akoholahy any ampiangonana dia ny sojabe no hijoro ilay noforaina" tsy hanaiky an'izany mihitsy ny ao ampiangonana ao.
Nefa izany ianao na dia tao amin'ny fomba nentimpaharazana aza ny hetsika dia manaiky foana izy ny hitondranao ambavaka amin'ny Kristy.
nA I KRISTY NA NY RAZANA DIA MITOVY TSY MISY VALAKA AMIKO satria samy tsy hitan'ny masoko.

Ity no mahatonga ny ray amandreny hangina: Aty Madagasikara amin'izao fotoana iresahana izao dia terena ny olona hivavaka amin'izany Kristy izany, zava-misy io any Ambanivohitra rehetra any. Rehefa misy céremonie officielle mantsy dia mahita raharaha izay maire na chef de fokontany tsy nanomana mialoha fivavahana alohan'ny kabary na zavatra hafa atao. Lasa fombafomba indray izy io na dia hanao baolina aza. Ka lasa manafintohina ny olona tsy Kristiana ilay izy. Ka na Projets tsara tahaky ny ahoana no atao dia tsy mandeha amin'izay laoniny iny satria tsy sitraky ny ankabeazan'olona ny fomba niavian'ilay izy.
Manaiky izy eo imasonao eo fa rehefa lasa ianao dia ompa tsy hita maso no mahazo anao.

Ka amiko dia sasanangy roa samihafa ireo fa kosa ampiarampiarahina fahatany any satria efa tsy matanjaka ilay tena fomba fa potika noho ny fanomezana vahana be loatra ny fivavahana kristiana.
39. fijo ( 11/01/2008 21:32)
prime marina fa zavatra efa nisy no naravona tamin'ny buchido,fa aza hadino fa io "efa nisy "io dia vokatry ny finoana izay nananadry zareo dia ny shintoisma.

ravato,ny tsara di aio ataonao io,na dia nandray nyan'ny hafa aza dia tsy nanary ny an'ny tena.io no tsara indrindra.
fa tsy hoe lasa vokatra simia koa i jesoa de antsoina hoe jelao
40. tsikikely ( 13/01/2008 18:35)
Tratry ny taona daholo. Izaho malagasy kristiana, tsy hanaratsy ny mahagasy ahy. Fanazavana : tsara ny fahendrena malagasy, tsy tambo isaina ny ohabolana. Eo ihany koa ny fanajana sy ny fandeferana. Fa ilay resaka hoe andao hiverenana ny fomba gasy mikasika ny tromba, doany, alahamadibe. Tsy kristiana ireo na dia fomba malagasy, ny fotony dia ny devoly.
Ny devoly = maizina, tsy hisy mihitsy ny "cohabitation pacifique" izany ny maizina miaraka amin'ny mazava, na ianao mazava na ianao maizina.
Ny hamaranako ilay resaka dia izao, indray andro any ianao (Tontavao) ho faty, izaho koa. Ny ahy fantatro hoe ho any an-danitra hidera an'Andrimanitra, ny anao ? Tsy fantatrao ? Anao ny safidy ? Ny devoly mantsy efa fantatra mialoha fa ho any amin'ny farihy mirehitra afo, ary mitady namana izy ho any. Maniry aho ary mivavaka mba tsy ho any ianao! Ny Tomp hamindra fo aminao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0086