Iza no manana double nationalité, de ahoana rehefa mody ?

1. IzaIhany ( 08/01/2008 19:52)
Mba mila témoignage kely ho an'izay efa manana double nationalité? ahoana no nataonareo? inona no passport nentina? inona no fanontaniana mipetraka satria le passeport gasy de tsy misy le visa valide intsony tahaka ilay t@ taloha. Sa nentina daholo izy roa de naseho ? Azo atao ve izany sa sao de hoe tazomin'ny ao ivato ny passeport gasinao iny raha vao mampiseho le passeport frantsay ianao ? Mba toroy hevitra fa tsy maintsy handeha elaela any Dago za? De rehefa hody aty no tena tantara ? aseho indray ve le passeport frantsay sa ahona ? :?:
novalian'i Ratoa ny 15/04/2008 15:34
2. Zina ( 08/01/2008 21:01)
eto daholo izy roa, tonga ao Ivato ampisehoy ny gasy ihany, dia rehefa miverina tsy maintsy mampiseo azy roa.
3. LazaDaddy ( 09/01/2008 03:04)
izaho manana double nationalite sady tsara lavitra no tsy mila pasipaoro ilay faharoa fa ny "tombokasen'Andriamanitra" no ilaina.

"our citizenship is in heaven" Philippians 3:20

4. IzaIhany ( 09/01/2008 04:06)
Misy hafa afaka mba milaza ny atao @ cas ohatra izao, ahoana ny nataonao, Mba ataovy sérieux moa rehefa mba miresaka( Hoan'ny sasany). Merci Ho an'i Zina
5. LazaDaddy ( 09/01/2008 04:09)
iza no milaza aminao fa tsy sérieux io? Angaha ataonao fa vazivazy izany nationalité any an-danitra izany?
6. IzaIhany ( 09/01/2008 05:12)
Marina ny voalazanao, saingy @ fotoana voatondro, ary indray mandeha tsy miverina no ilana io nationalité lazainao io. Ny tena marina efa samy manana io passeport io daholo saingy izao, mbola mila visa, de le visa azonao avy eo no milaza hoe mankaiza ianao sa mankaiza. Dera anie ho an'Andriamanitra. Misy afaka manome conseil ve ?
7. olite ( 09/01/2008 06:00)
rehefa miala any @ misy anao enao de ny paseport français no aseho ary rehefa tonga eo ivato kosa ka raha toa ka efa lany daty ny paseportnao gasy de mbola ilay français ihany aseho fa @ zay kosa enao de mandoha visa comme les étrangers arakaraka ny durée ny séjournao ao dago
ary rehefa mody indray kosa de mbola le passeport français ihany no asehonao tsy mila maka visa intsony fa vazaha mody e
ps : aza adino ny manavao ny passeport gasy rehefa mba any an-tanana ihany mba tsy handoavanao visa ao ivato intsoy @ manaraka
zay ary fa de bon séjour
8. IzaIhany ( 09/01/2008 07:16)
Ho an'izay efa nande, tsy question be ve le double nationalité eo @ polisy ny frontière gasy @ rehefa tonga sy rehefa handeha? satria izany tsy maintsy hanontany izy raha tonga hoe aiza ny taratasy nadehananao tany andafy(de aseho ny passeport vazaha) de rehefa handeha koa de tsy maintsy hanontany toy izay Ihany. Merci Olite. Tsy tratran'ny fanontaniana toy izany ve ianao tsy afaka hanao le haka visa za satria somary mba hamangy elaela kely.
9. slashdago ( 09/01/2008 07:51)
Fanontaniana kely fotsiny. Efa lany daty ve ny passport gasy nao(+ de 5 ans ou + de 10 ans raha vaovao) sa ny visa no tsy valide intsony. Satria raha mbola valide ny passport gasinao ho ento fotsiny izy roa. Rehefa tonga enao, ampiseho ny passeport gasy na dia tsy valide intsony ary ny visa français. Raha ohatra moa ka efa lany daty ny passport-nao. Dia maka visa enao. Peu importe ny durée ny visa. Avy eo manao passport gasy vaovao enao rehefa any.

Rehefa hody ndray enao dia le passeport vazah fotsiny no ampisehonao miaraka @ passport gasy valide mba tsy hitenenany hoe aiza ny visa nipetrahana. Rehefa mampiseho an\'ireo passport 2 ireo enao tsy hisy problème intsony na ny fodiana ary.

Sinon, raha tena te ho sûr enao dia aty dia karakarao ny passeport vaovao. Tsy haiko aloha oviana enao no handeh fa ataovy aingana fa somary elaela kely ihany ny manao passport vaovao.
10. xxx ( 09/01/2008 08:03)
saiky diso hevitra daholy isika , ny passeport isika no manana an-2 , izany ankory tsy midika hoe manana nationalité an-2
11. slashdago ( 09/01/2008 08:09)
Fanontaniana kely fotsiny. Efa lany daty ve ny passport gasy nao(+ de 5 ans ou + de 10 ans raha vaovao) sa ny visa no tsy valide intsony. Satria raha mbola valide ny passport gasinao ho ento fotsiny izy roa. Rehefa tonga enao, ampiseho ny passeport gasy na dia tsy valide intsony ary ny visa français. Raha ohatra moa ka efa lany daty ny passport-nao. Dia maka visa enao. Peu importe ny durée ny visa. Avy eo manao passport gasy vaovao enao rehefa any.

Rehefa hody ndray enao dia le passeport vazah fotsiny no ampisehonao miaraka @ passport gasy valide mba tsy hitenenany hoe aiza ny visa nipetrahana. Rehefa mampiseho an'ireo passport 2 ireo enao tsy hisy problème intsony na ny fodiana ary.

Sinon, raha tena te ho sûr enao dia aty dia karakarao ny passeport vaovao. Tsy haiko aloha oviana enao no handeh fa ataovy aingana fa somary elaela kely ihany ny manao passport vaovao.
12. diamondra27 ( 09/01/2008 09:49)
slashdago: ary raha lany date ny pasporo gasy depuis avril 2001 de manana pasporo vazah de aona ndray ny fipetrany?

Za toa naheno we mbola eo ampangatahina ry zareo ao am ambasady mba ho vitaina aty france le pasy bio ka asa na oviana no ho vita zany?

13. xxx ( 09/01/2008 09:58)
Tena te hampiasa ilay passeport 2 angaha ? Iray ihany mantsy dia ampy , ilay vazaha fotsiny
14. xxx ( 09/01/2008 10:51)
xxx:
saiky diso hevitra daholy isika , ny passeport isika no manana an-2 , izany ankory tsy midika hoe manana nationalité an-2

:roll:i xxx no diso fa ny fananana passeport dia midika hoe manana nationalitén'io tany io enao:-D misy ra la tera an!!! zany ko vé dé tsy fantatra=))ésssy é pfffff:-D:-D
15. xxx ( 09/01/2008 10:52)
tsy hitako izay tokony hampisehoana ny passeport roa rehefa tonga araka ny volazan'i xxx 12 io dia iray ihany dia ampy...raha passeport vazà dia mila mandoha visa eo ampidirana fotsiny, ny ahy izao tsy manana passeport gasy intsony fa efa very elabe tsy mety voasoloko vaovao mitsy dia passeport vazà no ampesaina....tsy misy olan a ny visa aloha raha any dago tsy lafo fa 13euro no nalohako.
Dia rehefa mody iny passeport vazà iny ihany tsy misy olana mitsy tsy misy kestion be hoe in no ataona any fa raha passeport gasy dia somary ilanjareo vaniny am kestion tsy de misy dikany anefa filambaniny fotsiny.
16. IzaIhany ( 09/01/2008 11:12)
Ny probleme ange, de za somary hamangy fianakams sy handamina zavatra maromaro any Dago, noho izany tsy de mety loatra le resaka hoe visa @ passeport vaza. Izay no mahatonga ahy manontany hoe efa nisy ve ny nampiseho ireo passeport roa ireo (tsy mbola lany daty le passeport ntsika ka) de inona no fanontaniana, inona no zava nitranga sns...
17. xxx ( 09/01/2008 11:53)
pfff! ny ao ivato ihany anie no ilàna mampiseo passeport fa tsy rehefa hanao zvtr any koa ka mila mampiseo e! refa sur place ndray de asehoy ny karapanondro gasy kou in no olana?????
tsy ùisy fanotanina tsy misy zava miotranga fa choix nao ihany no ampseainao na gasy na vazà e!
en ordre ve hisy zavatra hitranga:roll:
18. IzaIhany ( 09/01/2008 12:15)
Amiko aloha resaka hoe en ordre inona moa no probleme , olona miaina ampilaminana de mande miasa de mody isan'andro, ka mba hoe aleo manotany ny olona afaka mba hanoro hevitra sy efa niaina izany aloha vao mba manao izany.

1 - passeport gasy efa lany visa
2 - tsy de afaka loatra ny hanao lay visa satria somary haharitra any Dago.
3 - Noho izany : ahoana no ataon'ny binationaux tsy maka visa ?:?:
19. rabingogilabanga ( 09/01/2008 12:45)
Iza no manana double nationalité, de ahoana rehefa mody ?


tsy tokony hipetraka ny fanontanianao raha fantatrao ny hoe nationalité,

dikany nationalité (raha deplacement no resahina):

afaka mivezivezy ianao @ ireo firenena roa ireo, tsy misy contrainte na durée, tsy misy contrainte na formalité. libre comme le vent ...
20. menalamba ( 09/01/2008 13:22)
Manao ahoana,
Raha tsy dia maika ianao ny handeha dia sokafy ny mail ny ambasady Malagasy ,dia misy \"formulaire\" fenoina ao hanavaozanao ny pasipaoro-nao.Efa mba malaky fiasa ihany ry zareo ao ka ny ahy dia iray volana monja dia vita ny pasipaoro vaovao.40 € ny sarany .afaka miantso azy ireo an-telefônina koa ianao raha mila fanazavana fanampiny.Dia rehefa handeha ho any dago dia ilay pasy vazaha no asehonao eo @ fivoahana aty ampita,ary ilay pasy Gasy no asehonao eo Ivato.Toy izay ihany koa rehefa miverina,ny Gasy no asehonao eo Ivato ,ka raha manontany ny Visas hitoeranao aty ry zareo dia asehoy ny karapanondro vazahanao ,dia vita kabary.Dia mahatontosà izay atao ary é Oay dia saika adinoko ,dia ilay pasy vaza no aseho rehefa tonga eo Parisy. Izay zany é!! :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1909