tena fety krstn tokoa ve sa soa-toavina avy @ sekta ny noely

1. bosista ( 27/12/2007 15:52)
miarahaba antsika rehetra tratran'ny fety,
ny tiako ho fantarina kosa amin'ity loha hevitra ity dia izao: toa tsy voalaza ao amin'ny baiboly na dia indray mandeha ary mandritra izay teo-polo taona mahery niainany tety an-tany izay fa nankalaza ny anniversaire-ny i Jeso-kristy ,fa inona ny antony? na ireo apostoly aza tsy nanao an'izany fa hevitra avy aiza ny fankalazana azy io?
satria araka ny zava-misy ankehitriny dia hita fa fa zava-dehibe eo amin-tsika kristianina ny fankalazana ny noely moa ve ny Tompo sy ny mpianany tsy nahatsapa an'izany?
novalian'i niryna ny 05/01/2008 20:38
2. toovs ( 27/12/2007 16:25)
io r'ise amiko ny olona taty aoriana no mba nitady andro hankalazana azy de izay ah. tsisy hoe inona no antony fa de te hanokana andro iray am 365 andro anatin'ny taona. de io 25 desambra io ihany no notohizana satria io no mifanaraka amin'ny fiainan'ny tandrefana. isika efa naka tahaka ny fiainan'ny tandrefana sy ny système économik andry zareo.
raha tsy te hankalaza ise de tsisy hibedy an se eo.
raha te hankalaza koa de tsisy hibedy an se eo.
io ange mitovy amin'ny hoe mankany ampiangonana e. toa tsy nahita ah hoe "manamboara trano fiangonana tao am baiboly" nefa de manamboatra ny olombelona. i jesoa ary tsy tany ampiangonana no nitory teny. saingy organisation taty aoriana ny nanamboatra trano fiangonana kristiana.
3. niryna ( 27/12/2007 18:13)
bosista:

miarahaba antsika rehetra tratran'ny fety,
ny tiako ho fantarina kosa amin'ity loha hevitra ity dia izao: toa tsy voalaza ao amin'ny baiboly na dia indray mandeha ary mandritra izay teo-polo taona mahery niainany tety an-tany izay fa nankalaza ny anniversaire-ny i Jeso-kristy ,fa inona ny antony? na ireo apostoly aza tsy nanao an'izany fa hevitra avy aiza ny fankalazana azy io?
satria araka ny zava-misy ankehitriny dia hita fa fa zava-dehibe eo amin-tsika kristianina ny fankalazana ny noely moa ve ny Tompo sy ny mpianany tsy nahatsapa an'izany?

koa tsy eo tsinona izy ireo hanontaniana koa.
Toy isika mankalaza ny fety nahaterahana na tsy mankalaza aza mahatadidy,ny fotoam-pananmbadiana,na tsy mankalaza aza fa mifanoroka kely,toy ny zanantsika vao feno iray taona,na tsy mahafantatra aza ilay zaza ny tena no misomebiseby feno herintaona ny ahy ny zanako.Tsara ary mety tokoa ny fankalazana an'ilay kristy,na dia tsy voasoratra ao anaty boky aza izany andro izany ary tsy misy mahalala na hoe oviana izy no teraka.Izaho mahalala hoe tamin'ny oviana aho no nanaiky azy ho Tompoko sy Mpamonjiko,ary tamin'iny fotoana iny aho no nanomboka nomeko ho tantanany amin'izay ny fiainako.Ao am-poko izy izany,ary deraiko isan'andro ny anarany,hisaorako izy nanampy ahy tamin'ny fotoan-tsarotra izay tsy vitan'olombelona kanefa vitany.Tsy miala ato am-bavako ny teny maminy mba hiadiako amin'ny fiainana sy hananako fahasambarana sy fiadanan-tsaina.Anjaranao no mahalala raha miaraka aminy amin'izay hianao,oviana? Dia ankalazao isan'andro izy fa tsy ho very ny fitiavanao azy sy ny finoanao azy fa manampy be dia be amin'ny fiainana rehetra.
Farany an-kalazana eran-tany ny anarany satria ny mpaminany no efa nilaza raha mbola tsy tonga tety Izy fa ho avy ilay mpamonjy ary dia tonga soa aman-tsara.Dia izay,isaorana izy noho ny famonjeny ny zanak'olombelona,noho ny fahasoavana nataony sy ny fahagagana ary ny fampianarana izay mbola tohizana hatramin'izao.
Vita tompoko hoy cutie kely izay :D

4. ikaretsaka ( 27/12/2007 20:17)
io ilay lazaiko hoe mifanaraka (nifanaraka) "ni-s'adapt" t@ kolontsaina sy ny tontolo nisy teo @ vanim-potoana sy ny toerana nivelomany sy nivelarany foana ny fiangonana!~
Efa resaka teto ny mampiasa hira gasy , sns....
5. fijo ( 27/12/2007 21:53)
le adapta kosa mbola tara be eo amin'ny resaka fimailo an.....

jesoa anie letsy ry bosista ka mpitaribato vilambava e.laisany ataony lasa kristianina ,nefa izy teraka ary maty jiosy.
laisany namorona noely nefa izy tsy nifety izany akory.

ny anay moa fety ka di amifaly izahay ko
6. cutie ( 27/12/2007 21:56)
:-D
7. fijo ( 27/12/2007 22:00)
izay io ko
8. ikaretsaka ( 27/12/2007 22:25)
mohamedy izao ny silamo nataony silamo fa lery maty arabo!
9. fijo ( 27/12/2007 22:28)
ka ny arabo anie tsy finoana e,ny hebreo tsy finoana fa ny judaisme no finoany,izay finoana ninoan'i lery
10. ikaretsaka ( 28/12/2007 03:41)
ny teny hoe jiosy lety tsy voatery ho finoana ihany a! mety le olona mety le finoana koa
11. rakapy ( 28/12/2007 03:52)
Bosista> ka io anie de ohatra iray lehibe fa ny finoana Kristianina dia namboarina araka ny fiheritreretan'ny olombelon,a indrindra fa araka ny fahitan'ireo tandrefana azy io. Nahoana moa no tany Isaraely ny tantara ka nefa dia ao Roma no fohobeny???
12. ikaretsaka ( 28/12/2007 04:12)
efa tsy ny Tandrefana irery intsony izao ka
13. ikaretsaka ( 28/12/2007 04:13)
Nahoana moa no tany Isaraely ny tantara ka nefa dia ao Roma no fohobeny???

vakio aloha ny elanelan'ny tantara fa misy film banga be ao ampovoany ao
14. niryna ( 28/12/2007 06:09)
fijo:

le adapta kosa mbola tara be eo amin'ny resaka fimailo an.....

jesoa anie letsy ry bosista ka mpitaribato vilambava e.laisany ataony lasa kristianina ,nefa izy teraka ary maty jiosy.
laisany namorona noely nefa izy tsy nifety izany akory.

ny anay moa fety ka di amifaly izahay ko



:cry::cry:
15. niryna ( 28/12/2007 06:10)
rakapy:

Bosista> ka io anie de ohatra iray lehibe fa ny finoana Kristianina dia namboarina araka ny fiheritreretan'ny olombelon,a indrindra fa araka ny fahitan'ireo tandrefana azy io. Nahoana moa no tany Isaraely ny tantara ka nefa dia ao Roma no fohobeny???




:roll::cry::cry:
16. ari.malala ( 28/12/2007 08:07)
bosista:

Re : tena fety krstn tokoa ve sa soa-toavina avy @ sekta ny noely





Hay v le sekta zany tsy kristianina e! de ny sekta no nanana hevitra hoe ndeha hankalazaina ny noely de ny kristianina manarak'efa?:-D:-D:-D
17. hery ( 28/12/2007 09:06)
Hevitra avy aiza? :-)

Hevitra avy aiza ny mi-"..."? Toa tsy ao anaty baiboly ny mi-"..."? Moa ve ny Tompo sy ny mpianany tsy mba nahatsapa hoe ilaina ny mi-"..."? :-)

Azo fenoina be dia be ny banga.
18. prime ( 28/12/2007 09:57)
Mitovy hevitra amin\'i Ikaretsaka ao eto raha namaly izy hoe :
io ilay lazaiko hoe mifanaraka (nifanaraka) \"ni-s\'adapt\" t@ kolontsaina sy ny tontolo nisy teo @ vanim-potoana sy ny toerana nivelomany sy nivelarany foana ny fiangonana!~
...
bosista:
toa tsy voalaza ao amin\'ny baiboly na dia indray mandeha ary mandritra izay teo-polo taona mahery niainany tety an-tany izay fa nankalaza ny anniversaire-ny i Jeso-kristy ,fa inona ny antony?
... satria tsy nafarany ho tena zava-dehibe... ny sakramenta no nafarany manokana ary tsy maintsy ahatsiarovana Azy...
bosista:
na ireo apostoly aza tsy nanao an\'izany fa hevitra avy aiza ny fankalazana azy io?
... rehefa tsy nafaran\'i Kristy dia tsy noraisin\'ny Apostoly ho zava-dehibe ihany koa... aoka tsy hadino fa na ny Apostoly rehetra aza dia nanantena tamin\'ny fotoan\'androny fa ho avy tsy ho ela Kristy... (ara-bakiteny, ary tena nanantena izy ireo fa tsy hisy ho faty mandrapihavin\'i Kristy) ka ny fihaviany no nandrandrainy mafy no sady nanorenany ny finoana ihany koa niaraka tamin\'ireo zavatra rehetra nampianarin\'i Kristy sy nafarany...
bosista:
satria araka ny zava-misy ankehitriny dia hita fa fa zava-dehibe eo amin-tsika kristianina ny fankalazana ny noely moa ve ny Tompo sy ny mpianany tsy nahatsapa an\'izany?
... tsy kolon-tsaina sy fampianarana kristiana ny noely sy ny krismasy fa kolon-tsaina notovozina tamin\'ny finoana hafa tamin\'ny fotoan\'androny (vakio ny mikasika ny finoana \"mythréenne\" na ny momba ny \"dieu mithra\") satria nifangaro tamin\'izany finoana jentilisa izany ny fivavahana kristiana tamin\'ny fotoan\'androny (IIè et IIIè S. ap. JC) ka mba hampahatanjaka ny fivavahana kristiana dia tsy maintsy nifampiraharaha sy nifandamina tamin\'ny mpivavaka tamin\'ny \"mythra\" ny Emperora (Papa) tamin\'ny fotoan\'androny mba hahazoana mpino maro...

Ary mbola adihevitra hafa koa aza ny kalendrie julien sy grégorien, fa ny iray nanondro ny andro 25 desambra amin\'io resaka fitsingerenan\'ny fahaterahan\'ilay andriamanitra masoandro io ny iray nanondro ny 7 janvier... rehefa nifandinika ireo mpitondra fivavahana dia ny 25 desambra no nety kokoa ankalazàna azy ka ilay andro fitsingerenan\'ilay andriamanitra masoandro nosoloina andro nahaterahan\'i Kristy... amin\'izay mba betsaka ny mpanompo an\'i Mithra no manaiky an\'i Kristy...

http://fr.wikipedia.org/wiki/Culte_de_Mithra

Na ny nanovàna ny andro sabata fivavahana (misy ifandraisany akaiky amin\'ny andro sabotsy) ho andro alahady aza dia toy izany koa, fa avy eo ny fiangonana tamin\'ny fotoan\'androny vao nitady fomba nentina nanamarinana izany ara-tsoratra masina...

Io dia mifandraika tanteraka amin\'ny andro ankehitriny rehetra fa misy andriamanitra maro tsy maintsy ankalazaina isanandro amin\'io réligion mythréenne io...
lundi=monday=jour de la lune (fankalazàna ilay andriamanitra volana)
mardi=tuesday=jour de mars (fankalazàna ilay andriamanitra mpiady mahery mars)
mercredi=wednesday fankalazàna ilay andriamanitra mercure)
jeudi=thursday (fankalazàna ilay andriamanitra jupiter)
vendredi=friday (fankalazàna ilay andriamanitry ny fahaterahana venus)
samedi=saturday (fankalazàna ilay andriamanitra saturne)
dimanche=sunday (fankalazàna ilay andriamanitra lehibe indrindra masoandro)

Ka misy fomba jentilisa maro tamin\'ny fotoan\'androny neken\'ny fiangonana ny nidirany tamin\'ny fomba kristiana satria nety tamin\'izany fotoana izany ny nanaovana azy teo amin\'ny lafiny fitoriana filazantsara araka izay nandraisan\'ny mpino azy tamin\'izany...
19. zaio ( 28/12/2007 11:00)
Refa tsy te hankalaza enao de mijanona,fa aza asina commentaire.zay alou hankalaza e! iza ara mba maty nisolo ahy nefa izy tsy nanota akory tsy rariny ve rah mba misy andro iray natokana ho fahatsiarovana ny nahaterahany.Tsika ze tsinotsinona ity ary mankalaza anniversaire.
20. prime ( 28/12/2007 11:37)
Ny tsara dia ny mandray ny krismasy amin'ny fanetren-tena ka andraisana an'i Kristy ho fahateraham-baovao mandrakariva ao anaty... manaiky sy mino ilay mpamonjy ka mandray Azy amin'ny fitiavana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5052