USA- fanangataham-bola an'nyfiangoana- avy amin'ny Ambasady.
1. soanja
(
16/12/2007 13:50)
Mba faly zany aho androany fa sambany nandray taratasy na vaovao avy amin'ny Ambasadintsika eto US- Washington DC- hatramin'ny efa elabe.
Ny tena nahagaga ahy anefa dia taratasy fanangataham-bola ho an'ny fiangonana iray (Loterana) any Madagasikara ilay izy satria misy an'izany ramatoa izany hono mandalo eto de mila manangana fiangonana hafa fa efa feno hipoka ilay voalohany nantsangany.
Amiko tena tsy tokony afangaro mihitsy ny asam-panjakana sy ny fiangonana. Ka raha ho avy hangataka daholo zao antokom-pinoana rehetra izao de ahoana? Sady mba tokony handefsana vaovao matetitetika ny olona fa tsy refa hangatam-bola vao heno.
Asa anefa, ahoana ny hevitrareo?

novalian'i Papoose ny 22/12/2007 21:56
2. rabilabila
(
16/12/2007 16:04)
tsy tokony afangaro mihitsy ny asam-panjakana sy ny fiangonana.
Miombon-kevitra tanteraka amin'i Soanja ny tenako .
Manararaotra kely fotsiny aho amin'ny filazàna fa tsy vao izao ihany ny toe-javatra toa izany no nitranga : Maro dia maro tokoa ireo "fiangonana" any Madagasikara mahazo vola aman'etsiny avy amin'ny fanjakàna nefa ny sekoly na ny dispansera eo akaiky tsy manana ny ampy mba ahafahan'ireo Zatovo Malagasy mandranto fahalalàna amin'ny vatana tomady.
Nefa moa akory atao ? Efa nofinidin'ny vahoaka Malagasy ny fanalàna ny "Laicité" ao anatin'ny lalam-panorenana malagasy vao tsy ela izay .Asa izay ho fiafaràn'ireto valala be mandry ? Asa ?
3. cutie
(
16/12/2007 16:11)
miombon-kevitra @ soanja koa.
Raha misy oul tsotra mpanakarena moa tsy hitako ny olana raha hanome izy fa raha za alou no manana:) de tsy hanome ny fiangonana zany mitsy e . Aleoko omena ny mahantra ny vola na hiarovanan ny tontolo iainana.

4. rijadolly
(
16/12/2007 18:03)
Misy izay hevitra mpitondra fivavahana izay manao oh zao:tsy mba manao fety na operation isakarazany na mandrotraka antsitrapo nefa mahazo takalony oh sakafo izay mbola misy masokarenany ka mamitaka ny mpino tsy hatsiharo tena anao raha tsy misy tambiny ,fa kosa mandrotraka an-tsitrapo na ariay aza tsy mila tambiny dia izay vitan'ireny no atao.Eto zao dia fiangonana matanjaka tokoa izany matoa feno hipoka,nefa ilay rakitra natao hampandeha ny Fiangonana dia mbola analana:frais allez-retour(x2 ?)+ration/jour + hotel/jour.tsy fantatra anefa na ahazo any amin' soanja na tsy.
5. rakapy
(
16/12/2007 20:25)
Izaho koa dia miombo-kevitra aminareo nanoratra eo ambony. Tena marina ny tenin'i Bilabila.Ny fiangonana dia vao ary @ 20 km dia efa tazana mijoalajoala fa ireo dispansera na sekoly dia tadiavina mihintsy vao hita. Amiko manokana dia politika ny firenena io fomba io.
Raha toa mantsy ka voavolavola ara- pivavahana ny vahoaka @ firenena iray dia mora ny mintondra azy satria mora ny mapitahotra azy @ anaran'ny finoana.
Raha toa kosa ka voavolavola ara -pianarana izany hoe nahita sekoly ny vahoaka @ firenena iray dia ho sarotra ny hitondra azy ireo satria tsy mora ambakaina na mora matahotra.
Ny hopitaly sy ny diaspansera indray moa aty Mada dia seho ivelany sy fiatsaram-belatsian'ny fanjakana fotsiny fa raha mba te hahazo fitsabona mba metimety ny vahoaka dia tsy maintsy manantona ny fitsabon'ny fiangonana ary tsy maintsy mandoha vola be.
Ka anjaranao any usa no mandinika raha te hanome vola an'io fiangonana io ianao na tsia fa izany no zavamisy aty.

6. pissoa
(
16/12/2007 21:16)
Inona kay no atao hoe olombelona araka ny fanjakana na ny "lalam-panorenana". Amiko mantsy dia miankina ho hahafahan'ny fanjakana manampy na tsia ny fiangonana - na amin'ny fanorenena trano na resaka hafa. Tsy haiko raha mitovy amin'ny hevitro, fa amiko manokana dia saina, vatana, fanahy ny olombelona. Ka raha ireo dia tsy tokony asiana tombo sy hala hoe rehefa "manampy" amin'ny ara-tsaina sy ara-batana ny fanjakana dia "bravoooooo" fa rehefa amin'ny ara-panahy dia :-w:-w:-w
:-D:-D:-D
:-D:-D:-D
7. rabilabila
(
16/12/2007 22:40)
Ny atao hoe \"olombelona \" amin\'ny fanjakàna (ankoatr\'ireo fanjakàna mpanavaka ,na mirona amin\'ny fivavahana tokana ) dia ny CITOYEN .
Ny fanjakana malagasy dia manaiky koa ny maha-ao amin\'ny lalam-panorenany ny droits de l\'homme .....
Ny lahasan\'ny fanjakàna voalohany ,indrindra fa amin\'ny tany feno fahantrana toa i Madagasikara ,dia ny fanalàna ny mponiny( izany hoe ny Malagasy tsy an-kanavaka , na fihaviana , na loko , na finoana )amin\'ny fahantràna amin\'ny alàlan\'ny fitsaboana sy ny fahalalàna voalohany indrindra.
Ireo filamatra anankiroa ireo no tokony himasoana voalohany mba ahafahan\'ny citoyen tsirairay manoritra ny làlany arak\'izay hitiavany azy ary amim-panajàna ny mpiara-belona aminy.
Hoy ny fahendrena malagasy hoe : \"raha noana ny kibo , dia mivezivezy ny fanahy\".
Inona no mety tsy hahanoana ny kibo ? Ny fanomezana izay fitaovam-pahalalàna rehetra ahafahana mahaleo tena amin\'ny fitadiavana ,ny fanomezana fahasalamana ahafahana hiatrika lalandàva ny asa aman-draharaha hioharana ilay fahantrana.
Marihiko fa ny sakafom-panahy dia tsy ny Malagasy rehetra no concernés fa ny am-pahany ihany tandis que ny fahalalàna sy ny fahasalamàna izay entina miady amin\'ny fanandevozana sy ny fahantràna dia ny Malagasy iray manontolo no concernés.
Raha misy te-hanao mecénat (toa ny lazain\'i Cutie )hanaovana fiangonana ,na misy olon-tsotra te-hanao izany sns... dia tsy olana mihitsy ,fa tsy anjaran\'ny mpisolo-tena ny Malagasy na ny fanjakàna malagasy no mitaky na mitatitra asa fanasoavana ho an\'ny am-pahan\'ny mponiny .

8. soanja
(
16/12/2007 23:02)
cutie:
miombon-kevitra @ soanja koa.
Raha misy oul tsotra mpanakarena moa tsy hitako ny olana raha hanome izy fa raha za alou no manana:) de tsy hanome ny fiangonana zany mitsy e . Aleoko omena ny mahantra ny vola na hiarovanan ny tontolo iainana.
^:^^:^^:^^:^^:^^:^
Rabilabila> Manohana akaiky ny hevitrao.
Amiko tsara raha samy mivelatra amin'izay hinoany saingy ny fanjakana dia tokony hanalavitra ny fironana amin'ny safidy resaka finoana. Mino anefa aho fa tsy hahavita mihitsy izireo hanohana ohatra ny finoana Silamo Malagasy raha tonga mangataka vola aty ireo olona ireo.
Ny hisorohana izay fironana izay no tsy tokony hisina'ny fifangaroana.
Fa raha kosa fiangonana/finoana iray dia iray no inoantsika mianakavy dia tongavasoa ny taratasy fa hanome aho.
Tsara kokoa aza raha nanazava ao anatin'ilay taratasy ry zareo hoe ny vahoaka ao amin'io tanana io dia mihasalama sy miha mahay satria mianatra aby ny ankizy ary ireto ny statistika ny fikarakarana efa vita amin'izany. Fa ny resaka fanahy sisa tsy vita de mila ny fanampianareo. Na hoe ao amin'io fiangonana na finoana io dia izao avy no ataonay na fikarakarana ataonay amin'ny ankizy, tanora, vehivavy sy lehilahy ary mpivady- tokatrano. Ireto no vokatsoa efa hita manolona ny mahaolombelona azy ireo: stat- mihena ny fangalarana, ny dahalo, ny fisolokiana, ny fidorahana sns ary ny mpivavaka ao dia mandray anjara amin'ny fanatsarana ny tanana sy ny fiainana ankapobeny. Raha ireo no voalaza dia handoa vola aho fa zah tsy mifidy tanana na finoana.
Fa hoe handoavana ny frais-n'izany ramatoa izay no ampahany amin'ny vola ary hanaganana tranom-piangonana no tena ventiny.
9. pissoa
(
17/12/2007 12:50)
Ny atao hoe "olombelona " amin'ny fanjakàna (ankoatr'ireo fanjakàna mpanavaka ,na mirona amin'ny fivavahana tokana ) dia ny CITOYEN .
Ny fanjakana malagasy dia manaiky koa ny maha-ao amin'ny lalam-panorenany ny droits de l'homme .....
:-D:-D:-D
nojereko hoe inona njay aza ny tian'ny vazaha lazaina amin'ity citoyen ity, dia ozizy wikipedia hoe "c'est une personne" akia ry Pissoa a. Misy tohiny le izy fa sorry fa tsy novakiako hatramin'ny farany. Efa nanontany tena sahady indray mantsy aho hoe inona njay aza ny tian'i wikipedia lazaina amin'ity hoe personne ity :oops: Kibo + Atidoha fotsiny ve, sa miampy tongotra na zavatra hafa.
Ny lahasan'ny fanjakàna voalohany ,indrindra fa amin'ny tany feno fahantrana toa i Madagasikara ,dia ny fanalàna ny mponiny( izany hoe ny Malagasy tsy an-kanavaka , na fihaviana , na loko , na finoana )amin'ny fahantràna amin'ny alàlan'ny fitsaboana sy ny fahalalàna voalohany indrindra.
Ireo filamatra anankiroa ireo no tokony himasoana voalohany mba ahafahan'ny citoyen tsirairay manoritra ny làlany arak'izay hitiavany azy ary amim-panajàna ny mpiara-belona aminy.
ny fisian'ny voalohany dia tsy manakana ny fisian'ny faharoa sy fahatelo sy fahaefatra ... sy faha-infini ! :-D:-D:-D
Hoy ny fahendrena malagasy hoe : "raha noana ny kibo , dia mivezivezy ny fanahy".
Inona no mety tsy hahanoana ny kibo ? Ny fanomezana izay fitaovam-pahalalàna rehetra ahafahana mahaleo tena amin'ny fitadiavana ,ny fanomezana fahasalamana ahafahana hiatrika lalandàva ny asa aman-draharaha hioharana ilay fahantrana.
efa voalazako tery ambony fa tsy afaka sarahina tanteraka ireo, satria ny olona koa tsy afaka zaraina telo hoe saina fotsiny na vatana fotsiny na fanahy fotsiny. Izaho tsy manda ny hanampiana ny olona ara-batana na ara-tsaina mihitsy, saingy rehefa misy ny azo atao ... tsy hisakana ny hanampiany ara-panahy koa aho.
Ary maninona moa no eken'i rabilabila ny famokisana ny kibo sy ny saina mba tsy hivezivezen'ny fanahy, fa lavina kosa ny fanampiana hafa izay tsy hampivezivezy ny fanahy ? :-D:-D:-D
Marihiko fa ny sakafom-panahy dia tsy ny Malagasy rehetra no concernés fa ny am-pahany ihany tandis que ny fahalalàna sy ny fahasalamàna izay entina miady amin'ny fanandevozana sy ny fahantràna dia ny Malagasy iray manontolo no concernés.
- Tokony hosakanana ve ny fanampiana ny olona tra-boina rehefa misy izany satria tsy ny gasy rehetra no concernes fa ny tra-boina ihany ?!
- Amiko manokana rehefa tsy mila ilay fanampiana dia tokony mipetraka fotsiny - fa tsy hoe sakanana tsy hila koa ny hafa na tsy omena.
Raha misy te-hanao mecénat (toa ny lazain'i Cutie )hanaovana fiangonana ,na misy olon-tsotra te-hanao izany sns... dia tsy olana mihitsy ,fa tsy anjaran'ny mpisolo-tena ny Malagasy na ny fanjakàna malagasy no mitaky na mitatitra asa fanasoavana ho an'ny am-pahan'ny mponiny .
Sao tokony tsy azo avoaka amin'ny haino aman-jerim-panjakana koa ny resaka fiangonana ?!
Raha ny fahitako ilay zavatra mitranga eto mantsy dia tsy hoe nanome vola ilay solotenam-panjakana fa karazana nampita hafatra fotsiny ... toy ny haino aman-jery izany e :lol:
Fehiny : amiko dia tsy misy olana mihitsy ny hifanampian'ny fanjakana sy ny fiangonana - samy antoky ny mahaolona ny andraikitra raisin'izy ireo. Ny tokony atao fotsiny dia ny mandanjalanja. Misy fetra ny fahafahana fifanampy, sao ny lafiny tena tokony hiandraiketana indray.
10. rakaroka
(
17/12/2007 13:48)
Mahafinaritra ahy ilay fisainan'i Soanja etsy ambony hoe raha mbô "ady" amin'ny "fiainana tsy manjary" isan-karazany: "fahantrana,fisotroana, fanambakana, halatra sns..." dia mbô nahazo ny anjara"rakitro" koa akia, fa raha hoe rizareo "fariseo" no
te hiseho :
"MANKALEO!"8O:roll::-P
te hiseho :
"MANKALEO!"8O:roll::-P
11. rabilabila
(
17/12/2007 15:15)
ny fisian\'ny voalohany dia tsy manakana ny fisian\'ny faharoa sy fahatelo sy fahaefatra ... sy faha-infini !
Tsy manàkana tokoa tant que mijanona ao anatin\'ny cadren-ny compétence n\'ny fanjakàna ilay izy ary prioritairement no nilazako ireo satria Madagasikara mbola betsaka no matin\'ny gripa ,zaza tsy vita vaksiny ,reny maty am-piterahana ,ny raboka lasa endémique any amin\'ny faritany sàsany ,.............
- Tokony hosakanana ve ny fanampiana ny olona tra-boina rehefa misy izany satria tsy ny gasy rehetra no concernes fa ny tra-boina ihany ?!
Resaka purement \"solidarité nationale\" io ,ny budget -ny etat izany hoe ny hetra alohan\'ny vahoaka no hanampiana ireo tra-boina.
Rehefa misy ny zavatra ohatr\'izany dia ny fanjakàna no mangataka fanampiana amin\'ny communautés internationales ,raha toa ka tsy vitany izany .Ary izany akory tsy manakana ny associations rehetra te-hanampy amin\'ny anarany manokana (na fiangonana izy , na ONG tsotra ,......
Sao tokony tsy azo avoaka amin\'ny haino aman-jerim-panjakana koa ny resaka fiangonana ?!
Afaka tokoa fa tsy ny valalabemandry no tokony handoa ny vola fa izay te-handoa , na ny fiangonana manao ny fampihelezana.
Raha ny fahitako ilay zavatra mitranga eto mantsy dia tsy hoe nanome vola ilay solotenam-panjakana fa karazana nampita hafatra fotsiny ... toy ny haino aman-jery izany e
Toa ny associations rehetra dia afaka tokoa ny mametraka affiche ao anatin\'ny ambassades na consulats tokoa ny fiangonana.na koa mandeha mitety ireo radio sy gazety malagasy na mandefa hafatra amin\'ny alàlan\'ny tranonkala....
Raha Ingahy ,na Ramatoa Ambassadeur ,na Consul no te-hampita hafatra amin\'ny tenany manokana ,amin\'ny maha-mpino azy ohatra dia tsy misy olana velively , fa kosa raha ny volam-panjakàna izany ny volantsika Malagasy iray manontolo ( Ianao ,sy Izaho ary ny rehetra )no entina hividianana timbres sns....dia tsy tokony hatao.
Omeko ohatra kely fotsiny:
Manan-janaka ianareo ,mandeha mianatra amin\'ny sekoly miankina amin\'ny fanjakàna ,dia misy mpampianatra taranja Biolojia ao ( tsy mino izy io ,na ny inverse ) ,ary rehefa hampita fahalalàna amin\'ny zanakao izy dia ny heviny maha-mpino na tsy mpino azy no avoakany fa tsy ny zavatra tokony ataon\'ny mpampianatra izany hoe : mampita fahalalàna .Hanaiky izany ve ianareo ? Mino aho fa ho tsia ny valiny .
Ohatran\'izay ilay izy!!
Ary maninona moa no eken\'i rabilabila ny famokisana ny kibo sy ny saina mba tsy hivezivezen\'ny fanahy, fa lavina kosa ny fanampiana hafa izay tsy hampivezivezy ny fanahy ?
Satria ny anjaran\'ny fanjakàna dia ny mahavoky sy mahasalàma ny mponina ao aminy prioritairement ary tsy anjarany no manome sakafom-panahy ,ary raha toa izy ka tenté ny hanome dia tokony ho équitablement no hanomezany fa tsy hoe ny an\'ny Kristianina be-be kokoa ,ny an\'ny Silamo atao kelikely ......na inversement .Raha vao tsy manao izany equitablement dia efa misy préférence , ary raha vao misy preférence dia misy sentiment d\'injustice sy incompréhension ,raha vao misy ireo dia misy fikorontànana ...........Raha tsy hoe terena ho \"théocratie \" angaha ny Repoblika ,raha izay no tadiavina dia hafa indray ..
Izaho tsy mandà velively izay fanomezana sakafom-panahy ho an\'izay mila an\'izany,fa tokony hijanona ao anatin\'ny cadre individuel , na communautaire , na mecenat ,fa tsy ny ETAT.
12. rabilabila
(
17/12/2007 15:22)
Fehiny : amiko dia tsy misy olana mihitsy ny hifanampian'ny fanjakana sy ny fiangonana - samy antoky ny mahaolona ny andraikitra raisin'izy ireo. Ny tokony atao fotsiny dia ny mandanjalanja. Misy fetra ny fahafahana fifanampy, sao ny lafiny tena tokony hiandraiketana indray..
Afaka mifanampy fa tokony samy ho masina an-tàniny:
-Ny fiangonana tsy tokony hijabaka amin'ny raharaham-pirenena .(afaka mampaneno lakolosy toa ny rehetra raha misy zavatra heverina fa mivoana amin'ny tokony ho izy fa ny mijabaka TSIA).
-Ary ny fanjakàna tsy tokony hijabaka ny raharaham-piangonana raha toa ireo fiangonana tsy mandika ny lalàna (droits).
13. pissoa
(
17/12/2007 20:47)
:-D:-D:-D
tsy hitako intsony izay horaisina amin'ity hevitra ity fa aleo midodo !
"mahazo mifanampy" nefa, nefa vao resaka "timbres" dia efa ...
ny mahaolona koa moa toa lasa miankina amin'ny tany hipetrahana sy ny lalana sns ; rehefa tsy "citoyen" dia tsy "olombelona" hono :(

14. rabilabila
(
17/12/2007 21:36)
pissoa:
:-D:-D:-D
tsy hitako intsony izay horaisina amin'ity hevitra ity fa aleo midodo !
"mahazo mifanampy" nefa, nefa vao resaka "timbres" dia efa ...
ny mahaolona koa moa toa lasa miankina amin'ny tany hipetrahana sy ny lalana sns ; rehefa tsy "citoyen" dia tsy "olombelona" hono :(
Angamba efa mazava be io resahiko io : ny fomba hifanampian'ny fiangonana na ny associations rehetra isan-karazany misy dia ny VIGILENCE ,ankoatr'izay dia tokony ho SAMY MASINA AN-TANINY..
CITOYEN = De manière générale, un citoyen est une personne qui relève de l'autorité et de la protection d'un État et par suite jouit de droits civiques et a des devoirs envers cet État. Chaque citoyen exerce à sa façon la citoyenneté telle qu'elle est établie par les lois et intégrée dans l'ensemble des mœurs de la société à laquelle il appartient.
La citoyenneté est aussi une composante du lien social. C'est en particulier l'égalité de droit associée à la citoyenneté qui fonde le lien social dans la société démocratique moderne. Les citoyens d'une même nation forment une communauté politique.
(version wikipédia nanaovanao reférence).
Raha ohatra moa ,araky ny efa lazaiko hoe :THEOCRATIE no tadiavinareo dia zavatra hafa izany.
Amin'izay ny citoyen dia hafa ny définition-ny .Mbola tsy Théocratie i Madagasikara hatramin'izao aloha.
Sinon ,tafandry mandry aza!!
15. rakapy
(
18/12/2007 00:41)
Amiko dia rehefa nanao io fihetsika io ny Ambasasy Gasy any Washington dia tokony hanao izany @ izay rehetra (Fikambanana) avy eto Mada ka mila fanampiana any usa.Fa raha tsy izany dia afaka hilaza ny citoyens Malagasy fa mitongilana ny fanjakana.
16. vahiny2004
(
18/12/2007 07:59)
pissoa:
:-D:-D:-D
tsy hitako intsony izay horaisina amin'ity hevitra ity fa aleo midodo !
"mahazo mifanampy" nefa, nefa vao resaka "timbres" dia efa ...
ny mahaolona koa moa toa lasa miankina amin'ny tany hipetrahana sy ny lalana sns ; rehefa tsy "citoyen" dia tsy "olombelona" hono :(
Pissoa a aleo ary havadika ny fomba fijery azy : tsy ao anatin'ny définition n'ny andraikitry ny ambasady izany ka tsy tokony hataony .
17. prime
(
18/12/2007 09:00)
Mitovy hevitra amin'i Pissoa aho eto...
Soanja> Amin'ny ankapobeny, raha hitanao fa hahasoa ihany, na dia ho an'olona iray monja aza dia ataovy tsy ampihambahambàna amin'ny anaran'i Kristy fa tsara izany... efa mazava izany fa ho an'ny fiangonana sy ny tranon'Andriamanitra no angatahany fanampiana...
Raha hitanao fa hanimba kosa dia aza manao na dia iraimbilanja aza ary tsy misy mahadiso izany mihitsy...
Fa na hanao nefa ianao na tsy hanao dia aza arahana fanazavàna be hanamarinana izay safidinao fa ataovy amin'ny fisaorana sy ny fifaliana fa izany no nampianarin'i Kristy... ataovy toy ny ho an'Andriamanitra izay safidy atao rehetra... mahereza...

18. vahiny2004
(
18/12/2007 11:26)
prime : tsy Soanja te handray anjara na tsia anie no olana eto e, fa ny hoe tokony handefa io taratasy mangataka vola hanaovana fiangonana loterana ve ny ambasady .
19. cutie
(
18/12/2007 14:27)
marina zany ry vahiny a
Raha nanoratra direct tany @ soanja le ramatoa nangataka vola de tsy manin. Fa le ambassady nanoratra tany nangataka vola mitsy no tena tsy mety. Tsy misy idiran'ny ambassady mitsy zany,ohatran'ny we mi violer ny vie privee an'i soanja ny fanaovana an'zany.

20. Fody
(
18/12/2007 17:34)
Ny zavatra tsy ampy aminao rabilabila dia ny fahalalana ny zava-nisy, sy ny zava-misy marina any Madagasikara.
Mandalova eny Andralanitra fotsiny (mbola betsaka ny any ambanivolo rehetra any), dia ho fantaro hoe: asa toy inona no ataon'ny Fiangonana hampandrosoana ny Olombelona tsirairay avy, sy hananany ny maha olona feno azy.
Dia mba hanontanio hoe: ohatrinona ny volam-panjakana mba nalefa hanampina an'io na ireo hafa any ambanivolo any?
Dia hadihadio koa hoe: toy ny inona avy ny olana sedrain'ny Fiangonana amin'ny fananganana tobim-pitsabona sy sekoly..., noho ny sakantsakana ataon'ny fanjakana.
Hadihadio hoe: firy tonnes ny fanafody narina fotsiny, izay tokony hitsabona ny vahoaka malagasy, noho ny sakasakana nataon-drafanjakana?
Hadihadiho hoe: Vola ohatrinona no lanin'ny Fiangonana amin'ny Famatsina ny Tobim-pitsabona sy ny sekoly any ambanivolo? Ohatrinona anefa no mba nomen'ny fanjakana? (Teo aloha dia tsoriko fa tsy nisy na ariary aza, amin'izao dia izay malazalaza no mba mahazo kely)
Ary tsorina koa fa maro ny faritra any Mada tsy mba afa-mianatra sy mitsabo tena ny olona, raha tsy misy ny Fiangonana....
Aiza ny laicité-nao? Tsy mamelona ny Malagasy rehetra io fa mamono ny maha olona.
Tsy ekeko kosa ny fampiasana ny fiangonana ho fitaovana ho an'ny politika, toy ny ataon'ny sasany. Fa laviko kosa ny fisakanana ny Fiangonana tsy hiditra amin'ny raharaham-pirenena, satria isan'ny vahoaka koa izy, ka manan-jo amin'izany.