USA- fanangataham-bola an'nyfiangoana- avy amin'ny Ambasady.

21. rabilabila ( 18/12/2007 18:28)

Ny zavatra tsy ampy aminao rabilabila dia ny fahalalana ny zava-nisy, sy ny zava-misy marina any Madagasikara.



Izany an!!.


Mandalova eny Andralanitra fotsiny (mbola betsaka ny any ambanivolo rehetra any), dia ho fantaro hoe: asa toy inona no ataon'ny Fiangonana hampandrosoana ny Olombelona tsirairay avy, sy hananany ny maha olona feno azy.
.

Tsy mandà na mitsipaka izany aho na iray minitra aza.

Dia mba hanontanio hoe: ohatrinona ny volam-panjakana mba nalefa hanampina an'io na ireo hafa any ambanivolo any?


Antsika vahoaka , an'ireo fikambanana (ary ao anatin'izany ny fiangonana),araky ny lazaiko etsy ambony no manaitra , manakorotana , mikapoka latabatra sns .... na koa manome sanction amin'ny alàlan'ny fifidianana.


Dia hadihadio koa hoe: toy ny inona avy ny olana sedrain'ny Fiangonana amin'ny fananganana tobim-pitsabona sy sekoly..., noho ny sakantsakana ataon'ny fanjakana.



Tsy nandà izany aho na iray minitra aza , na ny Medecin du Monde aza niala tany !!


Hadihadio hoe: firy tonnes ny fanafody narina fotsiny, izay tokony hitsabona ny vahoaka malagasy, noho ny sakasakana nataon-drafanjakana?


Faizina ny fanjakàna ,toriana any amin'ny instances internationales raha manana ny porofo azo hanaovana an'izany!!

Hadihadiho hoe: Vola ohatrinona no lanin'ny Fiangonana amin'ny Famatsina ny Tobim-pitsabona sy ny sekoly any ambanivolo? Ohatrinona anefa no mba nomen'ny fanjakana? (Teo aloha dia tsoriko fa tsy nisy na ariary aza, amin'izao dia izay malazalaza no mba mahazo kely)
.


Tsy mandà izany aho na iray minitra aza , corrompu ny olona mazàva hoa azy.



Ary tsorina koa fa maro ny faritra any Mada tsy mba afa-mianatra sy mitsabo tena ny olona, raha tsy misy ny Fiangonana....
.

Marina dia marina tokoa izany!!


Aiza ny laicité-nao? Tsy mamelona ny Malagasy rehetra io fa mamono ny maha olona.


Ny polotika sy ny polifika no mamono olona fa tsy ny laicité !! NUANCE!!!!


Tsy ekeko kosa ny fampiasana ny fiangonana ho fitaovana ho an'ny politika, toy ny ataon'ny sasany.


Demi-laicité io!!


Fa laviko kosa ny fisakanana ny Fiangonana tsy hiditra amin'ny raharaham-pirenena, satria isan'ny vahoaka koa izy, ka manan-jo amin'izany.


Ny rôle -n'ny fiangonana sy ny fikambanana maro samihafa dia ny HAMPATSIAHY , MAMPITANDRINA ,NY FANJAKANA FA MIBOLILA NY FITONDRANA .


Ny zavatra resahina eto dia ny fisarahan'ny fivavahana sy ny fanjakana ,ary izay ihany no noresahiko fa tsy nisy NA IRAY AZA tao anatin'ny resako etsy ambony fitsaràna ny zava-bita na tsia an'ny fanjakàna na ny fiangonana.

Ary amin'ny manaraka dia vakio tsara ny zavatra teneniko fa aza tonga dia ilay PS no jerena ,mba tsy hitenenako hoe :ny tsy ampy aminao dia ny mamaky tsra ny zavatra lazaiko aloha .
Raha ny sujet hoe : INONA NO VITAN'NY FANJAKANA TAMIN'NY VAHOAKANY ? IZA NO MANENTSINA NY BANGA APETRAKY NY FANJAKANA ? Dia mitombona tanteraka ny zavatra lazainao ary izaho aza mbola hanonona an'i Père Pedro ohatra ,sy ireo associations rehetra handraisako anjara .......Moramora ihany ry Namana a!!Aza dia maika ny hanenjika loatra fa manjary manahirana ny hifamaly lava eto.



22. Fody ( 18/12/2007 19:54)


Ho an'i soanja:
Fanontaniana: manao ahoana ny endrik'ilay taratasim-pangatahana? Moa miendrika taratasim-panjakana ve, sa toy ny taratasim-pangataham-panapiana rehetra?

Amiko dia azo atao tsara ny mangataka fanapiana amin'ny olona rehetra. Ny manery ny hafa, an-kolaka na mivantana, no tsy izy.

rabilabila:Indro horaisiko amin'ny atsipirihany ary izay voalazanao.
Miombon-kevitra tanteraka amin'i Soanja ny tenako .
Manararaotra kely fotsiny aho amin'ny filazàna fa tsy vao izao ihany ny toe-javatra toa izany no nitranga : Maro dia maro tokoa ireo "fiangonana" any Madagasikara mahazo vola aman'etsiny avy amin'ny fanjakàna nefa ny sekoly na ny dispansera eo akaiky tsy manana ny ampy mba ahafahan'ireo Zatovo Malagasy mandranto fahalalàna amin'ny vatana tomady.

Ilay hoe: maro, Iza aby io? Sa rehefa mihoatra ny iray moa dia efa maro?
Fa makaiza moa ilay vola nomena an'ilay Fiangonana?


Ny atao hoe "olombelona " amin'ny fanjakàna (ankoatr'ireo fanjakàna mpanavaka ,na mirona amin'ny fivavahana tokana ) dia ny CITOYEN .
Ny fanjakana malagasy dia manaiky koa ny maha-ao amin'ny lalam-panorenany ny droits de l'homme .....

Ny lahasan'ny fanjakàna voalohany ,indrindra fa amin'ny tany feno fahantrana toa i Madagasikara ,dia ny fanalàna ny mponiny( izany hoe ny Malagasy tsy an-kanavaka , na fihaviana , na loko , na finoana )amin'ny fahantràna amin'ny alàlan'ny fitsaboana sy ny fahalalàna voalohany indrindra.
Ireo filamatra anankiroa ireo no tokony himasoana voalohany mba ahafahan'ny citoyen tsirairay manoritra ny làlany arak'izay hitiavany azy ary amim-panajàna ny mpiara-belona aminy.

Dia inona no vahaolona nomenao? Laicité!
Nefa moa akory atao ? Efa nofinidin'ny vahoaka Malagasy ny fanalàna ny "Laicité" ao anatin'ny lalam-panorenana malagasy vao tsy ela izay .Asa izay ho fiafaràn'ireto valala be mandry ? Asa ?

Fa inona ilay laicité?
Inona no soa entiny?
Mahasoa ny gasy ve sa tsia?

Ho anao ny Fiangonana dia atao havako raha misy patsa. Izany hoe rehefa misy ny tombon-tsoa azo avy aminy dia ekena, fa ny akoatra izay dia lavina izy. Toa tsy tsapanao ny toerana tanany eo amin'ny fiharaha-monina, satria ianao tsy mitoetra any Mada ka tsy mahalala an'izany (na tsy te hahalala an'izany). Izay no antony nilazako an'ireo rehetra voalaza eo ambony ireo.


Hoy ny fahendrena malagasy hoe : "raha noana ny kibo , dia mivezivezy ny fanahy".
Inona no mety tsy hahanoana ny kibo ? Ny fanomezana izay fitaovam-pahalalàna rehetra ahafahana mahaleo tena amin'ny fitadiavana ,ny fanomezana fahasalamana ahafahana hiatrika lalandàva ny asa aman-draharaha hioharana ilay fahantrana.
Marihiko fa ny sakafom-panahy dia tsy ny Malagasy rehetra no concernés fa ny am-pahany ihany tandis que ny fahalalàna sy ny fahasalamàna izay entina miady amin'ny fanandevozana sy ny fahantràna dia ny Malagasy iray manontolo no concernés.

Raha misy te-hanao mecénat (toa ny lazain'i Cutie )hanaovana fiangonana ,na misy olon-tsotra te-hanao izany sns... dia tsy olana mihitsy ,fa tsy anjaran'ny mpisolo-tena ny Malagasy na ny fanjakàna malagasy no mitaky na mitatitra asa fanasoavana ho an'ny am-pahan'ny mponiny .



Diso hevitra loatra ianao, raha milaza fa tsy ny malagasy rehetra no mila an'ilay sakafom-panahy. Satria raha ny mampahantra ny malagasy ankehitriny dia ny fisian'ireo olona maro efa maty fahany. Ataoko fa hainao tsara ny dikan'izay hoe: maty fanahy izany, raha malagasy tokoa ianao.
Tsy ny kibo sy ny saina ihany no mila omena sakafo ho velona, fa mila an'izany koa ny Fanahy. Raha maty ny fanahy dia miha biby fiaina ny olona.


Ny hevitrao farany io moa dia mbola manamafy ny fanaovana ny Fiangonana ho havana raha misy patsa fotsiny.

Misaotra anao!
23. rabilabila ( 18/12/2007 21:04)
pffff!!! Efa voalazako ny tiako lazaina .:roll::roll:

Miala tsiny aminao fa tsy mitovy ny fomba fiadiana hevitra ka manjary manahirana!! Very ny \"objectivité\" raha vao mandika vilana ,ary indrindra raha vao mànana pensée unique.
Ny resaka hoe maro sy tsy maro ve no hiadiana hevitra ? Réalité io zavatra lazaiko io ary tsy misy incrimination ho an\'ny fiangonana io fehezan-teniko io na kely aza ..
D\'ailleurs miombon-kevitra amiko ianao rehefa milaza an\'ity:\"Tsy ekeko kosa ny fampiasana ny fiangonana ho fitaovana ho an\'ny politika\",Ary io no zavatra nolazaiko fa tsy hafa akory:^):^)


\"Havako raha misy patsa\" ve ny dikan\'io zavatra lazaiko io ?Mba mihevera leiretsy a!F\'angaha moa tsy ny toerany eo amin\'ny fiaraha-monina io lazaiko io ? Fa inona moa no dikan\'ny hoe:Ny rôle -n\'ny fiangonana sy ny fikambanana maro samihafa dia ny HAMPATSIAHY , MAMPITANDRINA ,NY FANJAKANA FA MIBOLILA NY FITONDRANA .,sy ny hoe:Antsika vahoaka , an\'ireo fikambanana (ary ao anatin\'izany ny fiangonana),araky ny lazaiko etsy ambony no manaitra , manakorotana , mikapoka latabatra sns .... na koa manome sanction amin\'ny alàlan\'ny fifidianana.
tsy misy resaka fitandrovana ny fiaraha-monina ireo ?

Ampio re ny mpitondra ho theocratie i Madagasikara e!!Efa tsy laika intsony mantsy izy nanomboka tamin\'ny referendum farany ka malàlaka ny sehatra ry Fody a!!Any no tianao ahatongavana.


Na indray mandeha aza aho teto tsy nanao attaque ny fiangonana,na indray mandeha aza !!!!.

Ny zavatra resahina eto dia ny fisarahan\'ny fivavahana sy ny fanjakana ,ary izay ihany no noresahiko fa tsy nisy NA IRAY AZA tao anatin\'ny resako etsy ambony fitsaràna ny zava-bita na tsia an\'ny fanjakàna na ny fiangonana.

Ary amin\'ny manaraka dia vakio tsara ny zavatra teneniko fa aza tonga dia ilay PS no jerena ,mba tsy hitenenako hoe :ny tsy ampy aminao dia ny mamaky tsra ny zavatra lazaiko aloha .
Raha ny sujet hoe : INONA NO VITAN\'NY FANJAKANA TAMIN\'NY VAHOAKANY ? IZA NO MANENTSINA NY BANGA APETRAKY NY FANJAKANA ? Dia mitombona tanteraka ny zavatra lazainao ary izaho aza mbola hanonona an\'i Père Pedro ohatra ,sy ireo associations rehetra handraisako anjara .......Moramora ihany ry Namana a!!Aza dia maika ny hanenjika loatra fa manjary manahirana ny hifamaly lava eto.


Vita ny ahy iny , efa mazàva ,efa misy mamaky ,ary misy manohana (na mpino izy na tsy mpino ==> izay no atao hoe manana objectivité fa tsy matin\'ny pensée unique ).Tsy mampaninona ahy mihitsy raha izaho no hanaovana fixation lava eto .Vao maika aza VONINAHITRA HO AHY .

Saika adinoko : Hay moa ianao any Madagasikara no mipetraka ka afaka mitsongoloka ahy tsara:-D:-D

Manaova fety soa na izany aza !! Eo aho vao manao havana raha misy patsa fa tsy misy gisa varotana mantsy raha tsy faran\'ny taona ,ka rehefa hisotro divay aho dia ahatsiaro anareo rehetra toa ny fahatsiarovako ireo Namana musulman rehefa fetin\'ny ondry .:lol:
24. fijo ( 18/12/2007 22:13)
efa ela no nilazana fa tsy azo hafangaro ny finoana sy ny raharaha mpirenena,fa atao akory fa misy fanina e
25. malalatinasoa ( 19/12/2007 01:59)
Aza manasaro-javatra isika fa ndao raisina @ fijery mahitsy ny resaka. Rehefa misy \"mangataka fifanampiana\" dia:
1. na ianao manome satria mihantra an\'ilay olona (eto dia ny fiangonana) na resy lahatra t@ fanazavana nomeny. Dia manomeza am-pifaliana.
2. na ianao tsy manome. Zo ananan\'ny olombelona tanteraka izany satria nisasatra vao nahazo an\'iny vola iny. Ary ataoko fa ny ambassade tsy nanery velively (na nanery an-kolaka) hoe \"tsy maintsy manome!!\".

-->Miankina tanteraka @ fahendren\'ny tsirairay ny anomezany na tsy anomezany.

Dia avy indray ny discussion hoe ny \"ambassade\" no nandefa ilay taratasy. Tsy hiditra velively @ ilay debat momba ny laicite sy ny fanjakana sns aho eto fa kosa hitarika ny saintsika @ lafiny maha-\"olombelona \" antsika.
Raha toa ka hoe ny budget-ny ambassade no nangalana hanomezana ilay ramatoa dia TSIA avy hatrany. Fa nanaiky ny fanagatahan\'ila ramatoa izy ka \"nampita hafatra\", avy @ ity vehivavy Malagasy mangataka fanampiana @ mpiray tanindrazana Malagasy. Koa inona ny olana? Raha manana omena manomeza, raha tsy te-hanome nga misy mahafaty?

Sa rehefa fiangonana dia asiana resa-be, fa raha vola hanaovana fety sy ny hafa dia mampangoraka?

26. niryna ( 19/12/2007 07:03)
Omeo izay mangataka aminao ary aza hodiana tsy hita izay mitady aminao raha misy ny atolotra.Hianao sy Atra irery no tokony ahalala izany.Mahereza

1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy , dia nanatona Azy ny mpianany.

2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:

3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina;

5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany (Sal.37.11).

6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.

7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.

8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an' Andriamanitra.

9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak' Andriamanitra.

10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra;

11 Sambatra hianareo, raha haratsian'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.

12 Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.

13 Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahan'ny olona.

14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.

15 Ary koa, tsy misy mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.Mat 5:1-15


27. xxx ( 19/12/2007 09:57)
Misy tsy mahazo resaka na minia tsy mahazo resaka ve eto e ? en particulier ilay citation lavabe avy @ Baiboly ve tena tokony ho eo @ izao discussion izao ?

Ny fahazoako ny fanontanian'i soanja dia hoe tokony nanao io taratasy io sa tsia ny ambasady , fa tsy hoe te hanome Soanja na tsia

Raha ny définition n'ny rôle de l'ambassade no jerena dia TSIA tsy misy adihevitra ny valiny . Azo lazaina ho illégal mihintsy aza

Fanontaniana : Inona àry no antony nandalovana na nianteheran'ilay ramatoa t@ ambasady hanao ilay taratasy ? Maninona no tsy nataony t@ anaran'ny fiangonana loterana tsotra ilay izy rehefa avy naka ny lisitra tao @ ambasady ?

Izahay izao mahazo taratasy marobe @ medecins du monde , fikambanan'i Abbé Pierre ... etc mangataka fanampiana , hitako normal tsara, tsy misy fanjakana na ambasady ("manery") ao aoriana


28. rabilabila ( 19/12/2007 10:45)
xxx:

Misy tsy mahazo resaka na minia tsy mahazo resaka ve eto e ? en particulier ilay citation lavabe avy @ Baiboly ve tena tokony ho eo @ izao discussion izao ?

Ny fahazoako ny fanontanian'i soanja dia hoe tokony nanao io taratasy io sa tsia ny ambasady , fa tsy hoe te hanome Soanja na tsia

Raha ny définition n'ny rôle de l'ambassade no jerena dia TSIA tsy misy adihevitra ny valiny . Azo lazaina ho illégal mihintsy aza

Fanontaniana : Inona àry no antony nandalovana na nianteheran'ilay ramatoa t@ ambasady hanao ilay taratasy ? Maninona no tsy nataony t@ anaran'ny fiangonana loterana tsotra ilay izy rehefa avy naka ny lisitra tao @ ambasady ?

Izahay izao mahazo taratasy marobe @ medecins du monde , fikambanan'i Abbé Pierre ... etc mangataka fanampiana , hitako normal tsara, tsy misy fanjakana na ambasady ("manery") ao aoriana





Melci dé msôtra e!! 'Zaho angamba no lava resaka ka tsy azon'ny olona . Mazàva tsara ka!!


29. Fody ( 19/12/2007 10:45)

-Ny fiangonana tsy tokony hijabaka amin'ny raharaham-pirenena .(afaka mampaneno lakolosy toa ny rehetra raha misy zavatra heverina fa mivoana amin'ny tokony ho izy fa ny mijabaka TSIA).

Dia inona no dikan'io hono?
Tsy mahazo mitsabaka anefa hoe: mampaneno lakolosy?
Ary rehefa milaza ny zavatra ts mety ataon'ny Fanjaka izy dia lazaina fa mitsabaka...
Sa ilay hoe mitsabaka izy rehefa mangata-bola amin'ny fanjakana hananganany trano fiangonana, na sekoly, na trano fitsabona marary, sns...?

Ampio re ny mpitondra ho theocratie i Madagasikara e!!Efa tsy laika intsony mantsy izy nanomboka tamin'ny referendum farany ka malàlaka ny sehatra ry Fody a!!Any no tianao ahatongavana.

???
Ianao moa milaza fa misy objectif ny zavatra lazainao fa tsy matin'ny pensée unique, ka mba lazao kely hoe: aiza ao amin'ny lalam-panorenana no milaza fa efa manana fihoronana makany amin'ny theocratie i Madagasikara?

Fa mbola averiko ihany ily fanontaniana hoe:
Inona ilay laicité?
Mahasoa ny gasy ve izany sa tsia?
Dia nolazainao moa hoe:
Nefa moa akory atao ? Efa nofinidin'ny vahoaka Malagasy ny fanalàna ny "Laicité" ao anatin'ny lalam-panorenana malagasy vao tsy ela izay .Asa izay ho fiafaràn'ireto valala be mandry ? Asa ?

Ny dikan'io dia hoe: efa tao amin'ny lalam-panorenana teo aloha io laicité mahafatifaty anao io. Ka raha izay nalana tao no ataonao hoe laicité, dia hoy aho hoe: ivereno vakina kely ny tantara niainan'ny gasy hatramin'ny taona 1975.

30. pissoa ( 19/12/2007 13:57)
rabilabila:
CITOYEN = De manière générale, un citoyen est une personne qui relève de l'autorité et de la protection d'un État et par suite jouit de droits civiques et a des devoirs envers cet État. Chaque citoyen exerce à sa façon la citoyenneté telle qu'elle est établie par les lois et intégrée dans l'ensemble des mœurs de la société à laquelle il appartient.

La citoyenneté est aussi une composante du lien social. C'est en particulier l'égalité de droit associée à la citoyenneté qui fonde le lien social dans la société démocratique moderne. Les citoyens d'une même nation forment une communauté politique.
(version wikipédia nanaovanao reférence).


:-D:-D:-D
tsy tena ilay citoyen anie no tiako ho fantatra e, fa taminao moa ny OLOMBELONA (amin'ny fanjakana) = CITOYEN, ka tsy maintsy niezaka nahazo ny dikan'ny citoyen ihany aho. Mba niezaka nahafantatra hoe ny komorianina tsy manana citoyenete gasy ve izany mba mety ho "olombelona" sa pensilihazo, sa kisoa, sa zavoka sa inona rehefa ny governemanta malagasy no miresaka !

rabilabila:
Raha ohatra moa ,araky ny efa lazaiko hoe :THEOCRATIE no tadiavinareo dia zavatra hafa izany.
Amin'izay ny citoyen dia hafa ny définition-ny .Mbola tsy Théocratie i Madagasikara hatramin'izao aloha.

Sinon ,tafandry mandry aza!!

Inona no hitsambikanana any amin'ny theocratie ? Ny fahendrena malagasy tsy niteny fotsiny hoe "raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy" fa ozizy koa hoe "ny fanahy no mahaolona." Heveriko fa olona manam-panahy koa ny athee - na dia tsy mino andriamanitra (araka ny karazany) aza. Ahitsio aho raha diso ... :oops:

Noho izany amiko, ny fanahy samy manana daholo - saingy misy ny mila fanampiana amin'io lafiny io, misy ny tsy mila. Dia rehefa tsy mila ilay fanampiana dia mipetraka fotsiny.
31. booboo ( 19/12/2007 14:10)
Raha ny définition n'ny rôle de l'ambassade no jerena dia TSIA tsy misy adihevitra ny valiny . Azo lazaina ho illégal mihintsy aza


zay mihitsy mihitsy !
32. cutie ( 19/12/2007 15:59)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 19-12-2007 10:57:59
Lohateny : Re : USA- fanangataham-bola an'nyfiangoana- avy amin'ny Ambasady.
Misy tsy mahazo resaka na minia tsy mahazo resaka ve eto e ? en particulier ilay citation lavabe avy @ Baiboly ve tena tokony ho eo @ izao discussion izao ?

Ny fahazoako ny fanontanian'i soanja dia hoe tokony nanao io taratasy io sa tsia ny ambasady , fa tsy hoe te hanome Soanja na tsia

Raha ny définition n'ny rôle de l'ambassade no jerena dia TSIA tsy misy adihevitra ny valiny . Azo lazaina ho illégal mihintsy aza

Fanontaniana : Inona àry no antony nandalovana na nianteheran'ilay ramatoa t@ ambasady hanao ilay taratasy ? Maninona no tsy nataony t@ anaran'ny fiangonana loterana tsotra ilay izy rehefa avy naka ny lisitra tao @ ambasady ?

Izahay izao mahazo taratasy marobe @ medecins du monde , fikambanan'i Abbé Pierre ... etc mangataka fanampiana , hitako normal tsara, tsy misy fanjakana na ambasady ("manery" ao aoriana

because they are right wing freako kristian, that's way :-D:-D:-D:-D:-D
33. rabilabila ( 19/12/2007 16:34)
Tsy mahazo mitsabaka anefa hoe: mampaneno lakolosy?



Ary rehefa milaza ny zavatra ts mety ataon\'ny Fanjaka izy dia lazaina fa mitsabaka...


Efa novaliako tetsy ambony hoe: Ny rôle -n\'ny fiangonana sy ny fikambanana maro samihafa dia ny HAMPATSIAHY , MAMPITANDRINA ,NY FANJAKANA FA MIBOLILA NY FITONDRANA .Ary ao anatin\'ireo fikambanana ireo ny syndicats sns.... Ireo no atao hoe :mampaneno lakolosy ( VIGILENCE ).

Sa ilay hoe mitsabaka izy rehefa mangata-bola amin\'ny fanjakana hananganany trano fiangonana, na sekoly, na trano fitsabona marary, sns...?



Efa novaliako tamin\'ity tetsy ambony :
.... raha toa izy ka tenté ny hanome dia tokony ho équitablement no hanomezany fa tsy hoe ny an\'ny Kristianina be-be kokoa ,ny an\'ny Silamo atao kelikely ......na inversement .Raha vao tsy manao izany equitablement dia efa misy préférence , ary raha vao misy preférence dia misy sentiment d\'injustice sy incompréhension ,raha vao misy ireo dia misy fikorontànana .......

aiza ao amin\'ny lalam-panorenana no milaza fa efa manana fihoronana makany amin\'ny theocratie i Madagasikara?
.

Ny zavatra noteneniko dia hoe : Théocratie angaha no tadiavinareo ? Aza mandika vilana ho\'aho!!!!!!Rehefa mamàky dia vakiiiiiiiiiiiio daholo fa aza tonga dia mangovingovitra sy miaka-pofona.

efa tao amin\'ny lalam-panorenana teo aloha io laicité mahafatifaty anao io. Ka raha izay nalana tao no ataonao hoe laicité, dia hoy aho hoe: ivereno vakina kely ny tantara niainan\'ny gasy hatramin\'ny taona 1975.



Constitution farany:
Article 1- Le Peuple Malagasy constitue une Nation organisée en Etat souverain, unitaire et républicain.
Cet Etat porte le nom de « République de Madagascar .
La démocratie constitue le fondement de la République. Sa souveraineté s’exerce dans les limites du territoire qui lui sont reconnues par le droit international. Nul ne peut porter atteinte à l’intégrité territoriale de la République.

constitution 1992:

l’article 1 : Le peuple malgache constitue une nation organisée en Etat souverain et laïque.

Cet Etat est une République une et indivisible et porte le nom de la République de Madagascar. La démocratie constitue le fondement de la République.


Ny zavatra mahavariana amin\'i Fody dia ny hafetseny hisintona ny bodofotsy any aminy ,avadiny kely fotsiny ny \"sujet\" hi-justifier-ny fahitàny ilay zavatra ,satria fantany hoe na izaho aza tsy handà izay zavatra mety ho vitan\'ny fiangonana raha resaka asa-soa no lazaina.D\'ailleurs tsy misy nolaviko ny zavatra nolazainy fa niteny fotsiny aho hoe :TSY IZANY NO SUJET ETO.
Tsy mamaky ny zavatra lazaina izy ny kely aza fa faly hanenjika fotsiny .Ahoana no hilazako an\'izany ?Efa nanoratra ito ambany ito aho fa tsy vakiany ilay izy ka e!e!e!,ny azy ihany no hasesiny.


Raha ny sujet hoe : INONA NO VITAN\'NY FANJAKANA TAMIN\'NY VAHOAKANY ? IZA NO MANENTSINA NY BANGA APETRAKY NY FANJAKANA ? Dia mitombona tanteraka ny zavatra lazainao ary izaho aza mbola hanonona an\'i Père Pedro ohatra ,sy ireo associations rehetra handraisako anjara .......Moramora ihany ry Namana a!!Aza dia maika ny hanenjika loatra fa manjary manahirana ny hifamaly lava eto.



Fa mbola averiko ihany ily fanontaniana hoe:
Inona ilay laicité?
Mahasoa ny gasy ve izany sa tsia?
.

Mba valionao kely hoe ireo fanontanianao ireo mba ho hita ny fandehany ?.










34. rabilabila ( 19/12/2007 16:55)
Mba niezaka nahafantatra hoe ny komorianina tsy manana citoyennete gasy ve izany mba mety ho "olombelona" sa pensilihazo, sa kisoa, sa zavoka sa inona rehefa ny governemanta malagasy no miresaka !
.

Ny Komorianina tsy manana citoyenneté malagasy ka mipetraka any Madagasikara dia immigré no anarany ary soumis amin'ny lalànan'ny tàny hipetrahany izy .Tsy misy hidiran'ny kisoa sy ny vorona sy ny aliaka izany akory .:-D:-D:-D

Ny tsy azoko amin'i Pissoa dia izao:
Ny Personne dia limiter-n'i Pissoa fotsiny amin'ny sens iray nefa misy sens bediabe izy io sa? Misy aza ny atao hoe personne physique sy personne morale ko!Sa?
Inona no hitsambikanana any amin'ny theocratie ?


Rehefa tsy izany ange ny tian'i Pissoa dia tsara e!!Tsy misy tokony hitsambikinana any mihitsy akory ,hy nahatonga ahy niteny an'io fotsiny dia manokatra any amin'io làlana io ny nanalàna ny laicité tso anaty constitution!!

"ny fanahy no mahaolona."


Tsy misy mandà an'izany raha toa ka mitovy ny famaritana ilay hoe "fanahy"!!Betsaka mantsy no azo handikàna azy io : âme -esprit -humanité......Sa?

ny fanahy samy manana daholo - saingy misy ny mila fanampiana amin'io lafiny io, misy ny tsy mila. Dia rehefa tsy mila ilay fanampiana dia mipetraka fotsiny.


Tsy mandà izany velively ny tenako akory fa nilaza fotsiny ny séparation de l'Eglise et de l'Etat , ary mbola nampiako aza hoe raha toa ny fanjakàna ka tenté hanampy dia tokony tsy asiana fiangarana .Izay ihany no nolazaiko fa tsy zavatra hafa akory.:-D:-D:-D
35. hery ( 19/12/2007 17:16)
soanja>
Izaho koa mbola te hahalala ny misimisy kokoa amin'ilay taratasy raha azon'i soanja valiana.

1. Taratasy officiel (misy en-tete sns) avy amin'ny ambassade ve ilay izy?
2. Inona tao amin'ny ambassade no nampiasaina? Valopy, timbre, taratasy

Miankina amin'ireo mantsy no hahalalana hoe fitaovam-panjakana ve no nampiasaina.

36. ikaretsaka ( 19/12/2007 18:17)
hery> ie : ny valopy nisy azy dia misy seal an'ny Ambassade any DC eo ambony ankavia:D
za koa mba nanatena hoe fara faharatsiny mba bonane ny tao anatiny
kay fitatazan-drakitra!
ny ahy taratasy no nalefako tany
Novaliako tsara hoe ny fiangonana any Ambohitraivo: Antsirabe 2 koa ohatra izao tompoko dia mila soloina ny tafo fa dia mitete rehefa fahavaratra ka manimba ny dabilio, izay mila soloina koa!
37. fijo ( 19/12/2007 22:06)
ary dia tena ratsy mihintsy raha taratasi mpanjakana no hentina hanaovana taty rakitra.

iza no manao sonia ilay taratasy???ny ambasady ve sa olona manoka mpiasa ao????
38. rakapy ( 19/12/2007 22:18)
Hery>Fijo> Ny nanao sonia eo ambany dia ny Mr l'Ambassadeur de Madagascar a Washington. Ary ny tena mahatalanjona dia nalefan'ilay ramatoa koa ny COMPTE BANQUAIRE PERSSONELLE-ny???BFV-SG.
ka tsy midika ve izany fa efa miderapy ny fanjakana sy ny fiangonana? manao business amin'ny sisisny?
39. fijo ( 19/12/2007 22:20)
kay kay kay,tena ratsy be izany,fa ny tsara hofantatra dia ny hoe,mahalala izany ve ny any mada???????ny fanjakana io.toa mibolisatra be mantsy le zavatra atao;
40. rabilabila ( 19/12/2007 22:25)
Fijo a! Efa pratique courante izany e!Ny mivavaka aza efa natao alohan'ny fisokafan'ny session parlementaire kou!!Ary natao tsy misy considération ho an'ireo depioté hafa finoana!!Izany ilay efa nolazaiko etsy ambony hoe : manjary manana sentiment d'injustice ny olona sasany dia ho tonga ny tsy mety....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.114