Tsy mananatra azy ianao?...hadiniko amin'ny tananao ny ràny.

1. niryna ( 17/07/2006 21:11)
ikaretsaka:
tsy manohitra ny voalazan'ny baiboly aho fa manohitra kosa ny fampiasanao ny fampianarana diso momba ny voalazan'ny baiboly mba "mody" hanamarinanao tena, hizestiavanao fa mamaky baiboly ianao sy ny "fampiasanao tsimpona (izany hoe ny fangalanao ireo verses izay tiatianao ihany"sy hitorianao ny cause-nao iza tiatianao ihany!

Fantatro fa tsy mety izany! ka ahitsiko..
Ireto no ahitsiko
-ny fotom-pinoanao momba io lazainao ho "Tenin'Andriamanitra io" aza d'efa mivaralila sy mivilana tanteraka, efa nomeko anao imbetsaka ny antony mampivilana azy! izany no ahitsiko sy ezahiko ampidirina ao an-tsainao... izany no ampianariko! izany "dance-ko"... averiko aminao foana fa Tsy io ihany...fa betsaka lavitra noho io ny Tenin'Andriamanitra,

tsy misy tokantrano mifandramatra ka milaza fa misy fiadanana ao,toy izany ihany koa ny fitoriana an'i kristy,raha mitory an'i kristy aho kanefa ny saplet no lazainao lava andao hanoko izany ve hisy hitovizany? God is SPIRIT noho izany averiko indray ity mba ho fantatrao fa Spirit-Atra sy ny spirit-ntsika no mifandahatra.Avia isika hifandahatra hoy ny Tompo,fa raha mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala.hm,hm, fahotana angaha tongotra sa tanana tsy ny ao anaty no manao izay tsy mety mifanaraka ny fanihintsika?
Ny tongotra no mailaka andeha fa ilay fanahy ao anatintsika no miteny hoe mijanona dia mijanona ny tongotra
Ny tanana no mailaka hanao ratsy fa ny saintsika no mitazona ilay tanana tsy hanao azy dia mijanona ny tanana.
Ny vava moa dia na manome tsodrano olona na manompa olona ka izay no mahatonga hoe avadio impito ny lela vao miteny.
:arrow: tsy nisy materials things mihitsy na iray aza fa ny ao anaty daholo no mitondra izay zavatra noeritreretin'ny loha.NY FO izany ka nahoana no mampiasa izao rehetra izao hisarihana an'Atra hanatona antsika :roll: Tena tsy mbola nahita teny ao tao anatin'ny baiboly nilaza izany,fa tena nahita teny indray aho tao anatin'ny baiboly nanohitra an'izany.Fanaovana sarin-javatra sy sarisarin'Atra sy toko sy saplet sy atra kely sy biby sy izay zavatra noharian'Atra na endrika mitovy izany kanefa efa norarany(Eksodosy 20 1-6) FA NAHOANA RE NO TSY METY MIAIKY NY FAHOTANY NY ZANAK'OLONA E? kanefa tsotra kely ilay izy? Tsy mila vola na harena na fahaizana na fahalalana fa FINOANA AN'I KRISTY IRERY IHANY,TSY ANASORANA ,TSY ANALANA? :roll:

1 Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.

2 Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?

3 Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.

4 Volafotsy sy volamena ny sampin'ireny, Asan'ny tanan'olona:

5 Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;

6 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo: Sal 115:1-5


Ny tena zava-doza dia ity !8 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.Sal 115:8

Satria manaonao foana sy minohino foana ary dia avelan'Atra anjaka ao amin'ireo satana ka lasa manaraka ny sitrapony. Dia ataon'i satana hoe masobe tsy mahita,sofina be tsy mandre Iza no anarako ?
2. Rasiligaoma ( 17/07/2006 21:14)
hono ho'aho ry rijadolly sy niryna.. ary raha ataonareo Blaogy ny toriteninareo
3. ikaretsaka ( 17/07/2006 21:17)

-Tsy voafehin'ny Boky 2000 Pejy navondron'ny Apostoly siekla 2 taty afara ny zavatra rehetra nambaran'Atra sy ny momba azy! tsy manam-petra Andriamanitra ary mandrakizay izy ary @ zavatra rehetra fa tsy ao anaty taratasy ihany
Ny voasoratra aza anie zany ry ika tsy zakanao(satria tsy vakinao akory angamba izay alefan'ol izay toherinao) maika fa izany tsy voasorratra teneninao izany,aoka fotsiny.Marary anié ny teny lazaiNy amintsika tsirairay avy é


zakako tsara mihitsy saingy tsy ampy ahy ny voasoratra ka..satria ny voasoratra aza efa niteny hoe tsy ampy izy
4. ikaretsaka ( 17/07/2006 21:19)
tsy misy tokantrano mifandramatra ka milaza fa misy fiadanana ao,toy izany ihany koa ny fitoriana an'i kristy,raha mitory an'i kristy aho kanefa ny saplet no lazainao lava andao hanoko izany ve hisy hitovizany?
God is SPIRIT noho izany averiko indray ity mba ho fantatrao fa Spirit-Atra sy ny spirit-ntsika no mifandahatra
.Avia isika hifandahatra hoy ny Tompo,fa raha mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala.hm,hm, fahotana angaha tongotra sa tanana tsy ny ao anaty no manao izay tsy mety mifanaraka ny fanihintsika?

izay indrindraaaaa
dia inona no ilaina voazoratra @ izany.. raha efa manana ny fanahiny:-D:)8)
flip flop ndray eee
5. ikaretsaka ( 17/07/2006 21:20)
fa iz ano manota ry niryna... mandehana hoe ianao mikaonfesy?
firimpolo taona tsy nikaonfesena ianao?:-D
6. niryna ( 17/07/2006 21:38)
Voalaza teo :
tsy misy tokantrano mifandramatra ka milaza fa misy fiadanana ao,toy izany ihany koa ny fitoriana an'i kristy,raha mitory an'i kristy aho kanefa ny saplet no lazainao lava andao hanoko izany ve hisy hitovizany?
God is SPIRIT noho izany averiko indray ity mba ho fantatrao fa Spirit-Atra sy ny spirit-ntsika no mifandahatra

.Avia isika hifandahatra hoy ny Tompo,fa raha mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala.hm,hm, fahotana angaha tongotra sa tanana tsy ny ao anaty no manao izay tsy mety mifanaraka ny fanihintsika?

izay indrindraaaaa
dia inona no ilaina voazoratra @ izany.. raha efa manana ny fanahiny
flip flop ndray eee

Tsy vitan'ny mila mifona amin'Atra fa mbola manompa ny fanahy masina koa (blasphemy)manoro voana ny mpiara-belona sy mpiara-mivavaka.
Manao mpirari-bato vilambava,ny lazain'ny molony hafa ny antondron'ny tanany hafa. :cry:
Hay ve hianao olo-marina e,diso indray izany ny baiboly nilaza fa tsy misy marina na iray aza eto an-tany. Diso kely aho tamin'ity fa misy olo-marina iray any ho any. :oops:
ka izany no mahatonga ny fampianarana hoe ny fanahintsika no mihaona amin'ny Fanahin'Atra .Aleo indray alohoa omena tsimpona fa tsy hiditra aiza io amin'ny farany e,be izay nilaza azy ho manantsaina sy miantehitra amin'ny herin'ny tenany izany fa rehefa vokisana ny fanahy ny fahamarinana dia miova hiany.

Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy.


Il n`y a donc maintenant aucune condamnation pour ceux qui sont en Jésus Christ.


Fa ao amin'i Kristy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana.


En effet, la loi de l`esprit de vie en Jésus Christ m`a affranchi de la loi du péché et de la mort. Rom 8:1-2


Dia ho tohizako kely indray

5 Nangalany koa ny voan-javatra tamin'ny tany ka namboleny tao amin'ny tany lonaka; nentiny ho eo amoron'ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin'ny hazomalahelo.

6 Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka, mba hitodihan'ny rantsany ho eo aminy ary ny fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.


5 Et il prit un rejeton du pays, et le plaça dans un sol fertile; il le mit près d'une eau abondante, et le planta comme un saule.

6 Ce rejeton poussa, et devint un cep de vigne étendu, mais de peu d'élévation; ses rameaux étaient tournés vers l'aigle, et ses racines étaient sous lui; il devint un cep de vigne, donna des jets, et produisit des branches.

Ireo izay mialokaloka eo amban'ny finoana an'i kristy irery fa tsy misy hafa na andriamanitra hafa na zavatra na sary na inona izany na inona (ONLY in CHRIST.)
Salvation is only in Christ,there is no other name above no below for salvation only in Christ .
[b] Ao amin'i kristy irery ihany no misy ny famonjena ka raha nampianarina hianao fa misy hafa dia anjaranao no mijery izany ao anaty baiboly fa tsy misy na iray aza. ^:^
7. niryna ( 14/12/2007 07:59)
Ahoana izany? Raha manam-pitiavana amin'ny olona na namana na fianankaviana isika dia mila mananatra azy hono raha mahafantatra fa tsy mety ny ataony,satria raha mahafantatra isika ka tsy miteny dia isika no hianjadian'ilay fahotan'ilay olona?

Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.

Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao. Eze 3:18-19


Dia ahoana no ataonareo raha izany,hiteny ve sa avela amin'izao ?
novalian'i niryna ny 17/07/2006 21:38
8. hery ( 14/12/2007 08:25)
Indray miteny fotsiny fa tsy mi-insiste :-)

Mangataka ny hiditra (amim-pahalalam-pomba), dia avy eo mitory (miteny). Raha tsy mihaino izy dia adaboka any.

"Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia mialà amin'izany trano izany, na amin'izany tanàna izany, ka ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo."

Mt. 10: 14 http://baiboly.katolika.org/?rub=baiboly/boky&boky=Matio&toko=10&andininy=14

9. fijo ( 14/12/2007 21:20)
za izao efa nananatra an'i niryna fa tsy mety mihaino i niryna de avelako ho eo
10. ikaretsaka ( 14/12/2007 22:27)
miombon-kevitra amin'i hery @ ilay tsy mi insiste!:wink:
Ny ahy ny principe-ko dia" izay tia: manaraha" !

...raha izaho no asainao mitoriteny dia tsy hoe Andriamanitra mpanasazy na hoe mibebaha no voiziko voalohany fa ny fitiavan'Andriamanitra antsika amin'ny mahaolombelona antsika : zany hoe ny fanovany ny fiainantsika hisy zavatra positive eo anivontsika, ny fampaherezana antsika amin'ny fiainan-tsarotra, ny fahatsapana fa tiany isaka na manana kilema aza saingy afaka mila tanteraka izany kilema izany raha manana ny Fanahin'Andriamanitra ianao ka mandray azy ao am-po. Dia izy olonamandray an'Andriamanitra no mahalala ny otany rehefa avy eo dia miezaka mibebaka fa tsy izaho mihitsy ny hanizingizina aminy vao manomboka ny toriteny hoe : isika dia mpanota, io otanao io antony nahatonga na'Andriamanitra nandefa ny zanany sns....


Ka rehefa maheno ny positive outcomes ny fandraisana an'Andriamanitra izy dia manontany izy hoe ahoana ny fomba hamojeko sy handraisako an'Andriamanitra satria toa mahalina sy tsara izy izany dia eo amin'izay ianao manome ny hoe:
-Tiavo amin'ny fonao iray manontolo Andriamanitra
-Atokano aminy ny fanahinao sy ny vatanao ary ny asa ataonao; ampiseho amin'ny alalan'ny fitondran-tena sy asasoa ary fihetsiak mendrika ny zavatra ataonao rehetra.
- Tsinjovy ny namanao zany hoe ny hafa ary toroy ny lalana mahitsy izy sns
-Miala amin'ny ota mety manasaraka antsika amin'ilay Ray.

Efa any amin'ny farany ilay olona vao mety hanontany hoe inona avy kay izany ny ota mety ananako tokony hanaovako tena mba hampadio ahy dia eo ianao mi-list ny zavatra mety tazanao mila fiovanana any aminy. Dia aleo izy handin-tena fa tsy hoe io fahotany io no asesinao voalohany aminy fa amiko tsy truthful ny zavatra tenenina amin'izany fa ampitahorona ny olona hanantona an'Andriamaniatra ka hoe AFOBE ny hiafaranao sns mampitahotra ao anaty baiboly ao.

Bref, tsy mandiso ny fombanao aho fa samy manana ny fomba hampitainy ny tenin'Andriamanitra isika fa ny hany tsy mampitovy angamba dia ny anao ao anaty baiboly daholo ny Ref, fa ny ahy tsy dia mila baiboly loatra matetika fa ny fiainana andavanandro no entiko manomboka azy izay vao mirona mankany amin'ny baiboly na boky masina hafa arakarak'izay ahitako ny fahamarinana miteny amiko eo sy mifanaraka amin'ny hevitra eo.

Ny zavadehibe dia tokony hijery izy fa tsy vitan'ny vatana ny fiainana fa misy ny Fanahy ary io Fanahy io no mahaolombelona anao sy hitovizanao amin'Andrimanitra izy nanamboatra anao.

Raha manontany izy hoe aiza no tokony hivavaka dia hiteny aho hoe aiza ny tianao fa ny zavadehibe dia mifandray amin'ilay ao anatinao ianao ary tokony hita taratra ety ivelany izany hatsarana ao anatinao izany. Ka n'aiza n'aiza efa fantatrao ny hafatra fa Fitiavana an'Andriamanitra sy ny hafa sns tsy voatanisako eto intsony
11. cutie ( 14/12/2007 22:29)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 14-12-2007 22:20:13
Lohateny : Re : Tsy mananatra azy ianao?...hadiniko amin'ny tananao ny
za izao efa nananatra an'i niryna fa tsy mety mihaino i niryna de avelako ho eo

:-D:-D:-D:-D
fa nanin nyrina ry fijo
12. ikaretsaka ( 14/12/2007 22:54)
efa nanariny kosa i niryna ry cutie a!

Zahako sy i Fijo :
My business is to do my thing, to dance my dance. If you profit from it, fine; if you don't, too bad! As the Arabs say, "The nature of rain is the same, but it makes thorns grow in the marshes and flowers in the gardens."
13. cutie ( 14/12/2007 22:57)
za tsy naharaka :-D
14. ikaretsaka ( 14/12/2007 23:20)
efa nomena review sheet ndry fa mandehana @ izay mi cram fa final radem
15. cutie ( 14/12/2007 23:20)
:-D:-D:-D:-D:-D
sabotsy ve izy final
16. ikaretsaka ( 14/12/2007 23:26)
final katesizy any @ advantista re! duh!
17. cutie ( 14/12/2007 23:28)
za nga adeventista duh:-D
18. ikaretsaka ( 14/12/2007 23:33)
ni drop class tany indray! alazako @ cazal tsara
19. cutie ( 14/12/2007 23:41)
iza zany cazal?:roll::roll::roll::roll:
20. ikaretsaka ( 14/12/2007 23:48)
hay mo atsy klasin'iny ianao fa mbola katesizy 101
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1182