Tsy mananatra azy ianao?...hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
41. niryna
(
15/12/2007 05:25)
rijadolly:
niryna:Tsimaintsy miteny na hamoizana ny ainao aza izany.Matahotra ihany aho milaza io fa saingy mangataka an'Ilay tompon'Hery mba hanantaterahiko izany hatramin'farany http://baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=22&andininy=31-34&dika= .Jesoa Kristy raha nisy nanenjika dia tsy nitsahatra nitory fa nanantanteraka hatramin'farany ny iraka nampanaovina Azy "VITA".Raha ara-panahy dia tsy tokony hitsahatra hitory ny mpino na im-piry na im-piry.Ny mpanohitra matetika no miinsiste manantona ny fitorina hanoherana ilay fitorina,fa tsy ny mpitory no mi-insiste manantona ny mpanohitra,nisy izany satria tsy avelan'Andriamanitra in-dray fotsiny izireny ny aheno mandrapaha tonga ny fotoana farany:?::?:.Tsy nisy nahilika ny mpanohitra fa navela iheno foana,ary izireo aza matetika mahazo ny fampianarana raha nahay nandray.
Mpandefa : niryna [ Valio ] 14-12-2007 08:59:06
Lohateny : Tsy mananatra azy ianao?...hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
Ahoana izany? Raha manam-pitiavana amin'ny olona na namana na fianankaviana isika dia mila mananatra azy hono raha mahafantatra fa tsy mety ny ataony,satria raha mahafantatra isika ka tsy miteny dia isika no hianjadian'ilay fahotan'ilay olona?
Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao. Eze 3:18-19
Dia ahoana no ataonareo raha izany,hiteny ve sa avela amin'izao ?hery:Noho ireo voalazako etsy ambony dia toheriko io voalazan'hery io.Ny mpino dia tsy tokony hitsahatra raha mbola manantona azy ny mpanohitra,na inona ny fomba hanatonan'izereo ny mpitory na inona.Raha io mantsy dia tsy dia ilaina ity "forum Fivavahava,finoana" ity,fa dia tenin'Andriamanitra fotsiny dia samy miala ary voky ny vovoky ny kapa ny mpitory eto daholo fotsiny.:-*:-*:-*
Indray miteny fotsiny fa tsy mi-insiste
iak:Ny voasoratra aza anie zany ry ika tsy zakanao(satria tsy vakinao akory angamba izay alefan'ol izay toherinao) maika fa izany tsy voasorratra teneninao izany,aoka fotsiny.Marary anié ny teny lazaiNy amintsika tsirairay avy é
-Tsy voafehin'ny Boky 2000 Pejy navondron'ny Apostoly siekla 2 taty afara ny zavatra rehetra nambaran'Atra sy ny momba azy! tsy manam-petra Andriamanitra ary mandrakizay izy ary @ zavatra rehetra fa tsy ao anaty taratasy ihany
=D=D :-*
^:^ aleloia. Misaotra anao fa nomen'Atra saina sy fanahy hianao ahita ny marina izay lazaiko foana kanefa toheriny.Misy mahafantatra fa laviny sy toheriny foana ilay tenin'Atra satria izy koa ao anatiny ary manindrona ilay izy fa tsy mety miala izy,tsy maintsy mitory isika na inona ataon'ireo mpanohitra ny tenin'Atra.Mankaleo hoy ny sasany,ireo indray ireo mpitsimpona izao indray lasa kristianitianina.
Asa aloha izay tena atao hoe kristiana e,manaraka an'ny olon-kafa ve? Amiko: mamaky baiboly mila mivavaka amin'ny fo satria ny fanahy no miresaka amintsika ka ny fanahintsika koa no manatona Azy.Mangataka famelan-keloka amin'ilay kristy Zanak'Atra ary manaiky Azy fa any Aminy irery no misy ny famonjena,mandalina ny tenin'Atra ary avy amin'ny fo izany fa tsy ny materials mihitsy.Raha tsy ireo no nampianarina na ampianarina ny olona dia ie,ie, tsy izy izay ka anjaran'ireo namana izay mbola misotro ronono no mamaky ny tenin'ATra ahitana ny marina.Mivavaha ,jereo izay torian'ny olona ary raiso izay fantatrareo fa marina,aza miantehitra amin'ny olona fa Atra antsoina hanazava ilay teny ao anatinao.
Matahotra ny marina ny olona,iza moa no tsy matahotra na tsy aharary izay tenenina raha marina? Raha mpangalabadin'olona ilay olona na mpanitsakitsa-bady na mpifoka rongona na miaraka amin'ny vehivavy mitovy aminy na lehilahy mitovy aminy na manambady alika dia fantany fa fahotana daholo izany.Na inona na inona zavatra ataontsika ka tsy mifanaraka ny sitrapon'ATra ary dia mandinintena isika fa tsy mety ilay izy dia mifona aingana.Raha mahita izany ny tena kanefa maharary ny mijery ilay izy,ny tena efa nomen'Atra maso mahiratra ahita ny marina satria ireny olona ireny koa anie misy tsy mahalala fa tsy mety ny ataony e! ka milaza dia vita ny anjarantsika.
Izay mino tsara izay manohitra izy ihany no hifotoran'ny rambony satria matetika ao amin'ny ilay pain na ratra ka tsy tia hiala na tsy mety hiaiky. Hoy ny Tompo hoe: mankanesa aty amiko,hianareo rehetra ,izay miasa fatratra sy mavesatr'entana a.fa Izaho no hanome ,anareo fitsaharana Izay anie ilay izy e.
