Advent:Andro 1 fanantenana(hope)2 finoana(faith) inona 3-4?

1. niryna ( 12/12/2007 18:29)
Amin'izao fitsingerenan'ny fetin'i kristy izao dia mankalaza izany ny kristiana rehetra eran-tany,manomana izany isika"
1- herinandro voalohany dia ny fanantenana (hope)
Izay manana an'i kristy dia manana fanantenana fa na inona na inona no mitranga amin'ny fiainana dia any aminy irery ihany no fara-fanantenana hanova izany sns,

inona ny anao izany fanantenana izany?
2- ny finoana na (faith) izay mino azy dia tsy mba ho very fanantenana satria manana azy hanampy sy hiaro ary hiambina amin'ny fiainana sy fahoriana rehetra,any aminy no misy ny fanantenana ka na inona na inona izany dia tsy ho kivy tanteraka fa manana fanantenana hatrany.
Ahoana izany fanantenana izany aminao?
3-4 inona no tohiny herinandro manaraka?
novalian'i niryna ny 27/12/2007 13:35
2. cutie ( 12/12/2007 18:39)
Ahoana izany fanantenana izany aminao?
3-4 inona no tohiny herinandro manaraka?

efa voalazan-dry io ambony io ka ho in ndray:-D
3. cutie ( 12/12/2007 18:40)
oups
3 sy 4 kay tsy voavaly :)
3-Fitiavana
4-tsy haiko :-D
4. ikaretsaka ( 12/12/2007 20:58)
ny 1-manantena,,
2-fitiavana (mahay cutie fa mifamadika fotsiny.. ny aty akanjo no lasa ambony!)
3- Gaudete.. (izay midika hoe mifalia=rejoice) manomboka eto ny magnificat ( ilay nolazain\'i Maria hoe : ny fanahiko dia mankalaza ny Tompo) sy ny fankalazana ny \"Eny\" nataon\'i Maria, izy namangy an\'i Elizabeta sns

4-Laetare ... Pax,=fiadanana (fa ho avy aho
5. cutie ( 12/12/2007 22:25)
2-fitiavana (mahay cutie fa mifamadika fotsiny.. ny aty akanjo no lasa ambony!)

:-D:-D:-D:-D:-D
6. niryna ( 13/12/2007 05:25)
Fahatsiarovana ny nahaterahan'i kristy no tokony ankalazain'ny kristiana rehetra eran-tany.Voalaza fa tsy fantatra marina ny fotoana nahaterahany saingy kosa toy ny rehetra mankalaza na mahatsiaro ny andro nahaterahany dia toy izany ihany koa no tokony ataontsika.
Noho ny fiainana mifamahofaho anefa dia toa tsy hita na misy taratra loatra ilay fankalazana ny andron'i kristy.
Toa mihazakazaka mividy zavatra omena ny olona,ny ankizy fitahina amin'ny "dadabe noely".Fa ahoana tokoa no mahatonga izany?
7. niryna ( 13/12/2007 05:25)
cutie:

Ahoana izany fanantenana izany aminao?
3-4 inona no tohiny herinandro manaraka?

efa voalazan-dry io ambony io ka ho in ndray:-D

:D

8. niryna ( 13/12/2007 05:31)
niryna:

Amin'izao fitsingerenan'ny fetin'i kristy izao dia mankalaza izany ny kristiana rehetra eran-tany,manomana izany isika"
1- herinandro voalohany dia ny fanantenana (hope)
Izay manana an'i kristy dia manana fanantenana fa na inona na inona no mitranga amin'ny fiainana dia any aminy irery ihany no fara-fanantenana hanova izany sns,


Misaotra an'Atra isika fa nomeny fanantenana hanankina ny fiainantsika aminy. Manantena fa hiara-dalana aminy rahatrizay ka miala ety,manantena fa na misy takon-drahona aza ny fianantsika indraindray dia tsy atao ahakivy izany fa mbola hisy ny masoandro mihiratra rehefa manankina ny fiainana aminy tokoa.Ny fahoriana na aretina na zavatra mitranga amintsika dia mahatonga antsika hanankina ny fiainantsika be be kokoa satria tsy mahavita tena isika raha tsy miaraka sy mametraka ny fiainana eo aminy.
9. niryna ( 13/12/2007 05:39)
niryna:


2- ny finoana na (faith) izay mino azy dia tsy mba ho very fanantenana satria manana azy hanampy sy hiaro ary hiambina amin'ny fiainana sy fahoriana rehetra,any aminy no misy ny fanantenana ka na inona na inona izany dia tsy ho kivy tanteraka fa manana fanantenana hatrany.
Ahoana izany fanantenana izany aminao?


Ny finoana izay tsy hita maso kanefa mampiova ny fiainana rehefa manankina sy mino an'i kristy amin'ny fiainantsika isika.Mino fa Izy no nanavotra antsika tamin'ny fahotana,mino fa ny rany no nanadiovana antsika,mino fa izay manankina ny fiainany aminy dia tsy ho very anjara eo amin'ny fitiavan'i kristy.Mino fa any aminy irery no lalana sy fiainana ho mandrakizay .Mino fa zanak'Atra Izy ary Izy no lalana na teteza-mihita mankany amin'ny rainy.Mino fa Izy no mpamonjy sy Tompo.Izay mino Azy dia hanana fiainana mandrakizay.
Finoana izay ny fahasoavan'Atra no nahatonga antsika ahazo ny fiainana mandrakizay ary tsy avy amin'izay izany fa avy amin'i Kristy Tompo irery.
Mino koa fa nanao fahagagana maro izy ,nanasitrana ny aretina maro,nandroaka ny herin'ny satana ary mino ihany koa isika fa mbola velona sy mahery izy ka izay nataony fahiny dia mbola mitohy hatramin'izao noho ny Fanahy Masina izay miaraka amintsika.

10. niryna ( 13/12/2007 05:40)
cutie:

oups
3 sy 4 kay tsy voavaly :)
3-Fitiavana
4-tsy haiko :-D

Misaotra aky cutie a.Mba afaka velabelarinao ve izany fitiavana izany ?
Ho antsika
Ahoana tokoa no ahalalantsika fa tia antsika Andriamanitra? Ahoana no hanehoana izany fitiavana izany amin'ny mpiara-belona? :D

11. niryna ( 13/12/2007 05:41)
ikaretsaka:

ny 1-manantena,,
2-fitiavana (mahay cutie fa mifamadika fotsiny.. ny aty akanjo no lasa ambony!)
3- Gaudete.. (izay midika hoe mifalia=rejoice) manomboka eto ny magnificat ( ilay nolazain\'i Maria hoe : ny fanahiko dia mankalaza ny Tompo) sy ny fankalazana ny \"Eny\" nataon\'i Maria, izy namangy an\'i Elizabeta sns

4-Laetare ... Pax,=fiadanana (fa ho avy aho




Dia ahoana ry ika ?
12. ikaretsaka ( 13/12/2007 11:44)
anao ny tohiny
13. cutie ( 13/12/2007 19:46)
Ahoana tokoa no ahalalantsika fa tia antsika Andriamanitra

nomeny ny zanany lahitokana :D
Ahoana no hanehoana izany fitiavana izany amin'ny mpiara-belona?

mitory :D
14. ikaretsaka ( 13/12/2007 19:51)
Voalaza teo :
Ahoana no hanehoana izany fitiavana izany amin'ny mpiara-belona?

mitory

pfffff:roll:
15. cutie ( 13/12/2007 19:56)
:-D:-D:-D:-D:-D
pfff nga no betsaka any :-D:-D:-D:-D
16. ikaretsaka ( 13/12/2007 20:39)
mizara vavakao , asanao, hafalianao, fijalianaao, ary mamita ny adidinao ny valiny anefa ry cutie:wink:
tsy afaka katesizy ndriko
17. cutie ( 13/12/2007 20:42)
ka za wa tsy be kabary fa raiso @ ze valinteniko eo ny tokony ho izy :-D:-D:-D:-D:-D:-D
18. ikaretsaka ( 13/12/2007 21:11)
ka nga za koa moa be kabary fa manoro ny tsy ampy sy ny tsy mety fotsiny:-D
19. cutie ( 13/12/2007 21:13)
de ampiako koa zany le ery ambony ery :
manao asa soa :-D
20. fijo ( 13/12/2007 21:48)
manantne dia mino dia manga ny lanitra e.

za koa mifaly na tsy mino aza ka.fety io ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0743