Advent:Andro 1 fanantenana(hope)2 finoana(faith) inona 3-4?

41. niryna ( 23/12/2007 06:38)
ari.malala:

raha te hahalala ny fitiavana enao d vakio ny 1Ko1 1-13 mino aho fa hainao tsianjery ny ao...



=D=D
Ampiko kely ihany koa http://baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=3&andininy=16-17&dika=
Noho ny fitiavan'Atra antsika dia nomeny ny zanany mba hisolo ny fahotan'izao tontolo izao.
Ireto misy santionany amin'izany fitiavany antsika izany : Jaona 14;13-18


[b]13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.

jereo anie izany fitiavany antsika e,na inona na inona izany ka mifanaraka ny sitrapony dia omeny antsika,izany no mahatonga antsika mizara fitiavana amin'ny hafa koa,miaraka mivavaka azy ireo,mihaino izay fahoriana mahazo azy,fitiavana koa no atolotsika ny namana sy ny fahavalo.


14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hanareo, dia hataoko izany.

Ataony ho tanteraka avokoa izany izay fangatahana ataontsika amin'ny anarany raha mifanaraka ny sitrapony ary raha tena mino Azy tokoa isika.

15 Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.
Ny fitandremana ny didiny dia efa fampisehoantsika ny fitiavantsika Azy,raha tsy mahatandrina moa dia tonga dia mibebaka sy mivavaka ary mangataka ny famindram-pony ary miezaka ny tsy anao an'iny intsony.:cry:

16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,

Io dia fifaliana lehibe ho antsika kristiana satria raha mino an'i Kristy amin'ny fontsika tokoa isika dia omeny ny Fanahy Masina ampianatra,hitarika,
hanitsy ny diantsika ary Izy no mampahatsiahy antsika ny tenin'Atra raha vao mibolila isika,Izy ihany koa no manova ny fontsika mba ho tia ny manodidina sy tsy hanana fankahalana intsony,misy fihovana @ fiainantsika izany raha miaraka amintsika ny Fanahy Masina isika . Ary mandrakizay ilay Fanahy no miaraka amintsika fa tsy hoe tsy indraindray :D

17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.

Izay manana an'i kristy irery ihany no manana an'io Fanahin'ny Fahamarinana io dia ilay Fanahin'i kristy izany.Izay mitoetra ao amin'ny kristiana

18 Tsy hamela anareo ho kamboty Ahy; hankaty aminareo Aho.

Ao anatin'ny soratra masina dia azo lazaina fa manome antsika 365 jours Izy fa tsy hisaraka na andao antsika velively(Aza matahotra fa omba anao mandrakariva aho)ary mitovy izany koa ny Heb 13:5

Mahareza,zarao ny fitiavan'ilay kristy fa isika no jiro fanazavan'ireo izay mbola ao anatin'ny maizina.:-*
42. niryna ( 27/12/2007 13:35)
Ny farany moa dia ilay fifaliana na (joy).Ny fahatongavany tety an-tany naka ny endrikin'ny olona,nampianatra sy nampiseho ho modely azo raisiny,nampianatra ny fanoherana izay miantra amin'ny fiainana.Tsy mahazo mamaly ratsy ny ratsy,mahereza fa tsy maintsy miaritra ny mafy izay mpanaradia Azy,ilay fifaliana Izy tonga nofo hisolo ny fahotantsika rehetra .Misy hira malaza aty aminay "Joy to the world"
Fifaliana tsy manam-petra izay miaraka amin'i kristy,izay manankina ny fiainany aminy,izay tsy mahavita tena fa mila Azy foana,rehefa mino Azy tokoa mantsy dia ny tsy vitan'olombelona dia vitany ary fahagagana maro samy hafa no asehony ho fitiavany antsika sy ho marika fa miaraka amintsika foana Izy hatramin'izao.Mahereza
Ny fitiavan'ilay Kristy Mpamonjy antsika rehetra anie hiaro sy hiambina ary hitahy antsika tsirairay avy.Nanantena aho fa nanao krismasy sambatra teo anivon'ny fianakaviana isika rehetra.Ny fitiavana dia zaraina raha te ahazo izany ihany koa isika,ny fitiavana ihany no mizara sy manome fitiavana izay nampianarin'i kristy antsika hatrany.(l)(l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.922