Jesoa=mpanao mazia
101. Fody
(
09/12/2007 11:04)
De ity indray koa àry ny an-drafijo e!
Dia mba diniho hoe: mba mandinika ve ianao io? Raha mandinika dia mba hatraiza ny fandinihana?
Dia mba diniho hoe: mba mandinika ve ianao io? Raha mandinika dia mba hatraiza ny fandinihana?
28. Mpandefa : Fody [ Valio ] 10-11-2007 17:10:56
Lohateny : Re : ny tena marina mikasika an'ny satana...mba hazavao hoe?
voalaza teo:
8. Mpandefa : fijo [ Valio ] 30-10-2007 22:09:53
Lohateny : Re : ny tena marina mikasika an'ny satana...mba hazavao hoe?
ny satana sy andriamanitra dia mitovy fa tsy sahala,ny sainao no mampisy na tsy mampisy azy.aminay io tsy misy
Tena contradictoire be mihitsy ianao zany rafijo.
Ahoana no asahinao milaza fa mitovy fa tsy sahala Andriamanitra sy satana?
Raha lazaina fa olona siantifika ianao dia vao maika tena mandiso izay voalazanao izany. Ambaranao fa tsy misy ireo nefa hamafisinao fa mitovy fa tsy sahala. Moa afaka miteny hoe x=2 ve raha tsy nahalala fa x-2=0. Toy izany koa eto: ianao tsy mahalala hoe: iza Andriamanitra, iza satana, dia sahy milaza fa mitovy ireo.
Manaraka: Ianao milaza fa tsy misy Andriamanitra, donc tsy afaka miteny ianao hoe toy izao izy zany, satria ny misy no azo faritana hoe toy izao na toy izao. Raha mampitaha azy amin'ny zavatra hafa ianao na amin'ny olona hafa dia manohitra izay lazainao ihany. Satria ny fampitahana dia tsy azo ekena raha tsy miaiky aloha fa misy ny zavatra roa ampitahana. Ary vao maika tsy mitombina ny fampitahanao raha zavatra roa samy lavinao ny fisiany no ampitahanao.
Fehiny: miteniteny foana ianao, ary tsy mahalala izay lazainao.
102. piste
(
09/12/2007 19:52)
Raha mi-douter ny capacité-ko ianao (izay zo-nao tanteraka ) dia tsy hitako izay hamalianao ahy lava eto ,raha tsy hoe mahafinaritra anao ny miresaka amin'ny "adala"?A moins que fomba fiteny hafa hanompàna ahy io fehezan-teny io?
Ny antony hamaliako anao dia mba tsy ho ahy velively satria fantatro ny zavatra inoako na hofenoinao aza ity forum ity. Fa kosa mba hamakiana bantsilana ny fitenitenenam-poana izay mahazatra anareo. Sao dia hisy olona mora ho tafitohina @ izao atsanga aman'orana holazainao eto.
Na izany na tsy izany, tsy mametraka anareo athée ho fahavalo velively aho.
Fa ilay hevitra fòsika sasany havoakanareo eto no tsy azo avela fotsiny @ izao.
Sinon ,tout le monde a le droit d'argumenter ses propos et ses visions des choses.Et personne ,je dis bien personne ne vous empêche d'argumenter ,alors argumentez!! Mais ne nous traitez pas de "devoly " ,"miaramilan'i satana " , les "doutes sur notre capacité intellectuelle " ou autres noms d'oiseaux et adjectifs qui fleurissent dans les rubriques!!!
Any @ mpino hafa angamba izany mpi-condamner hoe devoly izay tsy manaraka ny heviny fa tsy izahay velively.
L'homme est crée à l'immage de Dieu, il n'y a donc aucune raison pour le traiter comme disciples du satan.
Tadidio fa manana namana be dia be athée aho fa afaka miara-miaina tsara satria samy mahay mifanaja @ conviction -ny avy.
Aza taitra ianao raha mi-douter ny capacite-n'ny cerveau-nao satria limité ary conditionné ihany manko isika olombelona. Ka indraindray ny verité avoaka subjectif fotsiny.
103. ikaretsaka
(
09/12/2007 20:03)
maziii mazii ao anaty baiboly..
tsy hay intsony hoe iza no devoly!
tsy hay intsony hoe iza no devoly!
107. rabilabila
(
10/12/2007 13:59)
mazii mazii ao anaty kaloty
Tsy handeha ny fiainana raha tsy misy karoty:-D:-D:-D
Tsy handeha ny fiainana raha tsy misy karoty:-D:-D:-D
108. rabilabila
(
10/12/2007 15:21)
Mifanipy baolina no tena atao fika
Nefa toa mila voa tsy hary
Ampiadio aloha ny tady
na lokanga na valiha
Sao ny tantara no hiverina
Ka i Rabilabila no handihy
Ianao ,ianao ihany
dia efa mampatsiahy
fa ny sain-dRaolombelona
dia voafetra toa ny ahy
Saingy ny finiavanao
hanipy vain\'afo mena
hoa an\'ny mpino tahaka anao
dia tokony ho efa anatra
eo amin\'ny tantaran\'izao tontolo izao.
Piste anankiray io
mba tsy hisian\'ny lonjony
Ianareo , ianareo ihany
no tsy mianatra mitony
Ka manonona ny hafa
satria efa zatra hatrany
ny manana laharana hoe \"ambony\"
I Rabilabila efa afaka
Efa afaka amin\'ny tahotra
Ka ny mamatsy saina sisa
no ataony tsy miahotra.
ho an\'ireo tsy manaiky
fa ny fiainana etoana
dia tsy misy anahiana
raha toa ka misy voina.
Ny atidoha voafetra
tsy hieritreritra intsony
fa ny anio tsy misy fetra
no tena tokony himasoany.
Ka mifanaraha ,mifanaraha aloha
ianareo samy mpino
Hoe :ho an\'iza ilay paradisa soa
Fa amiko Rabilabila
ny eto sy ny anio
no hiezahana
hanaovana ny soa.
Tsy manonofy intsony
efa nitraka sy nifoha
efa niala satroka
afa tsy mila ny kaloty
satria ny fiainany
dia tsy mila ilay karoty.
Tandremo ,ka tamdremo
Ry namana etoana
Fa tsy mila ahy akory
Dia efa tsy miombon-teny
Tsy izaho no fahavalo
fa ianareo ihany
dia efa mampiseho
Ny fitiavan-tena
Izay efa naneho
ny gidraka eran-tany.
:):lol:
Nefa toa mila voa tsy hary
Ampiadio aloha ny tady
na lokanga na valiha
Sao ny tantara no hiverina
Ka i Rabilabila no handihy
Ianao ,ianao ihany
dia efa mampatsiahy
fa ny sain-dRaolombelona
dia voafetra toa ny ahy
Saingy ny finiavanao
hanipy vain\'afo mena
hoa an\'ny mpino tahaka anao
dia tokony ho efa anatra
eo amin\'ny tantaran\'izao tontolo izao.
Piste anankiray io
mba tsy hisian\'ny lonjony
Ianareo , ianareo ihany
no tsy mianatra mitony
Ka manonona ny hafa
satria efa zatra hatrany
ny manana laharana hoe \"ambony\"
I Rabilabila efa afaka
Efa afaka amin\'ny tahotra
Ka ny mamatsy saina sisa
no ataony tsy miahotra.
ho an\'ireo tsy manaiky
fa ny fiainana etoana
dia tsy misy anahiana
raha toa ka misy voina.
Ny atidoha voafetra
tsy hieritreritra intsony
fa ny anio tsy misy fetra
no tena tokony himasoany.
Ka mifanaraha ,mifanaraha aloha
ianareo samy mpino
Hoe :ho an\'iza ilay paradisa soa
Fa amiko Rabilabila
ny eto sy ny anio
no hiezahana
hanaovana ny soa.
Tsy manonofy intsony
efa nitraka sy nifoha
efa niala satroka
afa tsy mila ny kaloty
satria ny fiainany
dia tsy mila ilay karoty.
Tandremo ,ka tamdremo
Ry namana etoana
Fa tsy mila ahy akory
Dia efa tsy miombon-teny
Tsy izaho no fahavalo
fa ianareo ihany
dia efa mampiseho
Ny fitiavan-tena
Izay efa naneho
ny gidraka eran-tany.
:):lol:
110. ikaretsaka
(
10/12/2007 16:28)
=)) benveniii dans le kleba
Raha vao ny olona ho'a no jerena mialoha
fa tsy resaka alefany
Dia tsy maintsy ianao foana no voa
tara latsaka fefany
Vao miala any rafijo miala any ny bila
dia mailo ny pokona
Omano ny boky aiza indray ny baiboly
hialana vokona
Ka izy tsy hifoha fa ny fandriana milay
ve atakalo an' ilaisany
Fa aleho ho'zy aloha ireto zahay
hampandry ny andrisany!
Raha vao ny olona ho'a no jerena mialoha
fa tsy resaka alefany
Dia tsy maintsy ianao foana no voa
tara latsaka fefany
Vao miala any rafijo miala any ny bila
dia mailo ny pokona
Omano ny boky aiza indray ny baiboly
hialana vokona
Ka izy tsy hifoha fa ny fandriana milay
ve atakalo an' ilaisany
Fa aleho ho'zy aloha ireto zahay
hampandry ny andrisany!
111. piste
(
10/12/2007 18:39)
Ary mahay tononkalo anie ry Rabila izany. Na izany na tsy izany tokony mba nolazaina ihany izahay alohan'ny nanaovana azy. Toa hitako misy ps -ko mandehandeha manko ao.
Amiko tsy olana aloha, fa sao mi-fausser ilay principe-nareo, tsy olona no asiana fa ny heviny.
Na izany aza mba asio tononkalon'ny Noely ndraika koa.
Amiko tsy olana aloha, fa sao mi-fausser ilay principe-nareo, tsy olona no asiana fa ny heviny.
Na izany aza mba asio tononkalon'ny Noely ndraika koa.
112. rabilabila
(
10/12/2007 20:19)
Noely
Noely,
no anaran'ilay reniko
Tsy nihafahafa akory
Nankato ny hevitro.
Ny fahitàny ahy
Ilay menaky ny ainy
mijoro lalandava
no mahafinaritra azy
mampandry koa ny sainy
Noely
no entiko hifaliana
ary hanajako hatrany
Ilay Reniko izay tiana
Ilay hazo hialofako
Raha toa ka sendra ginan'
ny hetraky ny hafa .
Noely
No vahy itambaran'
ireo fianakaviana
Masoandro mibaliaka
eo anivonay
izay zanany sariaka.
Misaotra azy aho
fa tsy malok'ila
Valopolo taona
niainany ,tsy ariana
fa hafanàna hatrany
no manenika ny tiany.
Ka ny Noely amiko
dia fetin'ilay Reniko.
Rabilabila.
Noely,
no anaran'ilay reniko
Tsy nihafahafa akory
Nankato ny hevitro.
Ny fahitàny ahy
Ilay menaky ny ainy
mijoro lalandava
no mahafinaritra azy
mampandry koa ny sainy
Noely
no entiko hifaliana
ary hanajako hatrany
Ilay Reniko izay tiana
Ilay hazo hialofako
Raha toa ka sendra ginan'
ny hetraky ny hafa .
Noely
No vahy itambaran'
ireo fianakaviana
Masoandro mibaliaka
eo anivonay
izay zanany sariaka.
Misaotra azy aho
fa tsy malok'ila
Valopolo taona
niainany ,tsy ariana
fa hafanàna hatrany
no manenika ny tiany.
Ka ny Noely amiko
dia fetin'ilay Reniko.
Rabilabila.
113. fijo
(
14/12/2007 21:47)
ô ra fody an,rehefa zavatra samy foronin'ny saina di amitovy izany.ny tsy maha sahala azy dia ny anarany fa raha ny fisiany dia mitovy,ny saina no mampisy sy tsy mampisy azy
114. rijadolly
(
16/12/2007 07:55)
AOKA TSY IANAO
Tsy hoe loe manambara ny fanitsiana
Ka milaza fa hisy olona voatendry
Hampihatra sy hanantanteraka ny tiany
Hanenjika mba hampisongadina ny endry
Tsy hoe leo manitsy ny miolika
Fa tsy maintsy misy olona miseho mahalala
Hitarika ny maro hiaotra hiboriaka
Ka handika hiaotra ny vala
Tsy hoe leo mampiely ny Filazantsara
Fa tsimaintsy misy olona hanamafy fo
Ka hanenina sy ho ratsy fiafara
Hanamarina ny làlana fa misy ankiroa
Tsy hoe leo mitory ilay fanafahana
Ka tokony hanova ireo izay solafaka
Fa tsy maintsy misy ireo jamba pahipahina
Gejain’satana hazominy tsy ho afaka
Tsy hoe leo mibaby ny hazo fijaliko
Ka tsy hisotro vinaingitra marikivy
Eny misy olona maneso ny fiafiko
Manandroandro manao izay mahakivy
Aoka tsy ianao no hanantanteraka izany
Ka hanaratsy sy hanatsatso ny tany
Aoka tsy ianao ilay very sy voahozona
Ka hanao menarana hanome ny poizina
Aoka tsy inao
Dolly
Tsy hoe loe manambara ny fanitsiana
Ka milaza fa hisy olona voatendry
Hampihatra sy hanantanteraka ny tiany
Hanenjika mba hampisongadina ny endry
Tsy hoe leo manitsy ny miolika
Fa tsy maintsy misy olona miseho mahalala
Hitarika ny maro hiaotra hiboriaka
Ka handika hiaotra ny vala
Tsy hoe leo mampiely ny Filazantsara
Fa tsimaintsy misy olona hanamafy fo
Ka hanenina sy ho ratsy fiafara
Hanamarina ny làlana fa misy ankiroa
Tsy hoe leo mitory ilay fanafahana
Ka tokony hanova ireo izay solafaka
Fa tsy maintsy misy ireo jamba pahipahina
Gejain’satana hazominy tsy ho afaka
Tsy hoe leo mibaby ny hazo fijaliko
Ka tsy hisotro vinaingitra marikivy
Eny misy olona maneso ny fiafiko
Manandroandro manao izay mahakivy
Aoka tsy ianao no hanantanteraka izany
Ka hanaratsy sy hanatsatso ny tany
Aoka tsy ianao ilay very sy voahozona
Ka hanao menarana hanome ny poizina
Aoka tsy inao
Dolly
115. rabilabila
(
16/12/2007 17:57)
Aoka ho tsy izahay tokoa,
no atao ambetin-dresaka;
Fa ny mandia tany , hono,
dia tsy maitsy ho solafaka.
Ka na ianao io aza,
izay mihevitra ho \"afaka\",
dia mampiseho hatrany
F\'izay tsy anaty \" valanao \"
heverinao fa tena \"ambany\".
Ka omenao famaritana :
fa efa olona voafintana,
efa very sy voahozona
ho menarana manome poizina.
Fa iza moa ianao ry Rija?
No hanam-pahefàna
F\'izay tsy mandia ny làlanao
Dia lazainao fa \" satàna \" ?
Ahoana no ahafantaranao
fa ny làlanay miholika
ka tena mila fanitsiana?
Tsy izaho no nanaratsy
na koa nanatsatso ity tany
Ny tantara no notsindriako
ary hitenenako hatrany:
Fa raha ny fitiavan-tena,
sy ny fiheverana ho \"ambony\"
no entina manjakazaka
dia hisy foana ny lonjony.
Hisy foana ireo ho dorana,
hisy foana ireo hofongorana,
hisy foana gidragidra .
Satria ny sain-dRaolombelona
tsy ho mety ho resy lahatra
fa any an-koatran\'ilay vàlany
dia misy fahendrena lafatra
izay mànana ny santany.
Fa tsy hinoany , na koa tsy fantany.
Efa be ny rà nandriaka,
efa maro koa ny kiakan\'
ireo olona tsy manan-tsiny.
Nefa kosa dia niniana
nohambaniana ny tantàrany,
Mba ahafahan\'ireo \"ambony \",
hampiditra azy anaty \" valany\".
Izay ve no ho filamatra ?
Mahatonga anao hiady fatratra
hoe : ny \"vala \" misy anao ihany
no tena \"raitra\" eto an-tàny ?
Ka ny hafa an-koatr\'izany ,
dia ho ratsy fiafaràna?
Aoka etsy ry Rija Namana
Efa nampitaiko ireo ny hafatra.
Tsy natao ho fitarihana
na koa fomba fisarihana.
Fa zava-misy no atolotro,
Ireo no tonga amin\'ny molotro.
Ka mba hajanony ny mamaritra
tsy misy fihambahambàna,
Fa ny anao no fanitsiana
Ny an\'ny hafa hajambàna.
Toneo ny fo , atreho ny ady,
fa aza dia manaiky,
ny ho vizana sahady.
Ka mandray ho fahavalo
an-kitsirano tsotra izao
an\'i Rabila sy ny namany
izay mitovy tahaka anao.
Aoka ho tsy izahay ihany
no atao am-betin-dresaka.
Fa ny fivoharana hatrany,
ho an\'izay mitady ho ketraka.
Na izaho ,na ianao ,
Tsy misy tena mahalàla .
Fa ny ahy ny hany fantatro
hatramin\'izay ka hatramin\'izao
dia tokony ho iray ihany
ny vala misy ny olombelona :
Ny valan\'ny fifankatiavana.
Rabilabila
116. rijadolly
(
16/12/2007 18:48)
Maro tokoa izao
Faly aminy ataonao
Nefa tsoroko entoana
Fa mbola misy ny fotoana
Iza,iza mba lazao
Notononiko Rakoto sa Ravao
Fa angaha raha nanindrona
Dia tadiavana valiny ampisy rindrina
Heverinao koa angaha
Izaho koa anie tsy nandaha
Izaho koa manambara ny tenako
Mba manao ahoana ny fonenako
Mialatsiny aho ry malalako
Fa tsy nisy izany valako
Hiezaka aho mba tsy ho tara
Ao am-balan'Ilay Mpiandry tsara
Zao é,mialatsiny amin'sé
Fa ny TOMPO no lehibe
IZY irery ihany tokoa
Miandry ny ondriNy avokoa
Dolly
117. rabilabila
(
16/12/2007 20:26)
Miala tsiny raha nanohina anao ny fitanisako ny anarana , Ianao mihitsy anefa no tiako novaliana satria ny famaritanao ny hafa ho :solafaka , gejain'i satana,very , voahozona............no nahatonga ahy nanitsy sy mampitandrina fa ny fampiasàna voambolana toy ireo ho an'ny hafa ( na izahay tsy mpino ,na ireo mpino hafa fiangonana sns...) dia mitory ny fisian'ny atao hoe " tsy fanekena ny hafa " ,izay anisan'ny nahatonga ny ady eran-tany hatramin'izay ka hatramin'izao.
Ka mamerina ihany ny fialan-tsiny.
Ka mamerina ihany ny fialan-tsiny.
118. rijadolly
(
17/12/2007 15:46)
rabilabila:
Ianao mihitsy anefa no tiako novaliana satria ny famaritanao ny hafa ho :solafaka , gejain'i satana,very , voahozona............
rijadolly:
Heverinao koa angaha
Izaho koa anie tsy nandaha
Izaho koa manambara ny tenako
Mba manao ahoana ny fonenako
IZAHO
Izaho ilay tsy mendrika
Hiantso ny anaraNao
Izaho ilay mpandrendrika
Ka tsy tokony hizotra ny làlaNao
Izaho ilay mpiatsaravelatsihy
Tsy mangatsiaka tsy mafana
Izaho ilay nandaha ny Fitia
Ka tsy mendrika ahita ny Kanana
Izaho ilay mpanandratena
Manana fanahy mpiavonavona
Izaho ilay mpanao tsindrihazolena
Ka mendrika ny ho lavina
Izaho ilay tazana eny aloha
Miseho ho hita ny rehetra
Izaho ilay miavona ao am-po
Ka mendrika ny hahetry
Izaho ilay fahotana jaky
Mpanjaka ny tany
Ny rà ny marina mitaky
Dia tsy ahoako akory izany
Izaho ilay tena mpanota
Teo anilaNao iny
Tsy mba nanaiky fa nanopa
Nefa tsy nomeNao ny tsiny
Izaho angamba ilay mpanamelo-tena
Fa ilay ratsy mampatsiahy izany eo an-tanany
Tsy mba misy mampanantena
Raha tsy ho entiNao an-tanana
Izaho ilay vizana ao am-po
Niantefan’ny ratsakazoNao
Izaho ilay ory am-po
Raha nihaotra ny valaNao
Izaho ilay nantsohiNao
Mba ahazo fanavotana
Izaho ilay nahitsiNao
Mba tsy andevozim-pahotana
Izaho ilay nomeNao toky
Handova fiainam-baovao
Ka nomeNao Boky
Ahafantarako ny làlaNao
Dolly
119. rabilabila
(
17/12/2007 16:42)
Mazàva ka! A la première personne !Tsy miy zavatra hafa holazaina intsony ,:)
