Ireo karazana vorona azo hitarafana ny toetra kristiana!!

1. niryna ( 16/11/2007 04:28)
Maro hono ny karazana vorona izay azo tarafana ny toetran'ny kristiana.

Magpie
http://www.cs.vu.nl/~kielmann/magpie-photo.jpg
Vorona kely mazoto sy mavitrika kanefa tia ady.
Mitovy ny kristiana izay sahisahy,tsy manaja olona,mahery vaika.Manao zavatra kitoatoa.
Ireny karazana olona ireny hono dia tsy mijery afatsy ny tenany ary lasa manalavitra an'Atra ny olona noho ilay toetrany.

Koukaburra
http://images.jupiterimages.com/common/detail/40/94/23199440.jpg
Ny fiainana dia manao fety foana,variana amin'izay mahafalifaly azy fotsiny.Tsy matotra mandray ny fiainana fa mikanikany foana,na dia amin'ny tsy tokony fotoana hanaovana izany aza.
Ny olona mitovy izany hono matetika dia mandratra olona sy miharo-tena foana ary manindrona olona foana,satria tsy mijery izay zavatra mitranga amin'ny manodidina azy izy.

Cuckoo

http://www.birding.in/images/Birds/pied_cuckoo.jpg

Vorona izay tsy tia miasa,ary tia manararaotra ny hafa.Tsy manao ny ankaniny izy fa miandry ny hafa,izay tranom-borina efa vita dia ao izy no mametraka ny atodiny dia lasa izy ka ny vorona hafa no mitaiza ny zanany .

Parrots,cockatoos
http://www.dailypainters.com/images/origs/615/the_three_tenors__parrots_among_orchids.jpg
http://kazza.id.au/mt-archives/images2006/cockatoos2.jpg

Ireo dia vorona dia azo tarafina ny olona miresaka fotsiny no tena ataony,ary manana vaovao maro sy mianatra izay ataon'ny hafa.Manana fahalalana maro fa tsy mampihantra izany amin'ny fahalalana an'Atra na tsy dia manana fahatokisana an'Atra.Miteny,miteny fotsiny hono fa tsy manao izay asiany atao.

Pelican
http://www.australianfauna.com/images/af_pelican.jpg
Vorona tsara tokoa ary mihinana ihany no tena adiny eo.Izay hitan'ny masony dia ataony ao am-bavany avokoa. Raha misy mitovy izany ny kristiana ka mandray izay teny dia tena lasa kristiana mafana-fo sy manan-tanteraka ny sitrapon'Atra izy,saingy tsy nifidy izany lalana tsara izany izy.

Vultures ,Buzzards

http://www.liv.ac.uk/~sdb/Safari-2001/Images/457%20Vultures%20kill.jpg

http://i1.treknature.com/photos/6047/common_buzzards.jpg

Ireo vorona ireo dia mihinana izay zavatra faran'izay marikoriko na maloto na efa masiso na efa lo.Ny kristiana izay manenjika ireny olona manana olana amin'ny fiainana ireny hono no hoharina @ireo .Faly izy rehefa misy fahavoazana ny hafa ary izy ireny no manamparitaka ny vaovao ary manova ilay vaovao izay mifanaraka ny sainy.

Peacock
http://noahhunt.org/Peachick/peacock.jpg
Vorona tia midoka tena,manambony ny tenany,manao ny hafa ho tsinotsinona.Ireny olona mizahozaho ety ivelany amin'ny fiara,akanjo,ary ny firavaka isan-karazany ka tsy miraharaha ny hafa na manampy ny sasany izay mila fanampiana.

Crow
http://www.hutterites.org/bridge/wp-content/uploads/Pied%20crow.jpg
Io hono no vorona faran'izay zava-doza indrindra raha oharina ny rehetra. kely izy kanefa mifoaka zanak'akohokely e,izay vorona kely dia vonoiny avokoa.Ireny ilay kristiana mamely ny finoan'ny hafa foana,ny azy ihany no tsara.Ny an'ny hafa tsy misy dikany .

Canaries
http://animal-world.com/encyclo/birds/canaries/images/OrangeYellowWBC_C051.jpg

Vorona kely mahafatifaty izy io,mahafantatra izy fa miditra ny trano ny tompony raha vao eny amin'ny totohotra,rehefa te-ihinan-kanina izy na hoe soloy ny ranoko fa te-handro kely aho. Tonga dia miantsoantso,ary mahafinaritra tokoa ny miompy azy:D
Ny toetrany? faly mandany ny androny ao anatin'ny trano keliny izy,ary tsy tiany ny mizara fa izay ao ihany dia ampy.
Na inona izany fefy misy ny olona izany dia ao fa tsy mivoatra,mahatsiaro ho ambany indraindray ary tsy te-handray izay vaovao any ivelany.

Chicken
http://www.trancewave.com/novalounge/blog/images/chicken.suit.jpg

Io kosa aloha dia atao fanoharana foana e" Are you a chicken?" Matahotra lava amin'ny fiainana ,tsy tonga any amin'izay tanjona tiany aleha.Matetika anefa izy toa te-hanao zavatra dia mikopaka ny elany ary mety ho lasa lavitra kanefa dia aleony manilika ireo vovoka dia mitsilailay eo amin'ny maloto eo.

Farany ary dia misaotra ny rehetra naharitra namaky ity ,miala tsiny fa somary lava e.
EAGLE
http://www.whale-images.com/data/media/9/bald-eagle-pictures_110.jpg
Io vorona io no tian'Atra ho tahafintsika ny toetrany. Vorona sahisahy,tsy matahotra,mahery fo.Eny ambon'ny vato no hanoherany ny ankaniny.Mahay miaraka izy mivady eo amin'ny fiainana,matsilo maso ka mahatakatra ny lavitra,mahafantatra fa tonga ny fahavalo na ny rivo-doza.
Raha manankina ny fiainantsika amin'Atra tokoa isika ,na inona mitranga,na inona mihatra ,manao an'i kristy ho vato fehizoro amin'ny fiainana dia omeny hery sy tanjaka ary tsy hatahotra izay mitranga eny fa na dia ny fahavalo sy ny herin'i satana ataony haminganana antsika aza.Izy irery ihany no afaka hanova ny toetra ratsintsika raha manaiky isika.
mahereza
Ho ao amin'Atra ihany anie ny voninahitra ary ho antsika rehetra ny fahazavana avy amin'i Kristy izay vato fehizoro. Amena

(l)niryna
novalian'i niryna ny 23/11/2007 06:23
2. cutie ( 16/11/2007 05:06)
ary tsy ao ny dove nefa reny no tiako:)
de ny owl koa tsy ao :-D:-D:-D:-D
3. majesty ( 16/11/2007 08:57)
Ireny mbola biby ry niryna a,fa aleo "Jesosy" ihany no itarafana ny toetra tena Kristiana.
4. xxx ( 16/11/2007 09:37)
Azo lazaina fa toetr'olombelona indrindra isika rehetra izay mandray anjara eto amin'ny forum ireo lazain'i Niryna ireo ary isaorana azy mampahatsiahy. Isika izay mahita fa misy ireo toetra ireo no tokony handini-tena tsara indrindra moa fa mitonona ny tenantsika ho Kristiana isika eto.
5. niryna ( 16/11/2007 11:45)
cutie:

ary tsy ao ny dove nefa reny no tiako:)
de ny owl koa tsy ao :-D:-D:-D:-D

:D feno aky ny pejy fa tsy ho voatanisa daholo a.Ny dove no symbol naseho rehefa nilatsaka tamin'i kristy ny Fanahy Masina avy tany an-danitra. Rehefa natao batisa teo amoron'ny Jordana Izy.
Io ihany koa no nahitana famantarana fa efa maina ny tany rehefa noripahin'Atra ny olona izay tsy nety nihaino ny teniny tamin'ny andron'i Noah.

Ilay owl na vorondolo indray dia voron'ny mpamosavy:D,mivoaka amin'ny alina,mahita tsara ao anaty alina,miafina amin'ny maizina.
Inona re no toetra azo resahina amin'izany e.
Zanaky ny alina izany,tsy tia mivoaka ao amin'ny mazava fa dia ao anaty maizina foana.Mila antsika izy hitoriana ny tenin'Atra fa raha tsy izany izy dia maizina lava ny fiainany.Tsy ahita an'i Kristy mihitsy Izy raha faly ao anatin'ny fahamaizinana ao.
Sa ahoana hoy indry? 8)

6. niryna ( 16/11/2007 11:47)
majesty:

Ireny mbola biby ry niryna a,fa aleo "Jesosy" ihany no itarafana ny toetra tena Kristiana.


Marina izany majesty a,fanoharana no hiresahana eto ary azo tarafana ny toetran'olombelona ihany hono ny vorona.
Tsy misy tsara ohaotran'ny miaraka amin'ny kristy sy manana ny toetrany tokoa aloha e,izany no faniriana .:D
7. niryna ( 16/11/2007 11:50)
xxx:

Azo lazaina fa toetr'olombelona indrindra isika rehetra izay mandray anjara eto amin'ny forum ireo lazain'i Niryna ireo ary isaorana azy mampahatsiahy. Isika izay mahita fa misy ireo toetra ireo no tokony handini-tena tsara indrindra moa fa mitonona ny tenantsika ho Kristiana isika eto.


Tsy misy fisaorana xxx a,izany indrindra no hianarantsika eto ka,angaha moa misy manana ny filamatra e? Samy efa miezaka daholo ka. Sady tsy isika mihitsy no afaka hanova ny olona fa Atra irery.Ny zavatra izay mitranga dia efa mitranga fa ilay fanana Azy no mampiova ny fontsika ahay hiatrika ilay fintrangana ary dia Izy no manova ny fo :oops::D
8. niryna ( 16/11/2007 11:53)
xxx:

Azo lazaina fa toetr'olombelona indrindra isika rehetra izay mandray anjara eto amin'ny forum ireo lazain'i Niryna ireo ary isaorana azy mampahatsiahy. Isika izay mahita fa misy ireo toetra ireo no tokony handini-tena tsara indrindra moa fa mitonona ny tenantsika ho Kristiana isika eto.

Ilay olona mitonona ny tenany ho kristiana tsara sa ratsy ry xxx :D . Ahoana tokoa re izany e ,izaho kristiana ,izaho kristiana, izany ve ilay izy :D sa ahoana ? :D

9. ikaretsaka ( 16/11/2007 15:28)
ny Owl koa na vorondolo dia amintsika ny hoe vorona mpamosavy no andraisantsika azy, nefa rehefa dinihina dia io koa dia voalaza hoe vorona hendry (wise koa)
Ary mahavatra miandry tokoa izy sady mihaza ihany koa izy @ ilay haizina iny mandra pahatongan'ilay "mazava" indray
rehefa tonga ilay mazava .. dia miadam-po izy de lasa matory! fa ny "mazava" no mi take care ny rehetra!

Amiko ny eagle sy ny crow dia mitovy ihany : vorona mpandrava efa ko... tsy te hahalala afa tsy ny azy ihany fa paohany aby izay zavatra rehetra eo ambaniny, dia ataony sakafo!
mampatsiaro ahy ireny pasiterana secte ireny, ny voalavo sy ny bitrokely sy ny zanaka castors ary no ampijaliana ho an'ny tombotsoan'ny tenany!

Aleoko voromailala: ireny mahita foana ny lalany, ary misy aza ireny mahay mandefa hafatra entre an'olona 2!

Ny vorontsiloza indray mba anarany no ngeza fa kouloukoulou fotsiny! ....oooooops thanksgiving tokoa @ lakamisy:wink:
10. Veloo ( 16/11/2007 17:23)
xxx [ Valio ] 16-11-2007 10:37:49
Lohateny : Re : Ireo karazana vorona azo hitarafana ny toetra kristiana!!
Azo lazaina fa toetr'olombelona indrindra isika rehetra izay mandray anjara eto amin'ny forum ireo lazain'i Niryna ireo ary isaorana azy mampahatsiahy. Isika izay mahita fa misy ireo toetra ireo no tokony handini-tena tsara indrindra moa fa mitonona ny tenantsika ho Kristiana isika eto.


Zany mihitsy ary tena marina io:-*:-*
11. fijo ( 16/11/2007 21:33)
za "owl"ka tianareo sa tsia?
12. ikaretsaka ( 16/11/2007 22:50)
ary neveriko fa vorontsiloza ialahy....
kay moa ialahy tsy kristianina...
niryna izany boloky raha azoko tsara e?:wink:
13. fijo ( 16/11/2007 22:54)
hi hi hi i aoka letsy.tsa mba ahako ro nilaza izay an.
14. ikaretsaka ( 16/11/2007 23:00)
za mba manontany sy mampitovy toetr'olona @ vorona ko ...
aleo zahay voromailala sady mikareeeetsaka lavitra be no hitanay ny alehanay!
ireny mitovy toetra tsara @ ikaretsaka mihitsy..mikaretsadretsaka nefa tsy very
15. fijo ( 16/11/2007 23:14)
tsa mba ahako ,tsa mba ahako yyyyy.

aryny fody izny ahoan a,ankoatry ny fangalarany akotry?
16. niryna ( 17/11/2007 03:54)
ikaretsaka:

ny Owl koa na vorondolo dia amintsika ny hoe vorona mpamosavy no andraisantsika azy, nefa rehefa dinihina dia io koa dia voalaza hoe vorona hendry (wise koa)
Ary mahavatra miandry tokoa izy sady mihaza ihany koa izy @ ilay haizina iny mandra pahatongan'ilay "mazava" indray
rehefa tonga ilay mazava .. dia miadam-po izy de lasa matory! fa ny "mazava" no mi take care ny rehetra!

Amiko ny eagle sy ny crow dia mitovy ihany : vorona mpandrava efa ko... tsy te hahalala afa tsy ny azy ihany fa paohany aby izay zavatra rehetra eo ambaniny, dia ataony sakafo!
mampatsiaro ahy ireny pasiterana secte ireny, ny voalavo sy ny bitrokely sy ny zanaka castors ary no ampijaliana ho an'ny tombotsoan'ny tenany!

Aleoko voromailala: ireny mahita foana ny lalany, ary misy aza ireny mahay mandefa hafatra entre an'olona 2!

Ny vorontsiloza indray mba anarany no ngeza fa kouloukoulou fotsiny! ....oooooops thanksgiving tokoa @ lakamisy:wink:



:D
17. niryna ( 17/11/2007 03:55)
Veloo:

xxx [ Valio ] 16-11-2007 10:37:49
Lohateny : Re : Ireo karazana vorona azo hitarafana ny toetra kristiana!!
Azo lazaina fa toetr'olombelona indrindra isika rehetra izay mandray anjara eto amin'ny forum ireo lazain'i Niryna ireo ary isaorana azy mampahatsiahy. Isika izay mahita fa misy ireo toetra ireo no tokony handini-tena tsara indrindra moa fa mitonona ny tenantsika ho Kristiana isika eto.


Zany mihitsy ary tena marina io:-*:-*

:D

18. niryna ( 17/11/2007 03:57)
fijo:

za "owl"ka tianareo sa tsia?


hi,hi zanaky ny maizina ve sa ao anatin'ny maizina ?:D
19. niryna ( 17/11/2007 03:59)
ikaretsaka:

ary neveriko fa vorontsiloza ialahy....
kay moa ialahy tsy kristianina...
niryna izany boloky raha azoko tsara e?:wink:



=))=))
20. niryna ( 17/11/2007 04:00)
ikaretsaka:

za mba manontany sy mampitovy toetr'olona @ vorona ko ...
aleo zahay voromailala sady mikareeeetsaka lavitra be no hitanay ny alehanay!
ireny mitovy toetra tsara @ ikaretsaka mihitsy..mikaretsadretsaka nefa tsy very



:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1751