Tia anao Andriamanitra

1. prime ( 06/11/2007 11:04)
"Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo." Jaona 14:27

Andriamanitra tia ny olona rehetra ary te-hanome fiadanana sy ny tena fiainana... vonona ny hino sy handray izany ve ianao?

"Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana." Isaia 65:18

"Mifalia* mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia*. [* Na: veloma]" Filipiana 4:4

"Mifalia mandrakariva." I Tesaloniana 5:16

"fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa." I Petera 4:13

Didin'Andriamanitra mihitsy ny mpino hanana sy handray ary hizara fifaliana... vonona ny amin'izany ve ianao?...
novalian'i prime ny 22/11/2007 08:10
2. prime ( 06/11/2007 12:05)
Dia hoy koa ny tenin'Andriamanitra :

"Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika." Romana 8:37

Koa alao hery ry mpino namana fa ny Mpandresy no momba anao ary hanoatra noho ny mpandresy ianao, ialy efa nandresy na dia ny fahafatesana aza...

Hoy ny voasoratra amin'ny nanaran'i Jesosy:

"Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena." Matio 24:13

Kristy no efa miantso ary eo anilanao, ary momba anao ka miteny aminao mba haharitra fa efa ho avy ilay andro fanavotana...

Koa ny miseho sy mitranga ankehitriny dia efa taratr'ilay ho avy sahady koa mahereza daholo araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Kristy:

"Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika ety an-tany, dia manana izay voarafitr'Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra." II Korintiana 5:1
3. Ylly ( 06/11/2007 13:07)
misaotra anao ry "prime"

hoy ianao>>>>Andriamanitra tia ny olona rehetra ary te-hanome fiadanana sy ny tena fiainana... vonona ny hino sy handray izany ve ianao?>>>>>>>

marina fa ny olona rehetra Andriamanitra,tsy misy ankanavaka io fitiavany io,saingy anjaran'ny tsirairay no mandinin-tena handray izany fitiavana sy fahasoavana lehibe avy amin'Andriamanitra zany!

vonona sy handray izany ve ianao?io dia mila heritreritra lalina dia lalina,ny zavatra havoakan'ny vava tsinona indraindray tsy avy @ fo akory!ny henatra eo imason'ny mpino mpiara-belona @ tena no mahatonga famoaham-bava hoe >>>vonona aho
4. Ylly ( 06/11/2007 13:12)
finiavana,fanetre-tena,fitiavana no ilaina voalohany ahazahoana hanara-dia ny didin'Andriamanitra.
5. diamondra27 ( 06/11/2007 14:50)
prime: merci^:^
na dia efa fantatra azo ireo dia mila ampatsahivina ihany indraindray.

Le I Tes 5:16 io kosa aloha hummm
mangataka ny hanana faharetana indray izao mba haharitra hatr@ farany sao tsy voavonjy eo.

Ylly: be de be ny didy fa ianao ihany no majalala izay zakanao sy iatombohanao ka!
ny hafa dia manoro sy miteny ary mizara izay experiansa niainany fotsiny.

6. ikaretsaka ( 06/11/2007 15:08)
Ekena fa tia antsika Andriamanitra
-Fa ilaina tsimpona sy toriteny be ve ny filazana fa tia antsika Andriamanitra?
-de sarotra be ve ireo"tsimpona" raha tsy atao copy paste fa atao hoe Bokin'i Jeremia dia manondro mivantana ny "notsimponina" tao?
-Dia maninona no atao "amin'ny anaran'i Jesosy" ihany fotsiny fa tsy Ray zanaka sy fanahy masina nefa Andriamanitra tokana olona 3 no ivavahana? sa tsy rarahiana ny 2?
Tia anao Andriamanitra, Ianao ve mba tia azy?" Izay de vita fa tsy blabla!
hoy mantsy ny ao @ Matio



7. cutie ( 06/11/2007 16:28)
zahay moa tsy be kabary ohtranareo :)
http://www.dailymotion.com/relevance/search/tana+gospel+choir/video/x2fy83_tana-gospel-choir-mariage-andy-et-s_music
http://es.youtube.com/watch?v=yYkJaenZWw4
8. ikaretsaka ( 06/11/2007 16:31)
cutie> AMDG e:-D
9. booboo ( 06/11/2007 16:35)
Tiako beeeeee io hiran'i Ndriana Ramamonjy io o^oo^oo^o
10. cutie ( 06/11/2007 16:42)
booboo tiako be koa io :lol::lol::lol::lol:
11. cutie ( 06/11/2007 16:43)
Ika
in moa ny dikan'zany AMDG
12. ikaretsaka ( 06/11/2007 17:11)
http://en.wikipedia.org/wiki/AMDG
13. cutie ( 06/11/2007 17:16)
mazava
de aiza wa i Ika no mipetraka :-D
14. pissoa ( 06/11/2007 17:18)
:-D:-D:-D:-D:-D
15. niryna ( 06/11/2007 17:26)
ikaretsaka:

Ekena fa tia antsika Andriamanitra
-Fa ilaina tsimpona sy toriteny be ve ny filazana fa tia antsika Andriamanitra?
-de sarotra be ve ireo"tsimpona" raha tsy atao copy paste fa atao hoe Bokin'i Jeremia dia manondro mivantana ny "notsimponina" tao?
-Dia maninona no atao "amin'ny anaran'i Jesosy" ihany fotsiny fa tsy Ray zanaka sy fanahy masina nefa Andriamanitra tokana olona 3 no ivavahana? sa tsy rarahiana ny 2?
Tia anao Andriamanitra, Ianao ve mba tia azy?" Izay de vita fa tsy blabla!
hoy mantsy ny ao @ Matio







Tena tsy fantatra intsony kosa aloha izay hinoanao e,
Inona no olana amin'ny tenin'Atra soratana?
Ny finoana dia avy amin'ny famakiana ny tenin'Atra ry ika a,raha mankahala ny tenin'Atra isika dia mazava ho azy fa tsy te hihaino ny feony.Mangataha ny FM hatrany hoy aho hanampy antsika. Mahereza.
16. ikaretsaka ( 06/11/2007 17:39)
niryna> lasa lava loatra ko..
Ny finoana dia avy amin'ny fandinihina ry niryna fa tsy famakina fotsiny.
tsy mankahala ny tenin'andriamanitra mihitsy sanatroia fa mba asiana ethics ihany ilay izy fa manjary mipetaka daholo ny etiquettes hoe tsy maintsy entina eto ve mba hahalalana fa "namaky" marina sns...

Ary raha tena nangataka ny fanahy masina tokao angamba i niryna dia ianao no tokony tena illuminated be, mazava saina sy fijery .. kanefa.. ianao no + stubnorn sy tery saina ato,
Asa angaha?
Mieritrereta lalina, mandiniha tena!
17. Ylly ( 06/11/2007 19:16)
hoy diamondra27>>>>>>>>Ylly: be de be ny didy fa ianao ihany no majalala izay zakanao sy iatombohanao ka!
ny hafa dia manoro sy miteny ary mizara izay experiansa niainany fotsiny.
18. ikaretsaka ( 06/11/2007 19:45)
lazao ahy hoe inona no zavatra vitanao raha tsy am-pitiavana no hanaovanao azy?

@ fomba ahoana no hanekenao ny didin'Andriamanitra raha tsy misy ny fitiavana?

betsaka.. ohatra hoe mamono olona ....ooops kay fitiavana izany... fitiavana ilay olona ho faty!
diso ahako!
19. fijo ( 06/11/2007 22:36)
za koa aloha tsy itako izay tena antony amoahana ireo rehetra ireo e.milaza fotsiny hoe"tia antsika kristianina i lery" dia vita.

misy hira atao amina fanambadiana ihany io ka hivoaka kely aho.
nisy mariage naleako tany mada(samy jesosy mamonjy)ny mpivady.fa leo aby,na ny kato na ny protes na izahay.ny antony:
-tsy mahazo misy toaka miditra na labiera aza.(loza )na panachée aza fa misy bek's hono.ny dadan'ilay siap no mijery ny zavatra sotrina rehetra eo.
-ny tanora mba nihira toa io,fa tsy misy mahazo manao hira (poopy sy bodo sns izany)fa tsimaintsy hira fiderana .le sipa kely havana moa mba nihira poopy fa avy di avoahendaka sady nahazo treronabe hoe "hiran devoly izany"izahay tsy mila hafa tsy ny fiderana ny tompo.
tena teo aho vao nahita izanyhe olona mamon'ny finoan aizany.ka tandremo hoan'ny sasany ato,fa hita soritra io fahamamoana io
20. LazaDaddy ( 06/11/2007 22:54)
ikaretsaka:
niryna> lasa lava loatra ko..
angaha ise noterena hamaky izay rehetra eto? :) Mino koa aho anefa izao fa tsy mimenomenona toy io ise rehefa mamaky boky hafa sy tsy misy lanjany noho ny Baiboly :)

Prime> mankasitraka :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1194