Farmaciste catholique

121. Fody ( 04/11/2007 10:20)
Eto moa dia atao ny fomba rehetra mba minimiser-na ny olona miady hevitra amin'ny tena. Ohatra amin'izany ny filazana fa tezitra rehefa milaza mazava ny zavatra ninian'ny hafa tsy jerena.
Ka rehefa tsipahina ny testamenta taloha dia amin'ny ankapobeny fa tsy izay mi-arrange ihany no raisina ,sa tsy izany moa ry Ika ?

rabilabila: Toa ohatra ny mamely ny tenanao ihany ianao amin'ny zavatra lazainao: mitsipona izay metimety aminao fotsiny. Tsy mba novakinao tsara angamba fa ao anatin'ny Evanjely dia matetika i Jesoa no milaza hoe: "efa voalaza fa... fa izaho kosa miteny aminareo hoe..." Ny filazana faharoa dia manafoana na manavao ilay voalohany.
Ka ilay :tsy hitondra fiadanana aho fa hitondra sabatra izany no tokony lazaiko ? Sa azo lazaina indray hoe tsy matio-ista ,ary ilay resaka ao amin'ny apokalypse hoe :lozan'izay vehivavy bevohoka sy mitaiza..........?

Raha mba olona mandalina ny atao hoe: filosofia ianao dia tsy mba hiteny ohatra an'izao.
Izaho aloha tsy dia havanana loatra amin'io taranja io nefa mba mahalala ihany fa: "on n'appred pas la philosophie, on n'apprend qu'à philosopher".
Ny ilazana fa nanao filosofia ny olona iray dia tsy ny mamerina izay voalaza fotsiny (na manao dikan-teny malalaka ny zavatra hita tamin'ny google, ohatra ny nataonao tamin'ilay resaka bing-bang)... Ny olona manao filosofia izany ry namana dia milaza zavatra voadinika sy voalanjalanaja.


122. Fody ( 04/11/2007 10:58)
"Olona en puissance " marina dia marina tokoa na philosophiquement na scientifiquement ,fa mbola betsaka ny etapes vao lasa olona iny , ary ny condition tsy azo hiodivirana dia ny matrice ==> betsaka ny aléas mbola mety tsy ahalasa an'iny ho olona .Donc mbola "en puissance " na "en devenir" fa mbola tsy olona

Marina fa en devenir iny nefa koa na en devenir aza dia tsy azo atao hoe zavatra iny. Satria misy aina ao aminy. Izay aina nalaina avy amin'ny olona fa tsy avy amin'ny biby akory. Noho izany olona iny.
Henoy tsara koa fa rehefa mitantara ny fotoana nananany zaza ny renim-pianakavina dia milaza hoe: "fony aho nitsaika anao,..." Misy koa ny filazana hoe: "manan-janaka aho..." na firy andro na firy volana ny zaza ao an-kibony amin'io na firy.
Noho izany iray ihany ilay rabilabila niforona tao an-kibon'ny reny sy ilay rabilabila miresaka eto izao. Tsy hoe samy hafa akory ilay rabilala niforona tao an-kibon-dreny, sy ilay rabilabila miresaka eto fa iray ihany. Ka raha mahatsapa tena fa olona ianao izao, dia tokony hanaiky koa fa olona ilay tao an-kibon-dreninao fa tsy zavatra na bibilava akory.
Fa maninona no tsy hanaovana fety ny andro nipotran'ny anjely tamin'i Maria nilaza taminy fa bevohoka izy ?

Ity moa dia tsy fahalalana ka mba tiana ny milaza fa anaovana fety tokoa io fa ianao no tsy mahalala azy angamba: 25 Mars

123. tywa68 ( 04/11/2007 11:32)
Piste : misaotra @ texte nozarainao : ny tiako tsindriana eto dia ny fisian'ny lalàna mitondra ny fisian'ireo magazay isankazarany. Ka na boucherie na pharmacie dia anjaran'izay miasa ao no mahafantatra ny lalàna tokony arahiny,rehefa tsy mety @ ny fanerena ataon'ny fanjakàna dia miova asa, raha tena zay no manenjika ny sainy.

Fody : aza tezitra fa resaka ny atao eto, ny anao ny ao an-kibo no mampalahelo anao, fa aza adino koa nefa fa misy olona 1 mikaonty, dia ilay ramatoa mitondra vohoka.

Ianao ihany no nanoratra an'ty ery @ point 39

rabilabila: aza afangaro mihitsy ny fanalan-jaza an-tsitra-po sy ny fanalan-jaza noho ny aretina na ny sahala amin'izany.

Ny iray voalohany dia noho ny fitiavan-tenan'olombelona no mahatonga azy.

Ny iray faharoa kosa dia noho ny tsy fidiny.

Fanontaniana tsy nisy namaly: Moa manan-jo ho velona ve ny zazakely ao an-kibo sa tsia?


Zany hoe misy fanalàna noho ny aretina na sahala @izany ...:wink:
124. rabilabila ( 04/11/2007 11:53)

hoy ianao:
Eto moa dia atao ny fomba rehetra mba minimiser-na ny olona miady hevitra amin\'ny tena. Ohatra amin\'izany ny filazana fa tezitra rehefa milaza mazava ny zavatra ninian\'ny hafa tsy jerena.


dia mbola hoy ianao ihany:
Raha mba olona mandalina ny atao hoe: filosofia ianao dia tsy mba hiteny ohatra an\'izao.
Izaho aloha tsy dia havanana loatra amin\'io taranja io nefa mba mahalala ihany fa: \"on n\'appred pas la philosophie, on n\'apprend qu\'à philosopher\".
Ny ilazana fa nanao filosofia ny olona iray dia tsy ny mamerina izay voalaza fotsiny (na manao dikan-teny malalaka ny zavatra hita tamin\'ny google, ohatra ny nataonao tamin\'ilay resaka bing-bang)... Ny olona manao filosofia izany ry namana dia milaza zavatra voadinika sy voalanjalanaja
.

Fody a!! En contradiction ange ianao izany e!!

Angamba hoy aho tsy nisy olona vao latsaka teto an-tany dia nahay sy nahafantatra ,fa araky ny fomba fandinihany , fikarohany sns.... no mampitombo ny fahalalàny .

Maro anefa ny toerana hanovozana izany fahalalàna izany : eo anivon\'ny fianakaviana , fiaraha-monina , sekoly , fivelarana amin\'ny any ivelany ,ny boky maro isan-karazany , ny fametraham-panontaniana ,ny fitadiavana ny valim-panontaniana amin\'ny alàlan\'ny boky , fanantonana mpampianatra , fanantonana ireo manana expérience na nandalina ilay taranja , fikarohana ao amin\'ny internet.

F\'angaha moa ianao mahalàla ahy ka ahafantatra hoe inona no tena nataoko sy ataoko ? No ahafahanao miteny hoe :mamerina ny voalaza aho ? Amiko ny fehezan-teny toa io ambony no-quoter-ko io dia \"insulte à l\'intelligence\" satria tsy fantatrao ny momba ahy .
Non!! Soyons honnêtes envers nous même ,ne déplacons pas les débats .Raha izaho no tiana attaquer-na dia toa efa nisy nanokatra post manokana momba izay ao ,fa raha tsy izany dia arguments contre arguments .
Il ne s\'agit pas ,ici , de convaincre qui que ce soit sur quoi que ce soit ,du moins il me semble ,il s\'agit de donner SON avis selon ses repères ,son éducation , ses recherches ,ses reflexions ......

Ny hevitra atolotro eto dia hevitro manokana ,ary vokatr\'ireo zavatra rehetra nolazaiko teo ambony ireo.Raha d\'accord ianareo dia tsy mitohy ny adihevitra ,raha tsy d\'accord ianareo ,ary zo-nareo tokoa izany dia ento ny arguments hi- contrer-nareo ny hevitro fa tsy izaho no kapohina .


Marina fa en devenir iny nefa koa na en devenir aza dia tsy azo atao hoe zavatra iny. Satria misy aina ao aminy. Izay aina nalaina avy amin\'ny olona fa tsy avy amin\'ny biby akory. Noho izany olona iny.
Henoy tsara koa fa rehefa mitantara ny fotoana nananany zaza ny renim-pianakavina dia milaza hoe: \"fony aho nitsaika anao,...\" Misy koa ny filazana hoe: \"manan-janaka aho...\" na firy andro na firy volana ny zaza ao an-kibony amin\'io na firy.
Noho izany iray ihany ilay rabilabila niforona tao an-kibon\'ny reny sy ilay rabilabila miresaka eto izao. Tsy hoe samy hafa akory ilay rabilala niforona tao an-kibon-dreny, sy ilay rabilabila miresaka eto fa iray ihany. Ka raha mahatsapa tena fa olona ianao izao, dia tokony hanaiky koa fa olona ilay tao an-kibon-dreninao fa tsy zavatra na bibilava akory.



Raha ny momba an\'io indray dia tsotra dia tsotra no havaliko azy :

Ny zavatra noresahiko momba an\'io dia ny devloppement biologique n\'ny blastocyste ho lasa embryon ho lasa foetus , ho lasa olona rehefa milatsaka an-tany .
Hoy aho hoe : betsaka ny aleas mety tsy nahatonga an-drabilabila teto an-tany fa tonga moa i Rabilabila rehefa avy nandalo ireo étapes rehetra ireo ary nony efa nivoaka izy dia nomen\'ny RAD anarana(satria izay izy vao Rabilabila) ary narabain\'ireto zoky hoe:\"tonga soa eto aminay \" ary rehefa tonga ny zandrin-dRabilabila dia toa izany koa no nataony.

Manana ny fomba fijerinareo ianareo momba io ,manana ny ahy koa aho , ary izany no no-exposer-ko teto .
Mbola tsy niteny aho teto ,na indray mandeha aza ,hoe inona ny position-ko ,satria amiko tsy izay no important ,tsy izaho no importante .
Raha tsikaritrao iza miteny aho matetika hoe \"je peux comprendre même si je ne suis pas d\'accord \".

Raha ny momba ilay fetin\'ny annonciation indray dia efa tsy notaritiko ilay resaka satria ,il n\'y a plus lieu de le continuer .D\'autant plus fa fanontaniana no napetrako satria tsy mahalàla tokoa aho ,ka rehefa mahazo valiny aho dia inona moa no mbola amaliako azy eo ?

Misaotra

Dia am-pitiavana ,\'zay fotsiny ,dia milamina ny tany.






125. piste ( 04/11/2007 13:04)
Ka na boucherie na pharmacie dia anjaran'izay miasa ao no mahafantatra ny lalàna tokony arahiny,rehefa tsy mety @ ny fanerena ataon'ny fanjakàna dia miova asa, raha tena zay no manenjika ny sainy.


Izay moa ny hevitrao hoe: miova asa. Amiko dia tsy hisy raha vanona eto ka izay rehetra lazain'ny Fanjakana io dia atao Amen. Koa rah tsy Evanjely na Fiekem-pinoana izy ity ko. Sady, ny Fanjakana akory tsy Andriamanitra rahateo fa olona manana ny kilemany, ary azo ahitsy.
De toute façon, on est dans des pays qui se disent Démocratique, alors pourqoui n'accèpte pas la liberté des consciences, le pluralisme d'idées, etc.
Ary manamarina ny lazain'ny Pissoa, hoe : tolérant kokoa ny Katòlika dia tsy atahorana, fa ny Silamo tsy misy mahasahy mikitika. Dia inona izany fa miverina any @ Fanjakan'ny be sandry izay matanjaka ihany no tompon'ny droit.
126. Fody ( 04/11/2007 13:26)
diso loatra ianao rabilabila raha miteny fa ianao no etakeko eto. Ny tsy azonao dia ny hoe: sahin'ny olona ny milaza izao sy izao rehefa tsy izy no iarahan'ilay zavatra, fa rehefa izy kosa no raisina ohatra dia tsy mahita ambara izy , ka mamily resaka toa an'io ataonao io.

Raha milaza sy miresaka ny zaza en puissance aho eto dia tsy mamily ny resaka velively fa manamarina kosa fa olona io, izay lavinao ny maha olona azy. Izay no nandraisako ohatra anao izay olona tokoa. Olona hatramin'izay ka hatramin'izao, ary mbola ho olona ihany fa tsy ho anjely akory rehefa kelikly na hivadika biby sanatria.

HS: Tsy mahalala anao tokoa aho, ary na ianao aza dia tsy afa-mihambo ho tena mahalala ny tenanao. Saingy afaka mahalala kely ihany ny momba anao aho amin'ny alalan'izay soratanao eto. Ny be ao am-pony sy ao an-tsainy no lazain'ny olona, ary ny maha izy azy dia hita taratra amin'izay ambarany sy izay ataony. Tsy izaho no niteny hoe: mpandalina filosofia ianao, fa ianao no niseho sy niteny ho mpandalina an'izany.

Ilay resaka google: mba jereo kely ny insulte nataonao tamin'ny namana ao amin'ilay resaka bing-bang. Nefa rehefa tena jerena dia tsy misy na kely aza faritra ahitana fa tena mahalala ny resaka bing-bang ianao, fa namerina izay voalaza hita tamin'ny google fotsiny. Izay amiko no tena insulte: Manao zinona ny zavatra lazain'ny hafa nefa tsy manana fahalala akory mikasika an'izay zavatra lazaina. Mbola naverinao moa io eto amin'ny filazana hoe: tsy ny pharmacie katolika rehetra no manda fa vitsy dia vitsy sns... Raha ny tena marina anefa dia ianao no tsy mahara-baovao. Izany no insulte amiko: manao zinona ny lazain'ny hafa nefa tsy mahalala akory.

Tywa68: fa ny zavatra tsy fantatrao angamba dia ny hoe: famonona olona foana ny fanalan-jaza na inona antony na inona. Toy ny legitime defense, izay tsy manova ny famonon'olona ho tsy famonon'olona mihitsy.
127. Fody ( 04/11/2007 13:42)
Ny resaka lalana dia nataon'olombelona: androany hafa, ampitso hafa koa. Raha norarana sy tsy azo natao izy teo aloha fa nekena ho famonona olona (ary mbola mitana izany ny firenena sasany) amin'izao fotoana izao dia noeken'ireo firenena sasany fa azo atao, noho ny tombon-tsoany manokana.
Ny fanekena an'io ho zo anefa ve midika fa tsy famon'olona intsony io? Ary any aorina any dia horarana indray ny olona tsy hanala zaza satria mihavitsy ny isany. Dia ho lasa famon'olona indray ve ny fanalan-jaza amin'izay fotoana izay?

Ny saina tsy mivelatra dia ny saina tsy mahita afatsy ny tenany ihany.
128. pissoa ( 04/11/2007 13:44)
Ny sabatra sy fifanoherana lazain'i Jesoa dia tsy mila maka lavitra fa ohatra amin'izany izao resantsika eto izao. Mifanohitra ny olona satria i Jesoa niteny hoe aza mamono olona, satria i Jesoa nanandratra ny madinika ... izay heverin'ny fiaraha-monina fa tsy olona, izay heverin'ny "olona" fa tsy olana. Dia ie - miteny izahay Katolika tery saina (ataoko hoe Katolika satria toa Katolika daholo izahay tazatazako eto - miala tsiny raha misy hadino), dia miteny ry zareo Katolika malala-tsaina, dia miteny ny tsy Katolika no comment :-D:-D:-D Mety ahitana an'io fifanoherana io any ampiangonana. Taratra izany eto, fa na izahay samy Katolika aza dia misy mi-promote io famonoana olona amin'ny alalan'ny fanalana zaza io. Mety ho hita koa io any anivon'ny fianankaviana any, ny ankizy terana hanala zaza ... saingy tsy manoratra eto izy ireny. Izany no tandindon'ny fifanoherana nolazain'i Jesoa fa nentiny.

Rehefa betsaka ve ny mety tsy hahavelomany dia tsy olona izy ? Satria ve mbola mi-depend amin'ny olon-kafa izy dia tsy olona ? Isika koa anie na toa mirijarija manao spaoro sns aza, dia betsaka ny hahavelomantsika e. Isika koa miankina amin'ny hafa ny fahavelomantsika ; ahitsio raha diso. Sa olona isika satria isika "eto an-tany" ?! Fa aiza ilay zaza hovonoina fa tena very ny compass-ko :oops: Sa olona isika satria manana anarana ?

"Until there is justice for them ... there will be no mercy for us."

Farany, ho an'ny Katolika : misaotra anareo fa tena mianatra mihitsy aho mamaky ny soratrareo eto amin'ny forum. Dia mirary soa hatrany. Hi hi - tadidiko foana ilay hira "tsy zakan'ny olombelona" iny hatramin'ny niadiana hevitra teto :oops::-D:-D:-D

Raha tsy misy mampangidihidy ny tanako hanoratra indray eto dia izay angamba ny fara-fandraisako anjara amin'ity lohahevitra ity. Efa lava ireo voasoratsika rehetra ireo na mikasika ny abortion mivantana na mikasika ireo pharmaciens tsy te handray anjara amin'io !
129. pissoa ( 04/11/2007 13:53)
Fanitsiana :-D:-D:-D
Pissoa teo:
Isika koa anie na toa mirijarija manao spaoro sns aza, dia betsaka ny hahavelomantsika e.

Isika koa anie na toa mirijarija manao spaoro sns aza, dia betsaka ny TSY hahavelomantsika e.
130. rabilabila ( 04/11/2007 15:34)
Ny resaka nataoko teto hatramin'izay dia manazàva ny hevitro lalandava .
Misy mifandraika ny hevintsika ? Manampy aho raha tokony hisy hevitra fanampiny.
Misy mifanipaka ny hevintsika ? mitondra ny arguments-ko aho.
Fa kosa ,sanatria aho mbola ni-attaquer n'iza n'iza raha toa ka tsy izy no ni-attaquer ahy .
Tsy izaho no nanao ahy hoe:bilabilagay , na mampitahy ahy amin'i Ranavalona ,na koa mitsapatsapa ny mety ho tena fahalalàko .
Raha nisy ny zavatra noteneniko ka nanohina .Je fais mon "mea culpa " fa izaho kosa tsy manaiky raha ny tenako no attaquer-na ka tsy hamaly.
Misy ny olona eto miteny ahy rehefa mahatsikaritra fa misy contradiction ny zavatra lazaiko ary ekeko tanteraka izany .




Raha milaza sy miresaka ny zaza en puissance aho eto dia tsy mamily ny resaka velively fa manamarina kosa fa olona io, izay lavinao ny maha olona azy. Izay no nandraisako ohatra anao izay olona tokoa. Olona hatramin'izay ka hatramin'izao, ary mbola ho olona ihany fa tsy ho anjely akory rehefa kelikly na hivadika biby sanatria.


Bien sûr laviko ilay izy satria tsy izay no hevitro
Efa nambarako ny hevitro d'ailleurs ao amin'ny paragraphe faharoa n'ny famelabelarako ( izay tsy misy hifandraisany mihitsy amin'ny paragraphe voalohany).Ito d'ailleurs no namaliako azy:

Raha ny momba an'io indray dia tsotra dia tsotra no havaliko azy :

Ny zavatra noresahiko momba an'io dia ny devloppement biologique n'ny blastocyste ho lasa embryon ho lasa foetus , ho lasa olona rehefa milatsaka an-tany .
Hoy aho hoe : betsaka ny aleas mety tsy nahatonga an-drabilabila teto an-tany fa tonga moa i Rabilabila rehefa avy nandalo ireo étapes rehetra ireo ary nony efa nivoaka izy dia nomen'ny RAD anarana(satria izay izy vao Rabilabila) ary narabain'ireto zoky hoe:"tonga soa eto aminay " ary rehefa tonga ny zandrin-dRabilabila dia toa izany koa no nataony.

Manana ny fomba fijerinareo ianareo momba io ,manana ny ahy koa aho , ary izany no no-exposer-ko teto .
Mbola tsy niteny aho teto ,na indray mandeha aza ,hoe inona ny position-ko ,satria amiko tsy izay no important ,tsy izaho no importante .
Raha tsikaritrao iza miteny aho matetika hoe "je peux comprendre même si je ne suis pas d'accord ".



PS: vao avy nanopy maso ilay resaka big bang ( ny mpino ve?) aho ary hitako fa tsy vao ianao kay no nitsapatsapa ahy ka nanao hoe:...."mba hazavao kely eto hoe ny resaka bing Bang raha mba hainao tokoa na miteniteny foana koa ianao?" Tsy izaho no niteny hoe tsy ekeko ny théorie de l'évolution satria nianatra an'io 3 taona aho , dia inona no namaliako azy ? Mba omeo anay aza ilay contre-théorie de l'évolution .
Aiza ho aiza ao no misy insulte kay ?


Oh!! Tsy mampaninona ahy no ilazanao ahy hoe :mpanao pli-vava izay vakiako ao amin'ny google .Tsy raisiko ho insulte akory ilay izy .:lol:
Par contre ,tena miaiky anao aho ,raha à travers n'ny zavatra lazaiko eto no ahalalanao ahy ^:^
Saingy afaka mahalala kely ihany ny momba anao aho amin'ny alalan'izay soratanao eto. Ny be ao am-pony sy ao an-tsainy no lazain'ny olona, ary ny maha izy azy dia hita taratra amin'izay ambarany sy izay ataony.


Tapitra
131. xxx ( 05/11/2007 04:39)
Fody:

Ny resaka lalana dia nataon'olombelona: androany hafa, ampitso hafa koa. Raha norarana sy tsy azo natao izy teo aloha fa nekena ho famonona olona (ary mbola mitana izany ny firenena sasany) amin'izao fotoana izao dia noeken'ireo firenena sasany fa azo atao, noho ny tombon-tsoany manokana.
Ny fanekena an'io ho zo anefa ve midika fa tsy famon'olona intsony io? Ary any aorina any dia horarana indray ny olona tsy hanala zaza satria mihavitsy ny isany. Dia ho lasa famon'olona indray ve ny fanalan-jaza amin'izay fotoana izay?

Ny saina tsy mivelatra dia ny saina tsy mahita afatsy ny tenany ihany.




:-P
132. fijo ( 07/11/2007 00:04)
tywa an,tsy ny mpino rehetra no bocho tafiditra anaty tavoahangy ka.ekeko io.fa maro.jereo fotsiny ireo eto ambony ireo e;

eto dia hita fa misy "mpino"sasany mihevitra fa tsy holena eto an tany eto.
ny ohatra raisiko dia ilay hoe "raha ankizy 13 taona noviolena.de mbola misy sahy milaza hoe aza le tena no jerena fa ilay "tsy manantsiny"satria nana tsiny le 13 taona noviolena?????misaotra mopera
133. Fody ( 07/11/2007 13:51)
Raha resaka viole zaza tsy ampy taona sy resaka aretina fotsiny no nanekena ny fanalan-jaza dia tsy natao ho zo io.
Fa ny tena antony nahatonga an'io noekena ho zo dia aza adino fa noho ny fitiavan-tenan'ny olona: tsy te hiteraka nefa te hanao, tsy te handray andraikitra.
Aza adino fa teo aloha fony mbola tsy nekena ho zo io dia efa nisy ny fanalan-jaza noekena, noho ny aretina. Eny fa na dia norarana aza izany.

rabilabila: sokafy tsara ny maso sy ny saina àry hahita ireto insulte tsy hitanao sy tsy tsapanao ireto. Ianao izay mpiteny lava ny hafa ho mpanao insulte a l'intelligence.
Ilay resdaka google: jereo fa nisy namana nilaza fa hoe: ahoana no nisy fipoahana goavana sns... Ianao noho ny fandikana fotsiny izay hita tao amin'ny google, ary namerina izany dia sahy nilaza fa tsy nisy fipoahana izany. Fa efa mba novakinao ve izay voasoratr'i freidmann mikasika an'izany? Moa tongatonga ho azy ve ilay teny hoe: big bang (eny fa na dia teny fanesoana aza)?
Raha mbola tianao ho fantatra dia tsy vitan'ny hoe insulte izay nataonao fa mbola azo lazaina hoe: plaggia ihany koa.

Ny insulte manaraka koa dia ity: ataoko fa fantatrao fa kristiana ny tenako izay miresaka eto: nefa mba jereo kely ity:
Ka rehefa tsipahina ny testamenta taloha dia amin'ny ankapobeny fa tsy izay mi-arrange ihany no raisina ,sa tsy izany moa ry Ika ?

Toa odinao tsy fantatra fa i Kristy no maha kristiana ny kristiana fa tsy baiboly. Toa odinao tsy fantatra koa fa misy ny zavatra tao amin'ny testamenta taloha nolavin'i Kristy na nohavaoziny. Ka raha zavatra efa nolaviny sy nohavaoziny ve dia mbola arahina ihany?

Mbola misy koa ny filazana zavatra tsy misy fandinihana fa entina hanesona ny hafa fotsiny: ohatra ity:
Ka ilay :tsy hitondra fiadanana aho fa hitondra sabatra izany no tokony lazaiko ? Sa azo lazaina indray hoe tsy matio-ista ,ary ilay resaka ao amin'ny apokalypse hoe :lozan'izay vehivavy bevohoka sy mitaiza..........?

Misy koa ny fanaovana zinona izay voalazan'ny hafa, nefa ianao no tsy manara-baovao: ohatra amin'izany ilay resaka hoe: farmasia katolika vitsy dia vitsy no tsy manaiky, tsy manery hivarotra ny fanjakana rehefa tsy mety hivarotra izy, sns...

Ireo no insulte nataonao andrematoa.
Mbola misy hafa raha mbola mila!
Tsy tapitra fa mbola hitohy raha mila fanazavana fanampiny! Fa mialohan’izany dia mandiniha tsara vao miteny.
134. rabilabila ( 07/11/2007 14:22)
Alefaso daholo re Ranona raha izay no maha-diavolana ny sainao a!! Ny ahy efa tapitra . Raha mbola misy te-hanohy tsy misy olana izany akory .
Nisy nampangidihidy ny zavatra nosoratana matoa atao cible e!!
Ndao Rahavako ,làlana io !!:lol:

Hoy Rabilabila mpanao pli-vava sy mpanao plaggia fa tsy mahay n'inon'inona akory .
135. Fody ( 07/11/2007 18:53)
Mbola tsy ampy le izy rabilabila: mpilaza lava ny hafa ho mpanao insulte à l'inteligence, nefa tena tompon'ny insulte!
136. fijo ( 07/11/2007 22:09)
izany hoe i fody no misaina sy hendry ary mpivavaka indrindra eto.

ny olan akely dia tsy mihevitra nytenany ho eto an tany intsony izy fa efa any andanitra sahady.miverena ry ise fa mbola milay eto an
137. tywa68 ( 08/11/2007 09:02)
fijo : hitombo ny membres raha izao no mitohy an :-D
138. pimaso ( 08/11/2007 10:53)
Izay mahasoa ataon'Andriamanitra e!
samia mandray izay tandrify azy, dia miatrika ny vokany avy
okay
139. Fody ( 08/11/2007 14:17)
Raha misy diso izay nolazaiko dia lazao!

tywa68: membre ny amin'inona no hitombo?

Ny mpanala zaza sy mpamono olona ve? Nofy any izany!
140. tywa68 ( 08/11/2007 16:26)
Fody : membres hiditra any @ secte n'i fijo ka ! :-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1217