Raha tsy misy Satana ,izay izany no nanao ireto zvtra ireto?

21. ikaretsaka ( 02/11/2007 14:45)
niryna angaha tsy mbola nanao meditations mihitsy? no tsy mahalala ny nahazo an'i Jesoa tany an'efitra?
22. niryna ( 02/11/2007 15:12)
xxx:

Maninona moa raha entina amin'ny fahatsapan'ny tsirairay izy ity e! Izany hoe ny fanontaniana dia hoe "Efa nahatsapa ny fanodinkodinan'ny Devoly ve ianao?" na koa hoe "Efa nahita olona fitaovan'i Satana ve ianao?"

ahoana tokoa raha efa nahita i xxx ? Mitranga amin'ny zavatra maro ilay izy!
23. kiranil ( 02/11/2007 15:13)
Ikaretsaka> 1- iza aloha izany 'jesoa' resahin'ingahy izany.

2- Averiko eto ambany eto ary ilay nakan'ny devoly fanahy an'i Jesosy Kristy tany an-efitra, dia mba andramo soloina @ hoe "conscience" araky nolazain'ingahy ikaretsaka ilay lazain'i Soratra Masina hoe:'devoly'.

Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly fanahy.

Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.

Dia nanatona ny mpaka-fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.

Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: "Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra" (Deo.8.3).

Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly,

dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: " Izy handidy ny anjeliny ny aminao; ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao" (Sal .91.11.12).

Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: "Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao" (Deo.6.16).

Ary ny devoly nitondra Azy indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny,

dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.

Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; " Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao" (Deo.6 13).

Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.

Fehiny: Anjarantsika tsirairay no milaza na Jesosy Kristy no milaza ny marina na Ikaretsaka..

misaotra
24. diamondra27 ( 02/11/2007 15:52)
satana?

satana dia azo adikaihany koa hoe: devoly, demony

samy manana ny asany avy ireo.

afaka manana endrika maro samy hafa izy. Afaka miditra ato amiko na ao aminao izy ka mampiasa ny heriny.

Hoy Atra : tsy misy mahay manompo tompo 2, na ianao izany manompoan'Atra na manompo an'i satana.
Rehefa manaraka ny tenin'Atra ianao dia manompo an'Atra izay.
Indraindray anefa dia manao ny asa aman-draharaha, Loisirs sns isika ary eny no iasan'ny satana ato anatintsika.

t@ adam sy eva zany de naka endrika menarana ny devoly ... dia voafitaka ny olombelona

25. ikaretsaka ( 02/11/2007 15:53)
dia jereo ara-keviny io ry kiranil fa tsy ara-bakiteny fotsiny a. ary io ilay lazaiko anao hoe indraindray mampiasa Hyperbole koa ny mpanoratra (fa tsy parabole fotsiny)
fa systemen'ny meditations tateraka io raha ara-keviny: entin'ny fanahy any an'efitra (na toerana hafa) mba halaina fanahy (himediter) dia tonga i satana (doute, hanohanana, vulnerability=other version of conscience) nanakorotana azy!
fa hainy ny niady taminy(ny zavatra nampiasain'ilay fisainany heo doute sy famine ihanyno nataony counter attack, ddia voatohiny ireo doutes sy vulnerability ireo.
dia naharesy izy dia notompoin'ny anjely.
Matio no nitantara an'io aloha fa tsy i Jesosy izany mihitsy

Izay ny averiko foana amin-Dramosehoe mba mianara theology dia diniho a fond ny zavatra fa tsy tsimpotsimponina ohatran'io fotsiny nefa tsy fantatra akory ny contexte
Mazava?
26. niryna ( 02/11/2007 16:16)
tsiafoi1:

Tahaka ny fisian\'ny rivotra, tsy hitan\'ny masonao, nefa tsapanao sy renao ny fitsokany dia toy izany koa Satana sy ny anjeliny.
Misy izy fa raha tian\'ireo izay tsy mino ny fisiany ho tsapa ny fisiany de antsoy isan\'andro2 fa hiseho aminao izy.

:roll: toy ilay miantso an\'Atra isan\'andro koa izany ?
ie,afaka manao test daholo na Atra antsoina na ny fanahy ratsy no antsoina fa samy mamaly avy.Ny tsy hitovizany dia Atra mety hananatra toy ny hoe ny zanaka tiany tsy hitsitsiana rotsan-kazo.Satana sy ny miaramilany kosa dia mandambolambo fa misy valiny any aoriana.:wink:
27. niryna ( 02/11/2007 17:12)
http://www.sanatansociety.org/beeld/Paintings/Heidegret_Rauhut/Gods_and_goddesses/hr_ge_durga_demon01_200.gif
inona io ry ireto?:evil::evil::twisted:
28. niryna ( 02/11/2007 17:16)
Nolazaina isika fa kristy dia nandroaka demony

http://kingofpeace.org/images/jesuschillin.jpg
29. kiranil ( 02/11/2007 18:14)
ikaretsaka>

1- Efa voalaza eo daholo ny contexte rehetra ny amin'ny nangalan'i Devoly fanahy an'i Jesosy Kristy, fa ny resaka hoe tsimpona lazain'ingahy aloha dia tsy mitombana ary hita mihintsy fa vokatry ny allergi an-drangahy amin'ny Tenin'Andriamanitra tsotra izao no mahatonga an'ingahy milaza io isaky izay mahatsiaro.

Sa copier-na eto daholo hatrany amin'ny genesisy toko 1 ka hatrany amin'ny apokalipsy toko 22 vao hilaza hoe ao daholo ny contexte momba io??

2- Ekeko ary hoe ingahy tapipahaizana @ theology.

Eto ingahy milaza hoe ::
satana (doute, hanohanana, vulnerability=other version of conscience)

Ary ambadika ingahy milaza ny toy izao ::

izy [satana] koa anisan'ny "zava-boaharin'Andriamanitra"...

moa mety tsy manana basy mety na tsy ampy ny fitaovana ampiasainy ka tsy mifanentana aminy ilay "mpihaza azy"! ..Ohatran'ny hoe hitifitra lalitra @ filesy ohatra !

sy ny hoe ::

fantatro fotsiny ny ahy hoe creature ilay izy...

Izao ve tsy "contradictoire" rangahy ty?? inona ihany ny tena marina e?? "creature" sa "famine" sy "doute"??

any amin'ny hafa moa dia izao ::

ny fika handresena an'i satana?
ny tsy fieritreretana akory ny mampisy azy! raha vao matahotra ny fisiany ianao dia mino azy ianao izay
ohatran'ny le hoe misy ngabesola ao ambany fandriana, dia matahotra tokoa satria mino, nefa ....

Izay zany no ampianarina ireo manao Theology catholique hoe "eritreretina fotsiny hoe tsy misy satana" dia izay??

aleoko ihany tarihin'ny Fanahy Masina raha izany.

3- Ekeko fa matio no nanoratra fa Jesosy Kristy no niteny hoe :
Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; " Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao"

Na amin'ny teny hafa hoe Jesosy Kristy tsy mandray an'i Satana ho resaka hoe "doute" sy "famine" izany, fa "Etre" na "creature" araky ny nolazain'ingahy izay nanota t@ Andriamanitra, nalatsaka tety an-tany, ary maka fanahy sy mamitaka ny olombelona @ fomba rehetra.

Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy
Apokalypsy 12:9

Misaotra.

30. ikaretsaka ( 02/11/2007 19:17)
ka zava-boaharin'Andriamanitra aby na issu an'ny zava boarin'Andriamanitra anie ny doute, creature sy famine e e sa iza ary no ni creer an'ireo??
asantanan'andriamanitra koa anie ny tsy misy e
Credo in unum Deum, Patrem omnipotentem, factorem coeli et terrae, visibilium omnium, et invisibilium sa?

3) Jesosy Kristy no nolazain'i matio niteny hoe "vade retro" .... tsy nahita ny conversation an'i satana sy i Jesoa mihitsy i Matio Ramose :wink: (io ilay teneniko anao hoe: Hyperbolisation)

Dia jereo ny fiatombohan'i Joany amin'ny Apokalipsa sy ny naveriny imbetsaka ao ....
Fahitana, fahitana, vision ho'zy!

31. kiranil ( 02/11/2007 20:20)
1-
Credo in unum Deum, Patrem omnipotentem, factorem coeli et terrae, visibilium omnium, et invisibilium

:lol: maninn tsara?? aluminium?.. miala tsisy fa tsy mahay latin ny aty e.. sady izaho koa moa tsy tapipahaizana amin\'ny theology raha teo..

sa io ilay anontaniana amin\'i mopera dia hoy mopera hoe \"mistery zany zanako!!\" :lol:?

2-
.... tsy nahita ny conversation an\'i satana sy i Jesoa mihitsy i Matio Ramose (io ilay teneniko anao hoe: Hyperbolisation)

Matio nanoratra fa notarihin\'ny Fanahy Masina izy tamin\'izany fanoratana izany, fa tsy sanatria vokatry ny fisainany fotsiny io voalaza io.

\"fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin\'ny Soratra Masina dia tsy efan\'ny fisainan\'ny olona fotsiny ihany;

fa tsy nisy faminaniana avy tamin\'ny sitrapon\'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin\'Andriamanitra no nitenenan\'ny olona araka izay nitondran\'ny Fanahy Masina azy.\" II pet 1:20-21

3-
ka zava-boaharin\'Andriamanitra aby na issu an\'ny zava boarin\'Andriamanitra anie ny doute, creature sy famine e e sa iza ary no ni creer an\'ireo??

Ka raha \"zava-boaharin\'Andriamanitra aby na issu an\'ny zava boarin\'Andriamanitra ny doute sy famine ny creature\";

dia azo ampitoviana daholo ve zany ny zavaboaharin\'Andriamanitra rehetra?? ka hilaza hoe satana=doute=conscience=famine sns??

izany hoe zava-boaharin\'Andriamanitra ny gorille, dia ikaretska koa zavaboaharin\'Andrimanitra. dia azo atao ve ny milaza hoe ikaretsaka=gorille??

asa mety ho marina izany amin\'ingahy fa amiko izany diso. :lol:

Fehiny: Samy hafa satana sy ireo tanisain\'ingahy ireo..

ekeko fa mety mampiasa ny \"doute\",sns satana hamitahana ny olona fa tsy marina kosa ny filazana satana=doute; tahaka ny nolazain\'i ramatoa soanja hoe:: satana=toaka=rongony sns...

Ampafatarin\'ny Tenin\'Andriamanitra izay maha allergique an-drangahy fa Satana misy ary mamitaka izao tontolo izao.

[b]Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin\'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy
Apokalypsy 12:9
[/b]

Ary tsy io lazain\'ingahy hoe : \"ny tsy fieritreretana akory ny mampisy azy! raha vao matahotra ny fisiany ianao dia mino azy ianao izay\"

na ny tsy finoana ny fisiany no hanoherana azy, fa \"politique d\'autruche\" ihany izany.

Izao no nampianarin\'ny tenin\'Andrimanitra ho an\'ireo efa tena zanak\'Andriamanitra tamin\'ny finoana an\'i Jesosy Kristy ho any lalana tokana mahavonjy ::

manetre tena ambanin\'ny tàna-maherin\'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin\'ny fotoan\'andro;
ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55. 22).

Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;

tohero izy, ka miorena tsara amin\'ny finoana hianareo

Misaotra.
32. niryna ( 02/11/2007 20:32)
kiranil:

ikaretsaka>

1- Efa voalaza eo daholo ny contexte rehetra ny amin'ny nangalan'i Devoly fanahy an'i Jesosy Kristy, fa ny resaka hoe tsimpona lazain'ingahy aloha dia tsy mitombana ary hita mihintsy fa vokatry ny allergi an-drangahy amin'ny Tenin'Andriamanitra tsotra izao no mahatonga an'ingahy milaza io isaky izay mahatsiaro.

Hay koa ve hianao mba mahatsapa an'io e,tsy mahazo mamaky baiboly anie hono e,tsy mila manao tsianjery ihany koa ,dia ahoana no hianarana ny tenin'Atra sy ho fiarovana hiadina amin'ny herin'ny satana tsy ny tenin'Atra ihany? Kristy ambony lavitra noho satana,isika ambany noho satana ka raha tsy manana hery avy amin'i kristy isika hiady an'ny satana dia tsy aharesy velively mihitsy.
Kristy aza Zanak'Atra ny tenin'Atra no nataony fafikatrana :D
Hoy Satana naka fanahy Azy tany an'efitra:"Raha Zanak'Atra marina hianao,tena noana mafy izao hianao,maninona ity vato ity tsy hovaina ho mofo.... Mitovy izay ilay izy an.Aleo aloha tsy hi-tsimpona aho fa tsy tian'ika fa ataoko mitovitovy kelllly fotsiny e.Dia ahoana hoy i Kristy? "EFa voasoratra(hoy ny tenin'Atra no hevin'izany amiko an) "tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona ....."
Omeko anao daholo izao rehetra izao raha miankohaka amiko hianao....Io izany dia tsara ho fantatra fa toerana fandalovana ity tany ity ary satana sy ny miaramilany no tompon'ity tany ity :roll: manjaka ka mitady izay haripaka izy isa-mn sy s . Ary dia namaly azy indray i kristy hoe "voasoratra hoe Izaho Jehovah Atrao ihany no hiankohonanao ...."
Ny tenin'Atra no ampinga hiarovana ny satana,ny tenin'Atra no ahalalan-tsika ny marina tokony atao sy ny tsy tian'Atra ataontsika.Ny tenin'Atra ,mahery,
mandratra,mananatra,mampibebaka,mampihaiky ny ratsy natao .....Ka raha tsy misy ny tenin'Atra ahoana no hiadivana ilay hery tsy hita maso kanefa tena hita amin'ny fiainana ny firitsony?
Asa aloha ry ika

33. niryna ( 02/11/2007 20:35)
kiranil:

ikaretsaka>

1- Efa voalaza eo daholo ny contexte rehetra ny amin'ny nangalan'i Devoly fanahy an'i Jesosy Kristy, fa ny resaka hoe tsimpona lazain'ingahy aloha dia tsy mitombana ary hita mihintsy fa vokatry ny allergi an-drangahy amin'ny Tenin'Andriamanitra tsotra izao no mahatonga an'ingahy milaza io isaky izay mahatsiaro.

Sa copier-na eto daholo hatrany amin'ny genesisy toko 1 ka hatrany amin'ny apokalipsy toko 22 vao hilaza hoe ao daholo ny contexte momba io??

2- Ekeko ary hoe ingahy tapipahaizana @ theology.

Eto ingahy milaza hoe ::
satana (doute, hanohanana, vulnerability=other version of conscience)

Ary ambadika ingahy milaza ny toy izao ::

izy [satana] koa anisan'ny "zava-boaharin'Andriamanitra"...

moa mety tsy manana basy mety na tsy ampy ny fitaovana ampiasainy ka tsy mifanentana aminy ilay "mpihaza azy"! ..Ohatran'ny hoe hitifitra lalitra @ filesy ohatra !

sy ny hoe ::

fantatro fotsiny ny ahy hoe creature ilay izy...

Izao ve tsy "contradictoire" rangahy ty?? inona ihany ny tena marina e?? "creature" sa "famine" sy "doute"??

any amin'ny hafa moa dia izao ::

ny fika handresena an'i satana?
ny tsy fieritreretana akory ny mampisy azy! raha vao matahotra ny fisiany ianao dia mino azy ianao izay
ohatran'ny le hoe misy ngabesola ao ambany fandriana, dia matahotra tokoa satria mino, nefa ....

Izay zany no ampianarina ireo manao Theology catholique hoe "eritreretina fotsiny hoe tsy misy satana" dia izay??

aleoko ihany tarihin'ny Fanahy Masina raha izany.

3- Ekeko fa matio no nanoratra fa Jesosy Kristy no niteny hoe :
Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; " Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao"

Na amin'ny teny hafa hoe Jesosy Kristy tsy mandray an'i Satana ho resaka hoe "doute" sy "famine" izany, fa "Etre" na "creature" araky ny nolazain'ingahy izay nanota t@ Andriamanitra, nalatsaka tety an-tany, ary maka fanahy sy mamitaka ny olombelona @ fomba rehetra.

Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy
Apokalypsy 12:9

Misaotra.

:roll:=))=))
34. niryna ( 02/11/2007 20:49)
kiranil:

[
[quote=ikaretsaka]ny fika handresena an'i satana?
ny tsy fieritreretana akory ny mampisy azy! raha vao matahotra ny fisiany ianao dia mino azy ianao izay
ohatran'ny le hoe misy ngabesola ao ambany fandriana, dia matahotra tokoa satria mino, nefa ....

Izay zany no ampianarina ireo manao Theology catholique hoe "eritreretina fotsiny hoe tsy misy satana" dia izay??

aleoko ihany tarihin'ny Fanahy Masina raha izany.

Na amin'ny teny hafa hoe Jesosy Kristy tsy mandray an'i Satana ho resaka hoe "doute" sy "famine" izany, fa "Etre" na "creature" araky ny nolazain'ingahy izay nanota t@ Andriamanitra, nalatsaka tety an-tany, ary maka fanahy sy mamitaka ny olombelona @ fomba rehetra.

=D=D
misaotra anao fa mazava tsara.
Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy
Apokalypsy 12:9

Dia mbola manana anarana maro koa Satana.

Devil,Deceiver,Father of lies,Prince of the world,Serpent,Accuser, Angel of light, Tempter,Lucifer, and Belzabub.:b

Na Devoly,Mpamitaka,Rain'ny mpandainga,Mpanjakan'izao tontolo izao,bibilava na menarana,Mpanendrinkendrika,Anjelin'ny Fahazavana,Mpaka fanahy,Losifera ary Belizaboba

:roll: ka raha misy manana anarana betsaka toy ireo ve dia hilaza ny sasany fa tsy misy Izy .:idea: mampatonga saina ihany raha izany ka
Izy tokoa anie mampianatra ireo tsy mino an'Atra fa tsy misy hono izy e.
"Satan makes you believe that there is no Satan !!"

35. ikaretsaka ( 02/11/2007 21:21)
Na amin'ny teny hafa hoe Jesosy Kristy tsy mandray an'i Satana ho resaka hoe "doute" sy "famine" izany, fa "Etre" na "creature" araky ny nolazain'ingahy izay nanota t@ Andriamanitra, nalatsaka tety an-tany, ary maka fanahy sy mamitaka ny olombelona @ fomba rehetra.

.nandray i jesoa ka.. fa ny nitantaran'ny mpanoratra izany no hafa
dia izay anie no vaonilazako an'i niryna teo hoe:
Rakakabe, ngabesola, sns.. ve dia hoe...
36. niryna ( 02/11/2007 21:57)
ikaretsaka:

=))
37. niryna ( 02/11/2007 22:03)
diamondra27:

satana?

satana dia azo adikaihany koa hoe: devoly, demony

samy manana ny asany avy ireo.

afaka manana endrika maro samy hafa izy. Afaka miditra ato amiko na ao aminao izy ka mampiasa ny heriny.

Hoy Atra : tsy misy mahay manompo tompo 2, na ianao izany manompoan'Atra na manompo an'i satana.
Rehefa manaraka ny tenin'Atra ianao dia manompo an'Atra izay.
Indraindray anefa dia manao ny asa aman-draharaha, Loisirs sns isika ary eny no iasan'ny satana ato anatintsika.

t@ adam sy eva zany de naka endrika menarana ny devoly ... dia voafitaka ny olombelona

=D ^:^
38. ikaretsaka ( 02/11/2007 22:25)
niryna:
Dia mbola manana anarana maro koa Satana.

Devil,Deceiver,Father of lies,Prince of the world,Serpent,Accuser, Angel of light, Tempter,Lucifer, and Belzabub.

Na Devoly,Mpamitaka,Rain'ny mpandainga,Mpanjakan'izao tontolo izao,bibilava na menarana,Mpanendrinkendrika,Anjelin'ny Fahazavana,Mpaka fanahy,Losifera ary Belizaboba

raha asiako anarana bedebe ilay zavatra tiako hampitahorana an'i niryna ao ambany fandriananareo ao hoe : Ngabesola,kalanoro, avelo, rakakabe, mpakafo, mpaka ra, horera. lolo vokatra, werewolf, zombie
dia hanoratra boky momba izany aho dia asaiko ho vakian'i niryna! dia hatahotra ve i niryna? de hino ve niryna?
de toy izany io
39. fijo ( 02/11/2007 23:24)
io azavain'ika io no handraisako ny resaka.nisintaka nankany an'efitra izy de nanao fandinihantena,de tonga teo ny ahiahy (izay lazaina hoe satana eto)fa tsy hoe nisy hendrika jiro na rano na afo niresaka taminy.
40. soanja ( 03/11/2007 01:33)
xxx:

Io boky baiboly io ry Niryna dia tsy azo raisina hoe izao ny voalaza dia izay tokoa no zavamisy.

Diso.

ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin\'ny Soratra Masina dia tsy efan\'ny fisainan\'ny olona fotsiny ihany;

fa tsy nisy faminaniana avy tamin\'ny sitrapon\'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin\'Andriamanitra no nitenenan\'ny olona araka izay nitondran\'ny Fanahy Masina azy. II pet 1

Tsy efan\'ny fisianan\'ny olona fotsiny ny fanazavana ny voambara ao matoa tsy azonao. Fa tsy hoe milaza zavatra tsy misy akory ny Soratra Masina.

Avy amin\'ireo ny hiaingan\'ny tsara sy ny ratsy ary avy amin\'ireo no mitondra ny vokatra rehatra

Tsy mazava. ireo iza? vokatra inona? miainga oana ny ratsy sy ny tsara? inona no tsara inona no ratsy?

MIVAVAHA ARY MIAMBENA ANDRO AMANALINA FA HANJAKA ANDRIAMANITRA ANY AMIN\'NY FARANY

Iza izany andriamanitra izany?

Ny fahadisoana eo anatrehanao mety tsy fahadisoako satria maso samihafa ny hijerevantsika azy an.

Satana dia voalaza ao anaty Biaboly saingy simbolika io fa tsy tena ilay etre akory no misy. Amiko dia fisehoana na feature iray ao amin'ny olombelona ny antsoina hoe spiritual conflict na fakam-panahy. Io no azo lazaina hoe Satana ao anatin'ny tsirairay ary manjaka io refa tsy ampy vavaka.

Safidy tsy ampy fandinihana no mitarika amin'io fahaverezana io.

Io ny herin'ny vatana ary mitaky tokoa fahafinaretana na fahatongavana amin'izany na amin'ny sainao na ny vatanao rahateo. Io dia manjaka vetivety ary matetika ahitana fahasambarana vetivety saingy mitarika foana amin'ny fahafatesana rehefa tsy araka tsy voa control.

Na dia tsy tia manatsonga teny ao amin'ny baiboly aza aho dia handray androany satria io no mety takian'ny sainao mpamaky ny hevitro de mba hampandrindra azy amin'ny tiako resahina.

Jakoba 1:14- 15

14 fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy.
15 Ary ny filana, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka dia miteraka fahafatesana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0106