apokalipsy

41. ikaretsaka ( 31/10/2007 00:12)
tsy hita e.. ity fiainana ity any yyy:wink:
42. LazaDaddy ( 31/10/2007 00:13)
43. Mandefitra ( 31/10/2007 06:39)
Fody:
Inona amin'ny Dogme sy ny Doctrine kristiana no lazainao fa mifanohitra amin'ny fampianaran'i Kristy? Ilazao iray ihany aho dia ampy satria raha ny fahitako azy dia tsy misy na dia iray aza mifanohitra amin'ny Evanjely.

ohatra :)

"Si quelqu'un affirme que le sacrifice de la messe est seulement un sacrifice de louange et d'actions de grâces ou que c'est une simple commémoration du sacrifice réalisé sur la croix, et non pas un sacrifice propitiatoire, ou qu'il n'est utile qu'à celui qui le reçoit et qu'il ne doit pas être offert pour les vivants et les morts, pour leurs péchés, peines, satisfactions ou d'autres besoins, qu'il soit anathème!" (Canon 3).

Hebreo9 :24 Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
25 ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa;
26 fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany.
27 Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,
28 dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.


"Si quelqu'un affirme que c'est une imposture de célébrer la messe en l'honneur des saints, afin d'obtenir leur intercession auprès de Dieu, selon l'intention de l'Eglise, qu'il soit anathème!" (Canon 5).

ITimoty 2:5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
6 sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao.

Galatiana 1:8 Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy [manohitra] izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.
44. ikaretsaka ( 31/10/2007 14:15)
1) ka iza no mijaly matetika aloha izao e.. ? nandritra ny nanaovana izao tontolo izao? mino aho fa tsy ireo mpamonjy lamesa aloha e .
Dia iza no inoana i paoly sa i Jesoa nanao hoe "Ataovy izoa ho fahatsiarovana ahy"
ny ahy aloha aleoko i Jesoa e

2)Ilay fomba sy fika hahazoana io fanalalana io no tsy azon'i mandefitra! @ izao fotsiny ary ve?
ary rehefa messe ange Jesoa Kristy no ankalazaina e
45. methode ( 31/10/2007 14:27)
Naka fotoana mihitsy aho namaky ny valinteny rehetra. Misy ao milaza hoe mamerimberina vavaka. Mandainga izay karazana fiangonana milaza fa tsy mamerimberina vavaka satria saika izay fiangonana rehetra fantatro dia mampiasa ny salamo daholo! Vavaka ange io fa tsy tononkalo na tononkira fotsiny e! Ireo hira izay tsy mitsahatra averimberina impolo kely dia vavaka sy tonombavaka koa, nefa dia averimberina hiraina foana. Ireo karazana fiangonana vaovao ireo indray dia mbola ny hira tao amin\'ny fiangonana nialany no ampiasainy na mody ovaina kely fotsiny ny tonony na feony na ny gadona. Izany hoe ny foto-kevitra niainana tao ihany no iainana fa mody ovana kely fotsiny ny fomba filaza azy.
Ny ankamaroan\'ireo mpanorina Fiangonana vaovao antsoina hoe sekta ireo dia saika niofana ho pretra na relijiozy daholo. Nanahoana ny fiainan\'izy ireo nandritra izany fiofanana izany? Moa ve azony tsara ny fampianarana? Raha misy tsy feno kely mantsy dia hivadika tanteraka ny hevitry ny zavatra tiana ampitaina.Ohatra hoe manoratra hoan\'ny namanao ianao hoe \"Omeko anao ilay tany ao avara-tanàna ao\", ka hadinonan\'ilay nanoratra ny n tamin\'ny hoe tany dia lasa hoe \"Omeko anao ilay tay ao avara-tanana ao\". Dia oahtran\'izay koa ny fahazahoana izay lazaina amin\'ny Baiboly ao. raha misy hadino na iniana hadinoina dia hiova tanteraka ny hevitry ny voalaza ao. Mety hanohitra izay voalazan\'i Jesoa mihitsy aza. Aza hadino fa efa nampiasain\'ny demony ho fitaovana iarovany tena ny Soratra masina.
Momba ny hoe aza miantso hoe Ray dia mila dinihina tsara ny tena hevitr\'io. Mitovy ihany amin\'ilay hoe : \"Iza no reniko sy rahalahiko ary anabaviko?\". Ao anatin\'ny didin\'Andriamanitra misy hoe: \"Manaja ny ray aman-dreninao mba ho ela velona ianao\".
Momba ny hoe Papa Ray Masina: Ny olona rehetra mihitsy no antsoina ho masina, ka amin\'ny maha-filoha mpitarika azy dia rariny raha heverinafa modely izy. Ny Kristianina ange nantsoina hoe\" Olomasina\" tamin\'ny andron\'ny apostoly e! Ary ny olomasina tsy hoe ny Fiangonana no nanamasina azy fa ny fiainany no milaza amin\'ny Fiangonana fa olomasina izy ka tokony alain-tahaka.
46. ikaretsaka ( 31/10/2007 14:53)
miombon kevitra amin'i methode.

47. pissoa ( 31/10/2007 15:47)
methode : tiko be le ohatra :-D:-D:-D:-D:-D
48. ikaretsaka ( 31/10/2007 16:21)
methode:
. raha misy hadino na iniana hadinoina dia hiova tanteraka ny hevitry ny voalaza ao. Mety hanohitra izay voalazan'i Jesoa mihitsy aza. Aza hadino fa efa nampiasain'ny demony ho fitaovana iarovany tena ny Soratra masina.

Aouch!
49. fijo ( 31/10/2007 21:56)
nivoana be tamin'ilay resama maiol isika anaka isany
50. imaitsoanala ( 31/10/2007 22:32)
majesty: amiko resa bola io
fomba fitadiavam bola moderna io
ny ankotr izay amiko diso
misy koa mantsy oul ts tia tarihina fa motarika no tiny sa aona?
51. fijo ( 31/10/2007 22:40)
za koa izao mitarika ka
52. methode ( 02/11/2007 07:02)
fijo: Tsy mivoaka mihitsy io satria maiol tafiditra ao anatin'ireo voalazako rehetra ireo!:roll:
53. ikaretsaka ( 02/11/2007 14:59)
miombon-kevitra @ methode
54. fijo ( 03/11/2007 00:14)
voa izany maiol le
55. methode ( 04/11/2007 15:09)
fijo: Tsy voa izy ka!:lol:
56. ikaretsaka ( 05/11/2007 00:21)
izy aza no manao hoe

" Jehova o!dera sy laza anie ho anao fa nomenao ahy vahoaka dondrona , ampitahoriko kely dia mahavita Isotry-Ambondrona

Toriako teny iizy dia lalaoviko amin'ny saokany
ampitahoriko kely dia lasako ny 1/10 kapoakany

asaiko atsangany ny tanany
dia alaiko ny fananany
za mandeha mitsilapika ao anaty katkatra
izy 20 kilometaatra handehanany mibatra"

(Hira Gasin'ny zaza navelan'iRabertine avy ao Mbatolapy henoko tamin'ny famadihana t@ herintaona izany:-D)
57. Mandefitra ( 06/11/2007 08:48)
ikaretsaka:
1) ka iza no mijaly matetika aloha izao e.. ? nandritra ny nanaovana izao tontolo izao? mino aho fa tsy ireo mpamonjy lamesa aloha e .
Dia iza no inoana i paoly sa i Jesoa nanao hoe "Ataovy izoa ho fahatsiarovana ahy"
ny ahy aloha aleoko i Jesoa e

ka ny lamesa lazainareo ho " un sacrifice propitiatoire" no manohitra ny hoe "dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena."
Sady Paoly nga nanohitra an'i Jesosy mo @ zany... Indray mandeha ihany Jesosy no nanolotra ny Ainy, vita ny Famonjena, anjarantsika ny mandray zany @ finoana Azy, sy ny Fahatsiarovana sy ny fiombonana Aminy @ fandraisana ny fanasan'ny Tompo ...
58. ikaretsaka ( 06/11/2007 15:58)
Raha ny lojikanao aloha dia raha tsy nahalala an'i paoly sy i Jesoa dia mifanohitra be ireo e! soa fa olona samy nahalala no miresaka
raha ny lojikanao manko dia manohitra@ ilay hoe "ataovy izao ho fahatsiarovana ahy, fa isaky izay mihinana @ izao mofo izao sy misotro @ zao kalisy izao ianareo dia manambara ny nahafatesako, ny nitsanganako , ary ny hiverenako am-boninahitra "(1Kor 11.25-27)
ny "tsimpona" nambaranao nolazain'i Paoly io

ary i Paoly aza nilaza ny momban'io Sakramentan'ny lamesa io foana any @ taratasiny maro, anefa...

Raha in 1 izy anie izany dia afaka manota foana isika mandra pa e, natao batemy isika de mino azy dia dioviny ny otantsika na inona na inona ataontsika, izay izany de ampy fa andao @ izay hirevy,... lojikan'i fijo...:roll:

aza tsimponina fotsiny ho'a de aza izay tiatiana sy metimety ihany no alaina fa izy rehetra!
59. fijo ( 07/11/2007 00:19)
tsara le tononkira
60. ikaretsaka ( 07/11/2007 00:25)
fijo.. f'hita wa:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.008