apokalipsy
21. prime
(
30/10/2007 12:29)
ikaretsaka> dia inona no maha"Papa Ray Masina" ny "Pape" raha izany? tsy misy ifandraisany amin'i Petera intsony mantsy izy na ara-pinoana na ara-tsoratra masina na ara-tantara... sa?
22. xxx
(
30/10/2007 16:23)
prime [ Valio ] 30-10-2007 13:29:29
Lohateny : Re : apokalipsy
ikaretsaka> dia inona no maha"Papa Ray Masina" ny "Pape" raha izany? tsy misy ifandraisany amin'i Petera intsony mantsy izy na ara-pinoana na ara-tsoratra masina na ara-tantara... sa?
Fa angaha hono izy io Papa Ray Masina ???8O
Isika eto an-tany rehetra na iza na iza dia panota beuuuuuuuuuu doly ko izy ko no ho masina? Raha masina izy efa la sa niakatra tany an-danitra....
23. ikaretsaka
(
30/10/2007 16:45)
prime:
ikaretsaka> dia inona no maha"Papa Ray Masina" ny "Pape" raha izany? tsy misy ifandraisany amin'i Petera intsony mantsy izy na ara-pinoana na ara-tsoratra masina na ara-tantara... sa?
Tsy hiala lavitra aho fa ataoko "soratra masina" ilay ifanekentsika fotsiny ary ny porofo!
amin'ilay izy hoe "dimbi"n'i Md piera la! sady ara tantara io no ara -pinoana ka
Asa 1:15-26; 2 Tim 2:2; Tit 1:5 ... Mitohy foana ilay fifandimbiasana sy fanendrena.
Lk 16:24; Rom 4; 1 Cor 4:14-15; Asa 7:2; 1 Thess 2:11; 1 Jn 2:13-14 ... "Tsi azo atao ny miantso olona hoe Ray? ko naninona ireo olona rehetra ireo no nantsoina hoe "ray", sy niantso ny tenany hoe Ray?
Vao eo fotsiny d'efa ireo sahady!
Whole whole! jerena aby fa tsy izay tiatiana ihany rankizy o!
Mbola mila tohizana @ ireo Taratasy sy soratra sy raiky-tantara tsy ekenareo ve?:wink:
24. Fody
(
30/10/2007 18:41)
Ho raisiko kely ity resaka ity hanampiko izay efa voavalin'ny namana.
ny voalaza dia izao: @ fivavahana katolika dia izay doctrine sy dogme apetraky ry papa sy mopera isany dia tsy maintsy arahina sy hekena fa marina. na dia mazava be aza fa mifanohitra amin'ny fampianaran'i Jesosy Kristy sy ny sitrapon'Andriamanitra.
Tsy ny papa sy mopera no mamaritra ny doctrine sy ny dogme-n'ny Fiangonana, fa avy amin'ny fandinihana masina ataon'ireo Eveka maromaro.
Inona amin'ny Dogme sy ny Doctrine kristiana no lazainao fa mifanohitra amin'ny fampianaran'i Kristy? Ilazao iray ihany aho dia ampy satria raha ny fahitako azy dia tsy misy na dia iray aza mifanohitra amin'ny Evanjely.
Jesosy nampianatra mazava tsara hoe :
"raha mivavaka ianareo, dia aza manao teny maro foana tahaka ny jentilisa, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hiainoana azy" Matio 6:7
Ny tianao lazaina angamba dia ny fanaovana sapile. Io no tianao ambara fa vavaka misy teny maro.
Moa azonao tsara ve izay tian'i Kristy lazaina amin'io teny maro io?
Raha manao sapile ny katolika dia tsy misy teny maro araka ny fahalalanao azy ao: teny vitsivitsy no lazainy ary averimberiny.
Raha tsy fantatrao àry izay tondroin'i Kristy hoe: manao teny maro dia izao: toy ilay mpanora-dalana nitanisa ny zava-bitany teo anatrehan'Andriamanitra. Tsy nanisy sira an'ilay Andriamanitra ivavahany fa nijery ny zava-bitany fotsiny. Tsy mitovy amin'izany mihitsy no ataon'ireo olona manao sapile. Mamerina lalandava ny fiekeny fa Andriamanitra i Jesoa, ny Fiekena fa Ray Andriamanitra, ary zanaka izy, ary farany dia miaiky fa mpanota. Manampy ireo dia mandinika ny misterin'ilay Teny tonga nofo izy.
Tsoriko fa raha misy ny maro teny rehefa mivavaka dia sahala amin'ireny ao amin'ny FM foi ireny, ireny ao amin'ny Radio MRE ireny, ireny ao amin'ny fiangonana Jesosy mamonjy ireny, sns... Ilay vavaka lavareny tsy misy farany, ary sepotra mihitsy ilay olona manona azy noho ny vazavaza sy ny fihetsiketsehana isan-karazany... (io dia maharitra eo amin'ny 15mn eo raha kely indrindra) Rehefa tsy mahita holazaina moa dia vetesina mafy dia mafy ny Amen sy ny Aleloia...
-Jesosy koa nampiantra mazava tsara izao ny hoe: "Aza milaza olona ety an-tany ho rainareo; fa iray no Rainareo dia izay any an-danitra" Matio 23:9...
kanefa diniho ny zavamisy ao @ io fivavahana io.
Aza afangaro ny Ray lazain'i Jesoa eto sy ny ray iantsona ireo ray aman-dreny. Ny Ray lazainy eto dia Andriamanitra Ray. Raha miantso ny pretra na ny Pape hoe père dia tsy midika fa mitovy amin'Andriamanitra Ray mihitsy izy ireo.
Diniho ny tantara fa noararan'ny fiangonana katolika ny famakiana ny Soratra Masina ary voaenjika, novonoina sy nodorana mihintsy izay manana sy mamaky ny Soratra Masina satria mahita ny zavatra mifanohitra @ fampianarana azo avy @ dry mopera zezoita... sns..
Tsy norarana, ary tsy nohenjehana mihitsy izay namaky ny Baiboly. Porofon'izany dia maro ireo olona laika no nahalala sy niaina ny Soratra Masina.
Raha efa nijery sy namaky ny fampiasaham-panahy ianao, na efa nanao Fampiasam-panahy dia nahita soa aman-tsara fa mifototra tanteraka amin'ny Baiboly ny Fampiasam-panahy. Raha tsy misy Baiboly eny an-tanana dia sarotra ny hanaovana io fampiasam-panahy io. Fandinihana masina manomboka hatrany amin'ny faharina io ka hatramin'ny fotoana iainan'ilay olona manao azy.
Noho izany diso ny filazanao hoe: ny zezoita dia nandrara ny famakina ny Baiboly. Tiana ny manamarika fa tsy nitarika ny olona hamaky ny Baiboly fotsiny izy, fa nampianatra sy nitaona ny olona koa handinika ny Soratra Masina sy iaina izany isan'andro.
William Tyndale ohatra izay nandiaka ny Soratra Masina ho amin'ny fiteny anglisy mba ahazoan'ny maro ny tena sitrapon'Andrimanitra, dia anisan'ireo nosamborina sy nodoran'ny fiangonana.
Ekena fa nisy ny hadison'ny Fiangonana. Fa ny zavatra tiana marihana kosa tamin'izany fotoana izany dia izao: Maro ny hevitra diso niely, ary aoka ho fantatrao fa tsy ny rehetra no afaka hahalala sy hahatakatra izay lazain'ny Baiboly.
Firy no niteny fa tsy Andriamanitra i Jesoa? Noho ny dikan-teny diso natao, hatramin'izao fotoana iainantsika izao, firy ny olona mandray vilana ny Baiboly, na mbola mitana ny hevi-diso niaraha-nahita tany amin'ny taon-jato fahagola sns...
25. pissoa
(
30/10/2007 20:43)
Lasa mifantoka amin'ny Katolika le resaka fa tsy amin'ilay Maiol ! Misaotra an'i Fody fa hahay tantara ihany ny farany :-D:-D:-D
Maintsoanala : attention fa Maiol toa anie no prezidà amin'ny 2013 e ! Sa moa efa tamin'ny 2000 ny farandro :oops::-D:-D:-D
Maintsoanala : attention fa Maiol toa anie no prezidà amin'ny 2013 e ! Sa moa efa tamin'ny 2000 ny farandro :oops::-D:-D:-D
26. pissoa
(
30/10/2007 20:44)
Ooops, sorry sorry sorry! imaitsoanala fa tsy Maintsoanala :oops::oops::oops:
28. fijo
(
30/10/2007 21:26)
maitsoanala an,henoy daholo izay lazain'ny olona fa aza arahana ny redirediny
29. kiranil
(
30/10/2007 22:18)
Lk 16:24; Rom 4; 1 Cor 4:14-15; Asa 7:2; 1 Thess 2:11; 1 Jn 2:13-14 ... "Tsi azo atao ny miantso olona hoe Ray? ko naninona ireo olona rehetra ireo no nantsoina hoe "ray", sy niantso ny tenany hoe Ray?
Lioka 16:24 ::
Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.
Iza io olona nianto hoe 'ray' an'i Abrahama eto io?
Voalaza eo @ andininy 19:
"lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan-andro tamin'ny fahafinaretana."
-->> Dia hoe : satria ilay mpanakarena nanarapo fotsiny t@ fahafinaretana tety antany niantso an'i abrahama hoe ray, dia azo atao koe ny miantso olona ety an-tany hoe papa ray masina?
Hoy Jesosy Kristy::
"Aza milaza olona ety an-tany ho rainareo; fa iray no Rainareo dia izay any an-danitra"
Mbola hitohy..
Teny gasy mazava tsara izany.
30. fijo
(
30/10/2007 22:23)
raha izao dia ratsy koa ny fananana harena ety an tany.ny vazaha no nilaza hoe sambatra izay mahantra ety an tany fa azy ny fanjakanny lanitra.ie de amin'izay azy "vazaha"irery ny harena ety,fa ny anareo ilay tsy mbola nisy nahita no ampanantenany
31. kiranil
(
30/10/2007 22:24)
Lk 16:24; Rom 4; 1 Cor 4:14-15; Asa 7:2; 1 Thess 2:11; 1 Jn 2:13-14 ... "Tsi azo atao ny miantso olona hoe Ray? ko naninona ireo olona rehetra ireo no nantsoina hoe "ray", sy niantso ny tenany hoe Ray?
Lioka 16:24 ::
Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.
Iza io olona nianto hoe 'ray' an'i Abrahama eto io?
Voalaza eo @ andininy 19:
"lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan-andro tamin'ny fahafinaretana."
-->> Dia hoe : satria ilay mpanakarena nanarapo fotsiny t@ fahafinaretana tety antany niantso an'i abrahama hoe ray, dia azo atao koe ny miantso olona ety an-tany hoe papa ray masina?
Hoy Jesosy Kristy::
"Aza milaza olona ety an-tany ho rainareo; fa iray no Rainareo dia izay any an-danitra"
Mbola hitohy..
Teny gasy mazava tsara izany.
32. ikaretsaka
(
30/10/2007 23:03)
dia aza io fotsiny no alaina fa ilay hoe contexte hoe azo antsoina "Ray malala"
miampy ilay rehetra nolazaiko ireo
dia aoka hitohy araka ilay izy ra kiranil a a
[quote=Fody]Aza afangaro ny Ray lazain'i Jesoa eto sy ny ray iantsona ireo ray aman-dreny. Ny Ray lazainy eto dia Andriamanitra Ray. Raha miantso ny pretra na ny Pape hoe père dia tsy midika fa mitovy amin'Andriamanitra Ray mihitsy izy ireo.[/quote
Efa tantara be teto koa io saika naha LazaTsyDaddy an'i LazaDaddy:-D
aza tohizina amin'ny diska loaka

39. ikaretsaka
(
30/10/2007 23:59)
ka zavatra mampihomehy nampalahelo ilay izy dia sady mihomehy no mangoraka e...